< Waamuzi 12 >

1 Watu wa Efraimu wakaita majeshi yao, wakavuka kwenda Zafoni, wakamwambia Yefta, “Kwa nini mmekwenda kupigana na Waamoni bila kutuita ili twende pamoja nawe? Basi tutaichoma moto nyumba yako, pamoja nawe ukiwa ndani yake.”
Ary nivory ny lehilahy amin’ ny Efraima, dia nandeha nianavaratra ka nanao tamin’ i Jefta hoe: Nahoana no nandeha niady tamin’ ny taranak’ i Amona ianao ka tsy mba niantso anay hiaraka aminao? Hodoranay amin’ ny afo ny tranonao sy ianao.
2 Yefta akajibu, “Mimi na watu wangu tulikuwa na ugomvi mkubwa na Waamoni, hata ingawa niliwaita hamkuniokoa katika mkono wao.
Fa hoy Jefta taminy: Izaho sy ny oloko efa nanana ady mafy tamin’ ny taranak’ i Amona; ary niantso anareo aho, fa tsy namonjy ahy tamin’ ny tànany ianareo.
3 Nilipoona kuwa hamkunipa msaada nikauhatarisha uhai wangu na nikavuka kupigana na Waamoni. Naye Bwana akanipatia ushindi dhidi yao. Sasa kwa nini mnanijia leo ili kupigana nami?”
Ary rehefa hitako fa tsy namonjy ahy ianareo, dia nanao ny aiko tsy ho zavatra aho ka nandeha niady tamin’ ny taranak’ i Amona, ary natolotr’ i Jehovah teo an-tanako izy, koa nahoana ianareo no miakatra atỳ amiko anio hila ady amiko?
4 Ndipo Yefta akakusanya watu wa Gileadi pamoja na kupigana na Efraimu. Wagileadi wakawashinda Efraimu, kwa kuwa Waefraimu walisema, “Ninyi Wagileadi ni watoro mliotoroka toka Efraimu na Manase.”
Ary Jefta dia namory ny lehilahy rehetra amin’ ny Gileada ka niady tamin’ ny Efraima; ary dia namely ny Efraima ny lehilahy amin’ ny Gileada, satria hoy ireo: Hianareo Gileadita dia mpandositra avy amin’ ny Efraima ao amin’ ny taranak’ i Efraima sy Manase.
5 Wagileadi wakaviteka vivuko vya Yordani dhidi ya hao Waefraimu, kisha ilikuwa yeyote yule aliyenusurika katika Efraimu aliposema, “Niache nivuke,” hao watu wa Gileadi walimuuliza, “Je wewe ni Mwefraimu?” Kama alijibu “Hapana,”
Dia novonjen’ ny Gileada ny fitàna any Jordana mankany amin’ ny Efraima; ary nony niteny ny mpandositra avy amin’ ny Efraima nanao hoe: Aoka mba hita aho; dia hoy ny lehilahy amin’ ny Gileada taminy: Efraimita va ianao? ary raha hoy izy: Tsia,
6 walimwambia, “Sawa, sema ‘Shibolethi.’” Iwapo alitamka, “Sibolethi,” kwa sababu hakuweza kutamka hilo neno sawasawa, walimkamata na kumuua hapo kwenye vivuko vya Yordani. Waefraimu 42,000 waliuawa wakati huo.
dia hoy izy ireo taminy: Tonony ary ny hoe Shiboleta; fa hoy kosa izy: Siboleta, satria tsy nahay nanonona izany marina izy. Dia nisambotra azy ireo ka namono azy teo amin’ ny fitàna ao Jordana; ary nahafatesana roa arivo sy efatra alina ny Efraimita tamin’ izany andro izany.
7 Yefta akawa mwamuzi wa Waisraeli kwa muda wa miaka sita. Basi Yefta akafa, akazikwa katika mmojawapo wa miji ya Gileadi.
Dia nitsara ny Isiraely enin-taona Jefta. Ary maty Jefta Gileadita ka nalevina tao amin’ ny tanana anankiray any Gileada.
8 Baada yake, Ibzani wa Bethlehemu akawa mwamuzi wa Israeli.
Ary Ibzana, avy any Betlehema, no nitsara ny Isiraely nandimby an’ i Jefta.
9 Alikuwa na wana thelathini na binti thelathini. Akawaoza binti zake kwa watu wengine nje ya ukoo wake, na kuwatwalia wanawe wanawake thelathini toka nje ya ukoo wake. Ibzani akawa mwamuzi wa Israeli kwa muda wa miaka saba.
Ary izy nanana zanakalahy telo-polo sy zanakavavy telo-polo, izay nampanambadiny tany ivelany, ary zazavavy telo-polo kosa no nampidiriny ho an’ ny zananilahy. Ary nitsara ny Isiraely fito taona izy.
10 Ibzani akafa, akazikwa huko Bethlehemu.
Dia maty Ibzana ka nalevina tany Betlehema.
11 Baada yake Eloni, Mzabuloni, akawa mwamuzi wa Israeli, naye akawaamua kwa muda wa miaka kumi.
Ary Elona Zebolonita no nitsara ny Isiraely nandimby azy; ary nitsara ny Isiraely folo taona izy.
12 Kisha Eloni akafa, akazikwa katika Aiyaloni, katika nchi ya Zabuloni.
Dia maty Elona Zebolonita ka nalevina tany Aialona ao amin’ ny tanin’ ny Zebolona.
13 Baada yake, Abdoni mwana wa Hileli, Mpirathoni, akawa mwamuzi wa Israeli.
Ary Abdona, zanak’ i Elela, avy any Piratona, no nitsara ny Isiraely nandimby azy.
14 Naye akazaa wana arobaini na wana wa wanawe thelathini waliopanda punda sabini. Akawa mwamuzi wa Israeli kwa muda wa miaka minane.
Ary nanana zanakalahy efa-polo sy zafy telo-polo izay nitaingina zana-boriky fito-polo izy, ary nitsara ny Isiraely valo taona.
15 Ndipo Abdoni mwana wa Hileli, Mpirathoni, akafa, naye akazikwa huko Pirathoni katika Efraimu, katika nchi ya vilima ya Waamaleki.
Dia maty Abdona, zanak’ i Elela, avy any Piratona, ka nalevina tany Piratona, any amin’ ny tanin’ ny Efraima any amin’ ny tany havoan’ ny Amalekita.

< Waamuzi 12 >