< Yuda 1 >

1 Yuda, mtumwa wa Yesu Kristo na nduguye Yakobo: Kwa wale walioitwa, wapendwa katika Mungu Baba na kuhifadhiwa salama ndani ya Yesu Kristo:
Joda, mpanompon’ i Jesosy Kristy sady rahalahin’ i Jakoba, mamangy izay olona voantso, malala ao amin’ Andriamanitra Ray sy voatahiry ho an’ i Jesosy Kristy;
2 Rehema, amani na upendo viwe kwenu kwa wingi.
hampitomboina ho anareo anie ny famindram-po sy ny fiadanana ary ny fitiavana.
3 Wapendwa, ingawa nilikuwa ninatamani sana kuwaandikia kuhusu wokovu ambao tunaushiriki sisi sote, niliona imenipasa kuwaandikia na kuwasihi kwamba mwitetee imani iliyokabidhiwa watakatifu kwa nafasi moja itoshayo.
Ry malala, raha manao izay zotom-po rehetra hanoratra aminareo aho hilaza ny amin’ ny famonjena iombonantsika, dia nisy nahatery ahy hanoratra aminareo, hananatra mba hiezahanareo mafy hiaro ny finoana izay efa voatolotra indray mandeha monja ho an’ ny olona masìna.
4 Kwa kuwa kuna watu waliojipenyeza kwa siri katikati yenu, watu walioandikiwa tangu zamani hukumu hii, waovu, wapotoshao neema ya Mungu wetu kuwa ufisadi wakimkana yeye aliye Bwana wetu wa pekee, Bwana Yesu Kristo.
Fa misy olona sasany efa niditra misokosoko, izay voasoratra fahiny ho amin’ izany fahamelohana izany, dia olona ratsy fanahy izay mamadika ny fahasoavan’ Andriamanitsika ho fijejojejoana sady nandà ny Andrian-tokana, dia Jesosy Kristy Tompontsika.
5 Ingawa mmekwisha kujua haya yote, nataka niwakumbushe kuwa Bwana akiisha kuwaokoa watu wake kutoka nchi ya Misri, baadaye aliwaangamiza wale ambao hawakuamini.
Ary ta-hampahatsiaro anareo aho, na dia efa fantatrareo rahateo aza ny zavatra rehetra, fa rehefa novonjen’ ny Tompo ho afaka tany Egypta ny olona, dia naringany ihany tao aorian’ izany izay tsy nino.
6 Nao malaika ambao hawakulinda nafasi zao, lakini wakayaacha makao yao, hawa amewaweka katika giza, wakiwa wamefungwa kwa minyororo ya milele kwa ajili ya hukumu Siku ile kuu. (aïdios g126)
Ary ny anjely izay tsy nitana ny anjara-fanapahany, fa nandao ny fonenany, dia voahazony amin’ ny fatorana mandrakizay ao amin’ ny maizina ho amin’ ny andro fitsarana lehibe. (aïdios g126)
7 Vivyo hivyo, Sodoma na Gomora na pia ile miji iliyokuwa kandokando, ambayo kwa jinsi moja na hao, walijifurahisha kwa uasherati na kufuata tamaa za mwili zisizo za asili, waliwekwa wawe mfano kwa kuadhibiwa katika moto wa milele. (aiōnios g166)
Ary toy izany koa, Sodoma sy Gomora mbamin’ ny tanàna nanodidina azy, izay nijangajanga tahaka azy koa ka lasa nanaraka nofo hafa, dia aseho ho fananarana amin’ ny iaretany fijaliana amin’ ny afo maharitra mandrakizay. (aiōnios g166)
8 Vivyo hivyo, hawa waotao ndoto huutia mwili unajisi, hukataa kuwa chini ya mamlaka na kunena mabaya juu ya wenye mamlaka.
Kanefa toy izany koa, ireo dia manonofy ka mandoto ny nofo sady mandà ny manana fahalehibiazana ary miteny ratsy ny manana voninahitra.
9 Lakini hata malaika mkuu Mikaeli alipokuwa anashindana na ibilisi juu ya mwili wa Mose, hakuthubutu kumlaumu, bali alimwambia, “Bwana na akukemee!”
Fa Mikaela arikanjely aza, raha niady tamin’ ny devoly ka nifanditra ny amin’ ny fatin’ i Mosesy, dia tsy sahy niteny ratsy hahameloka azy, fa hoy izy: “Hananatra anao anie Jehovah”.
10 Lakini watu hawa hunena mabaya dhidi ya mambo wasiyoyafahamu. Na katika mambo yale wanayoyafahamu kwa hisia kama wanyama wasio na akili, hayo ndiyo hasa yanayowaharibu.
Fa ireo kosa dia miteny ratsy izay zavatra rehetra tsy fantany akory; ary izay zavatra fantany fotsiny, tahaka ny fahalalan’ ny biby tsy manan-tsaina kosa, no animbany ny tenany.
11 Ole wao! Kwa kuwa wanaifuata njia ya Kaini, wamekimbilia faida katika kosa la Balaamu na kuangamia katika uasi wa Kora.
Hahita loza izy! fa efa nandeha tamin’ ny lalan’ i Kama, sady efa nimaona fatratra hanaraka ny fahadisoan’ i Balama hahazoany tamby, ary efa ringana tamin’ ny fiodinan’ i Kora izy.
12 Watu hawa ni dosari katika karamu zenu za upendo, wakila pamoja nanyi bila hofu, wakijilisha pasipo hofu. Wao ni mawingu yasiyokuwa na maji, yakichukuliwa na upepo, miti isiyo na matunda wakati wa mapukutiko, ambayo hunyauka, iliyokufa mara mbili na kungʼolewa kabisa.
Ireo no harambato voasaron-drano eo amin’ ny fanasam-pifankatiavanareo, raha miara-mihinana aminareo izy, dia mpiandry mamahan-tena, nefa tsy matahotra; rahona tsy misy rano, entin’ ny rivotra, ireo; hazo fararano, nefa tsy misy voany, indroa maty, voafongotra;
13 Wao ni mawimbi makali ya bahari, yakitoa povu la aibu yao wenyewe, ni nyota zipoteazo, ambao weusi wa giza ndio akiba waliowekewa milele. (aiōn g165)
onjan-dranomasina mitopatopa mamorivory ny fahamenarany; kintana mifindrafindra, ka voatahiry ho azy mandrakizay ny fahamaintisan’ ny maizina. (aiōn g165)
14 Enoki, mtu wa saba kuanzia Adamu alitoa unabii kuhusu watu hawa, akisema: “Tazama, Bwana anakuja pamoja na maelfu kwa maelfu ya watakatifu wake,
Ary Enoka koa, ilay fahafito nandimby an’ i Adama, dia efa naminany ny amin’ ireny olona ireny ka nanao hoe: “Indro, tonga Jehovah mbamin’ ny masiny tsy omby alinalina
15 ili kumhukumu kila mmoja na kuwapatiliza wote wasiomcha Mungu kwa matendo yao yote ya uasi waliyoyatenda, pamoja na maneno yote ya kuchukiza ambayo wenye dhambi wamesema dhidi yake.”
hitsara ny olona rehetra sy hampiaiky ny olona ratsy fanahy rehetra ny asan’ ny haratsiam-panahy rehetra, izay nataony tamin’ ny haratsiam-panahiny sy ny teny sarotra rehetra izay nitenenan’ ny mpanota ratsy fanahy hanohitra Azy.”
16 Watu hawa ni wenye kunungʼunika na wenye kutafuta makosa; wao hufuata tamaa zao mbaya, hujisifu kwa maneno makuu kuhusu wao wenyewe na kuwasifu mno watu wenye vyeo kwa ajili ya kujipatia faida.
Ireo dia mpimonomonona sy mpimoimoy, mandeha araka ny filany (ary ny vavany manao teny miavonavona loatra) ka mandoka olona mba hahazoany zavatra.
17 Lakini ninyi wapenzi, kumbukeni yale mitume wa Bwana Yesu Kristo waliyonena zamani.
Fa tsarovinareo, ry malala, ny teny voalazan’ ny Apostolin’ i Jesosy Kristy Tompontsika fahiny;
18 Kwa kuwa waliwaambia, “Siku za mwisho kutakuwa na watu wenye kudhihaki, watakaofuata tamaa zao wenyewe za upotovu.”
fa efa nilaza taminareo hoe izy: Amin’ ny andro farany dia hisy mpaniratsira, mandeha araka ny filan’ ny haratsiam-panahiny.
19 Hawa ndio watu wanaowagawa ninyi, wafuatao tamaa zao za asili, wala hawana Roho.
Ireo no mahatonga fisarahana, dia olona araka ny nofo ihany, fa tsy mba manana ny Fanahy.
20 Lakini ninyi wapendwa, jijengeni katika imani yenu iliyo takatifu sana tena ombeni katika Roho Mtakatifu.
Fa ianareo kosa, ry malala, dia ataovy izay handrosoanareo amin’ ny finoanareo masìna indrindra, ka mivavaha ao amin’ ny Fanahy Masìna;
21 Jilindeni katika upendo wa Mungu mkitazamia kwa furaha rehema ya Bwana wetu Yesu Kristo ili awalete katika uzima wa milele. (aiōnios g166)
ary tehirizo ny tenanareo ao amin’ ny fitiavan’ Andriamanitra, miandry ny famindram-pon’ i Jesosy Kristy Tompontsika ho fiainana mandrakizay. (aiōnios g166)
22 Wahurumieni walio na mashaka;
Ary amindrao fo ny sasany izay miahanahana;
23 wengine waokoeni kwa kuwanyakua kutoka kwenye moto; nao wengine wahurumieni mkiwa na hofu, mkichukia hata vazi lenye mawaa na kutiwa unajisi na mwili.
ary ny sasany kosa sariho avy amin’ ny afo no famonjy azy; ary ny sasany indray amindrao fo amin-tahotra, ka mankahalà na dia ny akanjo voapentimpentin’ ny nofo aza.
24 Kwake yeye awezaye kuwalinda ninyi msianguke na kuwaleta mbele za utukufu wake mkuu bila dosari na kwa furaha ipitayo kiasi:
Ary ho an’ izay maharo anareo mba tsy ho tafintohina, ary hametraka anareo tsy hanan-tsiny eo anoloan’ ny voninahiny amin’ ny firavoravoana,
25 kwake yeye Mungu pekee Mwokozi wetu, kwa Yesu Kristo Bwana wetu, utukufu, ukuu, uweza na mamlaka ni vyake tangu milele, sasa na hata milele! Amen. (aiōn g165)
ho an’ Andriamanitra tokana, Mpamonjy antsika, amin’ ny alalan i Jesosy Kristy Tompontsika anie, ny voninahitra sy ny fahalehibiazana, ny fanjakana sy ny fahefana hatramin’ ny taloha indrindra sy ankehitriny ary mandrakizay. Amena. (aiōn g165)

< Yuda 1 >