< Yoshua 6 >

1 Basi malango ya Yeriko yalifungwa kwa uthabiti kwa ajili ya Waisraeli. Hakuna mtu yeyote aliyetoka au kuingia.
Ary nihidy mafy Jeriko tamin’ izany noho ny Zanak’ Isiraely: tsy nisy nivoaka, ary tsy nisy niditra.
2 Kisha Bwana akamwambia Yoshua, “Tazama, nimeitia Yeriko mikononi mwako, pamoja na mfalme wake na watu wake wa vita.
Ary hoy Jehovah tamin’ i Josoa: Indro, efa natolotro eo an-tananao Jeriko sy ny mpanjakany mbamin’ ny lehilahy mahery.
3 Zunguka mji mara moja pamoja na watu wote wenye silaha. Fanya hivi kwa siku sita.
Koa mandehana manodidina ny tanàna indray mandeha ianareo mpanafika rehetra; henemana no hanaovanao izany.
4 Uwe na makuhani saba wakibeba mabaragumu ya pembe za kondoo dume mbele ya Sanduku. Siku ya saba, mzunguke mji mara saba, nao makuhani wakipiga baragumu hizo.
Ary asio mpisorona fito mitondra anjomara fito mafy faneno eo alohan’ ny fiara; ary amin’ ny andro fahafito dia hodidino impito ny tanàna, ary aoka ny mpisorona hitsoka ny anjomara.
5 Utakapowasikia wamepaliza sauti kubwa ya baragumu, watu wote wapige kelele kwa sauti kuu, kisha ukuta wa mji utaanguka na watu watapanda, kila mtu akiendelea mbele.”
Ary raha manao feo lavareny ny anjomara mafy faneno, ka renareo ny feon’ ny anjomara, dia hanakora mafy ny vahoaka rehetra; ka dia hirodana amin’ izay ny màndan’ ny tanàna, ary hiakatra samy hizotra amin’ izay hitsiny avy ny olona.
6 Ndipo Yoshua mwana wa Nuni akaita makuhani na kuwaambia, “Chukueni Sanduku la Agano la Bwana na makuhani saba wachukue baragumu za pembe za kondoo dume mbele yake.”
Dia niantso ny mpisorona Josoa, zanak’ i Nona, ka nanao taminy hoe: Ento ny fiaran’ ny fanekena, ary asio mpisorona fito mitondra anjomara fito mafy faneno eo alohan’ ny fiaran’ i Jehovah.
7 Naye akawaagiza watu, “Songeni mbele! Mkauzunguke mji, na walinzi wenye silaha watangulie mbele ya Sanduku la Bwana.”
Dia hoy izy tamin’ ny vahoaka: Mandehana, ka manodidina ny tanàna, ary aoka ny olona efa voaomana hiady handeha eo alohan’ ny fiaran’ i Jehovah.
8 Baada ya Yoshua kuzungumza na watu, wale makuhani saba wenye kuzibeba zile baragumu saba mbele za Bwana, wakatangulia mbele, wakipiga baragumu zao na Sanduku la Agano la Bwana likawafuata.
Ary rehefa niteny tamin’ ny vahoaka Josoa, dia nandeha ireo mpisorona fito nitondra ny anjomara fito mafy faneno teo alohan’ i Jehovah ka nitsoka ny anjomara; ary ny fiaran’ ny faneken’ i Jehovah nanaraka azy.
9 Walinzi waliokuwa na silaha wakaenda mbele ya hao makuhani waliopiga hizo baragumu na hao walinzi wa nyuma wakafuata Sanduku. Wakati wote huu baragumu zilikuwa zikipigwa.
Ary ny olona efa voaomana hiady dia nandeha teo alohan’ ny mpisorona izay nitsoka ny anjomara, ary ny vodi-lalana nanaraka ny fiara; ary notsofina teny am-pandehanana ny anjomara.
10 Bali Yoshua alikuwa amewaagiza watu, “Msipige kelele ya vita, msipaze sauti zenu, wala kusema neno lolote mpaka siku ile nitakayowaambia mpige kelele. Ndipo mtapiga kelele!”
Ary ny vahoaka efa noraran’ i Josoa hoe: Aza manakora na mamoaka feo na miloa-bava akory aza mandra-pahatongan’ ny andro hanaovako aminareo hoe: Manakorà! dia vao amin’ izay ianareo no hanakora.
11 Basi akalipeleka Sanduku la Bwana kuzungushwa huo mji, likizungushwa mara moja. Kisha watu wakarudi kambini kulala.
Ary nanodidina ny tanàna indray mandeha ny fiaran’ i Jehovah; dia nankany an-toby ny olona ka nitoetra tany.
12 Yoshua akaamka mapema asubuhi iliyofuata nao makuhani wakalichukua Sanduku la Bwana.
Dia nifoha maraina koa Josoa, ary ny mpisorona nitondra ny fiaran’ i Jehovah.
13 Wale Makuhani saba wakizibeba zile baragumu saba wakatangulia mbele ya Sanduku la Bwana wakizipiga. Watu wenye silaha wakatangulia mbele yao na walinzi wa nyuma wakalifuata Sanduku la Bwana, huku baragumu hizo zikiendelea kulia.
Ary ny mpisorona fito izay nitondra ny anjomara fito mafy faneno teo alohan’ ny fiaran’ i Jehovah dia nandeha mandrakariva ka nitsoka ny anjomara; ary ny olona efa voaomana hiady dia nandeha teo alohany; ary ny vodi-lalana kosa dia nanaraka ny fiaran’ i Jehovah; ary notsofina teny am-pandehanana ny anjomara.
14 Siku ya pili wakauzunguka mji mara moja na kurudi kambini. Wakafanya hivi kwa siku sita.
Dia nanodidina ny tanàna indray mandeha koa izy tamin’ ny andro faharoa ka niverina tany an-toby; henemana no nanaovany toy izany.
15 Siku ya saba, wakaamka asubuhi na mapema wakauzunguka mji kama walivyokuwa wakifanya, isipokuwa siku ile waliuzunguka mji mara saba.
Ary tamin’ ny andro fahafito dia nifoha maraina koa izy, raha mbola nazava ratsy ny andro ka nanodidina ny tanàna impito toy ny nataony teo, nefa tamin’ izany andro izany ihany no nanodidina ny tanàna impito izy.
16 Walipouzunguka mara ya saba, makuhani walipopiga baragumu kwa sauti kubwa, Yoshua akawaamuru watu akisema, “Pigeni kelele! Kwa maana Bwana amewapa mji huu!
Ary tamin’ ny nandehanany fanimpitony, raha nitsoka ny anjomara ny mpisorona, dia hoy Josoa tamin’ ny vahoaka: Manakorà! fa efa nomen’ i Jehovah anareo ny tanàna.
17 Mji huu pamoja na vyote vilivyomo ndani yake utawekwa wakfu kwa Bwana. Ila Rahabu tu, yule kahaba na wote ambao wako pamoja naye nyumbani mwake ndio watakaosalimishwa, kwa sababu aliwaficha wale wapelelezi tuliowatuma.
Dia hatolotra ho an’ i Jehovah ho zavatra voaozona ny tanàna sy izay rehetra ao; fa Rahaba janga ihany no hovelomina, dia izy sy izay rehetra ao aminy ao an-trano, satria nanafina ny iratsika izy.
18 Lakini mjiepushe na vitu vilivyowekwa wakfu, msije mkachukua chochote katika hivyo, msije mkajiletea maangamizi katika maskani ya Israeli na kuiletea taabu.
Kanefa mitandrema kosa ianareo ny amin’ ny zavatra voaozona, fandrao manolotra zavatra ho voaozona ianareo, nefa maka amin’ ny zavatra voaozona kosa, ka mahatonga ny tobin’ ny Isiraely ho voaozona ary mampidi-doza aminy.
19 Fedha yote na dhahabu, vyombo vya shaba na chuma ni vitakatifu kwa Bwana, lazima viletwe katika hazina yake.”
Fa ny volafotsy sy ny volamena rehetra ary ny fanaka varahina sy vy dia masìna ho an’ i Jehovah; hatao ao amin’ ny rakitr’ i Jehovah izany.
20 Wakati baragumu zilipopigwa, watu walipiga kelele, na katika sauti ya baragumu, na watu kupaza sauti, ukuta ukaanguka; hivyo kila mtu akapanda akiendelea mbele na kuuteka mji.
Dia nanakora ny olona, ary notsofina ny anjomara; ary nony ren’ ny vahoaka ny feon’ ny anjomara, dia nanakora mafy izy, ka nirodana tamin’ izay ny manda, ary niakatra tao an-tanàna samy nizotra tamin’ izay hitsiny avy ny olona, ka afaka ny tanàna.
21 Wakauweka mji wakfu kwa Bwana, na kila chenye uhai ndani yake walikiangamiza kwa upanga, wanaume kwa wanawake, vijana kwa wazee, ngʼombe, kondoo na punda.
Ary naringany tamin’ ny lelan-tsabatra izay rehetra tao an-tanana, na lehilahy na vehivavy, na tanora na antitra, na omby, na ondry aman’ osy, na boriky.
22 Yoshua akawaambia wale watu wawili waliokuwa wameipeleleza nchi, “Nendeni nyumbani kwa yule kahaba, mleteni pamoja na wote waliomo nyumbani mwake, kulingana na kiapo chenu kwake.”
Ary izy roa lahy izay efa nisafo ny tany dia efa nilazan’ i Josoa hoe: Mankanesa ao amin’ ny tranon’ ilay vehivavy janga, ka ento mivoaka ravehivavy sy ny havany rehetra ary izay mety ho azy, araka izay nianiananareo taminy.
23 Basi wale vijana waliofanya upelelezi wakaenda kumleta Rahabu, baba yake na mama yake, na ndugu zake na watu wote waliokuwa pamoja naye. Wakaleta jamaa yake yote na kuwaweka mahali nje ya kambi ya Israeli.
Dia nankao ireo zatovo nisafo ireo ka nitondra an-dRahaba nivoaka sy ny rainy aman-dreniny sy ny anadahiny ary ny havany rehetra mbamin’ izay nety ho azy; dia nitondra ny mpianakaviny rehetra nivoaka izy ka nametraka azy teo ivelan’ ny tobin’ ny Isiraely.
24 Kisha wakauchoma mji wote na kila kitu kilichokuwamo ndani yake. Lakini fedha, dhahabu, vyombo vya shaba na vya chuma wakaviweka katika hazina ya nyumba ya Bwana.
Ary ny tanàna sy izay rehetra tao dia nodorany tamin’ ny afo, nefa ny volafotsy sy ny volamena ary ny fanaka varahina sy vy dia nataony tao amin’ ny rakitry ny tranon’ i Jehovah.
25 Lakini Yoshua akamhifadhi Rahabu yule kahaba, jamaa yake yote na wote waliokuwa wa kwake, kwa sababu aliwaficha watu waliotumwa na Yoshua kuipeleleza Yeriko, naye anaishi miongoni mwa Waisraeli hata leo.
Fa Rahaba janga sy ny ankohonan’ ny rainy sy ny havany rehetra mbamin’ izay nety ho azy dia novelomin’ i Josoa, ary mitoetra eo amin’ ny Isiraely mandraka androany ravehivavy, satria nanafina ny iraka izay efa nirahin’ i Josoa hisafo an’ i Jeriko izy.
26 Wakati ule Yoshua akatamka kiapo hiki akasema, “Aliyelaaniwa mbele za Bwana ni mtu atakayeinuka kuujenga tena mji huu wa Yeriko: “Kwa gharama ya mzaliwa wake wa kwanza wa kiume ataiweka misingi yake; kwa gharama ya mtoto wake wa mwisho atayaweka malango yake.”
Dia nilaza fanozonana Josoa tamin’ izany andro izany ka nanao hoe: Ho voaozona eo anatrehan’ i Jehovah izay olona mitsangana manorina ity tanàna Jeriko ity indray; ny ain’ ny lahimatoany no ho sazin’ ny hanorenany ny fanambaniny, ary ny ain’ ny faralahiny no ho sazin’ ny hananganany ny vavahadiny.
27 Hivyo Bwana alikuwa pamoja na Yoshua, na sifa zake zikaenea katika nchi yote.
Ary Jehovah nomba an’ i Josoa, ka niely tamin’ ny tany rehetra ny lazany.

< Yoshua 6 >