< Yoshua 12 >
1 Hawa ndio wafalme wa nchi ambao Waisraeli waliwashinda na kuitwaa nchi yao upande wa mashariki mwa Yordani, kuanzia Bonde la Arnoni mpaka Mlima Hermoni, pamoja na eneo lote la upande wa mashariki ya Araba:
Ary izao no mpanjakan’ ny tany izay resin’ ny Zanak’ Isiraely, ka lasany ny taniny, teny an-dafy atsinanan’ i Jordana hatramin’ ny lohasahan-driaka Arnona ka hatramin’ ny tendrombohitra Hermona sy ny ilany atsinanan’ ny tani-hay
2 Sihoni mfalme wa Waamori, ambaye alitawala huko Heshboni. Alitawala kuanzia Aroeri kwenye ukingo wa Bonde la Arnoni, kuanzia katikati ya bonde, hadi kwenye Mto Yaboki, ambao ni mpaka wa Waamoni. Hii ilijumlisha nusu ya Gileadi.
Sihona, mpanjakan’ ny Amorita, izay nonina tany Hesbona ka nanjaka hatrany Aroera, eo amoron’ ny lohasahan-driaka Arnona, ka hatreo afovoan’ ny lohasaha sy ny antsasak’ i Gileada, dia hatramin’ ny lohasahan-driaka Jaboka, fari-tanin’ ny taranak’ i Amona,
3 Pia alitawala Araba ya mashariki kuanzia Bahari ya Kinerethi hadi Bahari ya Araba (yaani Bahari ya Chumvi), hadi Beth-Yeshimothi, kisha kuelekea kusini chini ya materemko ya Pisga.
ary ny ilany atsinanan’ ny tani-hay hatramin’ ny Ranomasina Kinerota ka hatramin’ ny ranomasina amin’ ny tani-hay, dia ny Ranomasintsira, amin’ ny lalana mankany Beti-jesimota, ary hatramin’ ny tany atsimo eo am-bodin’ i Pisga.
4 Nayo nchi ya Ogu mfalme wa Bashani, aliyekuwa mmoja wa mabaki ya Warefai, aliyetawala Ashtarothi na Edrei.
Ary azony koa ny tanin’ i Oga, mpanjakan’ i Basana, isan’ ny Refaïta sisa, izay nitoetra tany Astarta sy Edrehy,
5 Naye alitawala katika Mlima Hermoni, Saleka, Bashani yote hadi mpaka wa watu wa Geshuri, na watu wa Maaka na nusu ya Gileadi, hadi kwenye mpaka wa Sihoni mfalme wa Heshboni.
sy nanjaka tany an-tendrombohitra Hermona sy tany Saleka ary tany Basana rehetra hatramin’ ny fari-tanin’ ny Gesorita sy ny Makatita ary ny antsasak’ i Gileada, fari-tanin’ i Sihona, mpanjakan’ i Hesbona.
6 Mose, mtumishi wa Bwana, na Waisraeli wakawashinda. Naye Mose mtumishi wa Bwana akawapa Wareubeni, Wagadi na nusu ya kabila la Manase nchi ya hao wafalme ili iwe milki yao.
Mosesy, mpanompon’ i Jehovah, sy ny Zanak’ Isiraely no nandresy ireo; ary ny taniny nomen’ i Mosesy, mpanompon’ i Jehovah, ho lovan’ ny Robenita sy ny Gadita ary ny antsasaky ny firenen’ i Manase.
7 Hawa ndio wafalme wa nchi ambao Yoshua na Waisraeli waliwashinda upande wa magharibi mwa Yordani, kuanzia Baal-Gadi katika Bonde la Lebanoni hadi kufikia Mlima Halaki, unaoinuka ukielekea Seiri. (Yoshua alitoa nchi zao kwa makabila ya Israeli iwe urithi wao sawasawa na mgawanyiko wa makabila yao:
Ary izao no mpanjakan’ ny tany izay resin’ i Josoa sy ny Zanak’ Isiraely tany an-dafy andrefan’ i Jordana, hatrany Bala-gada, eo an-dohasahan’ i Libanona, ka hatramin’ ny tendrombohitra mangadihady izay fiakarana ho any Seïra, ka ny taniny nomen’ i Josoa ny firenen’ ny Isiraely araka ny fizarany,
8 nchi ya vilima, shefela, upande wa magharibi, Araba, materemko ya milima, jangwa, na Negebu; nchi za Wahiti, Waamori, Wakanaani, Waperizi, Wahivi na Wayebusi):
dia ny any amin’ ny tany havoana sy amin’ ny tany lemaka amoron-tsiraka sy amin’ ny tani-hay sy amin’ ny tany am-bodin’ ny tendrombohitra sy any an-efitra ary any amin’ ny tany atsimo, dia ny an’ ny Hetita sy ny Amorita sy ny Kananita sy ny Perizita sy ny Hivita ary ny Jebosita:
9 mfalme wa Yeriko mmoja mfalme wa Ai (karibu na Betheli) mmoja
Ny mpanjakan’ i Jeriko, iray; ny mpanjakan’ i Ay, izay eo anilan’ i Betela, iray;
10 mfalme wa Yerusalemu mmoja mfalme wa Hebroni mmoja
ny mpanjakan’ i Jerosalema, iray; ny mpanjakan’ i Hebrona, iray;
11 mfalme wa Yarmuthi mmoja mfalme wa Lakishi mmoja
ny mpanjakan’ i Jarmota, iray; ny mpanjakan’ i Lakisy, iray;
12 mfalme wa Egloni mmoja mfalme wa Gezeri mmoja
ny mpanjakan’ i Eglona, iray; ny mpanjakan’ i Gazera, iray;
13 mfalme wa Debiri mmoja mfalme wa Gederi mmoja
ny mpanjakan’ i Debira, iray; ny mpanjakan’ i Gadera, iray;
14 mfalme wa Horma mmoja mfalme wa Aradi mmoja
ny mpanjakan’ i Horma, iray; ny mpanjakan’ i Arada, iray;
15 mfalme wa Libna mmoja mfalme wa Adulamu mmoja
ny mpanjakan’ i Libna, iray; ny mpanjakan’ i Adolama, iray;
16 mfalme wa Makeda mmoja mfalme wa Betheli mmoja
ny mpanjakan’ i Makeda, iray; ny mpanjakan’ i Betela, iray;
17 mfalme wa Tapua mmoja mfalme wa Heferi mmoja
ny mpanjakan’ i Tapoa, iray; ny mpanjakan’ i Hefera, iray;
18 mfalme wa Afeki mmoja mfalme wa Lasharoni mmoja
ny mpanjakan’ i Afeka, iray; ny mpanjakan’ i Lasarona, iray;
19 mfalme wa Madoni mmoja mfalme wa Hazori mmoja
ny mpanjakan’ i Madona, iray; ny mpanjakan’ i Hazora, iray;
20 mfalme wa Shimron-Meroni mmoja mfalme wa Akishafu mmoja
ny mpanjakan’ i Simrona-merona, iray; ny mpanjakan’ i Aksafa, iray;
21 mfalme wa Taanaki mmoja mfalme wa Megido mmoja
ny mpanjakan’ i Tanaka, iray; ny mpanjakan’ i Megido, iray;
22 mfalme wa Kedeshi mmoja mfalme wa Yokneamu katika Karmeli mmoja
ny mpanjakan’ i Kadesy, iray; ny mpanjakan’ i Jokneama any Karmela, iray;
23 mfalme wa Dori (katika Nafoth-Dori) mmoja mfalme wa Goimu katika Gilgali mmoja
ny mpanjakan’ i Dora eo amin’ ny havoan’ i Dora, iray; ny mpanjakan’ ny firenen-tsamy hafa any Gilgala, iray;
24 mfalme wa Tirsa mmoja wafalme jumla yao ilikuwa thelathini na mmoja.
ny mpanjakan’ i Tirza, iray. Iraika amby telo-polo no isan’ ny mpanjaka rehetra.