< Ayubu 37 >

1 “Kwa hili moyo wangu unatetemeka, nao unaruka kutoka mahali pake.
Eny, izany no mampitepotepo ny foko ka mampiemponempona azy hiala amin’ ny fitoerany.
2 Sikiliza! Sikiliza ngurumo ya sauti yake, sauti ya ngurumo itokayo kinywani mwake.
Mihainoa dia mihainoa ny fikotrokotroky ny feony sy ny rohona izay mivoaka avy amin’ ny vavany.
3 Huuachilia umeme wake wa radi chini ya mbingu yote na kuupeleka hata miisho ya dunia.
Mandefa izany ho eny ambanin’ ny lanitra rehetra Izy, ary ny helatra hatramin’ ny faran’ ny tany.
4 Baada ya hayo huja sauti ya ngurumo yake; Mungu hunguruma kwa sauti yake ya fahari. Wakati sauti yake ingurumapo tena, huuachilia umeme wake wa radi.
Manarakaraka izany, dia misy feo mirohondrohona; Mampikotrokotroka ny feon’ ny fahalehibiazany Izy, ka rehefa re ny feony, dia tsy sakanany ny helatra.
5 Sauti ya Mungu hunguruma kwa namna za ajabu; yeye hutenda mambo makuu kupita ufahamu wetu.
Mahagaga ny fikotrokotrok’ Andriamanitra amin’ ny feony; Manao zava-dehibe tsy takatry ny saintsika Izy.
6 Huiambia theluji, ‘Anguka juu ya dunia,’ nayo manyunyu ya mvua, ‘Uwe mvua ya nguvu.’
Fa ny oram-panala baikoiny hoe: Milatsaha eny ambonin’ ny tany ianao; Ary toy izany koa ny ranonorana mivatravatra, eny, dia ny ranonorany mivatravatra mafy.
7 Ili wanadamu wote aliowaumba wapate kujua kazi zake, yeye humzuilia kila mtu shughuli zake.
Mampiohona ny tanan’ ny olona rehetra Izy, mba samy hahalala izany ny olona rehetra izay nataony;
8 Wanyama hujificha; hubakia kwenye mapango yao.
Ary miditra ao am-piereny koa ny bibidia ka mamitsaka ao an-davany.
9 Dhoruba hutoka katika chumba chake, baridi hutoka katika upepo uendao kasi.
Avy any atsimo ny tadio, ary entin’ ny rivotra avy any avaratra ny hatsiaka.
10 Pumzi ya Mungu hutoa barafu, eneo kubwa la maji huganda.
Ny fofonain’ Andriamanitra mahamisy ranomandry, ka voageja ny rano malalaka.
11 Huyasheheneza mawingu kwa maji, naye husambaza umeme wake wa radi kupitia hayo.
Ny rahona matevina tambesarany rano, ary ny rahon’ ny helatra dia ampieleziny;
12 Nayo mawingu huzungukazunguka pande zote kwa amri yake, juu ya uso wa dunia yote, kufanya lolote ayaamuruyo.
Dia mihodinkodina araka ny fitarihany azy ireo hanatanteraka izay rehetra andidiany azy eny ambonin’ ny tany eran’ izao tontolo izao,
13 Huleta mawingu ili kuadhibu wanadamu, au kuinyeshea dunia yake na kuonyesha upendo wake.
Na alatsany ho famaizana raha tokony ho an’ ny taniny izany na ho famindram-po kosa.
14 “Ayubu, sikiliza hili; nyamaza na uyafikiri maajabu ya Mungu.
Mihainoa izany, ry Joba; Mijanona, ka mba diniho ny fahagagana ataon’ Andriamanitra.
15 Je, unajua jinsi Mungu anavyoyaongoza mawingu, na kufanya umeme wake wa radi utoe mwanga?
Fantatrao va ny fanamboaran’ Andriamanitra ireny sy ny fampitselatselany ny helatry ny rahony?
16 Je, wajua jinsi mawingu yanavyokaa yakiwa yametulia, hayo maajabu yake yeye aliye mkamilifu katika maarifa?
Fantatrao va ny fihevahevan’ ny rahona matevina, dia ny fahagagana avon’ Ilay tanteraka amin’ ny fahalalana?
17 Wewe unayeshindwa na joto katika nguo zako wakati nchi imenyamazishwa kimya bila upepo wa kusini,
Hianao izay mahatsiaro ny fitafianao ho mafana, raha migaingaina ny andro azon’ ny rivotra avy any atsimo,
18 je, waweza kuungana naye katika kuzitandaza anga, zilizo ngumu kama kioo cha shaba ya kuyeyushwa?
Moa ianao niara-nanao taminy va, raha namelatra ny habakabaka Izy, izay mitoetra mafy toy ny zavatra manganohano natao an-idina?
19 “Tuambieni yatupasayo kumwambia; hatuwezi kutayarisha shauri letu kwa sababu ya ujinga wetu.
Mba ampianaro anay ary izay holazainay aminy; Fa tsy hitanay izay halahatray noho ny aizina,
20 Je, aambiwe kwamba nataka kuongea? Je, yuko mtu ambaye angeomba kumezwa?
Holazaina aminy va, raha miteny aho? Moa misy olona maniry ho levona tokoa va?
21 Basi hakuna awezaye kulitazama jua, jinsi linavyongʼaa angani, upepo ukishafagia mawingu.
Tsy hita ankehitriny ny mazava, Izay mamirapiratra any amin’ ny rahona: Nefa raha mandalo ny rivotra, dia mampisava azy ihany izany.
22 Kutoka kaskazini yeye huja na fahari kuu; Mungu huja katika utukufu wa kutisha.
Avy any avaratra no ihavian’ ny mazava mitarehim-bolamena; Ao amin’ Andriamanitra ny voninahitra mahatahotra.
23 Yeye Mwenyezi hatuwezi kumfikia, naye ametukuzwa katika uweza; katika hukumu zake na haki yake kuu, hataonea.
Ny Tsitoha, tsy mahita Azy isika; Izay lehibe amin’ ny hery sy ny fitsarana mbamin’ ny fahamarinana tanteraka dia tsy mba mampahory.
24 Kwa hiyo, wanadamu mheshimuni, kwa kuwa yeye hamstahi yeyote anayejidhania kuwa ana hekima.”
Koa izany no atahoran’ ny olona Azy; Tsy mety mijery izay manao azy ho hendry Izy.

< Ayubu 37 >