< Ayubu 32 >

1 Basi watu hawa watatu wakaacha kumjibu Ayubu, kwa kuwa alikuwa mwadilifu machoni pake mwenyewe.
Ary nitsahatra tsy namaly intsony izy telo lahy ireo, satria nanamarin-tena Joba.
2 Lakini Elihu mwana wa Barakeli, wa kabila la Buzi wa jamaa ya Ramu, akamkasirikia sana Ayubu, kwa sababu ya kujihesabia haki mwenyewe badala ya Mungu.
Ary nirehitra kosa ny fahatezeran’ i Eliho, zanak’ i Barakela, Bozita, avy amin’ ny fokon’ i Rama; eny, tamin’ i Joba no nirehetan’ ny fahatezerany, satria nanao ny tenany ho marina noho Andriamanitra izy.
3 Pia aliwakasirikia hao rafiki watatu wa Ayubu, kwa sababu hawakuweza kupata njia ya kuthibitisha ya kuwa hayo maneno ya Ayubu hayakuwa ya kweli, nao bado walikuwa wamemlaumu.
Ary tamin’ ny sakaizany telo lahy koa no nirehetan’ ny fahatezerany, satria tsy nahita teny havaliny izy ireo, kanefa nanameloka an’ i Joba.
4 Basi Elihu alikuwa amesubiri kwanza waongee na Ayubu kwa sababu walikuwa na umri mkubwa kumliko yeye.
Ary Eliho mbola niandry an-dr’ i Joba aloha vao niteny, fa ireo no ela niainana kokoa noho izy.
5 Lakini alipoona watu hao watatu hawakuwa na kitu zaidi cha kusema, hasira yake ikaamka.
Ary rehefa hitany fa tsy nanan-kavaly izy telo lahy, dia nirehitra ny fahatezerany;
6 Basi Elihu mwana wa Barakeli wa kabila la Buzi akasema: “Mimi ni mdogo kwa umri, nanyi ni wazee; ndiyo sababu niliogopa, sikuthubutu kuwaambia kile ninachojua.
ka dia niteny Eliho, zanak’ i Barakela, Bozita, ka nanao hoe: Mbola tanora aho, fa ianareo kosa efa fotsy volo, koa dia niaoriandriana aho aloha, fa tsy sahy nanambara aminareo izay fantatro.
7 Nilifikiri, ‘Yafaa umri useme, nao wingi wa miaka ungefundisha hekima.’
Hoy izaho: Aoka ny fahanterana no hiteny, ary aoka ny hamaroan’ ny taona no hampianatra fahendrena.
8 Lakini ni Roho iliyoko ndani ya mwanadamu, pumzi ya Mwenyezi, ndiyo impayo yeye ufahamu.
Kanefa ny fanahy izay ao anatin’ ny zanak’ olombelona sy ny fofonoin’ ny Tsitoha no mahahendry azy.
9 Sio wazee peke yao walio na hekima, sio wenye umri mkubwa peke yao wanaofahamu lililo sawa.
Tsy dia ny fahalehibiazana no mahahendry, ary tsy dia ny fahanterana no ahalalana ny rariny;
10 “Kwa hiyo nasema: Nisikilizeni mimi; mimi nami nitawaambia lile ninalojua.
Ary noho izany dia hoy izaho: Aoka samy hihaino ahy; Izaho koa mba hanambara izay fantatro.
11 Nilingojea mlipokuwa mnaongea, nilizisikiliza hoja zenu; mlipokuwa mkitafuta maneno ya kusema,
Indro, niandry ny teninareo aho, ary nandinika ny teny nalahatrareo, mandra-pihevitrareo izay holazaina;
12 niliwasikiliza kwa makini. Lakini hakuna hata mmoja wenu aliyethibitisha kwamba Ayubu amekosa; hakuna hata mmoja wenu aliyeweza kujibu hoja zake.
Eny, nihaino dia nihaino anareo aho, fa he! tsy nisy naharesy lahatra an’ i Joba ianareo, na nahavaly ny teniny akory;
13 Msiseme, ‘Tumepata hekima; Mungu na amthibitishe kuwa mwongo, wala si mwanadamu.’
Fandrao ianareo hanao hoe: Hitanay ny fotony: Andriamanitra no maharesy azy, fa tsy olona.
14 Lakini Ayubu hajayapanga maneno yake dhidi yangu, nami sitamjibu kwa kutumia hoja zenu.
Tsy nandaha-teny hamely ahy anefa izy; Ary tsy araka ny teninareo no havaliko azy.
15 “Wametiwa hofu na hawana la zaidi la kusema; maneno yamewaishia.
Very hevitra terỳ izy ireo, ka tsy namaly intsony; Efa nanalavitra azy ny teny.
16 Je, ningoje sasa kwa sababu wamekuwa kimya, kwa vile sasa wanasimama bila kuwa na la kujibu?
Hangina va aho, raha tsy miteny izy ireo, fa mijanona foana izy ka tsy mamaly intsony?
17 Mimi nami nitakuwa na la kusema; mimi nami nitasema lile nilijualo.
Anjarako kosa izao, koa dia hamaly aho; Eny, izaho hanambara izay fantatro;
18 Kwa kuwa nimejawa na maneno, nayo Roho iliyomo ndani yangu yanisukuma;
Fa feno teny ny foko; Manery ahy ny fanahy ato anatiko.
19 ndani yangu niko kama chupa iliyojazwa divai, kama kiriba kipya cha divai kilicho tayari kupasuka.
Endrey! ny ato anatiko dia efa tahaka ny divay izay tsy misy hiainana, efa ho triatra tahaka ny siny hoditra vaovao izy.
20 Ni lazima niseme ili niweze kutulia; ni lazima nifumbue midomo yangu nipate kujibu.
Hiteny aho mba hisy hiainako tsara; Hiloa-bava aho ka hamaly.
21 Sitampendelea mtu yeyote, wala sitajipendekeza kwa mtu yeyote;
Aoka tsy hizaha tavan’ olona akory aho, ary aoka tsy handrobo olona.
22 kwa kuwa kama ningekuwa stadi wa kujipendekeza, Muumba wangu angeniondolea mbali kwa upesi.
Fa tsy mba mahay mandrobo aho; Raha izany, dia halain’ ny Mpanao ahy faingana aho.

< Ayubu 32 >