< Ayubu 21 >

1 Ndipo Ayubu akajibu:
Dia namaly Joba ka nanao hoe:
2 “Yasikilizeni maneno yangu kwa makini; hii na iwe faraja mnayonipa mimi.
Mihainoa dia mihainoa ny teniko, Ary aoka izany no ho fampiononanareo ahy.
3 Nivumilieni ninapozungumza, nami nikishazungumza, endeleeni kunidhihaki.
Mandefera amiko ianareo, fa mba hiteny kosa aho izao; Ary rehefa tapitra ny teniko, dia mandatsalatsà ihany indray ianareo.
4 “Je, kwani malalamiko yangu yanaelekezwa kwa mwanadamu? Kwa nini nisikose subira?
Raha ny amiko, moa ny ataon’ ny olona va no itarainako? Ary raha izany, nahoana no hahalefitra ny fanahiko?
5 Niangalieni mkastaajabu; mkaweke mkono juu ya vinywa vyenu.
Jereo aho, dia aoka ho talanjona ianareo, ary mitampena vava.
6 Ninapowaza juu ya hili, ninaogopa, nao mwili wangu unatetemeka.
Eny, raha mahatsiaro izany aho, dia raiki-tahotra, sady toran-kovitra ny tenako:
7 Kwa nini waovu wanaendelea kuishi, wakifikia umri wa uzee na kuendelea kuwa na nguvu?
Nahoana no velona ny ratsy fanahy ka sady tratrantitra no be hery?
8 Huwaona watoto wao wakithibitika wakiwa wamewazunguka, wazao wao mbele za macho yao.
Ny zanany koa mitomoetra tsara eo anatrehany, ary ny zafiny eo anoloany.
9 Nyumba zao zi salama wala hakuna hofu; fimbo ya Mungu haiko juu yao.
Ny ankohonany miadana ka tsy manan-tahotra, ary ny tsorakazon’ Andriamanitra tsy mamely azy.
10 Madume yao ya ngʼombe huvyaza bila kushindwa kamwe; ngʼombe wao huzaa wala hawaharibu mimba.
Ny ombilahiny mampiteraka ka mahavanona; Ny ombivaviny miteraka ka tsy mamotsotra.
11 Huwatoa watoto wao nje kama kundi; wadogo wao huchezacheza.
Mamoaka ny zanany madinika toy ny ondry aman’ osy izy, ka mikoriana ny zanany.
12 Huimba nyimbo kwa matari na kwa kinubi, nao huifurahia sauti ya filimbi.
Mihoby mitondra ampongatapaka sy lokanga izy ary mifaly amin’ ny feon-tsodina.
13 Huitumia miaka yao katika mafanikio nao hushuka kaburini kwa amani. (Sheol h7585)
Mandany ny androny amin’ ny fahafinaretana izy; Amin’ ny indray mipi-maso monja no idinany any amin’ ny fiainan-tsi-hita. (Sheol h7585)
14 Lakini humwambia Mungu, ‘Tuache sisi!’ Hatuna haja ya kufahamu njia zako.
Kanefa anie ireo no manao amin’ Andriamanitra hoe: Mialà aminay! Fa tsy mba irinay ny hahalala ny lalanao.
15 Mwenyezi ni nani hata tumtumikie? Tutapata faida gani kumwomba?
Zinona izay Tsitoha, no hotompoinay? Ary inona no soa ho azonay, raha mivavaka aminy?
16 Lakini kufanikiwa kwao hakupo mikononi mwao wenyewe, hivyo najitenga mbali na shauri la waovu.
Indro, tsy avy amin’ ny tenany ihany ny fahafinaretany! Ho lavitra ahy anie ny fisainan’ ny ratsy fanahy!
17 “Lakini ni mara ngapi taa ya waovu huzimwa? Ni mara ngapi maafa huwajia, yale yawapatayo ambayo Mungu huwapangia katika hasira yake?
Indraindray foana no mba maty ny jiron’ ny ratsy fanahy, sy tonga ny loza manjo azy. Ary amelaran’ Andriamanitra fandrika ireny noho ny fahatezerany,
18 Ni mara ngapi huwa kama majani makavu mbele ya upepo, kama makapi yachukuliwayo na dhoruba?
Ka tonga tahaka ny mololo voatetika indaosin’ ny rivotra izy sy tahaka ny akofa entin’ ny tafio-drivotra.
19 Imesemekana, ‘Mungu huiweka akiba adhabu ya mtu kwa ajili ya wanawe.’ Mungu na amlipe mtu mwenyewe, ili apate kulijua!
Andriamanitra, hoy ianareo, mbola hampijaly ny zanany noho ny helodrainy! Tsia; fa ny tenan’ ireny ihany no aoka hovaliany, mba hahalalany.
20 Macho yake mwenyewe na yaone maangamizi yake; yeye na ainywe ghadhabu ya Mwenyezi.
Aoka ny masony ihany no hahita ny loza manjo azy, ary aoka ny tenany ihany no hisotro ny fahatezeran’ ny Tsitoha.
21 Kwani anajali nini kuhusu jamaa anayoiacha nyuma, miezi yake aliyopangiwa ifikapo mwisho?
Fa mampaninona azy moa ny amin’ ny taranany mandimby azy, raha tapaka ny isan’ ny androny?
22 “Je, yuko mtu yeyote awezaye kumfundisha Mungu maarifa, iwapo yeye ndiye ahukumuye hata walio juu ya wote?
Moa Andriamanitra va no hampianarim-pahalalana, nefa Izy no mitsara ny any an-danitra aza?
23 Mtu mmoja hufa akiwa na nguvu zake kamili, akiwa salama na mwenye raha kamili,
Maty ny anankiray, raha tsy mbola mihena ny fahatanjahany, sady miadana tokoa ka tsy manana ahiahy;
24 mwili wake ukiwa umenawiri, nayo mifupa yake ikiwa imejaa mafuta ndani yake.
Feno ronono ny fitoeran-drononony, ary vonton-tsoka ny taolany.
25 Mtu mwingine hufa katika uchungu wa nafsi, akiwa hajafurahia kamwe jambo lolote zuri.
Ary ny anankiray maty amin’ ny fahorian’ ny fanahiny kosa ka tsy mba nanandrana soa akory.
26 Hao wote hulala mavumbini, nao mabuu huwafunika wote.
Samy mandry ao amin’ ny vovoka izy roa tonta, ka feno olitra ny tenany.
27 “Ninayajua kikamilifu yale mnayoyafikiri, mipango ambayo kwayo mngenitendea mabaya.
Indro, fantatro ny hevitrareo sy ny saim-petsy amelezanareo ahy;
28 Mwasema, ‘Iko wapi sasa nyumba ya huyo mtu mkuu, mahema ambayo watu waovu walikaa?’
Fa hoy ianareo: Aiza ny tranon’ ny mpitohatoha? Ary aiza ny lay fitoeran’ ny ratsy fanahy?
29 Je, hamkuwahi kuwauliza hao wanaosafiri? Je, hamkutafakari taarifa zao:
Kanefa tsy mba nanontany tamin’ ny mpandeha amin’ ny tany lavitra va ianareo? Ary tsy heverinareo va ny zava-mahagaga, ambaran’ Ireo hoe:
30 kwamba mtu mwovu huepushwa kutoka siku ya maafa, kwamba huokolewa kutoka siku ya ghadhabu?
Amin’ ny andro hahitan-doza dia voaaro ihany ny ratsy fanahy, ary amin’ ny andro fahatezerana dia enti-miala izy?
31 Ni nani hulaumu matendo yake mbele ya uso wake? Ni nani ampatilizaye kwa yale aliyoyatenda?
Iza no hanambara ny lalany eo anatrehany? Ary raha misy zavatra nataony, iza no sahy hamaly azy?
32 Hupelekwa kaburini, nao ulinzi ukawekwa kwenye kaburi lake.
Ary ho entina ho eny an-tany fandevonana izy ka mbola hitazana ao am-pasana;
33 Udongo ulio bondeni ni mtamu kwake; watu wote watamfuata, nao umati wa watu usiohesabika umemtangulia.
Ho mamy aminy ny bainga any an-dohasaha, ary ny olona rehetra hanaraka azy, toy ny nandehanan’ ny maro tany alohany.
34 “Hivyo ninyi mnawezaje kunifariji kwa upuzi wenu? Hakuna kilichosalia cha majibu yenu isipokuwa uongo!”
Endrey! ity ianareo mba mampionona ahy foana! Ary ny famalianareo anefa, raha voasana tsara, dia lainga ihany!

< Ayubu 21 >