< Ayubu 13 >
1 “Macho yangu yameona hili lote, masikio yangu yamesikia na kulielewa.
Indro, izany rehetra izany efa hitan’ ny masoko, ary efa ren’ ny sofiko ka fantany.
2 Hayo mnayoyajua mimi pia ninayajua; mimi si mtu duni kuliko ninyi.
Izay fantatrareo dia mba fantatro koa; Tsy latsaka noho ianareo aho tsy akory.
3 Lakini ninayo shauku ya kuzungumza na Mwenyezi na kuhojiana shauri langu na Mungu.
Kanefa raha izaho, dia ny Tsitoha no tiako hitenenana, ary Andriamanitra no iriko handaharan-teny.
4 Ninyi, hata hivyo, hunipakaza uongo; ninyi ni matabibu wasiofaa kitu, ninyi nyote!
Fa ianareo kosa dia mpamoron-dainga; Dokotera tsy mahomby ianareo rehetra,
5 Laiti wote mngenyamaza kimya! Kwa kuwa kwenu hilo lingekuwa hekima.
Enga anie ka hangina mihitsy ianareo, dia ho fahendrenareo izany!
6 Sikieni sasa hoja yangu; sikilizeni kusihi kwangu.
Masìna ianareo, henoy ny anatro, ary tandremo izay alahatry ny molotro.
7 Je, mtazungumza kwa uovu kwa niaba ya Mungu? Je, mtazungumza kwa udanganyifu kwa niaba yake?
Hanao teny tsy marina ho enti-manamarina an’ Andriamanitra va ianareo? Hiteny fitaka ho Azy va ianareo?
8 Mtamwonyesha upendeleo? Mtamtetea Mungu kwenye mashtaka yake?
Hiangatra ho Azy va ianareo? Handaha-teny ho an’ Andriamanitra va ianareo
9 Je, ingekuwa vyema Mungu akiwahoji ninyi? Je, mngeweza kumdanganya kama ambavyo mngeweza kuwadanganya wanadamu?
Ho tsara aminareo va, raha mandinika anareo Izy? Na ho azonareo fitahina hoatra ny famitaka zanak’ olombelona va Izy?
10 Hakika angewakemea kama mkiwapendelea watu kwa siri.
Hanameloka anareo mihitsy Izy, Raha miangatra mangingina ianareo.
11 Je, huo ukuu wake haungewatisha ninyi? Je, hofu yake isingewaangukia ninyi?
Tsy hampahatahotra anareo va ny fahalehibiazany? Ary tsy hitsatoka aminareo va ny fahatahorana avy aminy?
12 Maneno yenu ni mithali za majivu; utetezi wenu ni ngome za udongo wa mfinyanzi.
Ireo teny tononinareo ireo dia ohabolana lavenona foana, ary manda fotaka ihany ny mandanareo.
13 “Nyamazeni kimya nipate kusema; kisha na yanipate yatakayonipata.
Mangìna, ka mialà amiko ianareo, mba hitenenako; Fa aoka hanjo ahy ihany izay hanjo ahy.
14 Kwa nini nijiweke mwenyewe kwenye hatari na kuyaweka maisha yangu mikononi mwangu?
Nahoana no hitondra ny nofoko amin’ ny nifiko aho? Tsia, fa manao ny aiko tsy ho zavatra aho.
15 Ingawa ataniua, bado nitamtumaini; hakika nitazitetea njia zangu mbele zake.
Na dia hamono ahy aza Izy, mbola hanantena Azy ihany aho; Kanefa hanamarina ny lalako eo anatrehany aho.
16 Naam, hili litanigeukia kuwa wokovu wangu, kwa maana hakuna mtu asiyemcha Mungu atakayethubutu kuja mbele yake!
Ary izao no ho famonjena ahy: Ny mpihatsaravelatsihy tsy sahy mankeo anatrehany.
17 Sikilizeni maneno yangu kwa makini; nayo masikio yenu yaingize kile nisemacho.
Mihainoa dia mihainoa ny teniko, ary aoka ho ren’ ny sofinareo ny filazàko.
18 Sasa kwamba nimekwisha kutayarisha mambo yangu, ninajua mimi nitahesabiwa kuwa na haki.
Indro, fa efa voatoriko ny adiko; Fantatro fa hanan-drariny aho.
19 Je, kuna yeyote anayeweza kuleta mashtaka dhidi yangu? Kama ndivyo, nitanyamaza kimya na nife.
Iza no hahazo hifandahatra amiko? Fa raha izany, dia hangina aho ka hiala aina.
20 “Ee Mungu, unijalie tu mimi haya mambo mawili, nami sitajificha uso wako:
Izao zavatra roa loha izao ihany no aza mba atao amiko, dia tsy hiery Anao aho;
21 Ondoa mkono wako uwe mbali nami, nawe uache kuniogofya kwa hofu zako kuu.
Esory hanalavitra ahy ny tananao, ary aoka tsy hampahatsiravina ahy fampitahoranao.
22 Niite kwenye shauri nami nitajibu, au niache niseme, nawe upate kujibu.
Dia miantsoa, fa izaho hamaly; Na aoka hiteny aho, ka valio aho.
23 Ni makosa na dhambi ngapi nilizotenda? Nionyeshe kosa langu na dhambi yangu.
Firy ary ny heloko sy ny fahotako? Mba ampahalalao izay fiodinako sy fahotako aho.
24 Kwa nini kuuficha uso wako na kunihesabu mimi kuwa adui yako?
Nahoana no manafina ny tavanao Hianao, ka manao ahy ho fahavalonao?
25 Je, utaliadhibu jani lipeperushwalo na upepo? Je, utayasaka makapi makavu?
Moa izay ravin-kazo indaosin’ ny rivotra avy va no ampitahorinao? Ary izay vodivary maina avy va no enjehinao?
26 Kwa kuwa unaandika mambo machungu dhidi yangu na kunifanya nizirithi dhambi za ujana wangu.
Fa zava-mangidy no tendrenao hamely ahy, ka ampanodiavinao ahy, ny heloky ny fahatanorako;
27 Umeifunga miguu yangu kwenye pingu. Unazichunga kwa makini njia zangu zote kwa kutia alama kwenye nyayo za miguu yangu.
Dia mampiditra ny tongotro eo amin’ ny boloky hazo Hianao ary mitsikilo ny diako rehetra; Ny hodiavin’ ny tongotro dia feranao.
28 “Hivyo mwanadamu huangamia kama kitu kilichooza, kama vazi lililoliwa na nondo.
Dia izaho ity izay mihalevona tahaka ny zavatra hanin’ ny fositra, eny, tahaka ny fitafiana lanin’ ny kalalao.