< Ayubu 11 >

1 Ndipo Sofari Mnaamathi akajibu:
Dia namaly Zofara Namatita ka nanao hoe:
2 “Je, maneno haya yote yapite bila kujibiwa? Je, huyu mnenaji athibitishwe kuwa na haki?
Moa tsy hovaliana va ny teny be toy izany? Ary moa raha maro vava, dia ho marina va?
3 Je, maneno yako ya upuzi yawafanye watu wanyamaze kimya? Je, mtu asikukemee unapofanya dhihaka?
Ny bedibedinao va no hampangina ny olona? Ka dia haniratsira ianao, ka tsy hisy handresy lahatra,
4 Unamwambia Mungu, ‘Imani yangu ni kamili nami ni safi mbele zako.’
Ary dia hiteny hoe: Madio ny teny nalahatro, ary tsy nanan-tsiny teo imasonao aho.
5 Aha! Laiti kwamba Mungu angesema, kwamba angefungua midomo yake dhidi yako,
Enga anie ka hiteny Andriamanitra ka hiloa-bava hamaly anao!
6 naye akufunulie siri za hekima, kwa kuwa hekima ya kweli ina pande mbili. Ujue hili: Mungu amesahau hata baadhi ya dhambi zako.
Dia hasehony aminao ny fahendrena miafina, fa tsy hita lany izany, ka dia ho fantatrao fa tsy dia novalian’ Andriamanitra avokoa ny helokao.
7 “Je, waweza kujua siri za Mungu? Je, waweza kuyachunguza mambo yote kumhusu Mwenyezi?
Takatry ny sainao va ny fomban’ Andriamanitra? Ary tanteraka va ny fahitanao ny Tsitoha
8 Ni juu mno kuliko mbingu: waweza kufanya nini? Kina chake ni kirefu kuliko kuzimu: wewe waweza kujua nini? (Sheol h7585)
Avo tahaka ny lanitra izany! ka inona no hainao atao? Lalina noho ny fiainan-tsi-hita! ka inona no fantatrao? (Sheol h7585)
9 Kipimo chake ni kirefu kuliko dunia, nacho ni kipana kuliko bahari.
Lava noho ny tany ny ohany ary lehibe noho ny ranomasina.
10 “Kama akija na kukufunga gerezani, na kuitisha mahakama, ni nani awezaye kumpinga?
Raha mandroso Izy ka misambotra ary manao fitsarana, dia iza moa no mahasakana Azy?
11 Hakika anawatambua watu wadanganyifu; naye aonapo uovu, je, haangalii?
Fa Izy mahafantatra ny olon-dratsy; Ary hitany ny heloka, na dia tsy mandinika akory aza Izy.
12 Mpumbavu aweza kuwa mwenye hekima, endapo mtoto wa punda-mwitu atazaliwa mwanadamu.
Koa na dia ny olom-poana aza dia hahazo fahendrena, ary na dia ny zanaky ny boriki-dia aza dia hateraka ho olombelona.
13 “Hata sasa ukiutoa moyo wako kwake na kumwinulia mikono yako,
Raha ampanatrehinao Azy ny fonao, ary atantinao aminy ny tananao,
14 ukiiondolea mbali ile dhambi iliyo mkononi mwako wala usiuruhusu uovu ukae hemani mwako,
Ka misy heloka eo an-tananao, dia ario lavitra izany, ary aza avela hisy ratsy hitoetra ao an-dainao;
15 ndipo utainua uso wako bila aibu; utasimama imara bila hofu.
Dia hahazo hanandratra ny tavanao tsy misy tsiny ianao, koa hijoro tsara ary tsy hatahotra;
16 Hakika utaisahau taabu yako, utaikumbuka tu kama maji yaliyokwisha kupita.
Fa ho hadinonao ny fahorianao: Toy ny rano efa nandalo no hahatsiarovanao azy.
17 Maisha yako yatangʼaa kuliko adhuhuri, nalo giza litakuwa kama alfajiri.
Ary hamirapiratra lavitra noho ny mitataovovonana ny andronao; na dia sendra manjombona aza, dia ho tonga tahaka ny maraina.
18 Utakuwa salama, kwa kuwa lipo tumaini; utatazama pande zote na kupumzika kwa salama.
Hatoky ianao, satria misy fanantenana; eny, hijery manodidina ianao ka handry tsy amin’ ahiahy.
19 Utalala, wala hakuna atakayekuogofya, naam, wengi watajipendekeza kwako.
Dia ho tafandry ianao, fa tsy hisy hanaitaitra; Ary maro no hila sitraka aminao.
20 Bali macho ya waovu hayataona, wokovu utawaepuka; tarajio lao litakuwa ni hangaiko la mtu anayekata roho.”
Fa ny mason’ ny ratsy fanahy kosa ho pahina, ka ho very avokoa ny fiarovana azy, ary ny fialàna aina ihany no hany sisa azony antenaina.

< Ayubu 11 >