< Yeremia 5 >
1 “Pandeni na kushuka katika mitaa ya Yerusalemu, tazameni pande zote na mtafakari, tafuteni katika viwanja vyake. Kama mtaweza kumpata hata mtu mmoja tu atendaye kwa uaminifu na kutafuta kweli, nitausamehe mji huu.
Miveziveze eny an-dalamben’ i Jerosalema ianareo, ka izahao sy fantaro ary tadiavo ao an-kalalahana, fa raha mba misy olona hitanareo, izay manao ny marina sy mitady ny hitsiny, dia havelako ny helok’ i Jerosalema.
2 Ingawa wanasema, ‘Kwa hakika kama Bwana aishivyo,’ bado wanaapa kwa uongo.”
Ary na dia misy aza manao hoe: Raha velona koa Jehovah, dia entiny mianian-tsy tò izany.
3 Ee Bwana, je, macho yako hayaitafuti kweli? Uliwapiga, lakini hawakusikia maumivu, uliwapondaponda, lakini walikataa maonyo. Walifanya nyuso zao kuwa ngumu kuliko jiwe nao walikataa kutubu.
Jehovah ô, tsy mijery ny toe-panahy mahatoky va ny masonao? Namely azy Hianao, nefa tsy nahatsiaro naharary izy; Nandany azy Hianao, nefa tsy nety nino anatra izy; Nohamafisiny mihoatra noho ny harambato ny tarehiny, tsy nety niverina izy.
4 Ndipo nikasema, “Hawa ni maskini tu; wao ni wapumbavu, kwa maana hawaijui njia ya Bwana, sheria ya Mungu wao.
Ka dia hoy izaho: Olona ambany ireto; Adala izy fa tsy mahalala ny lalan’ i Jehovah, na ny fitsipik’ Andriamaniny;
5 Kwa hiyo nitakwenda kwa viongozi na kuzungumza nao, hakika wao wanaijua njia ya Bwana, sheria ya Mungu wao.” Lakini kwa nia moja nao pia walikuwa wameivunja nira na kuvivunja vifungo.
Handeha ho any amin’ ny lehibe aho lahy ka hiteny aminy, fa ireny dia mahalala ny lalan’ i Jehovah sy ny fitsipik’ Andriamaniny; Kanjo ireny koa aza dia samy efa nanapaka zioga sy nanito fatorana.
6 Kwa hiyo simba kutoka mwituni atawashambulia, mbwa mwitu kutoka jangwani atawaangamiza, chui atawavizia karibu na miji yao, ili kumrarua vipande vipande yeyote atakayethubutu kutoka nje, kwa maana maasi yao ni makubwa, na kukengeuka kwao kumekuwa ni kwingi.
Koa noho izany dia mamely azy ny liona avy any an’ ala, ary mandringana azy ny amboadia avy any an-efitra, ny leoparda miandry hamely ny tanànany, ka izay rehetra mivoaka avy ao dia viraviraina; Fa efa maro ny fahadisoany, ary fatratra ny fiodinany.
7 “Kwa nini niwasamehe? Watoto wenu wameniacha na kuapa kwa miungu ambayo si miungu. Niliwapatia mahitaji yao yote, lakini bado wamefanya uzinzi na kusongana katika nyumba za makahaba.
Koa nahoana Aho no hamela ny helokao? Efa nahafoy Ahy ny zanakao ka efa nianiana tamin’ izay tsy Andriamanitra; Efa nampianianiko izy, nefa nijangajanga ihany ka nirohitra niditra tao an-tranon’ ny vehivavy janga.
8 Wamelishwa vizuri, kama farasi waume wenye tamaa nyingi, kila mmoja akimlilia mke wa mwanaume mwingine.
Tahaka ny soavaly tsara fahana izy ka nikarenjy tamin’ izay tiany, samy naneno tamin’ ny vadin’ ny namany avy.
9 Je, nisiwaadhibu kwa ajili ya hili?” asema Bwana. “Je, nisijilipizie kisasi juu ya taifa kama hili?
Tsy hovaliako va izy amin’ izany? hoy Jehovah; Ary tsy hialako fo va ny firenena toy izany?
10 “Piteni katika mashamba yake ya mizabibu na kuyaharibu, lakini msiangamize kabisa. Pogoeni matawi yake, kwa kuwa watu hawa sio wa Bwana.
Miakara eo amin’ ny mandany ianareo, ka mameleza, nefa aza dia levonina avokoa izy; Esory ny sakeliny, satria tsy an’ i Jehovah izy.
11 Nyumba ya Israeli na nyumba ya Yuda wamekuwa si waaminifu kwangu kamwe,” asema Bwana.
Fa efa nivadika tamiko mihitsy ny taranak’ Isiraely sy ny taranak’ i Joda, hoy Jehovah.
12 Wamedanganya kuhusu Bwana. Wamesema, “Yeye hatafanya jambo lolote! Hakuna dhara litakalotupata; kamwe hatutaona upanga wala njaa.
Nahafoy an’ i Jehovah izy ka nanao hoe: Tsy Izy no izy; Tsy hisy loza hanjo antsika, ary tsy hahita sabatra na mosary isika;
13 Manabii ni upepo tu, wala neno halimo ndani yao, kwa hiyo hayo wayasemayo na yatendeke kwao.”
Ny mpaminany dia hanjary rivotra, ary tsy ao am-pony Ilay miteny; Eny, izany no hanjo azy.
14 Kwa hiyo hili ndilo asemalo Bwana Mungu Mwenye Nguvu Zote: “Kwa sababu watu hawa wamesema maneno haya, nitayafanya maneno yangu vinywani mwenu kuwa moto, na watu hawa wawe kuni zinazoliwa na huo moto.
Koa izao no lazain’ i Jehovah, Andriamanitry ny maro. Noho ny nanaovanareo izany teny izany, indro, hataoko afo ny teniko izay eo am-bavanao, ary ity firenena ity ho kitay hazo ka holevoniny.
15 Ee nyumba ya Israeli,” asema Bwana, “Ninaleta taifa toka mbali dhidi yako, taifa la kale na linaloendelea kudumu, taifa ambalo lugha yao huijui, wala msemo wao huwezi kuuelewa.
Indro, efa hitondra firenena avy lavitra Aho hamely anareo, ry taranak’ Isiraely, hoy Jehovah, dia firenena mateza hery, Firenena hatry ny ela, Firenena izay tsy fantatrao ny fiteniny, ka tsy ho azonao izay lazainy.
16 Podo zao ni kama kaburi lililo wazi, wote ni mashujaa hodari wa vita.
Ny tranon-jana-tsipìkany dia tahaka ny fasana misokatra; Izy rehetra dia samy lehilahy mahery avokoa.
17 Watayaangamiza mazao yenu na chakula chenu, wataangamiza wana wenu na mabinti zenu; wataangamiza makundi yenu ya kondoo na ya ngʼombe, wataangamiza mizabibu yenu na mitini yenu. Kwa upanga wataangamiza miji yenye maboma mliyoitumainia.
Ary hohaniny ny vokatrao sy ny haninao, hohaniny ny zanakao-lahy sy ny zanakao-vavy, hohaniny ny ondry aman’ osinao sy ny ombinao, hohaniny ny voalobokao sy ny aviavinao, sady horavany amin’ ny sabatra ny tanàna mimanda izay itokianao.
18 “Hata hivyo katika siku hizo, sitakuangamiza kabisa,” asema Bwana.
Nefa na dia amin’ izany andro izany aza, hoy Jehovah, tsy dia holevoniko avokoa ianareo.
19 “Nao watu watakapouliza, ‘Kwa nini Bwana, Mungu wetu ametufanyia mambo haya yote?’ utawaambia, ‘Kama vile mlivyoniacha mimi na kutumikia miungu migeni katika nchi yenu wenyewe, ndivyo sasa mtakavyowatumikia wageni katika nchi ambayo si yenu.’
Ary raha hoy izy: Nahoana Jehovah Andriamanitsika no dia nanao izany rehetra izany tamintsika? Dia hovalianao hoe: Toy ny nahafoizanareo Ahy sy ny nanompoanareo andriamani-kafa teo amin’ ny taninareo no hanompoanareo ny firenen-kafa any amin’ ny tany izay tsy anareo.
20 “Itangazie nyumba ya Yakobo hili na ulipigie mbiu katika Yuda:
Ambarao ao amin’ ny taranak’ i Jakoba, ary torio ao amin’ ny Joda hoe:
21 Sikieni hili, enyi watu wapumbavu, msio na akili, mlio na macho lakini hamwoni, mlio na masikio lakini hamsikii:
Henoy izao, ry firenena adala sady tsy manan-tsaina, izay mana-maso, fa tsy mahita, ary manan-tsofina, fa tsy mandre:
22 Je, haiwapasi kuniogopa mimi?” asema Bwana. “Je, haiwapasi kutetemeka mbele zangu? Niliufanya mchanga kuwa mpaka wa bahari, kizuizi cha milele ambacho haiwezi kupita. Mawimbi yanaweza kuumuka, lakini hayawezi kuupita; yanaweza kunguruma, lakini hayawezi kuuvuka.
Izaho va tsy atahoranareo? hoy Jehovah; Tsy mangovitra va ianareo eo anatrehako, izay nanao ny fasika ho fefin’ ny ranomasina, dia fetra mandrakizay tsy azony hihoarana? Ka na dia mitopatopa aza ny onjany, dia tsy mahavaky azy, ary na dia mirohondrohona aza, dia tsy mahahoatra azy.
23 Lakini watu hawa wana mioyo ya ukaidi na ya uasi, wamegeukia mbali na kwenda zao.
Fa ity firenena ity dia manana fo maditra sy miodina; Mihodìna izy ka lasa,
24 Wao hawaambiani wenyewe, ‘Sisi na tumwogope Bwana Mungu wetu, anayetupatia mvua za masika na za vuli kwa majira yake, anayetuhakikishia majuma ya mavuno kwa utaratibu.’
Ary tsy manao anakampo akory hoe: Aoka isika hatahotra an’ i Jehovah Andriamanitsika, izay mandatsaka ranonorana, dia ny loha-orana sy ny fara-orana amin’ ny fotoany avy; Ary ireo herinandro voatendry ho amin’ ny fararano dia tandremany ho antsika.
25 Matendo yenu mabaya yamezuia haya yote, dhambi zenu zimewazuia msipate mema.
Ny helokareo no nampiala izany, ary ny fahotanareo no misakana ny soa tsy ho azonareo.
26 “Miongoni mwa watu wangu wamo walio waovu wanaovizia kama watu wanaotega ndege, na kama wale wanaoweka mitego kuwakamata watu.
Fa misy hita fa ratsy fanahy ny oloko; Mamitsaka sy mijoko toy ny mpamandri-borona izy, mamela-pandrika izy, ka olona no azony.
27 Kama vitundu vilivyojaa ndege, nyumba zao zimejaa udanganyifu; wamekuwa matajiri na wenye nguvu,
Toy ny tranom-borona feno vorona no mahafeno fitaka ny tranony; Ary noho izany dia tonga lehibe sy mpanankarena izy.
28 wamenenepa na kunawiri. Matendo yao maovu hayana kikomo; hawatetei mashauri ya yatima wapate kushinda, hawatetei haki za maskini.
Efa mihatavy izy ka mandimandina, dia mihoa-pampana amin’ ny fanaovan-dratsy; Tsy mety mitsara ady mba hahazoan’ ny kamboty ny rariny izy, ary ny adin’ ny malahelo tsy mba tsarainy.
29 Je, nisiwaadhibu kwa ajili ya hili?” asema Bwana. “Je, nisijilipizie kisasi juu ya taifa kama hili?
Tsy hovaliako amin’ izany va izy? hoy Jehovah; Tsy hialako fo va ny firenena toy izany?
30 “Jambo la kutisha na kushtusha limetokea katika nchi hii:
Zava-mahagaga sy mahatsiravina no atao eo amin’ ny tany;
31 Manabii wanatabiri uongo, makuhani wanatawala kwa mamlaka yao wenyewe, nao watu wangu wanapenda hivyo. Lakini mtafanya nini mwisho wake?
Ny mpaminany maminany lainga, ny mpisorona: manapaka araka izay atoron’ ireny, ary ny oloko mankasitraka izany; Koa hanao ahoana re ianareo any am-parany?