< Yeremia 48 >

1 Kuhusu Moabu: Hili ndilo Bwana Mwenye Nguvu Zote, Mungu wa Israeli, asemalo: “Ole wake Nebo, kwa maana utaharibiwa. Kiriathaimu utaaibishwa na kutekwa; Misgabu itaaibishwa na kuvunjavunjwa.
Ny amin’ i Moaba. Izao no lazain’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Nidiran-doza Nebo, fa rava! Mangaihay Kiriataima, fa afaka; Mangaihay Misgaba sady raiki-tahotra.
2 Moabu haitasifiwa tena; huko Heshboni watu watafanya shauri baya la anguko lake: ‘Njooni na tuangamize taifa lile.’ Wewe nawe, ee Madmena, utanyamazishwa; upanga utakufuatia.
Tsy misy ho reharehan’ i Moaba intsony; Tao Hesbona no niheverany hampididoza aminy hoe: Andeha horavantsika tsy ho firenena izy. Ho ringana koa ianao, ry Madmena, Hanenjika anao ny sabatra.
3 Sikiliza kilio kutoka Horonaimu, kilio cha maangamizi makuu na uharibifu.
Injay! misy feo fitarainana ao Horonaima hoe: Fandravana sy fandringanana be!
4 Moabu utavunjwa, wadogo wake watapiga kelele.
Rava Moaba, ny madinika ao dia mamoaka fitarainana.
5 Wanapanda kwenda njia ya kuelekea Luhithi, wakilia kwa uchungu wanapotembea, kwenye njia inayoshuka kwenda Horonaimu, kilio cha uchungu kwa ajili ya uharibifu kinasikika.
Fa miakatra mitomany lalandava eny amin’ ny fiakarana Lohita izy; Ary amin’ ny fidinana mankany Horonaima no andrenesana fitarainana mafy noho ny fandringanana.
6 Kimbieni! Okoeni maisha yenu, kuweni kama kichaka jangwani.
Mandosira, vonjeo ny ainareo. Ary aoka ho tahaka ny olona mahantra any an-efitra ianareo.
7 Kwa kuwa mmetumainia matendo yenu na mali zenu, ninyi pia mtachukuliwa mateka, naye Kemoshi atakwenda uhamishoni, pamoja na makuhani wake na maafisa wake.
Fa noho ny nitokianao tamin’ ny asanao sy ny rakitrao dia ho voasambotra koa ianao; Ary Kemosy ho lasan-ko babo, dia ny mpisorony sy ny mpanapaka rehetra.
8 Mharabu atakuja dhidi ya kila mji, wala hakuna mji utakaookoka. Bonde litaangamizwa na uwanda utaharibiwa, kwa sababu Bwana amesema.
Ary ny mpandringana ho tonga ao amin’ ny tanàna rehetra, ka tsy hisy tanàna tsy ho afaka; Ny lohasaha koa ho simba, ary ny tany lemaka ho rava, araka izay nolazain’ i Jehovah.
9 Wekeni chumvi kwa ajili ya Moabu, kwa kuwa ataangamizwa; miji yake itakuwa ukiwa, pasipo kuwa na mtu atakayeishi ndani yake.
Omeo elatra Moaba, fa hanidina izy ka ho lasa; Ary ho lao ny tanànanay, ka tsy hisy mponina.
10 “Alaaniwe yeye afanyaye kazi ya Bwana kwa hila! Alaaniwe yeye auzuiaye upanga wake usimwage damu!
Ho voaozona anie Izay manao tsirambina foana ny asa asain’ i Jehovah atao! Eny, ho voaozona anie izay mihazona ny sabany tsy handatsa-drà!
11 “Moabu amestarehe tangu ujana wake, kama divai iliyoachwa kwenye machujo yake, haikumiminwa kutoka chombo kimoja hadi kingine, hajaenda uhamishoni. Kwa hiyo ana ladha ile ile kama aliyokuwa nayo, nayo harufu yake haijabadilika.
Moaba nandry fahizay hatry ny fony izy mbola kely ka niotrika tao amin’ ny faikany, fa tsy naidina nafindrafindra siny, ary tsy mbola lasan-ko babo izy; koa izany no aharetan’ ny tsirony ao aminy sy tsy iovan’ ny fofony.
12 Lakini siku zinakuja,” asema Bwana, “nitakapotuma watu wamiminao kutoka kwenye magudulia, nao watamimina; wataacha magudulia yake yakiwa matupu na kuvunja mitungi yake.
Koa, indro, avy ny andro hanirahako mpanohoka ho any aminy, hoy Jehovah, Izay hanohoka azy ka hahafoana ny fitoeran-divainy sady hanorotoro ny sininy.
13 Kisha Moabu atamwonea aibu mungu wao Kemoshi, kama vile nyumba ya Israeli walivyoona aibu walipotegemea mungu wa Betheli.
Ary Moaba ho menatra noho ny amin’ i Kemosy toy ny nahamenaran’ ny taranak’ Isiraely noho ny amin’ i Betela tokiny.
14 “Mwawezaje kusema, ‘Sisi ni mashujaa, watu jasiri katika vita’?
Ahoana no anaovanareo hoe: Lehilahy matanjaka sady mahery an’ ady izahay?
15 Moabu ataangamizwa na miji yake itavamiwa, vijana wake waume walio bora sana watachinjwa,” asema Mfalme, ambaye jina lake ni Bwana Mungu Mwenye Nguvu Zote.
Rava Moaba, fa ny tanànany dia efa nanihina. Ary ny zatovony voafantina efa nidina ho any amin’ ny famonoana. Hoy ny Mpanjaka, Jehovah, Tompon’ ny maro, no anarany.
16 “Kuanguka kwa Moabu kumekaribia, janga kubwa litamjia kwa haraka.
Efa antomotra ny loza hanjo an’ i Moaba, ary mimaona ny fahoriany.
17 Ombolezeni kwa ajili yake, ninyi nyote mnaomzunguka, ninyi nyote mnaojua sifa zake, semeni, ‘Tazama jinsi ilivyovunjika fimbo ya kifalme yenye nguvu, tazama jinsi ilivyovunjika fimbo iliyotukuka!’
Mitomania azy, ianareo rehetra izay manodidina azy sy ianareo rehetra izay mahalala ny anarany! Eny, manaova hoe: Indrisy! tapaka ny tehina mafy sy ny tsorakazo tsara tarehy!
18 “Shuka kutoka fahari yako na uketi katika ardhi iliyokauka, enyi wenyeji wa Binti wa Diboni, kwa maana yeye aangamizaye Moabu atakuja dhidi yako, na kuangamiza miji yako iliyozungushiwa maboma.
Ry Dibona, zanakavavy mponina, midìna miala amin’ ny voninahitrao, ka mitoera ao amin’ ny tany mangentana, fa ilay mandringana an’ i Moaba dia miakatra mamely anao sady mandrava ny fiarovanao.
19 Simama kando ya barabara na utazame, wewe unayeishi Aroeri. Muulize mwanaume anayekimbia na mwanamke anayetoroka, waulize, ‘Kumetokea nini?’
Ry mponina any Aroera, mijanòna eny an-dalambe, ka mitazàna, ary izay mandositra, na lehilahy na vehivavy, dia anontanio hoe: Nozoin’ inona ianareo?
20 Moabu amefedheheshwa, kwa kuwa amevunjavunjwa. Lieni kwa huzuni na kupiga kelele! Tangazeni kando ya Arnoni kwamba Moabu ameangamizwa.
Afa-baraka Moaba, eny, raiki-tahotra izy; Midradradradra sy mitaraina, ka ambaraonareo ao Arnona fa rava Moaba.
21 Hukumu imefika kwenye uwanda wa juu: katika Holoni, Yahasa na Mefaathi,
Ary ny fitsarana dia miakatra ao amin’ ny tany lemaka, dia ao Holona sy Jahaza sy Mefata
22 katika Diboni, Nebo na Beth-Diblathaimu,
Sy Dibona sy Nebo sy Beti-diblataima
23 katika Kiriathaimu, Beth-Gamuli na Beth-Meoni,
Sy Kiriataima sy Beti-gamola sy Beti-meona
24 katika Keriothi na Bosra; kwa miji yote ya Moabu, iliyoko mbali na karibu.
Sy Keriota ary Bozra, eny, ny tanànan’ i Moaba rehetra, na ny lavitra na ny akaiky.
25 Pembe ya Moabu imekatwa, mkono wake umevunjwa,” asema Bwana.
Voakapa ny tandrok’ i Moaba, ary tapaka koa ny sandriny, hoy Jehovah.
26 “Mlevye, kwa kuwa amemdharau Bwana. Moabu na agaegae katika matapishi yake, yeye na awe kitu cha dhihaka.
Ataovy leony izy, fa niavonavona tamin’ i Jehovah; Moaba hihosinkosina amin’ ny loany sady mba ho tonga fihomehezana kosa.
27 Je, Israeli hakuwa kitu chako cha kudhihakiwa? Je, alikamatwa miongoni mwa wezi, kiasi cha kutikisa kichwa chako kwa dharau kila mara unapozungumza juu yake?
Fa tsy efa nataonao ho fihomehezana va ny Isiraely? Moa hita fa naman’ ny mpangalatra va izy, no dia mihifikifika ianao isaky ny milaza azy?
28 Ondokeni kwenye miji yenu, mkaishi katikati ya miamba, enyi mnaoishi Moabu. Kuweni kama huwa ambaye hutengeneza kiota chake kwenye mdomo wa pango.
Ry mponina any Moaba! ilaozy ny tanàna, ka mitoera ao amin’ ny harambato, ary aoka ho tahaka ny voromailala izay manao ny akaniny erỳ am-pitan’ ny hantsana ianao.
29 “Tumesikia juu ya kiburi cha Moabu: kutakabari kwake kwa kiburi na majivuno, kiburi chake na ufidhuli wake, na kujivuna kwa moyo wake.
Ffa renay ny fiavonavonan’ i Moaba fatra-piavonavona loatra izy dia ny fireharehany sy ny fiavonavonany sy ny fiaingitrainginy ary ny avonavon’ ny fony.
30 Ninaujua ujeuri wake, lakini ni bure,” asema Bwana, “nako kujisifu kwake hakumsaidii chochote.
Izaho mahalala ny fihoa-bavany sy ny fibedibediny foana, hoy Jehovah; Tsinontsinona ny ataony.
31 Kwa hiyo namlilia Moabu, kwa ajili ya Moabu yote ninalia, ninaomboleza kwa ajili ya watu wa Kir-Haresethi.
Koa hidradradradra noho ny amin’ i Moaba aho; Eny, hitomany noho ny amin’ i Moaba rehetra aho, ary hitsetra noho ny amin’ ny mponina ao Kira-haresa ny olona.
32 Ninalia machozi kwa ajili yenu, kama Yazeri aliavyo, enyi mizabibu ya Sibma. Matawi yako yameenea hadi baharini; yamefika hadi bahari ya Yazeri. Mharabu ameyaangukia matunda yako yaliyoiva na mizabibu yako iliyoiva.
Mihoatra noho ny fitomanian’ i Jazera no hitomaniako anao, ry voalobok’ i Sibma, tafita ny ranomasina ny rantsanao ary tonga hatrany amin’ ny ranomasin’ i Jazera; Ny mpandripaka dia tonga handripaka ny voankazonao masaka fahavaratra sy ny voalobokao.
33 Shangwe na furaha vimetoweka kutoka bustani na mashamba ya Moabu. Nimekomesha kutiririka kwa divai kutoka mashinikizo; hakuna hata mmoja ayakanyagaye kwa kelele za shangwe. Ingawa kuna kelele, sio kelele za shangwe.
Ary ny hafaliana sy ny faharavoravoana nesorina tamin’ ny saha nahavokatra sy tamin’ ny tany Moaba, ary nataoko tankina ny divay tamin’ ny vata fanantazana ranom-boaloboka, tsy hisy hihoby amin’ ny fanitsakitsahana; Ny fihobiana dia tsy fihobiana akory.
34 “Sauti ya kilio chao inapanda kutoka Heshboni hadi Eleale na Yahazi, kutoka Soari hadi Horonaimu na Eglath-Shelishiya, kwa kuwa hata maji ya Nimrimu yamekauka.
Ny fitarainan’ i Hesbona dia re hatrany Elale sy Jahaza. Hatrany Zoara ka hatrany Horonaima sy Eglata-selisia; Fa na dia ny ranon’ i Nimrima aza dia ho ritra koa.
35 Nitakomesha wale wote katika Moabu watoao sadaka mahali pa juu, na kufukiza uvumba kwa miungu yao,” asema Bwana.
Ary hatsahatro ao Moaba koa Izay miakatra hanatitra amin’ ny fitoerana avo sy izay mandoro ditin-kazo manitra ho an’ ny andriamaniny, hoy Jehovah.
36 “Kwa hiyo moyo wangu unaomboleza kwa ajili ya Moabu kama filimbi; unaomboleza kama filimbi kwa ajili ya watu wa Kir-Haresethi. Utajiri waliojipatia umetoweka.
Ary noho izany ny foko dia mitomany manao feon-tsodina noho ny amin’ i Moaba, ary ny foko mitomany manao feon-tsodina noho ny amin’ ny mponina ao Kira-haresa. Eny, noho izany dia levona ny harena be izay nohariny.
37 Kila kichwa kimenyolewa na kila mwenye ndevu zimekatwa; kila mkono umekatwa na kila kiuno kimefunikwa kwa nguo ya gunia.
Fa mibory ny loha rehetra. Ary voaharatra ny somotra rehetra, misy tetika amin’ ny tanana rehetra sy lamba fisaonana amin’ ny valahana.
38 Juu ya mapaa yote katika Moabu na katika viwanja hakuna kitu chochote isipokuwa maombolezo, kwa kuwa nimemvunja Moabu kama gudulia ambalo hakuna mtu yeyote anayelitaka,” asema Bwana.
Eny, amin’ ny tampon-trano rehetra any Moaba sy eny an-kalalahana dia misy fisaonana avokoa; Satria torotoroiko toy ny fanaka tsy mahafinaritra intsony Moaba, hoy Jehovah.
39 “Tazama jinsi alivyovunjikavunjika! Jinsi wanavyolia kwa huzuni! Tazama jinsi Moabu anavyogeuka kwa aibu! Moabu amekuwa kitu cha kudhihakiwa, kitu cha kutisha kwa wale wote wanaomzunguka.”
Indrisy! raiki-tahotra izy! Midradradradrà! Indrisy! efa miamboho Moaba, mangaihay Izy, ka dia tonga fihomehezana sy fampitahorana ho an’ izay rehetra manodidina azy.
40 Hili ndilo asemalo Bwana: “Tazama! Tai anashuka chini, akitanda mabawa yake juu ya Moabu.
Fa izao no lazain’ i Jehovah: Indro, hanidina toy ny voromahery izy ka hamelatra ny elany hipaoka an’ i Moaba.
41 Miji itatekwa na ngome zake zitatwaliwa. Katika siku hiyo, mioyo ya mashujaa wa Moabu itakuwa kama moyo wa mwanamke katika utungu wa kuzaa.
Afaka ny tanàna, ka azo ny batery fiarovana, ary amin’ izany andro izany ny fon’ ny lehilahy maherin’ i Moaba dia ho tahaka ny fon’ ny vehivavy mihetsi-jaza.
42 Moabu ataangamizwa kama taifa kwa sababu amemdharau Bwana.
Ary horavana tsy ho firenena intsony Moaba. Satria niavonavona tamin’ i Jehovah izy.
43 Hofu kuu, shimo na mtego vinawangojea, enyi watu wa Moabu,” asema Bwana.
Tahotra sy lavaka ary fandrika no mahazo anao, ry mponina any Moaba, hoy Jehovah.
44 “Yeyote atakayeikimbia hiyo hofu kuu ataanguka ndani ya shimo, yeyote atakayepanda kutoka shimoni, atanaswa katika mtego, kwa sababu nitaletea Moabu mwaka wa adhabu yake,” asema Bwana.
Izay mandositra ny tahotra dia ho latsaka any an-davaka; Ary izay miakatra avy any an-davaka dia ho voan’ ny fandrika; Fa hataoko tonga amin’ i Moaba ny taona hamaliana azy, hoy Jehovah.
45 “Katika kivuli cha Heshboni, wakimbizi wamesimama pasipo msaada, kwa kuwa moto umezimika huko Heshboni, mwali wa moto kutoka katikati ya Sihoni; unaunguza vipaji vya nyuso za Moabu, mafuvu yao wenye kujivuna kwa kelele.
Ao amin’ ny alokalok’ i Hesbona no ijanonan’ ny mpandositra, satria lany hery ireny; Kanjo misy afo mivoaka avy any Hesbona, ary lelafo avy any Sihona, ka mandevona ny sisin’ i Moaba sy ny tampon-dohan’ ny mpitabataba.
46 Ole wako, ee Moabu! Watu wa Kemoshi wameangamizwa; wana wako wamepelekwa uhamishoni na binti zako wamechukuliwa mateka.
Idiran-doza ianao, ry Moaba! Ringana ny olon’ i Kemosy! Fa ho babo ny zanakao-lahy, ary ho sambotra ny zanakao-vavy.
47 “Lakini nitarudisha mateka wa Moabu, katika siku zijazo,” asema Bwana. Huu ndio mwisho wa hukumu juu ya Moabu.
Nefa mbola hampodiko avy amin’ ny fahababoana ihany Moaba any am-parany, hoy Jehovah. Hatreto ny amin’ ny fitsarana an’ i Moaba.

< Yeremia 48 >