< Yeremia 32 >

1 Hili ndilo neno lililomjia Yeremia kutoka kwa Bwana, katika mwaka wa kumi wa utawala wa Sedekia mfalme wa Yuda, ambao ulikuwa mwaka wa kumi na nane wa utawala wa Mfalme Nebukadneza.
Izao no teny tonga tamin’ i Jeremia avy tamin’ i Jehovah tamin’ ny taona fahafolo nanjakan’ i Zedekia, mpanjakan’ ny Joda, dia ny taona fahavalo ambin’ ny folo nanjakan’ i Nebokadnezara.
2 Wakati huo jeshi la mfalme wa Babeli lilikuwa limeuzunguka mji wa Yerusalemu, naye nabii Yeremia alikuwa amezuiliwa katika ua wa walinzi katika jumba la kifalme la Yuda.
Fa tamin’ izany no nanaovan’ ny miaramilan’ ny mpanjakan’ i Babylona fahirano an’ i Jerosalema; ary Jeremia mpaminany nambenana teo an-kianjan’ ny trano fiambenana, izay teo amin’ ny tranon’ ny mpanjakan’ ny Joda.
3 Basi Sedekia mfalme wa Yuda alikuwa amemfunga huko akisema, “Kwa nini unatabiri hivyo? Wewe unasema, ‘Hili ndilo asemalo Bwana: Ninakaribia kuutia mji huu mkononi mwa mfalme wa Babeli, naye atauteka.
Fa Zedekia, mpanjakan’ ny Joda, nampiambina azy ka nanao hoe: Nahoana ianao no maminany hoe: Izao no lazain’ i Jehovah: Indro, hatolotro eo an-tànan’ ny mpanjakan’ i Babylona ity tanàna ity, ka ho afany;
4 Sedekia mfalme wa Yuda hataweza kuponyoka mikononi mwa Wakaldayo, lakini kwa hakika atatiwa mikononi mwa mfalme wa Babeli, naye atazungumza naye ana kwa ana na kumwona kwa macho yake mwenyewe.
ary Zedekia, mpanjakan’ ny Joda, dia tsy ho afa-mandositra ny tanan’ ny Kaldeana, fa hatolotra eo an-tànan’ ny mpanjakan’ i Babylona tokoa izy, ary hiteny aminy mifanatrika izy sady hifankahita maso aminy;
5 Atamchukua Sedekia hadi Babeli, mahali atakapoishi mpaka nitakapomshughulikia, asema Bwana. Kama utapigana dhidi ya Wakaldayo, hutashinda.’”
ary ho any Babylona no hitondrana an’ i Zedekia, ka ho any izy ambara-pamangiko azy, hoy Jehovah; na dia miady amin’ ny Kaldeana aza ianareo, dia tsy hambinina.
6 Yeremia akasema, “Neno la Bwana lilinijia kusema:
Ary hoy Jeremia: Tonga tamiko ny tenin’ i Jehovah hoe:
7 Hanameli mwana wa Shalumu mjomba wako atakuja kwako na kusema, ‘Nunua shamba langu huko Anathothi, kwa sababu wewe kama jamaa ya karibu ni haki na wajibu wako kulinunua.’
Indro Hanamela, zanak’ i Saloma, rahalahin-drainao, ho avy eto aminao hanao hoe: Vidionao ny sahako izay ao Anatota, fa ianao no havana akaiky tokony hanavotra azy.
8 “Kisha, kama Bwana alivyosema, binamu yangu Hanameli alinijia katika ua wa walinzi na kusema: ‘Nunua shamba langu lililoko Anathothi katika nchi ya Benyamini. Kwa kuwa ni haki yako kulikomboa na kulimiliki, jinunulie.’ “Nilijua kwamba hili lilikuwa neno la Bwana.
Ary Hanamela, zana-drahalahin’ ikaky, dia tonga tamiko teo an-kianjan’ ny trano fiambenana araka ny tenin’ i Jehovah, ka hoy izy tamiko: Masìna ianao, vidio ny sahako izay ao Anatota, dia ilay ao amin’ ny tanin’ ny Benjamina, fa ianao no havana akaiky tokony handova sy hanavotra azy, vidio re ho anao. Ka dia fantatro fa tenin’ i Jehovah izany.
9 Hivyo nikalinunua shamba hilo lililoko Anathothi kutoka kwa binamu yangu Hanameli, nami nikampimia shekeli kumi na saba za fedha.
Ary novidiko tamin’ i Hanamela, zana-drahalahin’ ikaky, ny saha izay tao Anatota, ary nolanjaiko ny vola, dia sekely volafotsy fito ambin’ ny folo.
10 Nikatia sahihi na kuweka muhuri hati ya kumiliki, nikaweka mashahidi, na kupima ile fedha kwenye mizani.
Ary nosoratako tamin’ ny taratasy izany ka nasiako tombo-kase sady nasiako vavolombelona, ary nolanjaiko tamin’ ny mizana ny vola.
11 Nikachukua ile hati ya kununulia, nakala iliyotiwa muhuri yenye makubaliano na masharti, pia pamoja na ile nakala isiyo na muhuri,
Ka dia noraisiko ny taratasy nisy ny fanekena tamin’ ny vidin-tany, dia ilay voaisy tombo-kase araka ny lalàna sy ny fanao, mbamin’ ny taratasy mivelatra koa;
12 nami nikampa Baruku mwana wa Neria, mwana wa Maaseya, hati hii mbele ya binamu yangu Hanameli, na mbele ya mashahidi waliokuwa wameweka sahihi kwenye hati hii na mbele ya Wayahudi wote waliokuwa wameketi katika ua wa walinzi.
dia natolotro an’ i Baroka, zanak’ i Neria, zanak’ i Mahaseia, ilay taratasy nisy ny fanekena tamin’ ny vidin-tany, teo imason’ i Hanamela, zana-drahalahin’ ikaky, sy teo anatrehan’ ny vavolombelona izay nanao sonia tamin’ ny taratasy nisy ny fanekena tamin’ ny vidin-tany, dia teo anatrehan’ ny Jiosy rehetra izay nipetraka teo an-kianjan’ ny trano fiambenana.
13 “Nilimpa Baruku maelezo haya mbele yao:
Ary nandidy an’ i Baroka teo anatrehan’ ireo aho nanao hoe:
14 ‘Hili ndilo asemalo Bwana Mwenye Nguvu Zote, Mungu wa Israeli: Chukua hati hizi, yaani nakala zote zenye muhuri na zisizo na muhuri za hati ya kununulia, na uziweke kwenye gudulia la udongo wa mfinyanzi ili zidumu kwa muda mrefu.
Izao no lazain’ i Jenovah, Tompon’ ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Ento ireto taratasy ireto, dia ireto taratasy misy ny fanekena amin’ ny vidin-tany, dia ilay misy tombo-kase, mbamin’ ny taratasy mivelatra, ary ataovy ao anaty vilany tany izy mba haharitra ela.
15 Kwa kuwa hili ndilo asemalo Bwana Mwenye Nguvu Zote, Mungu wa Israeli: Nyumba, mashamba na mashamba ya mizabibu yatanunuliwa tena katika nchi hii.’
Fa izao no lazain’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Mbola hisy trano sy saha ary tanim-boaloboka hovidina indray eto amin’ ity tany ity.
16 “Baada ya kumkabidhi Baruku mwana wa Neria hii hati ya kununulia, nilimwomba Bwana:
Ary rehefa voatolotra an’ i Baroka, zanak’ i Neria, ilay taratasy nisy ny fanekena tamin’ ny vidin-tany, dia nivavaka tamin’ i Jehovah aho hoe:
17 “Ee Bwana Mwenyezi, umeumba mbingu na nchi kwa uwezo wako mkuu na kwa mkono ulionyooshwa. Hakuna jambo lililo gumu usiloliweza.
Indrisy, Jehovah Tompo ô! Indro, Hianao no nanao ny lanitra sy ny tany tamin’ ny herinao lehibe sy ny sandrinao ahinjitra, ary tsy misy zava-mahagaga izay tsy hainao.
18 Wewe huonyesha upendo kwa maelfu, lakini huleta adhabu kwa ajili ya dhambi za baba mapajani mwa watoto wao baada yao. Ee Mungu mkuu na mwenye uweza, ambaye jina lako ni Bwana Mwenye Nguvu Zote,
Mamindra fo amin’ ny arivo arivo Hianao ary mamaly ny heloky ny ray ho ao an-tratran’ ny zanany mandimby azy dia Andriamanitra lehibe sy mahery, Jehovah, Tompon’ ny maro, no anarany,
19 makusudi yako ni makuu, na matendo yako ni yenye uwezo. Macho yako yanaona njia zote za wanadamu, nawe humlipa kila mmoja kulingana na mwenendo wake, na kama yanavyostahili matendo yake.
lehibe amin’ ny fisainana sy mahery amin’ ny atao; fa ny masonao mibanjina ny alehan’ ny zanak’ olombelona rehetra mba hanome azy rehetra araka ny lalany avy sy araka ny vokatry ny asany,
20 Ulitenda ishara za miujiza na maajabu huko Misri, na umeyaendeleza mpaka leo, katika Israeli na miongoni mwa wanadamu wote, nawe umejulikana na kufahamika hivyo mpaka leo.
dia Ilay nanisy famantarana sy fahagagana tany amin’ ny tany Egypta ka mandraka androany koa, na ao amin’ ny Isiraely, na ao amin’ ny olona hafa koa, ka dia nanao anarana ho Anao tahaka ny amin’ izao anio izao.
21 Uliwatoa watu wako Israeli kutoka Misri kwa ishara na maajabu, kwa mkono wenye nguvu na ulionyooshwa na kwa matisho makuu.
Ary nitondra ny Isiraely olonao nivoaka avy tany amin’ ny tany Egypta Hianao tamin’ ny famantarana sy ny fahagagana ary ny tanana mahery sy ny sandry nahinjitra ary ny fampahatahorana lehibe,
22 Uliwapa nchi hii uliyokuwa umeapa kuwapa baba zao, nchi inayotiririka maziwa na asali.
ka dia nanome azy ity tany ity, izay efa nianiananao nolazainao tamin’ ny razany homena azy, dia tany tondra-dronono sy tantely.
23 Waliingia na kuimiliki, lakini hawakukutii wala kuifuata sheria yako. Hawakufanya kile ulichowaamuru kufanya. Hivyo ukaleta maafa haya yote juu yao.
Ary tonga teto izy, dia nandova azy, nefa tsy nihaino ny feonao izy sady tsy nandeha araka ny lalànao; ary tsy nanao na inona na inona tamin’ izay rehetra nasainao nataony izy, ka dia nataonao mihatra aminy izao loza rehetra izao.
24 “Tazama jinsi tumezungukwa na jeshi ili kuuteka mji huu. Kwa sababu ya upanga, njaa na tauni, mji utatiwa mikononi mwa Wakaldayo ambao wanaushambulia. Ulilosema limetokea kama vile unavyoona sasa.
Indro, ny tovon-tany efa miorina akaikin’ ny tanàna hanafahana azy, ary ny tanàna dia atolotra eo an-tànan’ ny Kaldeana izay mamely azy noho ny sabatra sy ny mosary sy ny areti-mandringana; ary izay nolazainao dia tonga, ka indro, hitan’ ny masonao izany.
25 Ingawa mji utatiwa mikononi mwa Wakaldayo, wewe, Ee Bwana Mwenyezi, uliniambia, ‘Nunua shamba kwa fedha, na jambo hilo lishuhudiwe.’”
Ary Hianao, Jehovah Tompo ô, dia niteny tamiko ka nanao hoe: Vidionao vola ny saha, ary makà vavolombelona, na dia efa voatolotra eo an-tànan’ ny Kaldeana aza ny tanàna.
26 Ndipo neno la Bwana likamjia Yeremia kusema:
Dia tonga tamin’ i Jeremia ny tenin’ i Jehovah hoe:
27 “Mimi ndimi Bwana, Mungu wa wote wenye mwili. Je, kuna jambo lolote lililo gumu nisiloliweza?
Indro, Izaho no Jehovah, Andriamanitry ny nofo rehetra; moa misy zava-mahagaga izay tsy haiko va?
28 Kwa hiyo, hili ndilo asemalo Bwana: Ninakaribia kuutia mji huu mikononi mwa Wakaldayo, na mwa Nebukadneza mfalme wa Babeli ambaye atauteka.
Koa izao no lazain’ i Jehovah: Indro, efa hatolotro eo an-tànan’ ny Kaldeana ity tanàna ity sy eo an-tànan’ i Nebokadnezara mpanjakan’ i Babylona, ka ho afany.
29 Wakaldayo ambao wanaushambulia mji huu watakuja na kuuchoma moto na kuuteketeza, pamoja na nyumba ambamo watu wamenikasirisha kwa kumfukizia Baali uvumba katika mapaa na kumimina sadaka za vinywaji kwa miungu mingine.
Ary ny Kaldeana, izay efa mamely ity tanàna ity dia hiditra ary handrehitra afo eto ka handoro azy mbamin’ ny trano izay efa nandoroana ditin-kazo manitra teo an-tampony ho an’ i Bala, sady nanidinana fanatitra aidina ho an’ andriamani-kafa mba hampahatezitra Ahy.
30 “Watu wa Israeli na wa Yuda hawakufanya kitu kingine ila uovu mbele zangu tangu ujana wao. Naam, watu wa Israeli hawakufanya kitu kingine ila kunikasirisha kwa kazi ambazo mikono yao imetengeneza, asema Bwana.
Fa izay ratsy eo imasoko ihany no nataon’ ny Zanak’ Isiraely sy ny taranak’ i Joda hatry ny fony ireo mbola kely; fa ny Zanak’ Isiraely efa nampahatezitra Ahy tamin’ ny asan’ ny tànany, hoy Jehovah.
31 Tangu siku ulipojengwa hadi sasa, mji huu umenikasirisha na kunighadhibisha kiasi kwamba ni lazima niuondoe machoni pangu.
Fa ity tanàna ity dia efa nampahatezitra sy nampahavinitra Ahy hatramin’ ny andro nanorenana azy ka mandraka androany, mba hanesorako azy tsy ho eo anatrehako,
32 Watu wa Israeli na wa Yuda wamenikasirisha kwa uovu wote waliofanya: wao, wafalme wao na maafisa wao, makuhani wao na manabii wao, watu wa Yuda na wakazi wa Yerusalemu.
noho ny ratsy rehetra nataon’ ny Zanak’ Isiraely sy ny taranak’ i Joda, dia izy sy ny mpanjakany sy ny mpanapaka azy sy ny mpisorony sy ny mpaminaniny sy ny lehilahy amin’ ny Joda ary ny mponina any Jerosalema, mba hampahatezitra Ahy.
33 Walinigeuzia visogo vyao, wala si nyuso zao. Ingawa niliwafundisha tena na tena, hawakupenda kusikiliza wala kuitikia adhabu.
Fa efa niamboho Ahy izy, fa tsy nanatrika Ahy, ary na dia nampianariko aza izy ― eny, nifoha maraina koa Aho ka nampianatra azy, dia tsy nihaino mba hahazoany anatra izy.
34 Waliweka miungu yao ya kuchukiza sana katika nyumba iitwayo kwa Jina langu na kuinajisi.
Fa nametraka ny fahavetavetany tato amin’ ny trano izay efa niantsoana ny anarako izy handotoany azy;
35 Wakajenga mahali pa juu pa kuabudia miungu kwa ajili ya Baali katika Bonde la Ben-Hinomu, ambapo walitoa wana wao na binti zao kafara kwa Moleki, ingawa kamwe sikuamuru, wala halikuingia akilini mwangu, kwamba watafanya chukizo kama hilo na kumfanya Yuda atende dhambi.
ary nanorina ny fitoerana avon’ i Bala, izay ao amin’ ny Lohasahan’ ny taranak’ i Hinoma, izy mba hampandeha ny zananilahy sy ny zananivavy hamaky ny afo ho an’ i Moloka, izay tsy nandidiako azy, na tao an-tsaiko akory aza, ka dia nanao izany fahavetavetana izany izy mba hampanota ny Joda.
36 “Mnasema kuhusu mji huu, ‘Kwa upanga, njaa na tauni, mji utatiwa mkononi mwa mfalme wa Babeli,’ lakini hili ndilo Bwana, Mungu wa Israeli asemalo:
Koa noho izany dia izao no lazain’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, ny amin’ ity tanàna ity, izay ataonareo hoe: Hatolotra eo an-tànan’ ny mpanjakan’ i Babylona amin’ ny sabatra sy ny mosary ary ny areti-mandringana izy:
37 Hakika nitawakusanya kutoka nchi zote nilizowafukuzia katika hasira yangu kali na ghadhabu yangu kuu, nitawarudisha mahali hapa na kuwaruhusu waishi kwa salama.
Indro izy hangoniko avy any amin’ ny tany rehetra izay nandroahako azy tamin’ ny fahatezerako sy ny fisafoahako ary ny fahavinirana be; ary ho entiko amin’ ity tany ity indray izy ka hataoko mandry fahizay;
38 Watakuwa watu wangu, nami nitakuwa Mungu wao.
ary izy ho oloko, ary Izaho ho Andriamaniny.
39 Nitawapa moyo mmoja na kutenda pamoja, ili kwamba waniche daima kwa mema yao wenyewe na kwa mema ya watoto wao baada yao.
Dia homeko fo iray sy lalana iray izy, mba hatahorany Ahy lalandava hahasoa azy sy ny zanany mandimby azy;
40 Nitafanya nao agano la milele: Kamwe sitaacha kuwatendea mema, nami nitawavuvia kunicha mimi, ili kamwe wasigeukie mbali nami.
dia hanao fanekena mandrakizay aminy Aho, dia ny tsy hitsaharako amin’ ny fanasoavako azy; ary ny fahatahorana Ahy dia hataoko ao am-pony kosa, mba tsy hialany amiko.
41 Nitafurahia kuwatendea mema, na kwa hakika nitawapanda katika nchi hii kwa moyo wangu wote na roho yangu yote.
Eny, ho faly aminy Aho ka hahasoa azy, dia hamboly azy amin’ ity tany ity tokoa amin’ ny foko rehetra sy ny fanahiko rehetra.
42 “Hili ndilo asemalo Bwana: Kama nilivyoleta maafa haya makubwa kwa watu hawa, ndivyo nitakavyowapa mafanikio niliyowaahidi.
Fa izao no lazain’ i Jehovah: Araka ny nampahatongavako izao loza lehibe rehetra izao tamin’ ity firenena ity, dia araka izany asa no hampahatongavako ny soa rehetra izay nokasaiko ho azy.
43 Kwa mara nyingine tena mashamba yatanunuliwa katika nchi hii ambayo mlisema, ‘Imekuwa ukiwa, isiyofaa, isiyo na watu wala wanyama, kwa sababu imetiwa mikononi mwa Wakaldayo.’
Ary mbola hisy fividianana saha eto amin’ ity tany ity, izay ataonareo hoe Tany lao tsy misy olona na biby fiompy sady efa voatolotra eo an-tànan’ ny Kaldeana.
44 Mashamba yatanunuliwa kwa fedha, na hati zitatiwa sahihi, zitatiwa muhuri na kushuhudiwa katika nchi ya Benyamini, katika vijiji vinavyoizunguka Yerusalemu, katika miji ya Yuda na katika miji ya nchi ya vilima, sehemu za magharibi katika miji ya tambarare na katika Negebu, kwa sababu nitarudisha tena mafanikio yao, asema Bwana.”
Eny, saha no hovidin’ ny olona vola, ka hosoratany amin’ ny taratasy sy hasiany tombo-kase ary hasiany vavolombelona ao amin’ ny tanin’ ny Benjamina sy amin’ ny manodidina an’ i Jerosalema sy amin’ ny tanànan’ ny Joda sy amin’ ny tanàna any amin’ ny tany havoana sy amin’ ny tanàna ny amin’ ny tany lemaka amoron-tsiraka ary amin’ ny tanàna any amin’ ny tany atsimo; fa hampodiko avy amin’ ny fahababoany izy, hoy Jehovah.

< Yeremia 32 >