< Yeremia 25 >

1 Neno likamjia Yeremia kuhusu watu wote wa Yuda, katika mwaka wa nne wa utawala wa Yehoyakimu mwana wa Yosia mfalme wa Yuda, ambao ulikuwa mwaka wa kwanza wa utawala wa Nebukadneza mfalme wa Babeli.
Izao no teny tonga tamin’ i Jeremia ny amin’ ny Joda rehetra tamin’ ny taona fahefatra nanjakan’ i Joiakima, zanak’ i Josia, mpanjakan’ ny Joda dia ny taona voalohany nanjakan’ i Nebokadnezara, mpanjakan’ i Babylona
2 Hivyo nabii Yeremia akawaambia watu wote wa Yuda na wale wote waishio Yerusalemu:
dia izay nolazain’ i Jeremia mpaminany tamin’ ny Joda rehetra sy tamin’ ny mponina rehetra tany Jerosalema hoe:
3 Kwa miaka ishirini na mitatu, kuanzia mwaka wa kumi na tatu wa utawala wa Yosia mwana wa Amoni mfalme wa Yuda, hadi siku hii ya leo, neno la Bwana limekuwa likinijia, nami nimesema nanyi mara kwa mara, lakini hamkusikiliza.
Hatramin’ ny taona fahatelo ambin’ ny folo nanjakan’ i Josia, zanak’ i Amona, mpanjakan’ ny Joda, ka mandraka androany, dia mandritra ny telo amby roa-polo taona izao, no nahatongavan’ ny tenin’ i Jehovah tamiko, ary nolazaiko taminareo, eny, nifoha maraina koa aho ka nilaza; nefa tsy nihaino ianareo.
4 Ingawa Bwana amewatuma watumishi wake wote hao manabii kwenu mara kwa mara, hamkusikiliza wala hamkujali.
Ary Jehovah naniraka ny mpaminany mpanompony rehetra ho any aminareo, eny, nifoha maraina koa Izy ka naniraka nefa tsy nihaino ianareo, na nanongilan-tsofina hihaino hoe:
5 Walisema, “Geukeni sasa, kila mmoja wenu kutoka njia yake mbaya na matendo yake maovu, ndipo mtaweza kukaa katika nchi ambayo Bwana aliwapa ninyi na baba zenu milele.
Samia miala amin’ ny lalan-dratsinareo avy ianareo sy amin’ ny ratsy fanaonareo, ka dia honina any amin’ ny tany izay nomen’ i Jehovah anareo sy ny razanareo hatrizay ka ho mandrakizay.
6 Msiifuate miungu mingine ili kuitumikia na kuiabudu. Msinikasirishe kwa vitu ambavyo mmevitengeneza kwa mikono yenu.”
Ary aza manaraka andriamani-kafa hanompo azy sy hiankohoka eo anatrehany, ary aza mampahatezitra Ahy amin’ ny asan’ ny tananareo, fandrao hahatonga loza aminareo Aho.
7 “Lakini ninyi hamkunisikiliza mimi, tena mkanikasirisha kwa vitu mlivyovitengeneza kwa mikono yenu, nanyi mmejiletea madhara juu yenu wenyewe,” asema Bwana.
Nefa tsy nihaino Ahy ianareo, hoy Jehovah, mba hampahatezeranareo Ahy tamin’ ny asan’ ny tananareo hahitanareo loza.
8 Kwa hiyo Bwana Mwenye Nguvu Zote asema hivi: “Kwa sababu hamkuyasikiliza maneno yangu,
Koa izao no lazain’ i Jehovah, Tompon’ ny maro: Noho ny tsy nihainoanareo ny teniko,
9 nitayaita mataifa yote ya kaskazini na mtumishi wangu Nebukadneza mfalme wa Babeli,” asema Bwana. “Nitawaleta waishambulie nchi hii na wakazi wake wote, na dhidi ya mataifa yote yanayowazunguka. Nitawaangamiza kabisa na kuwafanya kitu cha kuchukiwa na kudharauliwa, na kuwa magofu daima.
dia, indro, hampanalaiko ny firenena rehetra any avaratra sy Nebokadnezara, mpanjakan’ i Babylona, mpanompoko, hoy Jehovah, ary ho entiko hamely ity lany ity sy ny mponina eto mbamin’ ireto firenena manodidina rehetra ireto izy, ary haringako tokoa ireo ka hataoko ho figagana sy zavatra mampisitrisitra sady ho rava mandrakizay.
10 Nitawaondolea sauti ya shangwe na furaha, sauti ya bibi na bwana arusi, sauti ya mawe ya kusagia, na mwanga wa taa.
Ary hatsahatro eo aminy ny feo mifaly sy ny feo miravoravo, dia ny feon’ ny mpampakatra sy ny feon’ ny ampakarina, ny feon’ ny vato fikosoham-bary ary ny fahazavan’ ny jiro.
11 Nchi hii yote itakuwa ukiwa na isiyofaa kitu, nayo mataifa haya yatamtumikia mfalme wa Babeli kwa miaka sabini.”
Ary ity tany rehetra ity dia ho foana sy lao, ary ireto firenena rehetra ireto hanompo ny mpanjakan’ i Babylona fito-polo taona.
12 “Lakini miaka sabini itakapotimia, nitamwadhibu mfalme wa Babeli na taifa lake na nchi ya Wakaldayo kwa ajili ya hatia yao,” asema Bwana. “Nitaifanya kuwa ukiwa milele.
Ary rehefa tapitra ny fito-polo taona, hoy Jehovah, dia hovaliako kosa ny mpanjakan’ i Babylona sy izany firenena izany noho ny helony, ary ny tanin’ ny Kaldeana koa dia hataoko rava mandrakizay.
13 Nitaleta juu ya nchi hiyo mambo yote niliyosema dhidi yake, yote yaliyoandikwa katika kitabu hiki, na kutolewa unabii na Yeremia dhidi ya mataifa yote.
Ary hotoviko amin’ izany tany izany ny teniko rehetra, izay efa nambarako hamelezana azy, dia izay rehetra voasoratra ato amin’ ity boky ity, izay novinanin’ i Jeremia hamely ny firenena rehetra.
14 Wao wenyewe watakuwa watumwa wa mataifa mengi na wafalme wakuu. Nitawalipizia sawasawa na matendo yao na kazi ya mikono yao.”
Fa ireo kosa indray dia hampanompoin’ ny firenena maro sy ny mpanjaka lehibe, ary hovaliako araka ny ataony sy araka ny asan’ ny tànany avy izy.
15 Hili ndilo Bwana, Mungu wa Israeli, aliloniambia: “Chukua kutoka mkononi mwangu kikombe hiki kilichojaa divai ya ghadhabu yangu, na kuyanywesha mataifa yote ambayo ninakutuma kwao.
Fa izao no nolazain’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, tamiko: Raiso etỳ an-tanako ity kapoaky ny divay fahatezerana mirehitra ity, ka ampisotroy ny firenena rehetra izay anirahako anao.
16 Watakapoinywa, watapepesuka na kukasirika sana kwa sababu ya upanga nitakaoupeleka katikati yao.”
Ary hisotro izy ka hirepirepy sy ho very saina noho ny sabatra izay hampameleziko azy.
17 Hivyo nikakichukua kikombe kutoka mkononi mwa Bwana, na kuyafanya mataifa yote aliyonituma kwao kukinywa:
Dia noraisiko ny kapoaka teny an-tànan’ i Jehovah, ka nampisotroako ny firenena rehetra izay nanirahan’ i Jehovah ahy,
18 Yaani Yerusalemu na miji ya Yuda, wafalme wake na maafisa wake, kuwafanya magofu na kuwa kitu cha kuchukiza, cha dhihaka na laana, kama walivyo leo;
dia Jerosalema sy ny tanànan’ ny Joda sy ny mpanjakany ary ny mpanapaka, mba hanao azy ho tany lao sy ho figagana sy zavatra mampisitrisitra ary fanozonana tahaka ny amin’ izao anio izao;
19 pia Farao mfalme wa Misri, watumishi wake, maafisa wake na watu wake wote,
ary Farao, mpanjakan’ i Egypta, sy ny mpanompony sy ny mpanapaka mbamin’ ny vahoakany rehetra,
20 pia wageni wote walioko huko; wafalme wote wa nchi ya Usi; wafalme wote wa Wafilisti (wale wa Ashkeloni, Gaza, Ekroni na watu walioachwa huko Ashdodi);
ary ny olona samy hafa firenena rehetra sy ny mpanjaka rehetra amin’ ny tany Oza sy ny mpanjaka rehetra amin’ ny tanin’ ny Filistina sy Askelona sy Gaza sy Ekrona ary ny sisa any Asdoda;
21 Edomu, Moabu na Amoni;
ary Edoma sy Moaba sy ny taranak’ i Amona,
22 wafalme wote wa Tiro na Sidoni; wafalme wa nchi za pwani ngʼambo ya bahari;
ary ny mpanjaka rehetra any Tyro sy ny mpanjaka rehetra any Sidona ary ny mpanjakan’ ny nosy any an-dafin’ ny ranomasina;
23 Dedani, Tema, Buzi na wote walio maeneo ya mbali;
ary Dedana sy Tema sy Boza ary izay rehetra voahety sisim-bolo,
24 wafalme wote wa Arabuni na wafalme wote wa watu wageni wanaoishi katika jangwa;
ary ny mpanjaka rehetra any Arabia sy ny mpanjaka rehetra amin’ ny firenena maro samy hafa izay monina any an-efitra;
25 wafalme wote wa Zimri, Elamu na Umedi;
ary ny mpanjaka rehetra any Zimry sy ny mpanjaka rehetra any Elama ary ny mpanjaka rehetra any Media,
26 na wafalme wote wa pande za kaskazini, wa karibu na wa mbali, mmoja baada ya mwingine; yaani falme zote juu ya uso wa dunia. Baada ya hao wote, mfalme wa Sheshaki atakunywa pia.
ary ny mpanjaka rehetra any avaratra, na ny lavitra na ny akaiky, na iza na iza, ary ny fanjakana rehetra amin’ izao tontolo izao, izay etỳ ambonin’ ny tany; ary ny mpanjakan’ i Sesaka koa dia hisotro manaraka ireo.
27 “Kisha uwaambie, ‘Hili ndilo Bwana Mwenye Nguvu Zote, Mungu wa Israeli, asemalo: Kunyweni, mlewe na mtapike; angukeni, wala msiinuke tena kwa sababu ya upanga nitakaotuma miongoni mwenu.’
Koa lazao aminy hoe: Izao no lazain’ i Jehovah, Tompon’ ny maro. Andriamanitry ny Isiraely: Misotroa ianareo, ka mimamoa, sy mandoava, ary mianjerà, ka aza miarina intsony noho ny sabatra izay hampameleziko anareo.
28 Lakini kama wakikataa kupokea kikombe kutoka mikononi mwako na kunywa, waambie, ‘Hili ndilo asemalo Bwana Mwenye Nguvu Zote: Ni lazima mnywe!
Ary raha tsy mety mandray ny kapoaka eny an-tananao hosotroiny izy, dia ataovy aminy hoe: Izao no lazain’ i Jehovah, Tompon’ ny maro: Tsy maintsy misotro ianareo.
29 Tazama, nimeanza kuleta maafa juu ya mji ulio na Jina langu, na je, kweli ninyi mtaepuka kuadhibiwa? Hamwezi kuepuka kuadhibiwa, kwa maana nitaleta vita juu ya wote waishio duniani, asema Bwana Mwenye Nguvu Zote.’
Fa, indro, ao amin’ ny tanàna izay efa niantsoana ny anarako aza no nanombohako ny fahatongavana loza, ka ho afaka va ianareo? Tsy ho afaka mihitsy ianareo, fa hiantso sabatra Aho hamelezana ny mponina rehetra amin’ ny tany, hoy Jehovah, Tompon’ ny maro.
30 “Basi sasa toa unabii kwa maneno haya yote dhidi yao, uwaambie: “‘Bwana atanguruma kutoka juu; atatoa sauti ya ngurumo kutoka makao yake matakatifu na kunguruma kwa nguvu sana dhidi ya nchi yake. Atapiga kelele kama wao wakanyagao zabibu, atapiga kelele dhidi ya wote waishio duniani.
Koa maminania aminy ianao araka izao teny rehetra izao, ka ataovy hoe: Jehovah hierona any ambony ary hanandratra ny feony any amin’ ny fitoerany masìna, eny, hierona mafy amin’ ny sahany fiandrasan-ondry Izy ka hanakora toy ny mpanosihosy voaloboka, hamelezana ny mponina rehetra amin’ ny tany.
31 Ghasia zitasikika hadi miisho ya dunia, kwa maana Bwana ataleta mashtaka dhidi ya mataifa; ataleta hukumu juu ya wanadamu wote na kuwaua waovu wote,’” asema Bwana.
Mihatra amin’ ny faran’ ny tany ny fihorakorahana; Fa Jehovah manana ady amin’ ny firenena; Mifandahatra amin’ ny nofo rehetra Izy, ka ny ratsy fanahy dia atolony ho an’ ny sabatra, hoy Jehovah.
32 Hili ndilo Bwana Mwenye Nguvu Zote asemalo: “Tazama! Maafa yanaenea kutoka taifa moja hadi jingine; tufani kubwa inainuka kutoka miisho ya dunia.”
Izao no lazain’ i Jehovah, Tompon’ ny maro: Indro, hisy loza hivoaka hitety ny firenena samy hafa, ary hisy tafio-drivotra mahery hiposaka any amin’ ny faran’ ny tany;
33 Wakati huo, hao waliouawa na Bwana watatapakaa kila mahali, kuanzia mwisho mmoja wa dunia hadi mwisho mwingine. Hawataombolezewa wala kukusanywa au kuzikwa, lakini watakuwa kama mavi yaliyoenea juu ya ardhi.
Ary amin’ izany andro izany Ny voavonon’ i Jehovah, dia hiampatrampatra hatramin’ ny faran’ ny tany anankiray ka hatramin’ ny farany koa; Tsy hisaonana, na hangonina, na halevina ireny, fa ho zezika eny ambonin’ ny tany.
34 Lieni na kuomboleza, enyi wachungaji, mgaagae mavumbini, ninyi viongozi wa kundi. Kwa maana wakati wenu wa kuchinjwa umewadia; mtaanguka na kuvunjavunjwa kama vyombo vizuri vya udongo.
Midradradradrà, ianareo mpiandry ondry, ary mitaraina; Eny, mihosinkosena, ianareo zokiny amin’ ny ondry! Fa tonga ny andro hamonoana anareo, ary hampieleziko ianareo ka hianjera toy ny fanaka tsara.
35 Wachungaji hawatakuwa na mahali pa kukimbilia, viongozi wa kundi hawatapata mahali pa kutorokea.
Ny mpiandry ondry tsy hanam-pandosirana, ary ny zokiny amin’ ny ondry tsy hanam-pahafahana.
36 Sikia kilio cha wachungaji, maombolezo ya viongozi wa kundi, kwa maana Bwana anayaharibu malisho yao.
Injany! misy feo fitarainan’ ny mpiandry ondry sy fidradradradran’ ny zokiny aminy! Satria efa nosimban’ i Jehovah ny saha fiandrasana azy,
37 Makao yao ya amani yataharibiwa kwa sababu ya hasira kali ya Bwana.
Ary efa tonga lao ny kijana niadanana noho ny firehetan’ ny fahatezeran’ i Jehovah.
38 Kama simba ataacha pango lake, nchi yao itakuwa ukiwa kwa sababu ya upanga wa mdhalimu, na kwa sababu ya hasira kali ya Bwana Mungu.
Nandao ny fiereny toy ny liona tanora izy; Fa efa lao ny taniny noho ny fahasiahan’ ny mpampahory sy noho ny firehetan’ ny fahatezerany.

< Yeremia 25 >