< Yeremia 23 >
1 “Ole wao wachungaji wanaoharibu na kutawanya kondoo wa malisho yangu!” asema Bwana.
Lozan’ ireo mpiandry izay manimba sy mampihahaka ny ondry fiandriko, hoy Jehovah
2 Kwa hiyo hili ndilo Bwana, Mungu wa Israeli, analowaambia wachungaji wanaowachunga watu wangu: “Kwa sababu mmelitawanya kundi langu na kuwafukuzia mbali, wala hamkuwatunza, basi mimi nitawaadhibu kwa ajili ya uovu mliofanya,” asema Bwana.
Koa izao no lazain’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, ny amin’ ireo mpiandry izay miandry ny oloko: Hianareo efa nampihahaka ny ondriko sy nandronjindronjina azy, fa tsy nanolokolo azy; Koa, indro, hovaliako ianareo noho ny faharatsian’ ny ataonareo, hoe Jehovah
3 “Mimi mwenyewe nitayakusanya mabaki ya kundi langu kutoka nchi zote ambazo nimewafukuzia, nami nitawarudisha katika malisho yao, mahali ambapo watazaa na kuongezeka idadi yao.
Ary Izaho hanangona ny ondriko sisa avy any amin’ ny tany rehetra izay nandroahako azy ka hampodiko ho any amin’ ny saha niandrasana azy, dia hitombo sy hihamaro izy
4 Nitaweka wachungaji juu yao ambao watawachunga, nao hawataogopa tena au kutishwa, wala hatapotea hata mmoja,” asema Bwana.
Ary hanendry mpiandry ho azy Aho, ka dia hiandry azy ireo; Ka tsy hatahotra na hivadi-po intsony izy, sady tsy hisy tsy ho voavory, hoy Jehovah.
5 Bwana asema, “Siku zinakuja, nitakapomwinulia Daudi Tawi lenye haki, Mfalme atakayetawala kwa hekima, na kutenda lililo haki na sawa katika nchi.
Indro, avy ny andro, hoy Jehovah, izay hananganako Rantsana marina ho an’ i Davida, ka hanjaka Izy sady ho hendry ary hanao fitsarana sy fahamarinana amin’ ny tany.
6 Katika siku zake, Yuda ataokolewa na Israeli ataishi salama. Hili ndilo jina atakaloitwa: Bwana Haki Yetu.
Amin’ ny androny no hamonjena ny Joda, sy handrian’ ny Isiraely fahizay, ary izao no anarany izay hanononana Azy: Jehovah Fahamarinantsika.
7 “Hivyo basi, siku zinakuja, wakati ambapo watu hawatasema tena, ‘Hakika kama Bwana aishivyo, aliyewapandisha Waisraeli kutoka Misri,’
Koa, indro, avy ny andro, hoy Jehovah, Izay tsy hanaovana intsony hoe: Raha velona koa Jehovah, Izay nitondra ny Zanak’ Isiraely niakatra avy tany amin’ ny tany Egypta;
8 bali watasema, ‘Hakika kama Bwana aishivyo, aliyewatoa wazao wa Israeli kutoka nchi ya kaskazini na nchi zote alizokuwa amewafukuzia,’ asema Bwana. Ndipo wataishi katika nchi yao wenyewe.”
Fa izao kosa: Raha velona koa Jehovah, Izay nitondra ny taranak’ Isiraely niakatra sady nitarika azy avy tany amin’ ny tany avaratra sy avy tany amin’ ny tany rehetra izay nandroahako azy; Dia honina ao amin’ ny taniny izy.
9 Kuhusu manabii: Moyo wangu umevunjika ndani yangu; mifupa yangu yote inatetemeka. Nimekuwa kama mtu aliyelewa, kama mtu aliyelemewa na divai, kwa sababu ya Bwana na maneno yake matakatifu.
Ny amin’ ireo mpaminany. Montsamotsana ato anatiko ny foko, mangozohozo ny taolako rehetra, toy ny olona mamo aho, ary toy ny lehilahy leon-divay, noho ny amin’ i Jehovah sy noho ny teniny masìna.
10 Nchi imejaa wazinzi; kwa sababu ya laana, nchi imekauka na malisho yaliyoko nyikani yamekauka. Mwenendo wa manabii ni mbaya na mamlaka yao si ya haki.
Fa feno mpijangajanga ny tany; Ary noho ny ozona no isaonan’ ny tany, efa maina ny kijana any an-efitra; Ary efa ratsy ny fanaon’ ny olona, sady ny tsi-fahamarinana no heriny.
11 “Nabii na kuhani wote si wacha Mungu; hata hekaluni mwangu ninaona uovu wao,” asema Bwana.
Fa na mpaminany na mpisorona dia samy mpihatsaravelatsihy avokoa; Na dia tao an-tranoko aza dia mbola hitako ihany ny haratsiany, hoy Jehovah.
12 “Kwa hiyo mapito yao yatakuwa utelezi, watafukuziwa mbali gizani na huko wataanguka. Nitaleta maafa juu yao katika mwaka wa kuadhibiwa kwao,” asema Bwana.
Koa dia ho toy ny lala-malama amin’ ny aizim-pito ny lalany; Haronjina izy, ka dia ho potraka ao; Fa hahatonga loza aminy Aho amin’ ny taona hamaliana azy, hoy Jehovah.
13 “Miongoni mwa manabii wa Samaria nililiona jambo la kuchukiza: Walitabiri kwa Baali na kuwapotosha Israeli watu wangu.
Ary tamin’ ny mpaminanin’ i Samaria no nahitako zavatra mahaloiloy: Naminany tamin’ i Bala izy ka nampivily ny Isiraely oloko,
14 Nako miongoni mwa manabii wa Yerusalemu nimeona jambo baya sana: Wanafanya uzinzi na kuenenda katika uongo. Wanatia nguvu mikono ya watenda mabaya, kwa ajili hiyo hakuna yeyote anayeachana na uovu wake. Wote wako kama Sodoma kwangu; watu na Yerusalemu wako kama Gomora.”
Ary tamin’ ny mpaminanin’ i Jerosalema koa no nahitako zavatra mahatsiravina; Mijangajanga sy mandeha araka ny lainga izy sady mampahery ny tanan’ ny mpanao ratsy, ka samy tsy miala amin’ ny faharatsiany; Eny, izy rehetra dia tonga tahaka an’ i Sodoma raha amiko, ary ny mponina ao dia tonga tahaka an’ i Gomora.
15 Kwa hiyo, hili ndilo Bwana Mwenye Nguvu Zote asemalo kuhusu manabii: “Nitawafanya wale chakula kichungu na kunywa maji yaliyotiwa sumu, kwa sababu kutokana na manabii wa Yerusalemu kutokumcha Mungu kumeenea katika nchi yote.”
Koa izao no lazain’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, ny amin’ ireo mpaminany ireo: Indro, hofahanako zava-mahafaty izy sy hampisotroiko rano mangidy, satria avy tamin’ ny mpaminanin’ i Jerosalema no nivoahan’ ny faharatsiana ho any amin’ ny tany rehetra.
16 Hili ndilo Bwana Mwenye Nguvu Zote asemalo: “Msisikilize wanachowatabiria manabii, wanawajaza matumaini ya uongo. Wanasema maono kutoka akili zao wenyewe, hayatoki katika kinywa cha Bwana.
Izao no lazain’ i Jehovah, Tompon’ ny maro: Aza mihaino ny tenin’ ny mpaminany izay maminany aminareo, fa manadala anareo ireo; Ny fahitana avy ao am-pony ihany no lazainy, fa tsy izay aloaky ny vavan’ i Jehovah.
17 Huendelea kuwaambia wale wanaonidharau mimi, ‘Bwana asema: Mtakuwa na amani.’ Kwa wale wote wafuatao ugumu wa mioyo yao, wao husema, ‘Hakuna dhara litakalowapata.’
Milaza mandrakariva amin’ izay manamavo Ahy izy hoe: Jehovah nanao hoe: Hahita fiadanana ianareo, ary amin’ izay rehetra mandeha araka ny ditry ny fony hoe: Tsy hisy loza hanjo anareo.
18 Lakini ni yupi miongoni mwao aliyesimama katika baraza la Bwana ili kuona au kusikia neno lake? Ni nani aliyesikiliza na kusikia neno lake?
Fa iza moa no efa isan’ ny mpihevitra teo amin’ i Jehovah ka nahita sy nandre ny teniny? Iza no nanongilana ny sofiny taminy ka nihaino ny teniny?
19 Tazama, dhoruba ya Bwana itapasuka kwa ghadhabu, kisulisuli kitazunguka na kuanguka vichwani vya waovu.
He! ny tadion’ i Jehovah! Mivoaka ny fahatezerana sy ny tadio mitambolimbolina ka miantonta amin’ ny lohan’ ny ratsy fanahy.
20 Hasira ya Bwana haitageuka mpaka amelitimiza kusudi la moyo wake. Siku zijazo mtalifahamu kwa wazi.
Ny fahatezeran’ i Jehovah tsy ho afaka ambara-panefany sy ambara-panatanterany ny hevitry ny fony; Mbola ho fantatrareo marimarina izany any am-parany.
21 Mimi sikuwatuma manabii hawa, lakini bado wamekimbia wakitangaza ujumbe wao. Mimi sikusema nao, lakini wametabiri.
Tsy naniraka ireo mpaminany ireo Aho, kanefa nidodododo ihany izy, tsy niteny taminy Aho, kanefa naminany ihany izy.
22 Lakini kama wangesimama barazani mwangu, wangetangaza maneno yangu kwa watu wangu, nao wangewageuza kutoka njia zao mbaya na kutoka matendo yao maovu.”
Fa raha isan’ ny mpihevitra teo amiko izy, dia ho nitory ny teniko tamin’ ny oloko izy ka namerina azy hiala tamin’ ny lalany ratsy sy tamin’ ny faharatsian’ ny nataony.
23 “Je, mimi ni Mungu aliyeko hapa karibu tu,” Bwana asema, “wala si Mungu aliyeko pia mbali?
Moa Andriamanitra etỳ akaiky ihany va Aho? hoy Jehovah. Fa tsy Andriamanitra any lavitra any koa?
24 Je, mtu yeyote aweza kujificha mahali pa siri ili nisiweze kumwona?” Bwana asema. “Je, mimi sikuijaza mbingu na nchi?” Bwana asema.
Moa misy olona mahafin-tena ao amin’ ny fierena va ka tsy ho hitako? hoy Jehovah. Tsy manerana ny lanitra sy ny tany va Aho? hoy Jehovah.
25 “Nimesikia wanayoyasema manabii, hao wanaotabiri uongo kwa jina langu. Wanasema, ‘Nimeota ndoto! Nimeota ndoto!’
Efa reko ny nolazain’ ny mpaminany, Izay naminany lainga tamin’ ny anarako hoe: Nanonofy aho, nanonofy aho.
26 Mambo haya yataendelea mpaka lini ndani ya mioyo ya hawa manabii wa uongo, ambao hutabiri maono ya uongo ya akili zao wenyewe?
Mandra-pahoviana? Moa ao am-pon’ ireo mpaminany izay maminany lainga sy maminany araka ny fitaky ny fony va?
27 Wanadhani ndoto wanazoambiana wao kwa wao zitawafanya watu wangu walisahau jina langu, kama baba zao walivyolisahau jina langu kwa kumwabudu Baali.
Ny hampanadino ny oloko ny anarako amin’ ny nofiny izay lazainy amin’ ny namany avy, toy ny nanadinoan’ ny razany ny anarako noho ny amin’ i Bala?
28 Mwache nabii aliye na ndoto aseme ndoto yake, lakini yule aliye na neno langu na aliseme kwa uaminifu. Kwa maana jani kavu lina uhusiano gani na ngano?” asema Bwana.
Ny mpaminany izay manonofy dia aoka hilaza nofy, ary izay manana ny teniko dia aoka hanambara marina ny teniko. Fa moa inona izay mololo, raha oharina amin’ ny vary? hoy Jehovah.
29 “Je, neno langu si kama moto,” asema Bwana, “na kama nyundo ivunjayo mwamba vipande vipande?
Tsy tahaka ny afo va ny teniko? hoy Jehovah, ary tsy tahaka ny kanonta manorotoro ny vatolampy va?
30 “Kwa hiyo, niko kinyume na manabii wanaoibiana maneno kana kwamba ni yangu,” asema Bwana.
Koa, indro, fa hasiako ny mpaminany, hoy Jehovah, izay samy mangalatra ny teniko amin’ ny namany avy.
31 “Naam, mimi niko kinyume na manabii wanaotikisa ndimi zao wenyewe na kusema, ‘Bwana asema.’
Indro, hoy Jehovah, hasiako ny mpaminany, izay mampiteny ny lelany hoe: Hoy Izy.
32 Kweli, niko kinyume na hao wanaotabiri ndoto za uongo,” asema Bwana. “Wanazisimulia na kuwapotosha watu wangu kwa uongo wao bila kujali, lakini sikuwatuma wala sikuwaamuru. Hawawafaidi watu hawa hata kidogo,” asema Bwana.
Indro, hasiako izay maminany nofy lainga, hoy Jehovah, ary milaza izany ka mampivily ny oloko amin’ ny laingany sy ny fandokafany tena; Nefa Izaho tsy naniraka azy na nandidy azy tsinona, ka dia tsy mahasoa ity firenena ity akory izy, hoy Jehovah.
33 “Wakati watu hawa, au nabii, au kuhani watakapokuuliza, ‘Mzigo wa Bwana ni nini?’ wewe utawaambia, ‘Ninyi ndio mzigo. Nami nitawavua kama vazi, asema Bwana.’
Ary raha manontany anao ity firenena ity, na ny mpaminany, na ny mpisorona, ka manao hoe: Inona no entan’ i Jehovah? Dia ataovy aminy hoe: Ny amin’ ny entana hariako ianareo, hoy Jehovah.
34 Nabii, kuhani, au mtu yeyote akisema, ‘Huu ndio mzigo wa Bwana,’ nitamwadhibu huyo na nyumba yake.
Ary ny mpaminany sy ny mpisorona mbamin’ ny vahoaka, izay manao hoe: Ny entan’ i Jehovah. Dia hovaliako izany olona izany mbamin’ ny ankohonany.
35 Hivyo mnaambiana kila mmoja na mwenzake, au kwa mtu wa nyumba yao: ‘Bwana amejibu nini?’ au ‘Bwana amesema nini?’
Samia manontany amin’ ny namany sy ny rahalahiny avy ianareo hoe: Ahoana no navalin’ i Jehovah? Ary ahoana no nolazain’ i Jehovah?
36 Lakini kamwe msiseme tena, ‘Nina mzigo wa Bwana,’ kwa sababu kila neno la mtu binafsi linakuwa mzigo wake mwenyewe, na hivyo kupotosha maneno ya Mungu aliye hai, Bwana Mwenye Nguvu Zote, Mungu wetu.
Fa ny hoe: Ny entan’ i Jehovah dia tsy hotononinareo intsony; Fa ny tenin’ ny olona avy ihany no ho entan’ ny tenany, satria efa navadikareo ny tenin’ Andriamanitra velona, dia Jehovah, Tompon’ ny maro, Andriamanitsika.
37 Hivi ndivyo utakavyoendelea kumuuliza nabii: ‘Bwana amekujibu nini?’ au ‘Je, Bwana amesema nini?’
Izao no hanontanianareo amin’ ny mpaminany; Ahoana no navalin’ i Jehovah anao? Ary ahoana no nolazain’ i Jehovah?
38 Ingawa unadai, ‘Huu ndio mzigo wa Bwana,’ hili ndilo Bwana asemalo: Ulitumia maneno, ‘Huu ndio mzigo wa Bwana,’ hata ingawa nilikuambia kuwa kamwe usiseme, ‘Huu ni mzigo wa Bwana.’
Fa raha hoy ianareo: Entan’ i Jehovah, Dia izao no lazain’ i Jehovah: Noho ny nilazanareo ny teny hoe: Ny entan’ i Jehovah, nefa efa nanirahako ihany ianareo nataoko hoe: Aza manao hoe: Ny entan’ i Jehovah,
39 Kwa hiyo, hakika nitakusahau na kukutupa mbali na uso wangu pamoja na mji niliowapa ninyi na baba zenu.
Dia, indro, hanadino anareo tokoa Aho sady hanary anareo mbamin’ ny tanàna izay nomeko anareo sy ny razanareo tsy ho eo anatrehako;
40 Nitaleta juu yako fedheha ya kudumu: yaani aibu ya kudumu ambayo haitasahaulika.”
Ary hataoko mihatra aminareo ny fahafaham-baraka mandrakizay sy ny fahamenarana mandrakizay izay tsy hohadinoina.