< Yeremia 22 >
1 Hili ndilo asemalo Bwana: “Shuka kwenye jumba la kifalme la mfalme wa Yuda, utangaze ujumbe huu huko:
Izao no lazain’ i Jehovah: Midìna any amin’ ny tranon’ ny mpanjakan’ ny Joda, ka lazao any izao teny izao hoe:
2 ‘Sikia neno la Bwana, ee mfalme wa Yuda, wewe uketiye kwenye kiti cha enzi cha Daudi: wewe, maafisa wako na watu wako mnaopitia malango haya.
Henoy ny tenin’ i Jehovah, ry mpanjakan’ ny Joda, izay mipetraka amin’ ny seza fiandrianan’ i Davida, dia ianao sy ny mpanomponao ary ny vahoakanao izay miditra amin’ ireto vavahady ireto:
3 Hili ndilo Bwana asemalo: Tenda haki na adili. Mwokoe mkononi mwa mdhalimu yeye aliyetekwa nyara. Usimtendee mabaya wala ukatili mgeni, yatima au mjane, wala usimwage damu isiyo na hatia mahali hapa.
Izao no lazain’ i Jehovah: Manaova fitsarana sy fahamarinana ianareo, ka afaho amin’ ny tanan’ ny mpampahory ny olona voaroba; ary aza mampahory na mampidi-doza amin’ ny vahiny sy ny kamboty ary ny mpitondratena, ary aza mandatsaka rà marina amin’ ity fitoerana ity.
4 Kwa kuwa ukiwa mwangalifu kushika maagizo haya, ndipo wafalme watakaokalia kiti cha enzi cha Daudi watakapoingia kupitia malango ya jumba hili la kifalme, wakiwa wamepanda magari na farasi, huku wakifuatana na maafisa wao na watu wao.
Fa raha mankatò izany teny izany tokoa ianareo, dia hisy mpanjaka mipetraka eo amin’ ny seza fiandrianan’ i Davida hiditra amin’ ity vavahady ity mitaingin-kalesy sy soavaly, dia izy sy ny mpanompony ary ny vahoakany.
5 Lakini kama hutayatii maagizo haya, asema Bwana, ninaapa kwa nafsi yangu kwamba jumba hili litakuwa gofu.’”
Fa raha tsy hihaino izany teny izany kosa ianareo, dia ny tenako no ianianako, hoy Jehovah, fa ho lao tokoa ity trano ity.
6 Kwa kuwa hili ndilo Bwana asemalo kuhusu jumba la kifalme la mfalme wa Yuda: “Ingawa uko kama Gileadi kwangu, kama kilele cha Lebanoni, hakika nitakufanya uwe kama jangwa, kama miji ambayo haijakaliwa na watu.
Fa izao no lazain’ i Jehovah ny amin’ ny mpanjakan’ ny Joda sy ny mpianakaviny: Tahaka an’ i Gileada sy ny tampon’ i Libanona amiko ianao, nefa hataoko tonga efitra sy tanàna tsy onenana.
7 Nitawatuma waharabu dhidi yako, kila mtu akiwa na silaha zake, nao watazikata boriti zako nzuri za mierezi na kuzitupa motoni.
Ary hanendry mpandrava hamely anao Aho, Izay samy hitondra ny fiadiany avy; Dia hokapain’ ireo ny sederanao voafantina ka hariany ao anaty afo.
8 “Watu kutoka mataifa mengi watapitia karibu na mji huu na kuulizana, ‘Kwa nini Bwana amefanya jambo la namna hii juu ya mji huu mkubwa?’
Ary firenena maro no handalo ity tanàna ity, ka samy hanao amin’ ny namany avy hoe: Nahoana Jehovah no dia nanao izao tamin’ ity tanàna lehibe ity?
9 Nalo jibu litakuwa: ‘Kwa sababu wameliacha agano la Bwana, Mungu wao, na wameabudu na kuitumikia miungu mingine.’”
Dia hovaliana hoe: Noho ny nahafoizany ny faneken’ i Jehovah Andriamaniny sy ny nivavahany tamin’ andriamani-kafa sy ny nanompoany ireny.
10 Usimlilie yeye aliyekufa, wala usimwombolezee; badala yake, afadhali umlilie kwa uchungu yule aliyepelekwa uhamishoni, kwa sababu kamwe hatairudia wala kuiona tena nchi yake alikozaliwa.
Aza mitomany ny maty ianareo, na misaona azy; Mitomania dia mitomania noho ilay efa lasan-ko babo; Fa tsy hiverina intsony izy, na hahita ny tany nahaterahany.
11 Kwa kuwa hili ndilo asemalo Bwana kuhusu Shalumu mwana wa Yosia, aliyeingia mahali pa baba yake kuwa mfalme wa Yuda, lakini ameondoka mahali hapa: “Yeye kamwe hatarudi tena.
Fa izao no lazain’ i Jehovah ny amin’ i Saloma, zanak’ i Josia, mpanjakan’ ny Joda, dia ilay nanjaka nandimby an’ i Josia rainy, saingy efa niala tamin’ ity tany ity: Tsy hiverina atỳ intsony izy,
12 Atafia huko mahali walipompeleka kuwa mateka; hataiona tena nchi hii.”
Fa ho faty any amin’ ny tany izay nitondrana azy ho babo ka tsy hahita ity tany ity intsony.
13 “Ole wake yeye ajengaye jumba lake la kifalme kwa njia ya dhuluma, vyumba vyake vya juu kwa udhalimu, akiwatumikisha watu wa nchi yake pasipo malipo, bila kuwalipa kwa utumishi wao.
Lozan’ izay manorina ny tranony amin’ ny tsy rariny sy ny ati-tranony ambony amin’ ny fitaka ka mampiasa maina ny namany, fa tsy mandoa ny karamany,
14 Asema, ‘Nitajijengea jumba kuu la kifalme, na vyumba vya juu vyenye nafasi kubwa.’ Hivyo anaweka ndani yake madirisha makubwa, huweka kuta za mbao za mierezi, na kuipamba kwa rangi nyekundu.
Sady manao hoe: Hanao trano lehibe ho ahy aho sy ati-trano ambony malalaka, ary holoahany hisy varavarankely sady hasiany valin-drihana sedera sy hohosorana loko mena.
15 “Je, inakufanya kuwa mfalme huko kuongeza idadi ya mierezi? Je, baba yako hakuwa na chakula na kinywaji? Alifanya yaliyo sawa na haki, hivyo yeye akafanikiwa katika yote.
Moa dia ho mpanjaka ianao, saingy ataonao be sedera noho ny an’ ny sasany ny tranonao? Tsy efa nihinana sy nisotro va rainao sady nanao fitsarana sy fahamarinana? Tamin’ izany dia nambinina izy.
16 Aliwatetea maskini na wahitaji, hivyo yeye akafanikiwa katika yote. Je, hiyo si ndiyo maana ya kunijua mimi?” asema Bwana.
Nitsara ny tenin’ ny ory sy ny malahelo izy; Tamin’ izany dia nambinina izy. Tsy izany va no fahalalana Ahy? hoy Jehovah.
17 “Lakini macho yako na moyo wako vimeelekezwa tu katika mapato ya udhalimu, kwa kumwaga damu isiyo na hatia, kwa uonevu na ukatili.”
Nefa tsy misy alehan’ ny masonao sy ny eritreritrao afa-tsy ny filan-karena ihany sy ny fandatsahana rà marina ary ny fampahoriana sy ny fanaovana an-keriny.
18 Kwa hiyo hili ndilo asemalo Bwana kuhusu Yehoyakimu mwana wa Yosia mfalme wa Yuda: “Hawatamwombolezea wakisema: ‘Ole, ndugu yangu! Ole, umbu langu!’ Hawatamwombolezea wakisema: ‘Ole, bwana wangu! Ole, fahari yake!’
Ary noho izany dia izao no lazain’ i Jehovah ny amin’ i Joiakima, zanak’ i Josia, mpanjakan’ ny Joda: Ny olona tsy hisaona azy hoe: Indrisy, tompokolahy! na: Indrisy, tompokovavy! Ny olona tsy hitomany azy hoe: Indrisy, tompoko! na: Indrisy ny voninahiny!
19 Atazikwa maziko ya punda: ataburutwa na kutupwa nje ya malango ya Yerusalemu.”
Halevina toy ny fandevina boriky izy, ka hotaritarihina sy hariana any ivelan’ ny vavahadin’ i Jerosalema.
20 “Panda Lebanoni ukapige kelele, sauti yako na isikike huko Bashani, piga kelele toka Abarimu, kwa kuwa wote waliojiunga nawe wameangamizwa.
Miakara any Libanona, ka mitaraina; Dia asandrato any Basana ny feonao, ary mitaraina any Abarima; Fa ringana avokoa ireo tia anao.
21 Nilikuonya wakati ulipojisikia kwamba uko salama, lakini ulisema, ‘Mimi sitasikiliza!’ Hii imekuwa kawaida yako tangu ujana wako; hujanitii mimi.
Efa niteny taminao Aho, fony ianao mbola nipetraka tsy nanana ahiahy; Nefa hoy ianao: Izaho tsy hihaino. Fanaonao hatry ny fony ianao mbola tanora ny tsy mihaino ny teniko.
22 Upepo utawaondoa wachungaji wako wote, na wale ulioungana nao wataenda uhamishoni. Kisha utaaibika na kufedheheka kwa sababu ya uovu wako wote.
Ny mpitondra anao rehetra ho paohin’ ny rivotra, ary ireo tia anao ho lasan-ko babo, eny, ho menatra sy hangaihay tokoa ianao noho ny haratsianao rehetra.
23 Wewe uishiye Lebanoni, wewe uliyetulia kwenye majengo ya mierezi, tazama jinsi utakavyoomboleza maumivu makali yatakapokupata, maumivu kama yale ya mwanamke mwenye utungu wa kuzaa!
Ry ilay mponina any Libanona, izay manao ny akaninao eny amin’ ny sedera, indrisy ny fisentoanao, raha iharan’ ny faharariana ianao, toy ny fanaintainan’ ny vehivavy raha miteraka!
24 “Hakika kama niishivyo,” asema Bwana, “hata kama wewe, Yekonia mwana wa Yehoyakimu mfalme wa Yuda, ungekuwa pete yangu ya muhuri katika mkono wangu wa kuume, bado ningekungʼoa hapo.
Raha velona koa Aho, hoy Jehovah, na dia ho peratra fanombohan-kase amin’ ny tanako ankavanana aza ianao, ry Jekonia, zanak’ i Joiakima, mpanjakan’ ny Joda, dia hotsoahako hiala eo ianao,
25 Nitakutia mikononi mwa wale wanaotafuta uhai wako, wale unaowaogopa, yaani Nebukadneza mfalme wa Babeli na kwa Wakaldayo.
Ka hatolotro eo an-tànan’ izay mitady ny ainao sy eo an-tànan’ izay atahoranao, dia eo an-tànan’ i Nebokadnezara, mpanjakan’ i Babylona, sy eo amin’ ny tanan’ ny Kaldeana.
26 Nitakutupa mbali wewe na mama aliyekuzaa mwende katika nchi nyingine, ambayo hakuna hata mmoja wenu aliyezaliwa huko, nanyi mtafia huko.
Ary ianao sy ny reninao niteraka anao dia hariako any an-tany hafa izay tsy nahaterahanareo, ka any no hahafatesanareo.
27 Kamwe hamtarudi katika nchi mliyotamani kuirudia.”
Fa ny tany iriny hiverenana dia tsy hiverenany.
28 Je, huyu mtu Yekonia ni chungu kilichodharauliwa, chungu kilichovunjika, chombo kisichotakiwa na mtu yeyote? Kwa nini yeye na watoto wake watupwe nje kwa nguvu, na kutupwa kwenye nchi wasioijua?
Moa ity lehilahy Jekonia ity dia vilany vingavingaina sy efa hotorotoroina ary fanaka tsy mahafinaritra va? Koa nahoana no nariana izy sy ny taranany ka natsipy any amin’ ny tany tsy fantany?
29 Ee nchi, nchi, nchi, sikia neno la Bwana!
Ry tany! ry tany! ry tany! Henoy ny tenin’ i Jehovah.
30 Hili ndilo Bwana asemalo: “Mwandike huyu mtu kama asiye na mtoto, mtu ambaye hatafanikiwa maisha yake yote, kwa maana hakuna mtoto wake atakayefanikiwa, wala kukaa kwenye kiti cha enzi cha Daudi wala kuendelea kutawala katika Yuda.”
Izao no lazain’ i Jehovah Soratanareo ho tsy manam-para ity lehilahy ity, dia lehilahy tsy hambinina amin’ ny androny; Fa tsy hisy amin’ ny taranany izay hambinina Hipetraka eo amin’ ny seza fiandrianan’ i Davida, na hanapaka ao amin’ ny Joda intsony