< Yeremia 13 >

1 Hili ndilo Bwana aliloniambia: “Nenda ununue mkanda wa kitani, ujivike kiunoni mwako, lakini usiuache uguse maji.”
Izao no nolazain’ i Jehovah tamiko: Andeha mividy fehin-kibo rongony ho anao, ka ifehezo ny kibonao, fa aza atao anaty rano.
2 Kwa hiyo nikanunua mkanda, kama Bwana alivyoniagiza, nikajivika kiunoni.
Dia nividy fehin-kibo aho araka ny tenin’ i Jehovah ka nifehezako ny kiboko.
3 Ndipo neno la Bwana likanijia kwa mara ya pili:
Ary tonga tamiko fanindroany ny tenin’ i Jehovah hoe:
4 “Chukua mkanda ulionunua ambao umeuvaa kiunoni mwako, uende sasa Frati uufiche ndani ya ufa mdogo kwenye mwamba.”
Ento ny fehin-kibo izay novidinao, dia ilay ifehezanao ny kibonao, ka mitsangana, mankanesa any Eofrata, ary afeno ao an-tsefatsefaky ny harambato izy.
5 Ndipo nikaenda na kuuficha ule mkanda huko Frati, kama Bwana alivyoniamuru.
Ka dia nandeha aho, ary nafeniko tao amoron’ i Eofrata izy, araka ny nandidian’ i Jehovah ahy.
6 Baada ya siku nyingi Bwana akaniambia, “Nenda sasa Frati ukauchukue ule mkanda niliokuambia uufiche huko.”
Ary nony afaka andro maro, dia hoy Jehovah tamiko: Mitsangana, ka mankanesa any Eofrata, ary alao any ny fehin-kibo, dia ilay nasaiko nafeninao tany.
7 Hivyo nikaenda Frati na kuuchimbua ule mkanda kutoka pale nilipokuwa nimeuficha, lakini sasa ulikuwa umeharibika na haufai tena kabisa.
Dia nankany Eofrata aho ka nihady, ary nalaiko tao amin’ ny fitoerana nanafenako azy ilay fehin-kibo; kanjo, indro, simba ny fehin-kibo ka tsy azo natao na inona na inona intsony.
8 Ndipo neno la Bwana likanijia:
Dia tonga tamiko ny tenin’ i Jehovah hoe:
9 “Hili ndilo Bwana asemalo: ‘Vivyo hivyo ndivyo nitakavyokiharibu kiburi cha Yuda na kiburi kikuu cha Yerusalemu.
Izao no lazain’ i Jehovah: Tahaka izany no hanimbako ny avonavon’ ny Joda sy ny haben’ ny avonavon’ i Jerosalema.
10 Watu hawa waovu, wanaokataa kusikiliza maneno yangu, wafuatao ukaidi wa mioyo yao na kufuata miungu mingine kuitumikia na kuiabudu, watakuwa kama mkanda huu ambao haufai kabisa!
Ity firenena ratsy ity, izay tsy mety mihaino ny teniko, fa mandeha amin’ ny ditry ny fony ka manaraka andriamani-kafa mba hotompoiny sy hiankohofany, dia ho tahaka ity fehin-kibo ity, izay tsy azo atao na inona na inona intsony.
11 Kwa maana kama vile mkanda ufungwavyo kiunoni mwa mtu, ndivyo nilivyojifunga nyumba yote ya Israeli na nyumba yote ya Yuda,’ asema Bwana, ‘ili wawe watu wangu kwa ajili ya utukufu wangu, sifa na heshima yangu. Lakini hawajasikiliza.’
Fa toy ny firaikitry ny fehin-kibo amin’ ny valahan’ ny olona no nampiraiketako ny taranak’ Isiraely sy ny taranak’ i Joda rehetra tamiko, hoy Jehovah, mba ho olona sy anarana sy fiderana ary voninahitra ho Ahy ireny Kanjo tsy nety nihaino izy.
12 “Waambie: ‘Hili ndilo Bwana, Mungu wa Israeli, asemalo: kila kiriba inapasa kijazwe mvinyo.’ Kama wao wakikuambia, ‘Kwani hatujui kwamba kila kiriba inapasa kijazwe mvinyo?’
Ary izao teny izao dia lazao aminy hoe: Izao no lazain’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Ny tavoara rehetra dia feno divay; ary izy hanao aminao hoe: Moa tsy efa fantatray ihany va fa feno divay ny tavoara rehetra?
13 Kisha uwaambie, ‘Hili ndilo asemalo Bwana: nitawajaza ulevi wote waishio katika nchi hii, pamoja na wafalme waketio juu ya kiti cha enzi cha Daudi, makuhani, manabii na wale wote waishio Yerusalemu.
Dia holazainao aminy hoe: Izao no lazain’ i Jehovah: Indro, hataoko leony ny mponina rehetra amin’ ity tany ity, dia ny mpanjaka, izay mipetraka amin’ ny seza fiandrianan’ i Davida, sy ny mpisorona sy ny mpaminany ary ny mponina rehetra any Jerosalema.
14 Nitawagonganisha kila mmoja na mwenzake, baba na wana wao, asema Bwana. Sitawarehemu wala kuwahurumia ili niache kuwaangamiza.’”
Ary hampifamohiko izy, dia ny ray mbamin’ ny zanany, hoy Jehovah; Tsy hiantra Aho, na hitsitsy, na hamindra fo tsy handringana azy.
15 Sikieni na mzingatie, msiwe na kiburi, kwa kuwa Bwana amenena.
Mandrenesa ka mihainoa, aza miavonavona; Fa Jehovah no miteny.
16 Mpeni utukufu Bwana Mungu wenu, kabla hajaleta giza, kabla miguu yenu haijajikwaa juu ya vilima vitakavyotiwa giza. Mlitarajia nuru, lakini ataifanya kuwa giza nene na kuibadili kuwa huzuni kubwa.
Manomeza voninahitra an’ i Jehovah Andriamanitrareo, dieny tsy mbola mahatonga ny maizina Izy, ary dieny tsy mbola tafintohina amin’ ny tendrombohitra maizimaizina ny tongotrareo, ka raha miandry ny mazava ianareo, dia hataony tonga ho aloky ny fahafatesana, ka hampodiny ho aizim-pito.
17 Lakini kama hamtasikiliza, nitalia sirini kwa ajili ya kiburi chenu; macho yangu yatalia kwa uchungu, yakitiririka machozi, kwa sababu kundi la kondoo la Bwana litachukuliwa mateka.
Fa raha tsy hihaino izany ianareo. Dia hitomany any amin’ ny mangingina ny fanahiko, satria misy fiavonavonana; Eny, ny masoko hamarin-dranomaso hijononoka be, satria voababo ny ondrin’ i Jehovah.
18 Mwambie mfalme na mamaye, “Shukeni kutoka kwenye viti vyenu vya enzi, kwa kuwa taji zenu za utukufu zitaanguka kutoka vichwani mwenu.”
Lazao amin’ ny andriamanjaka sy ny reniny hoe: Mitombena amin’ ny tany; Fa ho afaka ny firavaka eo an-dohanareo, dia ny satro-boninahitrareo tsara tarehy.
19 Miji iliyoko Negebu itafungwa, wala hapatakuwa na mtu wa kuifungua. Watu wa Yuda wote watapelekwa uhamishoni, wakichukuliwa kabisa waende mbali.
Voarindrina ny tanàna any amin’ ny tany atsimo, ka tsy misy mamoha; Lasan-ko babo Joda, eny, lasan-ko babo avokoa izy rehetra.
20 Inua macho yako uone wale wanaokuja kutoka kaskazini. Liko wapi lile kundi ulilokabidhiwa, kondoo wale uliojivunia?
Atopazy ny masonareo, ka tazano izay avy any avaratra; Aiza ny ondry andiany izay nomena anao, dia ny ondrinao tsara tarehy?
21 Utasema nini Bwana atakapowaweka juu yako wale ulioungana nao kama marafiki wako maalum? Je, hutapatwa na utungu kama mwanamke aliye katika utungu wa kuzaa?
Ahoana re no holazainao, raha tendreny hanapaka anao ireny sakaizanao ireny, fa ianao ihany no nampianatra azy handrafy anao? Tsy hahazo anao va ny fanaintainana toy ny vehivavy raha miteraka?
22 Nawe kama ukijiuliza, “Kwa nini haya yamenitokea?” Ni kwa sababu ya dhambi zako nyingi ndipo marinda yako yameraruliwa na mwili wako umetendewa vibaya.
Ary raha manao anakampo ianao hoe: ahoana no nahatonga izao tamiko? Noho ny haben’ ny helokao no nampiaingana ny moron-tongotr’ akanjonao sy nandratrana ny ombelahin-tongotrao.
23 Je, Mkushi aweza kubadili ngozi yake au chui kubadili madoadoa yake? Vivyo hivyo nawe huwezi kufanya mema wewe uliyezoea kutenda mabaya.
Moa mahova ny hodiny va ny Etiopiana, ary ny leoparda va mahova ny sorany? Raha izany, dia mahazo manao tsara koa ianareo izay efa zatra nanao ratsy.
24 “Nitawatawanya kama makapi yapeperushwayo na upepo wa jangwani.
Koa dia haeliko izy toy ny vodivary indaosin’ ny rivotra avy any an-efitra.
25 Hii ndiyo kura yako, fungu nililokuamuria,” asema Bwana, “kwa sababu umenisahau mimi na kuamini miungu ya uongo.
Izany no lokanao, dia anjara voarefy ho anao, hoy Jehovah, Satria nanadino Ahy ianao ka nitoky tamin’ ny lainga.
26 Nitayafunua marinda yako mpaka juu ya uso wako ili aibu yako ionekane:
Ary Izaho kosa dia hampiainga ny moron-tongotr’ akanjonao ho eny amin’ ny tavanao, mba hisehoan’ ny henatrao.
27 uzinzi wako na kulia kwako kama farasi kulikojaa tamaa, ukahaba wako usio na aibu! Nimeyaona matendo yako ya machukizo juu ya vilima na mashambani. Ole wako, ee Yerusalemu! Utaendelea kuwa najisi mpaka lini?”
Ny fijangajanganao sy ny fanenonao, ny fahavetavetan’ ny fijejojejoanao any amin’ ny havoana any an-tsaha, eny, samy efa hitako avokoa ireo fahavetavetanao ireo. Lozanao, ry Jerosalema! Mandra-pahoviana no mbola tsy hetezanao hanadio ny tenanao?

< Yeremia 13 >