< Isaya 61 >

1 Roho wa Bwana Mwenyezi yu juu yangu, kwa sababu Bwana amenitia mafuta kuwahubiria maskini habari njema. Amenituma kuwaganga waliovunjika moyo, kuwatangazia mateka uhuru wao, na hao waliofungwa habari za kufunguliwa kwao;
Ny Fanahin’ i Jehovah Tompo no ato amiko, satria Jehovah efa nanosotra Ahy hitory teny soa mahafaly amin’ ny mpandefitra, efa naniraka Ahy hahasitrana ny torotoro fo Izy, ary hitory fanafahana amin’ ny babo sy hamoaka ny ao an-trano-maizina ho amin’ ny mazava,
2 kutangaza mwaka wa Bwana uliokubaliwa, na siku ya kisasi ya Mungu wetu, kuwafariji wote waombolezao,
Hitory taona ankasitrahan’ i Jehovah sy andro famalian’ Andriamanitsika, hampionona ny malahelo rehetra,
3 na kuwapa mahitaji wale wanaohuzunika katika Sayuni, ili kuwapa taji ya uzuri badala ya majivu, mafuta ya furaha badala ya maombolezo, vazi la sifa badala ya roho ya kukata tamaa. Nao wataitwa mialoni ya haki, pando la Bwana, ili kuonyesha utukufu wake.
Hanolotra ho an’ ny malahelo ao Ziona, eny, hanome azy namama ho solon’ ny lavenona, sy diloilo fifaliana ho solon’ ny fahalahelovana, ary fitafiana fiderana ho solon’ ny fanahy reradreraka, mba hanaovana azy hoe Hazon’ ny fahamarinana, nambolen’ i Jehovah ho fampisehoam-boninahitra.
4 Watajenga upya magofu ya zamani na kupatengeneza mahali palipoachwa ukiwa zamani; watafanya upya miji iliyoharibiwa, iliyoachwa ukiwa kwa vizazi vingi.
Koa hatsangana ny efa rava hatry ny fony fahagola, ary hamboarina ny efa lao hatramin’ ny fahiny, dia hohavaozina indray ny tanàna rava, Izay efa lao hatramin’ ny taranaka lasa ela.
5 Wageni watayachunga makundi yenu, wageni watafanya kazi katika mashamba yenu, na kutunza mashamba yenu ya mizabibu.
Ary ny vahiny honina ao ka hiandry ny ondry aman’ osinareo, ary ny hafa firenena ho mpiasa tany sy ho mpamboatra tanim-boaloboka ho anareo,
6 Nanyi mtaitwa makuhani wa Bwana, mtaitwa watumishi wa Mungu wetu. Mtakula utajiri wa mataifa, nanyi katika utajiri wao mtajisifu.
Fa ianareo kosa no hatao hoe mpisoron’ i Jehovah, Mpanao fanompoam-pivavahana ho an’ Andriamanitsika no hilazana anareo ho lasanareo ny haren’ ny firenena, ary handimby voninahitra azy ianareo.
7 Badala ya aibu yao watu wangu watapokea sehemu maradufu, na badala ya fedheha watafurahia katika urithi wao; hivyo watarithi sehemu maradufu katika nchi yao, nayo furaha ya milele itakuwa yao.
Ny henatrareo hosoloana avy roa heny, ary ny tondromaso hosoloana hoby amin’ ny anjara-lovany; ary noho izany dia hahazo indroa heny ao amin’ ny taniny izy, fifaliana mandrakizay no ho azy.
8 “Kwa maana Mimi, Bwana, napenda haki, na ninachukia unyangʼanyi na uovu. Katika uaminifu wangu nitawapa malipo yao na kufanya agano la milele nao.
Fa Izaho Jehovah dia tia rariny; halako ny fandrombahana amin’ ny faharatsiana; homeko ny valin’ asany amin’ ny fahamarinana izy, ary fanekena mandrakizay no hataoko aminy.
9 Wazao wao watajulikana miongoni mwa mataifa, na uzao wao miongoni mwa kabila za watu. Wale wote watakaowaona watatambua kuwa ni taifa ambalo Bwana amelibariki.”
Ny taranany ho fantatra any amin’ ny jentilisa ary ny terany any amin’ ny firenena; Izay rehetra mahita azy dia hahafantatra azy ho taranaka notahin’ i Jehovah.
10 Ninafurahia sana katika Bwana, nafsi yangu inashangilia katika Mungu wangu. Kwa maana amenivika mavazi ya wokovu, na kunipamba kwa joho la haki, kama vile bwana arusi apambavyo kichwa chake kama kuhani, na kama bibi arusi ajipambavyo kwa vito vyake vya thamani.
Hifaly dia hifaly amin’ i Jehovah aho, ny fanahiko ho ravoravo amin’ Andriamanitro; fa notafiany fitafiana famonjena aho, ary nakanjoiny akanjo fahamarinana, toy ny mpampakatra misatroka hamama tahaka ny mpisorona, ary toy ny ampakarina miravaka ny firàvany.
11 Kwa maana kama vile ardhi ifanyavyo chipukizi kuota, na bustani isababishavyo mbegu kuota, ndivyo Bwana Mwenyezi atafanya haki na sifa zichipuke mbele ya mataifa yote.
Fa tahaka ny tany mampitsimoka izay ao aminy, ary tahaka ny tanimboly mampaniry izay nafafy tao aminy, dia toy izany no hampisehoan’ i Jehovah Tompo fahamarinana sy fiderana eo anatrehan’ ny firenena rehetra.

< Isaya 61 >