< Isaya 59 >

1 Hakika mkono wa Bwana si mfupi hata usiweze kuokoa, wala sikio lake si zito hata lisiweze kusikia.
Indro, ny tànan’ i Jehovah tsy fohy, fa mahavonjy, ary ny sofiny tsy lalodalovana, fa mahare;
2 Lakini maovu yenu yamewatenga ninyi na Mungu wenu, dhambi zenu zimewaficha ninyi uso wake, ili asisikie.
Fa ny helokareo no efitra mampisaraka anareo amin’ Andriamanitrareo, ary ny fahotanareo no mampiafina ny tavany aminareo, ka dia tsy mihaino Izy.
3 Kwa maana mikono yenu imetiwa mawaa kwa damu na vidole vyenu kwa hatia. Midomo yenu imenena uongo, nazo ndimi zenu zimenongʼona mambo maovu.
Fa ny tananareo dia voaloto amin’ ny rà, ary ny rantsan-tananareo amin’ ny heloka; ny molotrareo miteny lainga, ny lelanareo mibedibedy faharatsiana.
4 Hakuna hata mmoja anayedai kwa haki; hakuna hata mmoja anayetetea shauri lake kwa haki. Wanategemea mabishano matupu na kusema uongo, huchukua mimba ya magomvi na kuzaa uovu.
Tsy misy mitory olona araka ny fahamarinana, na mandahatra ny rariny araka izay mahatoky; matoky ny tsy izy sy miteny zava-poana izy; Torontoronina fampahoriana izy ka miteraka fandozana.
5 Huangua mayai ya nyoka wenye sumu kali na kutanda wavu wa buibui. Yeyote alaye mayai yao atakufa, na wakati moja lianguliwapo, nyoka hutoka humo.
Mikotrika ny atodin’ ny menarana izy ary manenona ny tranon-kala; Izay homana ny atodin’ ireny dia ho faty, fa raha poritra iny, dia menarana no miporitsaka avy ao.
6 Utando wao wa buibui haufai kwa nguo; hawawezi kujifunika kwa kile walichokitengeneza. Matendo yao ni matendo maovu, vitendo vya jeuri vipo mikononi mwao.
Ny tranon-kalany tsy azo atao fitafiana, ary ny asany tsy mahatafy azy; ny asany dia asa fampahoriana, ary asan-doza no eo an-tànany.
7 Miguu yao hukimbilia kwenye dhambi, ni myepesi kumwaga damu isiyo na hatia. Mawazo yao ni mawazo maovu; uharibifu na maangamizi huonekana katika njia zao.
Ny tongony miriotra ho amin’ ny ratsy sy mimaona handatsaka rà marina; ny fisainany dia fisainana fampahoriana, fandravana sy fandringanana no eo amin’ ny alehany.
8 Hawajui njia ya amani, hakuna haki katika mapito yao. Wameyageuza kuwa njia za upotovu, hakuna apitaye njia hizo atakayeifahamu amani.
Ny lalan’ ny fiadanana tsy fantany; ary tsy misy rariny ao amin’ ny alehany; lalana miolakolaka ny lalany, ka na iza na iza mandia izany dia tsy mahita fiadanana.
9 Hivyo uadilifu uko mbali nasi, nayo haki haitufikii. Tunatazamia nuru, kumbe! Yote ni giza, tunatazamia mwanga, lakini tunatembea katika giza kuu.
Ary noho izany dia lavitra antsika ny rariny, ary ny fahamarinana tsy mahatratra antsika; miandry ny mazava isika, nefa indro ny maizina, ary fahazavana, fa mbola ao amin’ ny aizim-pito ihany no andehanantsika.
10 Tunapapasa ukuta kama kipofu, tunapapasa katika njia zetu kama watu wasio na macho. Adhuhuri tunajikwaa kama wakati wa gizagiza; katikati ya wenye nguvu, tuko kama wafu.
Mitsapatsapa manara-drindrina tahaka ny jamba isika eny, mitsapatsapa tahaka ny tsy mana-maso; tafintohina amin’ ny mitataovovonana tahaka ny amin’ ny maizimaizina isika, ary eo amin’ ny matanjaka dia tahaka ny maty isika.
11 Wote tunanguruma kama dubu; tunalia kwa maombolezo kama hua. Tunatafuta haki, kumbe hakuna kabisa; tunatafuta wokovu, lakini uko mbali.
Isika rehetra mampierona tahaka ny bera ary mitoloko tokoa tahaka ny voromailala; miandry ny rariny isika, nefa tsy misy, ary ny famonjena, nefa lavitra antsika izany.
12 Kwa sababu makosa yetu ni mengi machoni pako, na dhambi zetu zinashuhudia dhidi yetu. Makosa yetu yako pamoja nasi daima, nasi tunayatambua maovu yetu:
Fa efa betsaka eo anatrehanao ny fiodinanay, ary ny fahotanay miampanga anay; eny, tsaroanay ny fahadisoanay, ary ny helokay dia fantatray,
13 Uasi na udanganyifu dhidi ya Bwana, kumgeuzia Mungu wetu kisogo, tukichochea udhalimu na maasi, tukinena uongo ambao mioyo yetu imeuhifadhi.
Dia ny miodina sy ny mandà an’ i Jehovah, ary ny miala amin’ ny fanarahana an’ Andriamanitray, ny miteny fampahoriana sy fikomiana, ary ny mamorona sy mamoaka teny lainga avy ao am-po.
14 Hivyo uadilifu umerudishwa nyuma, nayo haki inasimama mbali, kweli imejikwaa njiani, uaminifu hauwezi kuingia.
Nahemotra ny rariny, ary mijanon-davitra ny hitsiny; fa tafintohina eny an-kalalahana ny fahamarinana, ary ny hitsim-po tsy mahazo miditra.
15 Kweli haipatikani popote, na yeyote aepukaye uovu huwa mawindo. Bwana alitazama naye akachukizwa kwamba hapakuwepo haki.
Eny, tsy eo ny fahamarinana; ary izay mifady ny ratsy dia hoatra ny manolo-tena hobabom’ ny sasany. Ary hitan’ i Jehovah ny tsi-fisian’ ny rariny, ka nataony fa ratsy izany;
16 Aliona kuwa hakuwepo hata mtu mmoja, akashangaa kwamba hakuwepo hata mmoja wa kuingilia kati; hivyo mkono wake mwenyewe ndio uliomfanyia wokovu, nayo haki yake mwenyewe ndiyo iliyomtegemeza.
Eny, hitany fa tsy nisy olona, sady talanjona Izy, satria tsy nisy mpanalalana, ka dia ny sandriny ihany no nanao famonjena ho Azy, ary ny fahamarinany no nanohana Azy.
17 Alivaa haki kama dirii kifuani mwake, na chapeo ya wokovu kichwani mwake, alivaa mavazi ya kisasi naye akajifunga wivu kama joho.
Niakanjo fahamarinana tahaka ny akanjo fiarovan-tratra Izy, ary fiarovan-doha famonjena no teo amin’ ny lohany; ary niakanjo ny akanjo famaliana Izy eny, nandray ny fahasaro-piaro ho akanjo ivelany Izy.
18 Kulingana na kile walichokuwa wametenda, ndivyo atakavyolipa ghadhabu kwa watesi wake na kisasi kwa adui zake, atavilipa visiwa sawa na wanavyostahili.
Araka ny asa natao no hamaliany, dia fahatezerana mirehitra ho an’ ny fahavalony, famaliana ho an’ ny rafiny; ary ny nosy dia hovaliany tokoa.
19 Kuanzia magharibi, watu wataliogopa jina la Bwana na kuanzia mawio ya jua, watauheshimu utukufu wake. Wakati adui atakapokuja kama mafuriko, Roho wa Bwana atainua kiwango dhidi yake na kumshinda.
Ary hatrany andrefana dia hatahotra ny anaran’ i Jehovah ny olona ary ny voninahiny hatramin’ ny fiposahan’ ny masoandro; ary ny fihaviny dia ho toy ny rano maria, Ampandehanin’ ny Fanahin’ i Jehovah.
20 “Mkombozi atakuja Sayuni, kwa wale wa Yakobo wanaozitubu dhambi zao,” asema Bwana.
Dia hisy Mpanavotra ho tonga any Ziona, Ho amin’ ny Jakoba izay miala amin’ ny fahadisoana, hoy Jehovah.
21 “Kwa habari yangu mimi, hili ndilo agano langu nao,” asema Bwana. “Roho wangu, aliye juu yenu, na maneno yangu ambayo nimeyaweka katika vinywa vyenu, havitaondoka vinywani mwenu, wala kutoka vinywani mwa watoto wenu, wala kutoka vinywani mwa wazao wao, kuanzia sasa na hata milele,” asema Bwana.
Raha Izaho, dia izao no fanekeko aminy, hoy Jehovah: Ny Fanahiko Izay ao aminao sy ny teniko izay nataoko teo am-bavanao dia tsy hiala amin’ ny vavanao, na amin’ ny vavan’ ny taranakao, na amin’ ny vavan’ ny taranaky ny taranakao, hatramin’ izao ka ho mandrakizay, hoy Jehovah.

< Isaya 59 >