< Isaya 55 >

1 “Njooni, ninyi nyote wenye kiu, njooni kwenye maji; nanyi ambao hamna fedha, njooni, nunueni na mle! Njooni, nunueni divai na maziwa bila fedha na bila gharama.
He! ianareo rehetra izay mangetaheta, mankanesa amin’ ny rano! Ary ianareo izay tsy manam-bola, avia, mividia, ka homàna! Eny, avia, mividia divay sy ronono, nefa tsy amim-bola, na amin-karena.
2 Kwa nini kutumia fedha kwa kitu ambacho si chakula, na kutaabikia kitu kisichoshibisha? Sikilizeni, nisikilizeni mimi na mle kilicho kizuri, nazo nafsi zenu zitafurahia utajiri wa unono.
Nahoana ianareo no mandany vola amin’ izay tsy hanina, ary ny vokatry ny fisasaranareo amin’ izay tsy mahavoky? Mihainoa dia mihainoa Ahy, ka hano izay tsara, dia aoka hiravoravo amin’ ny matavy ny fanahinareo.
3 Tegeni sikio mje kwangu, nisikieni mimi, ili nafsi zenu zipate kuishi. Nitafanya agano la milele nanyi, pendo la uaminifu nililomwahidi Daudi.
Atongilano ny sofinareo, ka mankanesa atỳ amiko, mihainoa, dia ho velombelona ny fanahinareo; ary hanao fanekena mandrakizay aminareo Aho, dia ny famindram-po mahatoky nampanantenaina an’ i Davida.
4 Tazama, nimemfanya kuwa shahidi wa mataifa, kiongozi na jemadari wa mataifa.
Indro, nataoko vavolombelona ho an’ ny firenena Izy, ho mpanapaka sy komandy amin’ ny firenena.
5 Hakika utaita mataifa usiyoyajua, nayo mataifa yale yasiyokujua yataharakisha kukujia, kwa sababu ya Bwana Mungu wako, yeye Aliye Mtakatifu wa Israeli, kwa maana amekutukuza.”
Indro, firenena izay tsy fantatrao no hantsoinao, ary firenena izay tsy nahalala Anao no hihazakazaka ho aminao noho ny amin’ i Jehovah Andriamanitrao, sy ny Iray Masin’ ny Isiraely, fa nomeny voninahitra Hianao.
6 Mtafuteni Bwana maadamu anapatikana; mwiteni maadamu yu karibu.
Mitadiava an’ i Jehovah, dieny mbola hita Izy, Miantsoa Azy, dieny mbola akaiky Izy.
7 Mtu mwovu na aiache njia yake, na mtu mbaya na ayaache mawazo yake. Yeye na amrudie Bwana, naye atamrehemu, arudi kwa Mungu wetu, kwa kuwa atamsamehe bure kabisa.
Aoka ny ratsy fanahy hahafoy ny lalany, ary ny tsy marina hahafoy ny heviny; ary aoka hiverina ho amin’ i Jehovah ireny, fa hamindra fo aminy Izy, Eny, ho amin’ Andriamanitsika, fa hamela heloka dia hamela heloka tokoa Izy.
8 “Kwa kuwa mawazo yangu si mawazo yenu, wala njia zenu si njia zangu,” asema Bwana.
Fa ny fihevitro tsy fihevitrareo ary ny lalanareo kosa tsy mba lalako, hoy Jehovah.
9 “Kama vile mbingu zilivyo juu kuliko dunia, ndivyo njia zangu zilivyo juu kuliko njia zenu na mawazo yangu kuliko mawazo yenu.
Fa tahaka ny hahavon’ ny lanitra noho ny tany no hahavon’ ny lalako noho ny lalanareo sy ny fihevitro noho ny fihevitrareo.
10 Kama vile mvua na theluji ishukavyo kutoka mbinguni, nayo hairudi tena huko bila kunywesha dunia na kuichipusha na kuistawisha, hivyo hutoa mbegu kwa mpanzi na mkate kwa mlaji,
Fa toy ny ranonorana sy ny oram-panala milatsaka avy any an-danitra ka tsy miverina any raha tsy efa nahavonto ny tany ka nampaniry sy nampahavokatra azy, mba hahatonga voa ho an’ ny mpamafy sy hanina ho an’ ny mpihinana,
11 ndivyo lilivyo neno langu lile litokalo kinywani mwangu: Halitanirudia tupu, bali litatimiliza lile nililokusudia na litafanikiwa katika kusudi lile nililolituma.
Dia ho tahaka izany ny teniko izay aloaky ny vavako: Tsy hiverina amiko foana izy, raha tsy efa mahatanteraka izay sitrako ary ambinina amin’ izay ampandehanako azy.
12 Mtatoka nje kwa furaha na kuongozwa kwa amani; milima na vilima vitapaza sauti kwa nyimbo mbele yenu, nayo miti yote ya shambani itapiga makofi.
Fa amin’ ny fifaliana no hivoahanareo, ary amin’ ny fiadanana no hitondrana anareo; ny tendrombohitra sy ny havoana hahavelona hoby eo alohanareo, ary ny hazo rehetra any an-tsaha hitehatanana.
13 Badala ya kichaka cha miiba itaota miti ya misunobari, na badala ya michongoma utaota mhadasi. Hili litakuwa jambo la kumpatia Bwana jina, kwa ajili ya ishara ya milele, ambayo haitaharibiwa.”
Ny hazo kypreso haniry ho solon’ ny tsilo, ary ny rotra ho solon’ ny sampivato; ary ho anarana ho an’ i Jehovah izany, dia ho famantarana mandrakizay izay tsy hesorina.

< Isaya 55 >