< Isaya 54 >

1 “Imba, ewe mwanamke tasa, wewe ambaye kamwe hukuzaa mtoto; paza sauti kwa kuimba, piga kelele kwa furaha, wewe ambaye kamwe hukupata utungu; kwa sababu watoto wa mwanamke aliyeachwa ukiwa ni wengi kuliko wa mwanamke mwenye mume,” asema Bwana.
Mihobia, ry momba, ianao izay tsy niteraka, eny, velomy ny hoby, ka manandrata feo, ianao izay tsy mba nihetsi-jaza; fa ny zanaky ny mpitondra tena dia maro noho ny zanaky ny manambady, hoy Jehovah.
2 “Panua mahali pa hema lako, tandaza mapazia ya hema lako uyaeneze mbali, wala usiyazuie; ongeza urefu wa kamba zako, imarisha vigingi vyako.
Halalaho ny itoeran’ ny lainao, ary aoka hohenjanina ny ambain-dainao, ka aza avela hisy hiketrona; halavao ny kofehinao, ary aoreno mafy ny tsima-dainao;
3 Kwa maana utaenea upande wa kuume na upande wa kushoto; wazao wako watayamiliki mataifa na kukaa katika miji yao iliyoachwa ukiwa.
Fa hitatra any amin’ ny ankavanana sy any amin’ ny ankavia ianao, ary ny taranakao hahazo ny jentilisa, ka dia hasiany mponina ny tanàna lao.
4 “Usiogope, wewe hutaaibika. Usiogope aibu, wewe hutaaibishwa. Wewe utasahau aibu ya ujana wako, wala hutakumbuka tena mashutumu ya ujane wako.
Aza matahotra, fa tsy ho menatra ianao; ary aza mangaihay, fa tsy havela ho afa-baraka ianao; fa ho hadinonao ny henatry ny fahatanoranao, ary tsy ho tsaroanao intsony ny tondromasonao fony mpitondratena.
5 Kwa maana Muumba wako ndiye mume wako, Bwana Mwenye Nguvu Zote ndilo jina lake, yeye Aliye Mtakatifu wa Israeli ni Mkombozi wako, yeye anaitwa Mungu wa dunia yote.
Fa ny Mpanao anao no Vadinao, Jehovah, Tompon’ ny maro, no anarany; Ary ny Iray Masin’ ny Isiraely no Mpanavotra anao, Andriamanitry ny tany rehetra no anarany.
6 Bwana atakuita urudi kana kwamba ulikuwa mke aliyeachwa na kuhuzunishwa rohoni; kama mke aliyeolewa bado angali kijana na kukataliwa,” asema Mungu wako.
Fa Jehovah efa nampody anao, izay tahaka ny vady efa nafoy ka ory am-panahy, ary tahaka ny vady efa novadina hatry ny fony mbola tanora, fa efa napetraka, hoy Andriamanitrao.
7 “Kwa kitambo kidogo nilikuacha, lakini kwa huruma nyingi nitakurudisha.
Indray mipi-maso monja no nahafoizako anao; fa amin’ ny indrafo lehibe kosa no ampodiako anao.
8 Katika ukali wa hasira nilikuficha uso wangu kwa kitambo, lakini kwa fadhili za milele nitakuwa na huruma juu yako,” asema Bwana Mkombozi wako.
Tamin’ ny firehetan’ ny fahatezerako no nanafenako ny tavako taminao indray mipi-maso monja, fa amin’ ny famindram-po mandrakizay kosa no amindrako fo aminao, hoy Jehovah, Mpanavotra anao.
9 “Kwangu mimi jambo hili ni kama siku za Noa, nilipoapa kuwa maji ya Noa kamwe hayatafunika tena dunia. Hivyo sasa nimeapa sitawakasirikia ninyi, kamwe sitawakemea tena.
Fa amiko izany dia tahaka ilay ranon’ i Noa, ka toy ny nianianako fa tsy hanafotra ny tany intsony ilay ranon’ i Noa. Dia toy izany no ianianako fa tsy ho tezitra aminao na hiteny mafy anao intsony Aho.
10 Ijapotikisika milima, na vilima viondolewe, hata hivyo upendo wangu usiokoma kwenu hautatikisika, wala agano langu la amani halitaondolewa,” asema Bwana, mwenye huruma juu yenu.
Fa na dia hifindra aza ny tendrombohitra ary na dia hihetsika aza ny havoana, tsy mba hiala aminao ny famindram-peko, ary tsy hitsoaka ny faneken’ ny fihavanako, hoy Jehovah, Mpamindra fo aminao.
11 “Ewe mji uliyeteswa, uliyepigwa kwa dhoruba na usiyetulizwa, nitakujenga kwa almasi, nitaweka misingi yako kwa yakuti samawi.
Hianao, ry ory izay afotofoton’ ny tafiodrivotra sady tsy manana fampiononana, indro, Izaho handatsaka ny vatonao amin’ ny antimony sy hanorina ny fanambaninao amin’ ny safira,
12 Nitafanya minara yako ya akiki, malango yako kwa vito vingʼaavyo, nazo kuta zako zote za vito vya thamani.
Hataoko robina ny tilikambo madinikao, sy karbonkolo ny vavahadinao, ary vato soa ny faritaninao manodidina.
13 Watoto wako wote watafundishwa na Bwana, nayo amani ya watoto wako itakuwa kuu.
Ary ny zanakao rehetra dia ho samy efa nampianarin’ i Jehovah, ka dia ho be ny fiadanan’ ny zanakao.
14 Kwa haki utathibitika: Kuonewa kutakuwa mbali nawe; hutaogopa chochote. Hofu itakuwa mbali nawe; haitakukaribia wewe.
Amin’ ny fahamarinana no hampiorenana anao; aza manahy ny fampahoriana, fa tsy hatahotra ianao, na ny fampahatahorana, fa tsy hanakaiky anao izany.
15 Kama mtu yeyote akikushambulia, haitakuwa kwa ruhusa yangu; yeyote akushambuliaye atajisalimisha kwako.
Na dia misy miara-mioko aza, dia tsy avy amiko izany; ary na iza na iza miara-mioko hamely anao dia ho tonga hiandany aminao kosa.
16 “Tazama, ni mimi niliyemuumba mhunzi, yeye afukutaye makaa kuwa moto, na kutengeneza silaha inayofaa kwa kazi yake. Tena ni mimi niliyemwambia mharabu kufanya uharibifu mwingi.
Indro, Izaho no nahary ny mpanefy izay mifofotra ny afo amin’ ny arina ka mahavita fiasana hanaovany ny asany; Ary Izaho koa no nahary ny mpandringana mba handringana.
17 Hakuna silaha itakayofanyizwa dhidi yako itakayofanikiwa, nawe utauthibitisha kuwa mwongo kila ulimi utakaokushtaki. Huu ndio urithi wa watumishi wa Bwana na hii ndiyo haki yao itokayo kwangu,” asema Bwana.
Ny fiadiana rehetra izay voaforona hamelezana anao dia tsy hisy hambinina, ary ny lela rehetra izay miady aminao dia horesenao lahatra. Izany no lovan’ ny mpanompon’ i Jehovah sy fahamarinany avy amiko, hoy Jehovah.

< Isaya 54 >

A Dove is Sent Forth from the Ark
A Dove is Sent Forth from the Ark