< Isaya 41 >
1 “Nyamazeni kimya mbele zangu, enyi visiwa! Mataifa na wafanye upya nguvu zao! Wao na wajitokeze, kisha waseme, tukutane pamoja mahali pa hukumu.
Mangìna hihaino ahy ianareo, ry nosy, ary aoka handroso hery ny firenena; Aoka hanatona izy, ka dia hiteny; Andeha isika hifanatona eo amin’ ny fitsarana.
2 “Ni nani aliyemchochea mmoja kutoka mashariki, akimwita katika haki kwa utumishi wake? Huyatia mataifa mikononi mwake, na kuwatiisha wafalme mbele zake. Huwafanya kuwa mavumbi kwa upanga wake, huwafanya makapi yapeperushwayo na upepo kwa upinde wake.
Iza no nanaitra avy any atsinanana ilay nomban’ ny fahamarinana tamin’ ny diany rehetra, ary nanolotra ny firenena ho eo anatrehany, ka nampanapahiny ireo mpanjaka izy? Iza no nanao ny sabany ho tahaka ny vovoka, ary ny tsipìkany ho tahaka ny vodivary voapaoka?
3 Huwafuatia na kuendelea salama, katika njia ambayo miguu yake haijawahi kupita.
Mipaoka ireo izy ka mandroso soa aman-tsara any amin’ izay lalana tsy mbola nodiavin’ ny tongony.
4 Ni nani aliyefanya jambo hili na kulitimiliza, akiita vizazi tangu mwanzo? Mimi, Bwana, ni wa kwanza nami nitakuwa pamoja na wa mwisho: mimi Bwana ndiye.”
Iza moa no nanao sy nahavita izany, sady miantso ny taranaka maro hatramin’ ny taloha? Izaho Jehovah no voalohany, ary hatramin’ ny farany dia mbola Izaho ihany no Izy.
5 Visiwa vimeliona na kuogopa, miisho ya dunia inatetemeka. Wanakaribia na kuja mbele,
Ny nosy nahita ka raiki-tahotra; Toran-kovitra ny vazan-tany dia nanatona izy ka tonga.
6 kila mmoja humsaidia mwingine na kusema kwa ndugu yake, “Uwe hodari!”
Samy nanampy ny namany avy izy rehetra, ary samy nilaza tamin’ ny rahalahiny avy hoe: Matokia.
7 Fundi humtia moyo sonara, yeye alainishaye kwa nyundo humhimiza yeye agongeaye kwenye fuawe, Humwambia yeye aunganishaye, “Ni kazi njema.” Naye huikaza sanamu kwa misumari ili isitikisike.
Koa ny mpandrafitra dia nampahery ny mpanefy volamena, ary izay nandama tamin’ ny tantanana nampahery izay nively teo amin’ ny riandriana, ka hoy izy, miantso ny solohoto: Tsara ity, dia nohomboany mafy tamin’ ny hombo izy mba tsy hihozongozona.
8 “Lakini wewe, ee Israeli, mtumishi wangu, Yakobo, niliyemchagua, ninyi wazao wa Abrahamu rafiki yangu,
Fa ianao kosa, ry Isiraely mpanompoko, sy Jakoba, izay nofidiko, Taranak’ i Abrahama sakaizako,
9 nilikuchukua toka miisho ya dunia, nilikuita kutoka pembe zake za mbali. Nilisema, ‘Wewe ni mtumishi wangu’; nimekuchagua, wala sikukukataa.
Hianao izay efa notantanako avy tany amin’ ny faran’ ny tany ary nantsoiko avy tany an-tsisiny ka nilazako hoe: Mpanompoko ianao, Efa nofidiko ka tsy mba nariako:
10 Hivyo usiogope, kwa maana niko pamoja nawe; usifadhaike, kwa maana mimi ni Mungu wako. Nitakutia nguvu na kukusaidia; nitakutegemeza kwa mkono wa kuume wa haki yangu.
Aza matahotra ianao, fa momba anao Aho; Ary aza miherikerika foana, fa Izaho no Andriamanitrao; Mampahery anao Aho sady mamonjy anao; Eny, mitantana anao amin’ ny tanana ankavanan’ ny fahamarinako Aho.
11 “Wote walioona hasira dhidi yako hakika wataaibika na kutahayarika, wale wakupingao watakuwa kama vile si kitu, na kuangamia.
Indro, ho menatra sy hangaihay izay rehetra tezitra aminao, ho tsinontsinona izy; Eny, ho levona izay miady aminao.
12 Ingawa utawatafuta adui zako, hutawaona. Wale wanaopigana vita dhidi yako watakuwa kama vile si kitu kabisa.
Hotadiavinao izay mifanditra aminao, fa tsy ho hitanao, ary ho tahaka ny tsinontsinona sy ny zava-poana izay miady aminao.
13 Kwa maana Mimi ndimi Bwana, Mungu wako, nikushikaye mkono wako wa kuume na kukuambia, Usiwe na hofu, nitakusaidia.
Fa Izaho Jehovah Andriamanitrao no mitantana ny tananao ankavanana, dia ilay manao aminao hoe: Aza matahotra, Izaho no hamonjy anao.
14 Usiogope, ee Yakobo uliye mdudu, ee Israeli uliye mdogo, kwa kuwa Mimi mwenyewe nitakusaidia,” asema Bwana, Mkombozi wako, yeye Aliye Mtakatifu wa Israeli.
Aza matahotra ianao, ry Jakoba kankana, dia ianareo, ry Isiraely olom-bitsy, Izaho no hamonjy anao, hoy Jehovah, Ary ny Iray Masin’ ny Isiraely no Mpanavotra anao.
15 “Tazama, nitakufanya chombo cha kupuria, kipya na chenye makali, chenye meno mengi. Utaipura milima na kuiponda na kuvifanya vilima kuwa kama makapi.
Indro, ataoko kodia vy vaovao misy nify maranitra ianao; Hively ny tendrombohitra ianao ka hanorotoro azy ho vovoka ary hanao ny havoana ho tahaka ny akofa.
16 Utaipepeta, nao upepo utaichukua, dhoruba itaipeperushia mbali. Bali wewe utajifurahisha katika Bwana na katika utukufu wa yeye Aliye Mtakatifu wa Israeli.
Hikororoka azy ianao, ka hopaohin’ ny rivotra izy, ary ny tafio-drivotra hanely azy; Fa ianao kosa dia hiravoravo amin’ i Jehovah, ary ny Iray Masin’ ny Isiraely no ho reharehanao.
17 “Maskini na wahitaji wanatafuta maji, lakini hayapo, ndimi zao zimekauka kwa kiu. Lakini Mimi Bwana nitawajibu, Mimi, Mungu wa Israeli, sitawaacha.
Ny ory sy ny malahelo mitady rano, fa tsy mahita, ary ny lelany mainan’ ny hetaheta; Izaho Jehovah no hihaino azy, Izaho, Andriamanitry ny Isiraely, tsy hahafoy azy;
18 Nitaifanya mito itiririke juu ya vilima vilivyo kame, nazo chemchemi ndani ya mabonde. Nitaligeuza jangwa liwe mabwawa ya maji, nayo ardhi iliyokauka kuwa chemchemi za maji.
Hampiboika renirano ao amin’ ny tendrombohitra mangadihady Aho ary loharano ao amin’ ny lohasaha; Hanao ny efitra ho farihy Aho ary ny tany karankaina no loharano miboiboika.
19 Katika jangwa nitaotesha mwerezi, mshita, mhadasi na mzeituni. Nitaweka misunobari, mivinje na misanduku pamoja huko nyikani,
Hampaniry hazo sedera sy akasia sy rotra ary oliva any an-efitra Aho ary kypreso sy pina sy bokso eny an-tani-hay,
20 ili kwamba watu wapate kuona na kujua, wapate kufikiri na kuelewa, kwamba mkono wa Bwana umetenda hili, kwamba yeye Aliye Mtakatifu wa Israeli ndiye alilifanya.”
Mba ho hitany sy ho fantany sy hoheveriny ary ho azony an-tsaina fa ny tànan’ i Jehovah no nanao izany, ary ny Iray Masin’ ny Isiraely no nahary izany.
21 Bwana asema, “Leta shauri lako. Toa hoja yako,” asema Mfalme wa Yakobo.
Alaharo eto ny teninareo, hoy Jehovah; Asehoy izay mahamarina ny anareo, hoy ny Mpanjakan’ i Jakoba.
22 “Leteni sanamu zenu zituambie ni nini kitakachotokea. Tuambieni mambo ya zamani yalikuwa nini, ili tupate kuyatafakari na kujua matokeo yake ya mwisho. Au tutangazieni mambo yatakayokuja,
Aoka hampanatoniny ka hasehony amintsika izay zavatra mbola ho avy; Ambarao izay zavatra taloha, mba hoheverinay ka ho fantatray izay hiafarany, na ilazao izay zavatra ho avy izahay.
23 tuambieni ni nini kitakachotokea baadaye, ili tupate kujua kuwa ninyi ni miungu. Fanyeni jambo lolote zuri au baya, ili tupate kutishika na kujazwa na hofu.
Ambarao anay izay zavatra ho avy rahatrizay, mba ho fantatray fa andriamanitra ianareo; Eny, manaova soa, na manaova ratsy, mba hitaha isika, ka samy hahita.
24 Lakini ninyi ni zaidi ya bure kabisa, na kazi zenu hazifai kitu kabisa; yeye awachaguaye ni chukizo sana.
Indro, ianareo dia naman’ ny tsinontsinona, ary ny asanareo dia naman’ ny zava-poana; vetaveta izay mifidy anareo.
25 “Nimemchochea mtu mmoja kutoka kaskazini, naye yuaja, mmoja toka mawio ya jua aliitaye Jina langu. Huwakanyaga watawala kana kwamba ni matope, kama mfinyanzi akanyagavyo udongo wa kufinyangia.
Nanaitra ny anankiray avy tany avaratra Aho, ka tonga izy. Dia ny anankiray avy any amin’ ny fiposahan’ ny masoandro, izay hiantso ny anarako, ary hanosihosy ny mpanapaka tahaka ny fanosihosy feta izy, ary tahaka ny mpanefy vilany mihosy tanimanga.
26 Ni nani aliyenena hili tokea mwanzoni, ili tupate kujua, au kabla, ili tuweze kusema, ‘Alikuwa sawa’? Hakuna aliyenena hili, hakuna aliyetangulia kusema hili, hakuna yeyote aliyesikia maneno kutoka kwenu.
Iza no nitory izany hatramin’ ny voalohany, mba ho fantatray? Ary hatry ny fony taloha, mba hataonay hoe: Marina? Tsy nisy nanambara, eny, tsy nisy nitory; Ary tsy nisy nandre ny teninareo.
27 Nilikuwa wa kwanza kumwambia Sayuni, ‘Tazama, wako hapa!’ Nilimpa Yerusalemu mjumbe wa habari njema.
Izaho no voalohany Izay milaza amin’ i Ziona hoe: Indreo, indreo izy, sady manome mpitondra teny soa mahafaly ho an’ i Jerosalema.
28 Ninatazama, lakini hakuna yeyote: hakuna yeyote miongoni mwao awezaye kutoa shauri, hakuna yeyote wa kutoa jibu wakati ninapowauliza.
Dia nijery Aho, kanjo tsy nisy olona, eny, nojereko ireny kanjo tsy nisy mpanolo-tsaina hamaly Ahy, raha manontany azy Aho.
29 Tazama, wote ni ubatili! Matendo yao ni bure; vinyago vyao ni upepo mtupu na machafuko.
Indro, zava-poana avokoa izy rehetra; Tsinontsinona ny asany; Rivotra sy zava-poana ny sampiny an-idina.