< Isaya 31 >
1 Ole wao wale washukao Misri kwa ajili ya msaada, wale wategemeao farasi, wanaoweka tumaini katika wingi wa magari yao ya vita, na katika nguvu nyingi za wapanda farasi, lakini hawamwangalii yeye Aliye Mtakatifu wa Israeli, wala hawatafuti msaada kwa Bwana.
Lozan’ izay midìna any Egypta hitady famonjena sy miantehitra amin’ ny soavaly ary matoky ny kalesy, satria maro ireny, sy ny mpitaingin-tsoavaly, satria mahery dia mahery ireny, fa tsy manandrandra ny Iray Masin’ ny Isiraely, na mitady an’ i Jehovah.
2 Hata hivyo yeye pia ana hekima na anaweza kuleta maafa, wala hayatangui maneno yake. Yeye atainuka dhidi ya nyumba ya mwovu, dhidi ya wale ambao huwasaidia watenda mabaya.
Nefa Izy koa dia hendry ka mahatonga loza, ary tsy tsoahany ny teniny; Fa mitsangana Izy hamely ny mpianakavin’ ny mpanao ratsy sy izay manampy ny mpanao meloka.
3 Lakini Wamisri ni wanadamu, wala si Mungu, farasi wao ni nyama, wala si roho. Wakati Bwana atakaponyoosha Mkono wake, yeye anayesaidia atajikwaa, naye anayesaidiwa ataanguka, wote wawili wataangamia pamoja.
Fa olona ihany ny Egyptiana fa tsy Andriamanitra; Ary nofo ihany ny soavaliny, fa tsy fanahy. Koa raha ahinjitr’ i Jehovah ny tànany, dia ho tafintohina izay manampy, ary ho potraka izay ampiana, ka samy ho levona avokoa izy roa tonta.
4 Hili ndilo Bwana analoniambia: “Kama vile simba angurumavyo, simba mkubwa juu ya mawindo yake: hata ingawa kundi lote la wachunga mifugo huitwa pamoja dhidi yake, hatiwi hofu na kelele zao wala kusumbuliwa na ghasia zao; ndivyo Bwana Mwenye Nguvu Zote atakavyoshuka kufanya vita juu ya Mlima Sayuni na juu ya vilele vyake.
Fa izao no nolazain’ i Jehovah tamiko: Tahaka ny fieron’ ny liona sy ny liona tanora eo amin’ ny rembiny, ka na dia voangona aza ny mpiandry ondry betsaka hamely azy, Tsy matahotra ny feon’ ireo izy, na mandatsa-dremby noho ny fihorakorahany, dia tahaka izany no hidinan’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, Hiady ao an-tendrombohitra Ziona sy ny havoany.
5 Kama ndege warukao, Bwana Mwenye Nguvu Zote ataukinga Yerusalemu; ataukinga na kuuokoa, atapita juu yake na kuufanya salama.”
Tahaka ny vorona manomba no hiarovan’ i Jehovah, tompon’ ny maro, an’ i Jerosalema, fa sady hiaro no hamonjy Izy, eny, sady hiantra no hanafaka.
6 Mrudieni yeye ambaye nyumba ya Israeli imemwasi sana.
Koa miverena ho amin’ izay efa niodinanareo fatratra, ry zanak’ Isiraely ô.
7 Kwa kuwa katika siku ile kila mmoja wenu atazikataa sanamu za fedha na za dhahabu zilizotengenezwa kwa mikono yenu yenye dhambi.
Fa amin’ izany andro izany dia harian’ ny olona rehetra ny andriamani-bolafotsiny sy ny andriamani-bolamenany, izay fahotana nataon’ ny tananareo.
8 “Ashuru itaanguka kwa upanga ambao si wa mwanadamu; upanga usio wa kibinadamu utawaangamiza. Watakimbia mbele ya upanga na vijana wao wa kiume watafanyizwa kazi kwa lazima.
Ary ny Asyriana ho lavon’ ny sabatra izay tsy mba an’ olombelona, eny, sabatra izay tsy mba an’ olombelona no handringanana azy; Dia handositra ny sabatra izy, ary ny zatovony hampanaovina fanompoana,
9 Ngome zao zitaanguka kwa sababu ya hofu; kwa kuona bendera ya vita, majemadari wao watashikwa na hofu ya ghafula,” asema Bwana, ambaye moto wake uko Sayuni, nayo tanuru yake iko Yerusalemu.
Ary ny mpanjakany ho lasa noho ny fahatahorana, Ary mpanapaka azy hivadi-po noho ny faneva, hoy Jehovah, Izay manana ny afony ao Ziona sy ny fatany fandoroana ao Jerosalema.