< Isaya 27 >

1 Katika siku ile, Bwana ataadhibu kwa upanga wake, upanga wake mkali, mkubwa na wenye nguvu, ataadhibu Lewiathani yule nyoka apitaye kwa mwendo laini, Lewiathani yule nyoka mwenye kujipinda; atamuua joka huyo mkubwa sana wa baharini.
Amin’ izany andro izany ny sabatr’ i Jehovah, izay mafy sady lehibe no mahery, no ho entiny mamaly ny leviatana, dia ilay menarana mandositra, sy ny leviatana, dia ilay menarana miforoporotra, Ary hovonoiny ilay dragona ao an-dranomasina.
2 Katika siku ile: “Imbeni kuhusu shamba la mizabibu lililozaa:
Amin’ izany andro izany no hihiranareo ny amin’ ny tanim-boaloboka ahazoana divay mahery hoe:
3 Mimi, Bwana, ninalitunza, nalinyweshea maji mfululizo. Ninalichunga usiku na mchana ili mtu yeyote asije akalidhuru.
Izaho Jehovah no mpiaro io; Isaky ny indray mipi-maso no andemako azy, Fandrao misy manimba azy; Na andro na alina dia miaro azy aho.
4 Mimi sijakasirika. Licha pangekuwepo michongoma na miiba kunikabili! Ningepambana dhidi yake katika vita, ningeliichoma moto yote.
Tsy misy fahatezerana ato amiko; Enga anie ka hisy hery sy tsilo eto anatrehako hiadiako. Dia hiroatako ireo ka hodorako avokoa!
5 Au niwaache waje kwangu kwa ajili ya kupata kimbilio, wao na wafanye amani nami, naam, wafanye amani nami.”
Fa raha tsy izany, dia aoka hifikitra amin’ ny heriko kosa izy ka hihavana amiko; Eny, aoka hihavana amiko izy.
6 Katika siku zijazo, Yakobo atatia mizizi, Israeli atatoa chipukizi na kuchanua maua, naye atajaza ulimwengu wote kwa matunda.
Amin’ ny andro ho avy dia hamaka tsara Jakoba; Ary Isiraely hamony sy hitsimoka ka hameno izao tontolo izao amin’ ny fahavokarany.
7 Je, Bwana amempiga vile alivyowapiga wale waliompiga? Je, yeye ameuawa vile walivyouawa wale waliomuua yeye?
Moa tahaka ny namelezana izay namely azy va no moa namelezany azy koa? Ary tahaka ny namonoana izay novonoiny va no mba namonoana azy koa?
8 Kwa vita na kwa kumfukuza unapingana naye: kwa mshindo wake mkali anamfukuza, kama siku ile uvumapo upepo wa mashariki.
Tamin’ ny nandroahany azy dia voafetra no niadiany taminy; Nokororohiny tamin’ ny rivony mahery izy tamin’ ny andron’ ny rivotra avy any atsinanana.
9 Kwa hili, basi, hatia ya Yakobo itafanyiwa upatanisho, nalo hili litakuwa matunda ya utimilizo wa kuondolewa kwa dhambi yake: Wakati atakapoyafanya mawe yote ya madhabahu kuwa kama mawe ya chokaa yaliyopondwa vipande vipande, hakuna nguzo za Ashera au madhabahu za kufukizia uvumba zitakazobaki zimesimama.
Ka izao no hamelana ny helok’ i Jakoba, Ary izao ihany no vokatry ny nanesorana ny fahotany, dia amin’ ny anaovany ny vato rehetra amin’ ny alitara ho tahaka ny vato sokay voatorotoro, ary ny Aseraha sy ny tsangan-kazo ho an’ ny masoandro dia tsy hitsangana intsony.
10 Mji ulio na boma umebaki ukiwa, makao yaliyotelekezwa, yaliyoachwa kama jangwa. Huko ndama hulisha, huko hujilaza, wanakwanyua matawi yake.
Fa ho foana ny tanàna mimanda, ka dia ho fonenana afoy sy ilaozana tahaka ny efitra: Ao no hihinanan’ ny zanak’ omby, ary ao no handriany sy handaniany ny rantsan-kazony.
11 Wakati vijiti vyake vimekauka, huvunjwa nao wanawake huja na kuwasha navyo moto. Kwa kuwa hili ni taifa lisilo na ufahamu, kwa hiyo yeye aliyewafanya hana huruma juu yao, Muumba wao hawaonyeshi fadhili.
Raha malazo ny rantsany, dia hotapatapahina, ka ho avy ny vehivavy hitaina azy, satria firenena tsy manam-pahalalana izy, dia tsy hiantra azy ny Mpanao azy, ary tsy hamindra fo aminy ny Mpamorona azy.
12 Katika siku ile Bwana atapura kutoka matiririko ya Mto Frati hadi Kijito cha Misri, nanyi ee Waisraeli, mtakusanywa mmoja mmoja.
Ary amin’ izany andro izany dia hisy fampihintsanana ataon’ i Jehovah hatramin’ ny ony mandriaka ka hatramin’ ny lohasahan-driak’ i Egypta; Ary ianareo samy hotsimponina tsirairay, ry Zanak’ Isiraely.
13 Katika siku ile tarumbeta kubwa italia. Wale waliokuwa wakiangamia katika nchi ya Ashuru, nao wale waliokuwa uhamishoni katika nchi ya Misri watakuja na kumwabudu Bwana katika mlima mtakatifu huko Yerusalemu.
Ary amin’ izany andro izany koa no hitsofana anjomara lehibe, dia ho avy izay very tany amin’ ny tany Asyria sy izay efa voaroaka tany amin’ ny tany Egypta, ka hiankohoka eo anatrehan’ i Jehovah ao amin’ ny tendrombohitra masìna any Jerosalema.

< Isaya 27 >