< Isaya 13 >
1 Neno kuhusu Babeli ambalo Isaya mwana wa Amozi aliliona:
Faminaniana hitan’ Isaia, zanak’ i Amoza, ny amin’ ny loza hanjo an’ i Babylona.
2 Twekeni bendera juu ya mlima usio na kitu, wapazieni sauti, wapungieni mkono waingie katika malango ya wenye heshima.
Manangàna faneva eo an-tampon’ izay tendrombohitra mangadihady ianareo, manandrata feo hiantso azy, hofay tanana izy hiditra amin’ ny vavahadin’ ireo mpanapaka.
3 Nimewaamuru watakatifu wangu; nimewaita mashujaa wangu waitimize hasira yangu: wale wanaoshangilia ushindi wangu.
Izaho efa nandidy ny nohamasiniko, eny, efa niantso ny lehilahy maheriko aho, dia ireo mibitaka amim-pireharehana, hahatanteraka ny fahatezerako.
4 Sikilizeni kelele juu ya milima, kama ile ya umati mkubwa wa watu! Sikilizeni, makelele katikati ya falme, kama mataifa yanayokusanyika pamoja! Bwana Mwenye Nguvu Zote anakusanya jeshi kwa ajili ya vita.
Injany! ny horakoraka any an-tendrombohitra, tahaka ny an’ ny vahoaka be! Dia ny fitabataban’ ny fanjakan’ ny firenena efa tafatambatra! Jehovah, Tompon’ ny maro, no manomana miaramila hiady,
5 Wanakuja kutoka nchi za mbali sana, kutoka miisho ya mbingu, Bwana na silaha za ghadhabu yake, kuangamiza nchi yote.
Izay avy any amin’ ny tany lavitra, any amin’ ny faravodilanitra, dia Jehovah sy ireo fitaovan’ ny fahatezerany, ho enti-mandrava ny tany rehetra.
6 Ombolezeni, kwa maana siku ya Bwana i karibu, itakuja kama uharibifu kutoka kwa Mwenyezi.
Midradradradrà ianareo, fa efa antomotra ny andron’ i Jehovah, ka tahaka ny loza tsy toha avy amin’ ny Tsitoha no fihaviny.
7 Kwa sababu ya hili, mikono yote italegea, moyo wa kila mtu utayeyuka.
Ary noho izany dia hiraviravy ny tanana rehetra, ary ho kivy ny fon’ ny zanak’ olombelona rehetra;
8 Hofu itawakamata, uchungu na maumivu makali yatawashika, watagaagaa kama mwanamke aliye na utungu wa kuzaa. Watatazamana kwa hofu kila mtu na mwenzake, nyuso zao zikiwaka kama moto.
Ho toran-kovitra izy; Fanaintainana sy fahoriana no hahazo azy, ka hijalijaly tahaka ny vehivavy mihetsi-jaza izy; samy ho talanjona izy ka hifampijery; Mitarehin-delafo ny tarehiny.
9 Tazameni, siku ya Bwana inakuja, siku katili, yenye ghadhabu na hasira kali, kuifanya nchi kuwa ukiwa na kuwaangamiza wenye dhambi waliomo ndani yake.
Indro, avy ny andron’ i Jehovah, dia loza sy fahavinirana ary firehetan’ ny fahatezerana hanafoanana ny tany sy handringanana ny mpanota tsy ho ao.
10 Nyota za mbinguni na makundi ya nyota havitatoa mwanga wake. Jua linalochomoza litatiwa giza na mwezi hautatoa nuru yake.
Fa ny kintan’ ny lanitra, na dia ireo Telonohorefy aza, dia tsy hampamirapiratra ny fahazavany; ny masoandro ho maizina amin’ ny iposahany; Ary ny volana tsy hangarangarana.
11 Nitauadhibu ulimwengu kwa ajili ya uovu wake, waovu kwa ajili ya dhambi zao. Nitakomesha majivuno ya wenye kiburi, na nitakishusha kiburi cha watu wakatili.
Ary hatsingeriko amin’ izao tany rehetra izao ny faharatsiany, sy amin’ ny ratsy fanahy ny helony; Ary hatsahatro ny fireharehan’ ny mpiavonavona, Ary haetriko ny fiavonavonan’ ny mpampahory.
12 Nitawafanya wanadamu kuwa adimu kuliko dhahabu safi, watakuwa wachache sana kuliko dhahabu ya Ofiri.
Dia hataoko ho saro-tadiavina mihoatra noho ny volamena tsara ny olombelona, eny, noho ny tena volamena avy any Ofira aza.
13 Kwa hiyo nitazifanya mbingu zitetemeke, nayo dunia itatikisika kutoka mahali pake katika ghadhabu ya Bwana Mwenye Nguvu Zote, katika siku ya hasira yake iwakayo.
Ary noho izany dia hampihorohoroiko ny lanitra, ary ny tany hientanentana hiala amin’ ny fitoerany noho ny fahatezeran’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, sy noho ny andro firehetan’ ny fahatezerany.
14 Kama swala awindwaye, kama kondoo wasio na mchungaji, kila mmoja atarudi kwa watu wake mwenyewe, kila mmoja atakimbilia nchi yake ya kuzaliwa.
Ary ho tahaka ny gazela hazaina ny olona, sy ho tahaka ny ondry aman’ osy tsy misy mpamory, ka dia samy ho lasa any amin’ ny fireneny avy izy, eny, samy handositra ho any amin’ ny taniny avy izy.
15 Yeyote atakayetekwa atapasuliwa tumbo, wote watakaokamatwa watauawa kwa upanga.
Izay rehetra azo dia holefonina, ary izay rehetra tratra dia ho lavon’ ny sabatra.
16 Watoto wao wachanga watavunjwa vipande vipande mbele ya macho yao; nyumba zao zitatekwa na wake zao watatendwa jeuri.
Ary ny zanany madinika hotorotoroina eo imasony; Ny tranony hobaboina, ary ny vadiny hosavihina.
17 Tazama, nitawachochea Wamedi dhidi yao, ambao hawajali fedha wala hawafurahii dhahabu.
Indro, hamporisihiko hamely azy ny Mediana, izay manao ny volafotsy tsy ho zavatra ary tsy mankamamy ny volamena.
18 Mishale yao itawaangusha vijana, hawatakuwa na huruma kwa watoto wachanga wala hawataangalia watoto kwa huruma.
Ny tsipìkany handripaka ny zatovo, ary izay ateraky ny kibo tsy hamindrany fo, eny, na dia ny zaza aza tsy hiantran’ ny masony.
19 Babeli, johari ya falme, utukufu wa kiburi cha Wababeli, itaangushwa na Mungu kama Sodoma na Gomora.
Ary Babylona, ravaky ny fanjakana maro Tabiha sy reharehan’ ny Kaldeana, Dia ho rava tahaka ny nandravan’ Andriamanitra an’ i Sodoma sy Gomora;
20 Hautakaliwa na watu kamwe wala watu hawataishi humo kwa vizazi vyote. Hakuna Mwarabu atakayepiga hema lake huko, hakuna mchungaji atakayepumzisha makundi yake huko.
Tsy honenana mandrakizay izy ary tsy hitoerana intsony hatramin’ ny taranaka fara mandimby, Tsy hisy Arabo hanorin-day any, na mpiandry ondry hampandry ny ondriny any;
21 Lakini viumbe wa jangwani watalala huko, mbweha watajaza nyumba zake, bundi wataishi humo nao mbuzi-mwitu watarukaruka humo.
Fa ny bibi-dia any an-efitra no hitoetra any, ho feno vorondolo ny tranony, ny ostritsa no hitoetra any, ary ny osilahy no hitsambikimbikina any,
22 Fisi watalia ndani ya ngome zake, mbweha ndani ya majumba yake ya kifahari. Wakati wake umewadia, na siku zake hazitaongezwa.
Ny kary no hifampierena ao an-tranobeny, ary ny amboadia ao amin’ ny lapa nanaranam-po; efa antomotra ny fotoany, ary ny androny tsy hatao ela.