< Hosea 12 >

1 Efraimu anajilisha upepo; hufukuzia upepo wa mashariki kutwa nzima na kuzidisha uongo na jeuri. Anafanya mkataba na Ashuru na kutuma mafuta ya zeituni Misri.
Efraima homan-drivotra sady manenjika ny rivotra avy any atsinanana, mandritra ny andro dia ataony betsaka ny lainga sy ny fandozana; Manao fanekena amin’ ny Asyriana izy, ary diloilo no entina ho any Egypta.
2 Bwana analo shtaka dhidi ya Yuda, atamwadhibu Yakobo kwa kadiri ya njia zake na kumlipa kwa kadiri ya matendo yake.
Manana ady amin’ i Joda koa Jehovah ary tsy maintsy mamaly an’ i Jakoba araka ny alehany, ka hatsingeriny aminy ny nataony.
3 Yakobo akiwa tumboni alishika kisigino cha kaka yake; kama mwanadamu, alishindana na Mungu.
Fony mbola tany am-bohoka dia nihazona ny ombelahin-tongotry ny rahalahiny izy, ary rehefa lehibe izy, dia nitolona tamin’ Andriamanitra;
4 Alishindana na malaika na kumshinda; alilia na kuomba upendeleo wake. Alimkuta huko Betheli na kuzungumza naye huko:
Eny, nitolona tamin’ Ilay Anjely izy ka nahery; Nitomany izy sady nifona taminy; Nahita azy tao Betela Izy, ary tao no niresahany tamintsika;
5 Bwana Mungu Mwenye Nguvu Zote, Bwana ndilo jina lake!
Jehovah, Andriamanitry ny maro, Jehovah no hahatsiarovana Azy.
6 Lakini ni lazima urudi kwa Mungu wako; dumisha upendo na haki, nawe umngojee Mungu wako siku zote.
Koa miverena amin’ Andriamanitrao ianao; Tandremo ny famindram-po sy ny rariny. Ary miandrasa an’ Andriamanitrao mandrakariva.
7 Mfanyabiashara hutumia vipimo vya udanganyifu; hupenda kupunja.
Kanana eny an-tànany misy mizana miangatra, ny manambaka no tiany.
8 Efraimu hujisifu akisema, “Mimi ni tajiri sana; nimetajirika. Pamoja na utajiri wangu wote hawatakuta ndani yangu uovu wowote au dhambi.”
Fa hoy Efraima: Fiharian-karena ihany no efa nataoko, nahazo fananana aho; Ny asako rehetra tsy misy hahatonga fahotana na heloka amiko.
9 “Mimi ndimi Bwana Mungu wenu niliyewaleta kutoka Misri; nitawafanya mkae tena kwenye mahema, kama vile katika siku za sikukuu zenu zilizoamriwa.
Nefa Izaho no Jehovah Andriamanitrao hatrany amin’ ny tany Egypta; Ary mbola hampiditra anao an-day indray Aho tahaka ny tamin’ ny fotoam-pivavahana.
10 Niliongea na manabii, nikawapa maono mengi na kusema mifano kupitia wao.”
Efa niteny tamin’ ny mpaminany koa Aho, sady Izaho no nahabetsaka ny fahitana, ary ny mpaminany dia nampilazaiko ohatra.
11 Je, Gileadi si mwovu? Watu wake hawafai kitu! Je, hawatoi dhabihu za mafahali huko Gilgali? Madhabahu zao zitakuwa kama malundo ya mawe katika shamba lililolimwa.
Raha tena heloka Gileada, dia ho tonga zava-poana tokoa izy; Tany Gilgala no namonoany omby betsaka ho fanatitra, koa ny alitarany dia ho toy ny korontam-bato eny am-bavasa any an-tsaha.
12 Yakobo alikimbilia katika nchi ya Aramu; Israeli alitumika ili apate mke, ili aweze kulipa kwa ajili yake alichunga kondoo.
Jakoba nandositra ho any amin’ ny tany Syria, Isiraely nanompo hahazoany vady, eny, ny hahazoany vady no niandrasany ondry aman’ osy.
13 Bwana alimtumia nabii kumpandisha Israeli kutoka Misri, kwa njia ya nabii alimtunza.
Mpaminany no nentin’ i Jehovah nitondra ny Isiraely nivoaka avy tany Egypta, ary mpaminany koa no nentina niahy azy
14 Lakini Efraimu amemchochea sana hasira; Bwana wake ataleta juu yake hatia yake ya kumwaga damu naye atamlipiza kwa ajili ya dharau yake.
Nanao izay nahatezitra indrindra Efraima, ka dia havelan’ ny Tompony ho eo aminy ny ràny, ary hatsingeriny aminy ny vava ratsy nataony.

< Hosea 12 >