< Mwanzo 29 >
1 Kisha Yakobo akaendelea na safari yake na akafika kwenye nchi za mataifa ya mashariki.
Dia niainga Jakoba ka nankany amin’ ny tanin’ ny zanaky ny atsinanana.
2 Huko akaona kisima katika shamba, pamoja na makundi matatu ya kondoo yamelala karibu na kisima hicho kwa sababu walikuwa wanakunywa maji kutoka kwenye kisimani hicho. Jiwe lililokuwa mdomoni mwa kisima lilikuwa kubwa.
Dia nijery izy, ka, indro, nisy lavaka fantsakana tany an-tsaha, ary, indro, nisy ondry aman’ osy telo, dia nandry teo anilany; fa teo amin’ izany lavaka fantsakana izany no fampisotroan’ ny olona ny andian’ ny ondry aman’ osy; ary lehibe ny vato teo am-bavan’ ny fantsakana.
3 Wakati kondoo wanapokuwa wamekusanyika hapo, wachungaji huvingirisha jiwe hilo kutoka kwenye mdomo wa kisima na kunywesha kondoo. Kisha hulirudisha jiwe mahali pake juu ya mdomo wa kisima.
Ary nangonina teo ny andian’ ny ondry aman’ osy rehetra, dia nakodian’ ny olona ny vato hiala amin’ ny vavan’ ny lavaka fantsakana, ka nampisotroiny ny ondry aman’ osy; ary dia naveriny indray ny Vato ho eo am-bavan’ ny lavaka fantsakana ho amin’ ny fitoerany.
4 Yakobo aliwauliza wachungaji, “Ndugu zangu, ninyi mmetoka wapi?” Wakamjibu, “Tumetoka Harani.”
Ary hoy Jakoba tamin’ ny olona: Ry rahalahiko, avy aiza moa ianareo? Ary hoy ireo: Avy any Harana izahay.
5 Aliwaambia, “Je, mnamjua Labani, mjukuu wa Nahori?” Wakamjibu, “Ndiyo, tunamfahamu.”
Ary hoy izy taminy: Moa mba fantatrareo va Labana, zanakalahin’ i Nahora? Dia hoy izy: Fantatray ihany.
6 Kisha Yakobo akawauliza, “Je, yeye ni mzima?” Wakasema, “Ndiyo, ni mzima, na hapa yuaja Raheli binti yake akiwa na kondoo.”
Ary hoy izy taminy: Tsara ihany va izy? Dia hoy izy: Tsara ihany izy; ary, indro, tamy Rahely zananivavy mitondra ny ondry aman’ osy.
7 Akasema, “Tazama, jua bado liko juu, si wakati wa kukusanya mifugo. Nywesheni kondoo na mwarudishe malishoni.”
Ary hoy izy: Indro, mbola antoandrobe ny andro, ka tsy mbola mby amin’ ny fotoana famoriana ny omby aman’ ondry; ampisotroy ny ondry aman’ osy, dia andeha, andraso.
8 Walijibu, “Haiwezekani, mpaka kondoo wote wakusanyike na jiwe liwe limevingirishwa kutoka mdomo wa kisima. Ndipo tutanywesha kondoo.”
Dia hoy izy: Tsy azonay hatao izany, raha tsy efa tafangona avokoa ny andian’ ny ondry aman’ osy rehetra, ka hakodian’ ny olona ny vato hiala amin’ ny vavan’ ny lavaka fantsakana; dia vao hampisotro ny ondry aman’ osy izahay.
9 Alipokuwa akizungumza nao, Raheli akaja pamoja na kondoo wa baba yake, kwa maana alikuwa mchunga kondoo.
Raha mbola niteny taminy izy; dia, indro, tamy Rahely nitondra ny ondry aman’ osin-drainy; fa mpiandry ondry izy.
10 Yakobo alipomwona Raheli binti Labani, ndugu wa mama yake, pamoja na kondoo wa Labani, alikwenda na kulivingirisha jiwe kutoka mdomoni mwa kisima na kuwanywesha kondoo wa mjomba wake.
Ary rehefa hitan’ i Jakoba Rahely, zanakavavin’ i Labana anadahin-dreniny, sy ny ondry aman’ osin’ i Labana anadahin-dreniny, dia nanatona izy ka nanakodia ny vato hiala tamin’ ny vavan’ ny lavaka fantsakana, dia nampisotro ny ondry aman’ osin’ i Labana anadahin-dreniny izy.
11 Kisha Yakobo akambusu Raheli na akaanza kulia kwa sauti.
Ary Jakoba nanoroka an-dRahely, dia nanandrata ny feony ka nitomany.
12 Yakobo alikuwa amemwambia Raheli kuwa yeye alikuwa jamaa ya baba yake, na kwamba ni mwana wa Rebeka. Basi Raheli alikimbia na kumweleza baba yake.
Dia nambaran’ i Jakoba tamin-dRahely fa havan-drainy sy zana-dRebeka izy; dia nihazakazaka Rahely nanambara izany tamin-drainy.
13 Mara Labani aliposikia habari kuhusu Yakobo, mwana wa ndugu yake, aliharakisha kwenda kumlaki. Akamkumbatia na kumbusu, halafu akamleta nyumbani kwake, kisha Yakobo akamwambia mambo yote.
Ary rehefa ren’ i Labana ny filazany an’ i Jakoba, zanak’ anabaviny, dia nihazakazaka nitsena azy izy ka namihina azy sy nanoroka azy ary nitondra azy ho any an-tranony. Dia nambaran’ i Jakoba tamin’ i Labana izany rehetra izany.
14 Ndipo Labani akamwambia, “Wewe ni nyama yangu na damu yangu mwenyewe.” Baada ya Yakobo kukaa kwa Labani mwezi mzima,
Ary hoy Labana taminy: Taolako sy nofoko tokoa ianao. Ary rehefa nitoetra tao aminy andro iray volana Jakoba,
15 Labani akamwambia, “Kwa vile wewe ni jamaa yangu, ndiyo sababu unifanyie kazi bila ujira? Niambie ujira wako utakuwa nini.”
dia hoy Labana taminy: Moa na dia rahalahiko aza ianao, dia hanompo ahy maina va? Lazao amiko izay ho karamanao.
16 Labani alikuwa na binti wawili, binti mkubwa aliitwa Lea na binti mdogo aliitwa Raheli.
Ary Labana nanan-janaka roa vavy: Lea no anaran’ ny zokiny, ary Rahely no anaran’ ny zandriny.
17 Lea alikuwa na macho dhaifu, lakini Raheli alikuwa na umbo la kupendeza na mzuri wa sura.
Ary Lea nalemy maso; fa Rahely bikàna sady tsara tarehy.
18 Yakobo akampenda Raheli, akamwambia Labani, “Nitakutumikia kwa miaka saba kwa ajili ya kumpata Raheli binti yako mdogo.”
Ary Jakoba tia an-dRahely ka nanao hoe: Hanompo anao fito taona aho hahazoako an-dRahely, zanakao faravavy.
19 Labani akasema, “Ni bora zaidi nikupe Raheli kuliko kumpa mtu mwingine yeyote. Kaa pamoja na mimi hapa.”
Ary hoy Labana: Aleoko homena anao izy, toy izay homena lehilahy hafa; tomoera eto amiko.
20 Kwa hiyo Yakobo akatumika miaka saba ili kumpata Raheli, lakini ilionekana kwake kama siku chache tu kwa sababu ya upendo wake kwa Raheli.
Dia nanompo an’ i Labana fito taona Jakoba hahazoany an-dRahely; ary toa andro vitsy foana teo imasony izany noho ny fitiavany azy.
21 Ndipo Yakobo akamwambia Labani, “Nipe mke wangu. Muda wangu umekamilika, nami nataka nikutane naye kimwili.”
Ary hoy Jakoba tamin’ i Labana: Aiza ny vadiko, mba hanambadiako azy? fa efa tapitra ny fetr’ androko.
22 Basi Labani akaalika watu wote wa mahali pale na akafanya karamu.
Ary nampamory ny tompon-tany rehetra Labana ka nanao fanasana.
23 Lakini ilipofika jioni, akamchukua Lea binti yake akampa Yakobo, naye Yakobo akakutana naye kimwili.
Kanjo nony hariva dia naka an’ i Lea zananivavy izy ka nitondra azy ho any amin’ i Jakoba; dia nanambady azy Jakoba.
24 Naye Labani akamtoa Zilpa, mtumishi wake wa kike, kuwa mtumishi wa Lea, binti yake.
Ary nomen’ i Labana an’ i Lea zananivavy Zilpa ankizivaviny hanompo azy.
25 Kesho yake asubuhi, Yakobo akagundua kuwa amepewa Lea! Basi Yakobo akamwambia Labani, “Ni jambo gani hili ulilonitendea? Nilikutumikia kwa ajili ya Raheli, sivyo? Kwa nini umenidanganya?”
Ary nony efa maraina ny andro, indro fa Lea izy; dia hoy Jakoba tamin’ i Labana: Ahoana izao nataonao tamiko izao? Moa tsy Rahely va no nanompoako anao? Ka nahoana no nofitahinao aho?
26 Labani akajibu, “Si desturi yetu kumwoza binti mdogo kabla ya kumwoza binti mkubwa.
Dia hoy Labana: Tsy fanao atỳ amin’ ny taninay ny mamoaka ny zandriny alohan’ ny zokiny.
27 Maliza juma la arusi ya binti huyu, kisha pia nitakupa huyu binti mdogo, kwa kutumika miaka mingine saba.”
Tanteraho ny herinandron’ ity anankiray ity, dia homenay anao koa ny anankiray noho ny fanompoana izay mbola hanompoanao ahy fito taona indray.
28 Naye Yakobo akafanya hivyo. Akamaliza juma na Lea, kisha Labani akampa Raheli binti yake kuwa mke wake.
Dia nataon’ i Jakoba izany, ka notanterahiny ny herinandrony; dia nomen’ i Labana azy koa Rahely zananivavy ho vadiny.
29 Labani akamtoa Bilha mtumishi wake wa kike kwa Raheli ili kuwa mtumishi wake.
Ary nomen’ i Labana an-dRahely zananivavy kosa Bila ankizivaviny hanompo azy.
30 Pia Yakobo akakutana na Raheli kimwili, naye akampenda Raheli zaidi kuliko Lea. Yakobo akamtumikia Labani kwa miaka mingine saba.
Dia novadin’ i Jakoba koa Rahely; ary izy no tiany mihoatra noho Lea; dia nanompo an’ i Labana fito taona indray izy.
31 Bwana alipoona kwamba Lea hapendwi, akampa watoto, lakini Raheli alikuwa tasa.
Ary rehefa hitan’ i Jehovah fa nankahalaina Lea, dia nampanan’ anaka azy Izy; fa momba kosa Rahely.
32 Lea akapata mimba akazaa mwana. Akamwita Reubeni, kwa maana alisema, “Ni kwa sababu Bwana ameona huzuni yangu. Hakika mume wangu sasa atanipenda.”
Dia nanan’ anaka Lea ka niteraka zazalahy, ary ny anarany dia nataony hoe Robena; fa hoy izy: Efa nitsinjo ny fahoriako Jehovah, fa ankehitriny dia ho tian’ ny vadiko aho.
33 Akapata tena mimba, naye alipozaa mwana, akasema, “Kwa sababu Bwana alisikia kwamba sipendwi, amenipa tena huyu mwana.” Kwa hiyo akamwita Simeoni.
Dia nanan’ anaka indray izy ka niteraka zazalahy; ary hoy izy: Satria ren’ i Jehovah fa efa nankalahaina aho, dia nomeny ahy koa ity; dia nataony hoe Simeona ny anarany.
34 Akapata tena mimba, naye alipozaa mwana, akasema, “Sasa afadhali mume wangu ataambatana na mimi, kwa sababu nimemzalia wana watatu.” Kwa hiyo akamwita Lawi.
Dia nanan’ anaka indray izy ka niteraka zazalahy; ary hoy izy: Ankehitriny izao dia hikambana amiko ny vadiko, fa efa niteraka zazalahy telo ho azy aho; izany no nanaovana ny anarany hoe Levy.
35 Akapata tena mimba, naye alipozaa mwana, akasema, “Wakati huu nitamsifu Bwana.” Kwa hiyo akamwita Yuda. Kisha akaacha kuzaa watoto.
Dia nanan’ anaka indray izy ka niteraka zazalahy; ary hoy izy: Ankehitriny dia hidera an’ i Jehovah aho; izany no nanaovany ny anarany hoe Joda; dia nitsaha-jaza izy.