< Ezra 6 >
1 Kisha Mfalme Dario alitoa amri, nao wakafanya uchunguzi katika kumbukumbu zilizohifadhiwa katika hazina huko Babeli.
Ary tamin’ izany Dariosy mpanjaka dia nandidy, ka nizahana ny trano fitehirizan-taratasy, izay nitehirizana ny rakitra tany Babylona.
2 Karatasi moja ndefu ya maandishi ilipatikana huko Ekbatana katika jimbo la Umedi. Haya ndiyo yaliyokuwa yameandikwa humo: Kumbukumbu:
Dia tao Akmeta, tao an-dapa izay any amin’ ny tanin’ ny Mediana, no nahitana horonan-taratasy anankiray, ka voasoratra teo izao tantara izao:
3 Katika mwaka wa kwanza wa kutawala Mfalme Koreshi, mfalme alitoa amri kuhusu Hekalu la Mungu katika Yerusalemu: Hekalu na lijengwe tena mahali palepale Wayahudi walipokuwa wakitoa dhabihu, kwenye msingi ule ule. Iwe na kimo cha mikono sitini, upana wa mikono sitini,
Tamin’ ny taona voalohany nanjakan’ i Kyrosy dia nandidy izy nanao hoe: Ny amin’ ny tranon’ Andriamanitra any Jerosalema, dia aoka hatao mihitsy izany ho fanateran’ ny olona fanatitra, ary aoka hatao mafy ny fanorenany, ka enim-polo hakiho ny hahavony, ary enim-polo hakiho koa ny sakany,
4 kuta zijengwe kwa safu tatu za mawe makubwa kisha ifuate safu moja ya mbao. Gharama zitalipwa kutoka hazina ya mfalme.
dia vato vaventy telo an-dalana sy hazo vaovao iray an-dalana; ary aoka haloa avy amin’ ny tranon’ ny mpanjaka izay lany;
5 Pia, vyombo vya dhahabu na vya fedha vya nyumba ya Mungu, ambavyo Nebukadneza alivichukua kutoka kwenye Hekalu huko Yerusalemu akavileta Babeli, yapasa virudishwe mahali pake ndani ya Hekalu huko Yerusalemu, yapasa viwekwe ndani ya nyumba ya Mungu.
ary ny fanaky ny tranon’ Andriamanitra, na ny volamena na ny volafotsy, izay nalain’ i Nebokadnezara tao amin’ ny tempoly tany Jerosalema ka nentiny ho any Babylona, dia aoka haverina ho any amin’ ny tempoly any Jerosalema indray ireo, samy ho amin’ ny fitoerany avy, ka aoka hapetraka ao an-tranon’ Andriamanitra avokoa.
6 Sasa basi, Tatenai, mtawala wa Ngʼambo ya Mto Frati na Shethar-Bozenai pamoja na ninyi, maafisa wenzao wa jimbo hilo kaeni mbali na mahali hapo.
Koa amin’ izany, ry Tatenay, governora any an-dafin’ ny ony, sy ry Setara-bozenay mbamin’ ny Afarsakita namanareo, izay any an-dafin’ ny ony, mihataha ianareo.
7 Msiingilie kazi ya Hekalu hili la Mungu. Mwacheni mtawala wa Wayahudi na viongozi Wayahudi wajenge upya nyumba hii ya Mungu mahali pake.
Aza misakana ny fanaovana io tranon’ Andriamanitra io; aoka ny mpanapaka ny Jiosy sy ny loholon’ ny Jiosy hanao io tranon’ Andriamanitra io eo amin’ ilay efa niorenany ihany.
8 Zaidi ya hayo, hapa natoa amri kuhusu mtakalofanya kwa ajili ya wazee wa Wayahudi katika ujenzi wa nyumba hii ya Mungu: Gharama za watu hawa zitalipwa kikamilifu kutoka hazina ya mfalme, kutoka kwenye mapato ya Ngʼambo ya Mto Frati, ili ujenzi usisimame.
Ary izaho manao didy ny amin’ ny hataonareo amin’ ny loholon’ ireo Jiosy ireo hanaovany izany tranon’ Andriamanitra izany: aoka ny haren’ ny mpanjaka, dia ny hetra avy amin’ ny any an-dafin’ ny ony, no handoavana marina izay lany ho an’ ireo lehilahy ireo, mba tsy ho azon-tsampona izy.
9 Chochote kinachohitajika kama mafahali wachanga, kondoo dume, wana-kondoo kwa ajili ya sadaka za kuteketezwa kwa Mungu wa mbinguni, ngano, chumvi, divai na mafuta kama vitakavyohitajika na makuhani huko Yerusalemu, lazima wapewe kila siku pasipo kukosa,
Ary izay zavatra ilainy, na zanak’ omby, na ondrilahy, na zanak’ ondry, ho fanatitra dorana ho an’ Andriamanitry ny lanitra, na vary tritika na sira, na divay sy diloilo, araka izay andidian’ ny mpisorona any Jerosalema, dia aoka homena azy isan’ andro isan’ andro tsy tapaka izany,
10 ili waweze kutoa dhabihu inayompendeza Mungu wa mbinguni na kumwombea mfalme na wanawe hali njema.
mba hanaterany fanatitra ho hanitra ankasitrahana ho an’ Andriamanitry ny lanitra sy hivavahany mba ho ela velona ny mpanjaka mbamin’ ny zanany.
11 Zaidi ya hayo, ninaamuru kwamba mtu yeyote atakayebadilisha amri hii, boriti itangʼolewa kutoka nyumba yake, ichongwe upande mmoja na atumbuliwe nayo. Kwa ajili ya kosa hili nyumba yake ifanywe lundo la taka.
Ary izaho manao didy fa na iza na iza no mandika izao teny izao, dia aoka hangalana hazo avy amin’ ny tranony, ary haorina, dia hahantona eo ny tenany; ary aoka hatao firinga ny tranony noho izany.
12 Naye Mungu, aliyeliweka Jina lake huko, amwangushe mfalme yeyote au watu watakaoinua mikono kubadili amri hii au kuharibu Hekalu hili lililoko Yerusalemu. Mimi Dario nimetoa amri hii. Nayo itekelezwe kwa bidii na kwa makini.
Ary Andriamanitra, Izay efa nampitoetra ny anarany teo, anie handringana ny mpanjaka sy ny vahoaka rehetra, izay maninjitra ny tanany handika ny didiko ka handrava izany tranon’ Andriamanitra any Jerosalema izany. Izaho Dariosy no nanao ny didy; aoka hotovina marina tokoa izany.
13 Kwa sababu ya amri aliyotoa Mfalme Dario, Tatenai mtawala wa Ngʼambo ya Mto Frati na Shethar-Bozenai na wenzao wakaitekeleza kwa bidii na kwa makini.
Ary tamin’ izany Tatenay, governora amin’ ny etỳ an-dafin’ ny ony etỳ, sy Setarabozenay mbamin’ ny namany dia nankato marina izany teny efa nampitondrain’ i Dariosy ho any aminy izany.
14 Hivyo wazee wa Wayahudi waliendelea kujenga na kustawi kutokana na mahubiri ya manabii Hagai na Zekaria, mwana wa Ido. Wakakamilisha ujenzi wa Hekalu kulingana na agizo la Mungu wa Israeli na amri ya Koreshi, Dario na Artashasta wafalme wa Uajemi.
Dia nanao ny trano ny loholon’ ny Jiosy ka nambinina noho ny faminanian’ i Hagay mpaminany sy Zakaria, zanak’ Ido. Ary nanao ny trano izy ka nahavita azy, araka ny didin’ Andriamanitry ny Isiraely sy araka ny didin’ i Kyrosy sy Dariosy ary Artaksersesy, mpanjakan’ i Persia.
15 Hekalu lilikamilika siku ya kumi na mbili ya mwezi wa Adari, ndio mwezi wa tatu, katika mwaka wa sita wa utawala wa Mfalme Dario.
Dia vita io trano io tamin’ ny andro fahatelo tamin’ ny volana Adara tamin’ ny taona fahenina nanjakan’ i Dariosy mpanjaka.
16 Kisha watu wa Israeli: makuhani, Walawi na wengine wote waliohamishwa, wakaadhimisha kule kuwekwa wakfu nyumba ya Mungu kwa shangwe.
Ary ny Zanak’ Isiraely, na ny mpisorona, na ny Levita, na ny olona sisa izay nody avy tamin’ ny fahababoana, dia nitokana io tranon’ Andriamanitra io tamin’ ny fifaliana;
17 Kwa ajili ya kuwekwa wakfu nyumba hii ya Mungu walitoa mafahali mia moja, kondoo dume mia mbili, wana-kondoo mia nne, sadaka kwa ajili ya dhambi ya Israeli yote walitoa mbuzi dume kumi na wawili, mmoja kwa ajili ya kila kabila la Israeli.
ary ny nateriny hitokanana io tranon’ Andriamanitra io dia omby zato sy ondrilahy roan-jato sy zanak’ ondry efa-jato; ary ny ho fanatitra noho ny ota kosa ho an’ ny Isiraely rehetra dia osilahy roa ambin ny folo, araka ny isan’ ny firenen’ Isiraely.
18 Wakawaweka makuhani katika nafasi zao na Walawi wakawekwa katika makundi yao ya huduma kwa Mungu huko Yerusalemu, kulingana na ilivyoandikwa katika Kitabu cha Mose.
Dia nanendry ny mpisorona ho amin’ ny firazanany avy sy ny Levita ho amin’ ny antokony avy izy, hanao ny fanompoana an’ Andriamanitra izay any Jerosalema, araka izay voasoratra ao amin’ ny bokin’ i Mosesy.
19 Katika siku ya kumi na nne ya mwezi wa kwanza, waliorudi kutoka uhamishoni wakaadhimisha Pasaka.
Ary ny olona izay efa nody avy tamin’ ny fahababoana dia nitandrina ny Paska tamin’ ny andro fahefatra ambin’ ny folo tamin’ ny volana voalohany;
20 Makuhani na Walawi walikuwa wamekwisha kujitakasa nao wamekuwa safi kwa kufuata kawaida za ibada. Walawi wakachinja kondoo wa Pasaka kwa ajili ya wana wa waliorudi kutoka utumwani uhamishoni, kwa ajili ya ndugu zao makuhani na wao wenyewe.
fa ny mpisorona sy ny Levita samy efa nanadio ny tenany rahateo, dia nadio izy rehetra ka namono ny Paska ho an’ izay rehetra efa nody avy tamin’ ny fahababoana sy ho an’ ny mpisorona rahalahiny ary ho an’ ny tenany,
21 Hivyo Waisraeli waliokuwa wamerudi kutoka utumwani uhamishoni wakaila Pasaka, pamoja na wale waliokuwa wamejitenga na matendo ya unajisi wa Mataifa ya jirani ili kumtafuta Bwana, Mungu wa Israeli.
Dia nihinana izany ny Zanak’ Isiraely izay efa nody avy tamin’ ny fahababoana mbamin’ izay rehetra niavaka ho namany ka niala tamin’ ny fahalotoan’ ny firenena tompon-tany hitady an’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely,
22 Kwa muda wa siku saba waliiadhimisha Sikukuu ya Mikate Isiyotiwa Chachu kwa furaha, kwa sababu Bwana alikuwa amewajaza furaha kwa kubadilisha nia ya mfalme wa Ashuru kwamba awasaidie ujenzi wa nyumba ya Mungu, Mungu wa Israeli.
ka dia nitandrina ny andro firavoravoana fihinanana ny mofo tsy misy masirasira hafitoana tamin’ ny fifaliana izy; fa Jehovah efa nampifaly azy ary efa nampiova ny fon’ ny mpanjakan’ i Asyria hamindra fo aminy ka hampahery ny tànany tamin’ ny nanaovany ny tranon’ Andriamanitra, dia Andriamanitry ny Isiraely.