< Ezekieli 4 >

1 “Mwanadamu, sasa chukua tofali, uliweke mbele yako na uchore juu yake ramani ya mji wa Yerusalemu.
Ary ianao, ry zanak’ olona, makà kapila tanimanga, ary apetraho eo anoloanao, dia manorata sarin-tanàna eo aminy, dia sarin’ i Jerosalema;
2 Kisha uuzingire: Simamisha askari dhidi yake kuuzunguka, uzunguke kwa majeshi, weka kambi dhidi yake pande zote pamoja na magogo ya kubomolea boma vitani.
ary ataovy fahirano izy, ka manaova tilikambo hamelezana azy, ary manandrata tovon-tany manodidina azy; ary asio toby hamelezana azy, ary asio lohondry vy fandravana manodidina azy.
3 Kisha chukua bamba la chuma, ukalisimamishe liwe kama ukuta wa chuma kati yako na huo mji, nawe uuelekeze uso wako. Huo mji utakuwa katika hali ya kuzingirwa, nawe utauzingira. Hii itakuwa ishara kwa nyumba ya Israeli.
Ary makà lapoely, ka ataovy manda vy eo anelanelanao sy ny tanàna, dia banjino tsara io, ary aoka hatao fahirano, eny, aoka hataonao fahirano io. Famantarana ho amin’ ny taranak’ Isiraely izany.
4 “Kisha ulale kwa upande wako wa kushoto na uweke dhambi za nyumba ya Israeli juu yake. Utazibeba dhambi zao kwa idadi ya siku utakazolala kwa huo upande mmoja.
Ary ataovy ambany mandry ny ilanao ankavia, ka ataovy eo aminy ny fahotan’ ny taranak’ Isiraely; koa araka ny isan’ ny andro handrianao toy izany no hitondranao ny helony.
5 Nimekupangia idadi ya siku kama miaka ya dhambi yao. Kwa hiyo kwa siku 390 utabeba dhambi za nyumba ya Israeli.
Fa Izaho dia manao fetr’ andro ho anao mitovy amin’ ny taonan’ ny helony, dia sivi-folo amby telon-jato andro, ka ho entinao ny heloky ny taranak’ Isiraely.
6 “Baada ya kumaliza hili, lala chini tena, wakati huu ulale chini kwa upande wa kuume, uchukue dhambi za nyumba ya Yuda. Nimekupangia siku arobaini, siku moja kwa kila mwaka mmoja.
Ary rehefa tapitrao ireo, dia ataovy ambany mandry kosa ny ilanao ankavanana, ary aoka hitondra ny heloky ny taranak’ i Joda efa-polo andro ianao; ny indray andro no nataoko solon’ ny herintaona ho anao.
7 Geuza uso wako uelekeze kwenye kuzingirwa kwa Yerusalemu na mkono wako ambao haukuvikwa nguo tabiri dhidi yake.
Dia banjino tsara io fahirano an’ i Jerosalema io, ary aoka hiseho sandry ianao ka haminany hamely azy.
8 Nitakufunga kwa kamba ili usiweze kugeuka kutoka upande mmoja hadi upande mwingine, mpaka hapo utakapokuwa umetimiza siku za kuzingirwa kwako.
Ary, indro, hafatotro ianao ka tsy hahavadi-mandry ambara-pahatapitrao ny andron’ ny fahiranonao.
9 “Chukua ngano na shayiri, maharagwe na dengu, mtama na mawele, uviweke na kuvihifadhi vyote kwenye gudulia la kuhifadhia, na uvitumie kujitengenezea mkate. Utaula mkate huo kwa hizo siku 390 utakazokuwa umelala kwa upande mmoja.
Ary mangalà vary tritika sy vary hordea sy tsaramaso sy voanemba sy ampemby sy spelta ianao, ary ataovy am-bilia iray ireo, ka anaovy mofo ho anao; araka ny isan’ ny andro izay handrianao amin’ ny ilanao, dia sivi-folo amby telon-jato andro, no hihinananao azy.
10 Pima shekeli ishirini za chakula utakachokula kwa kila siku, nawe utakula kwa wakati uliopangwa.
Ary an-danjany no hihinananao ny haninao, dia roa-polo sekely isan’ andro; asio elanelany ny fihinanao azy.
11 Pia pima maji moja ya sita ya hini, nawe utakunywa kwa wakati uliopangwa.
Ary rano afàtra no hosotroinao, dia ampahenin’ ny hina; asio elanelany koa ny fisotronao azy.
12 Nawe utakula chakula kama vile ambavyo ungekula mkate wa shayiri, uoke mkate mbele ya macho ya watu, ukitumia kinyesi cha mwanadamu.”
Ary hatao toy ny mofo vary hordea no ho fihinanao azy, ary diky no hataonao kitay hanendasanao azy eo imasony.
13 Bwana akasema, “Hivi ndivyo watu wa Israeli watakavyokula chakula kilicho najisi miongoni mwa mataifa ninakowapeleka.”
Ary hoy Jehovah: Toy izany no hihinanan’ ny zanak’ Isiraely ny mofony voaloto any amin’ ny firenena izay handroahako azy.
14 Ndipo nikasema, “Sivyo Bwana Mwenyezi! Kamwe mimi sijajitia unajisi. Tangu ujana wangu hadi sasa sijala kamwe kitu chochote kilichokufa au kilichoraruliwa na wanyama wa mwituni. Hakuna nyama yeyote najisi iliyoingia kinywani mwangu.”
Dia hoy izaho: Indrisy Jehovah Tompo ô, indro tsy voaloto ny fanahiko; fa hatry ny fony aho mbola tanora ka mandraka ankehitriny dia tsy mba nihinana izay fatin-javatra na izay noviraviraim-biby akory aho; ary tsy mbola nikasika ny vavako akory izay nofo fahavetavetana.
15 Akasema, “Vema sana, basi nitakuruhusu uoke mkate wako kwa kutumia kinyesi cha ngʼombe badala ya kinyesi cha mwanadamu.”
Dia hoy Izy tamiko: Indro, tain’ omby no omeko anao hisolo ny dity, ka izany no hataonao kitay hanendasanao ny mofonao.
16 Ndipo Mungu akaniambia, “Mwanadamu, mimi nitakatilia mbali upatikanaji wa chakula katika Yerusalemu. Watu watakula chakula cha kupimwa kwa wasiwasi pamoja na maji ya kupimiwa kwa kukata tamaa,
Ary hoy koa Izy tamiko: Ry zanak’ olona, indro, hotapahiko any Jerosalema ny mofo, tohan’ aina, ka an-danjany amin’ ny fanahiana no hihinanany mofo; ary rano afàtra no hosotroiny amin’ ny fahatahorana.
17 kwa kuwa chakula na maji vitakuwa adimu. Watastajabiana kila mmoja, nao watadhoofika kwa sababu ya dhambi yao.
Ka dia ho mosare-mofo sy rano izy, ary samy ho raiki-tahotra sady hihalevona noho ny helony.

< Ezekieli 4 >