< Kutoka 5 >
1 Baadaye Mose na Aroni wakaenda kwa Farao, wakamwambia, “Hili ndilo asemalo Bwana, Mungu wa Israeli: ‘Waruhusu watu wangu waende, ili waweze kunifanyia sikukuu huko jangwani.’”
Ary rehefa afaka izany, Mosesy sy Arona dia nankao amin’ i Farao ka niteny taminy hoe: Izao no lazain’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Alefaso ny oloko mba hanao andro firavoravoana ho Ahy any an-efitra.
2 Farao akasema, “Huyo Bwana ni nani, hata nimtii na kuruhusu Israeli uende? Simjui huyo Bwana wala sitawaruhusu Israeli waende.”
Fa hoy Farao: Iza moa Jehovah, no hekeko teny handefasako ny Isiraely? tsy fantatro izay Jehovah, ka tsy halefako ny Isiraely.
3 Ndipo Mose na Aroni wakasema, “Mungu wa Waebrania amekutana nasi. Sasa turuhusu tuwe na safari ya siku tatu ya jangwani ili tukamtolee Bwana Mungu wetu dhabihu, la sivyo aweza kutupiga sisi kwa tauni au kwa upanga.”
Ary hoy izy roa lahy: Andriamanitry ny Hebreo efa nihaona taminay; koa trarantitra ianao, aoka handeha lalan-kateloana any an-efitra izahay hamono zavatra hatao fanatitra ho an’ i Jehovah Andriamanitray; fandrao Izy hamely anay amin’ ny areti-mandringana, na amin’ ny sabatra.
4 Lakini mfalme wa Misri akasema, “Mbona ninyi Mose na Aroni mnawachukua watu waache kazi zao? Rudini kwenye kazi zenu!”
Ary hoy ny mpanjakan’ i Egypta taminy: Nahoana ianareo, ry Mosesy sy Arona, no manaketraka ny olona amin’ ny asany? mandehana any amin’ ny fanompoanareo mafy.
5 Kisha Farao akasema, “Tazama, sasa watu hawa ni wengi, nanyi mnawazuia kufanya kazi.”
Ary hoy koa Farao: Indro, efa maro ankehitriny ny olona eto amin’ ny tany, ka ianareo mampitsahatra azy amin’ ny fanompoany mafy.
6 Siku iyo hiyo Farao akatoa amri hii kwa viongozi wa watumwa na wasimamizi wa watu akawaambia:
Ary tamin’ izany andro izany Farao nandidy ny mpampiasa ny olona mbamin’ ny mpifehy azy ka nanao hoe:
7 “Tangu sasa msiwape hawa watu nyasi za kutengenezea matofali. Wao wakusanye nyasi zao wenyewe.
Aza omenareo mololo hanaovana biriky tahaka ny teo aloha intsony ny olona; fa izy ihany no aoka handeha hanangona mololo ho azy.
8 Lakini watakeni kutengeneza matofali kiasi kile kile cha mwanzo, kiwango kisipunguzwe. Wao ni wavivu, ndiyo sababu wanalia, wakisema, ‘Turuhusiwe twende kumtolea Mungu wetu dhabihu.’
Kanefa ny isan’ ny biriky izay fanaony teo aloha dia mbola hampanaovinareo azy ihany, fa aza ahenanareo; fa malaina izy, koa izany no itarainany hoe: Aoka izahay handeha hamono zavatra hatao fanatitra ho an’ Andriamanitray.
9 Fanyeni kazi kuwa ngumu zaidi kwa watu hao ili kwamba wakazane na kazi na kuacha kusikiliza uongo.”
Hamafio ny fanompoan’ ny olona mba hifotorany amin’ izany, fa aza avela hihaino izay lainga foana izy.
10 Basi viongozi wa watumwa na wasimamizi wakaenda kuwaambia watu, “Hivi ndivyo Farao asemavyo: ‘Sitawapa tena nyasi.
Dia nivoaka ny mpampiasa ny olona mbamin’ ny mpifehy azy ka niteny tamin’ ny olona nanao hoe: Izao no lazain’ i Farao: Izaho tsy mba hanome mololo anareo intsony;
11 Nendeni mkatafute nyasi wenyewe popote mnapoweza kuzipata, lakini kazi yenu haitapunguzwa hata kidogo.’”
fa mandehana ianareo ka manangona mololo any amin’ izay hahitanareo, satria tsy hahena ny fanompoanareo na dia kely akory aza.
12 Basi watu wakatawanyika kote nchini Misri kukusanya mabua ya kutumia badala ya nyasi.
Dia niely eran’ ny tany Egypta rehetra ny olona mba hifako vodivary ho solon’ ny mololo.
13 Viongozi wa watumwa wakasisitiza, wakisema, “Timizeni kazi mnayotakiwa kwa kila siku, kama wakati ule mlipokuwa mkipewa nyasi.”
Ary ny mpampiasa nandodona azy ka nanao hoe: Vitao ny asanareo, izay anjara-fanompoana isan’ andro, tahaka ny fony mbola nisy mololo ihany.
14 Wasimamizi wa Kiisraeli waliochaguliwa na viongozi wa watumwa wa Farao walipigwa na kuulizwa, “Kwa nini hamkutimiza kiwango chenu cha kutengeneza matofali jana na leo, kama mwanzoni?”
Ary ny mpifehy ny Zanak’ Isiraely, izay notendren’ ny mpampiasa avy amin’ i Farao mba hifehy azy, dia nokapohina ka nanontaniana hoe: Ahoana no tsy nahavitanareo ny anjaranareo tamin’ ny fanaovana ny biriky omaly sy androany, tahaka ny teo aloha?
15 Ndipo wasimamizi wa Kiisraeli wakaenda kumlilia Farao, wakisema: “Mbona umewatendea watumishi wako hivi?
Dia nankao amin’ i Farao ny mpifehy ny Zanak’ Isiraely ka nitaraina taminy hoe: Nahoana no manao toy izany amin’ ny mpanomponao ianao?
16 Watumishi wako hawapewi nyasi, hata hivyo tumeambiwa, ‘Tengenezeni matofali!’ Watumishi wako wanapigwa, lakini kosa ni la watu wako wenyewe.”
Tsy omena mololo tsinona izahay mpanomponao, nefa mbola asaina manao biriky ihany; ary, indreto, izahay mpanomponao no kapohina, ka manota ny vahoakanao.
17 Farao akasema, “Ninyi ni wavivu ndiyo sababu mnasema, ‘Turuhusu twende tukamtolee Bwana dhabihu.’
Fa hoy Farao: Malaina dia malaina ianareo, ka izany no anaovanareo hoe: Aoka handeha izahay hamono zavatra hatao fanatitra ho an’ i Jehovah.
18 Sasa nendeni kazini. Hamtapewa nyasi zozote, nanyi ni lazima mtengeneze matofali.”
Ary ankehitriny, mandehana, ataovy izay fanompoanareo, fa tsy hisy mololo homena anareo; nefa ny anjara-birikinareo dia mbola hatolotrareo ihany.
19 Wasimamizi wa Kiisraeli walitambua kuwa wako taabani walipoambiwa, “Hamtakiwi kupunguza idadi ya matofali mliotakiwa kutengeneza kila siku.”
Ary hitan’ ny mpifehy ny Zanak’ Isiraely fa efa azon-doza izy noho ny nanaovana hoe: Tsy hahenanareo ny isan’ ny birikinareo amin’ ny anjara-fanompoana isan’ andro.
20 Walipoondoka kwa Farao, wakawakuta Mose na Aroni wakingojea kukutana nao,
Ary izy ireo dia nihaona tamin’ i Mosesy sy Arona, izay nijanona niandry azy, raha avy tany amin’ i Farao izy;
21 wakawaambia Mose na Aroni, “Bwana na awaangalie awahukumu ninyi! Mmetufanya tunuke kwa Farao na maafisa wake, nanyi mmeweka upanga mikononi mwao ili kutuua sisi.”
dia hoy izy tamin’ izy roa lahy: Jehovah anie hijery sy hitsara anareo, satria efa nataonareo mangidy hoditra eo anatrehan’ i Farao sy eo anatrehan’ ny mpanompony izahay, ka nasianareo sabatra eo an-tànany hamonoany anay.
22 Mose akarudi kwa Bwana na kumwambia, “Ee Bwana, mbona umewaletea watu hawa taabu? Kwa nini basi ukanituma mimi?
Ary Mosesy niverina ho any amin’ i Jehovah ka nanao hoe: Tompo ô, nahoana no nahatonga loza tamin’ ity firenena ity Hianao? nahoana re no naniraka ahy Hianao?
23 Tangu nilipomwendea Farao kuzungumza naye kwa jina lako, amewaletea taabu watu hawa, nawe kamwe hujawakomboa watu wako.”
Fa hatrizay nankanesako tao amin’ i Farao mba hiteny amin’ ny anaranao izay, dia nahatonga loza tamin’ ity firenena ity izy; nefa tsy namonjy ny olonao akory Hianao.