< Kutoka 29 >

1 “Hili ndilo utakalofanya ili kuwaweka wakfu makuhani ili wanitumikie mimi katika kazi ya ukuhani: Chukua fahali mchanga mmoja na kondoo dume wawili wasio na dosari.
Ary izao no zavatra hataonao aminy hanamasinana azy ho mpisorona ho Ahy: makà vantotr’ ombilahy iray sy ondrilahy roa tsy misy kilema,
2 Kutokana na unga laini wa ngano usiotiwa chachu, tengeneza mikate na maandazi yaliyokandwa kwa mafuta, pamoja na mikate midogo myembamba.
ary mofo tsy misy masirasira sy mofo tsy misy masirasira voaharo diloilo ary mofo manify tsy misy masirasira sady voahoso-diloilo; koba tsara toto no hanaovanao azy.
3 Viwekwe vyote ndani ya kikapu na kuvitoa pamoja na yule fahali na wale kondoo dume wawili.
Ary ataovy eo anaty harona iray izy, ka ento amin’ ny harona; ary ny vantotr’ ombilahy sy ny ondrilahy roa dia ento koa.
4 Kisha mlete Aroni na wanawe kwenye lango la Hema la Kukutania na uwaoshe kwa maji.
Ary Arona Sy ny zanany dia ento hankeo amin’ ny varavaran’ ny trano-lay fihaonana, ka ampandroy amin’ ny rano izy
5 Chukua yale mavazi na umvike Aroni koti, joho la kisibau na kisibau chenyewe pamoja na kile kifuko cha kifuani. Mfungie hicho kisibau kwa ule mshipi wa kiunoni uliosukwa kwa ustadi.
Ary alao ny fitafiana ka ampiakanjoy an’ i Arona ny akanjo lava sy ny akanjo ivelany misy ny efoda ary ny efoda sy ny saron-tratra ary fehezo amin’ ny fehin-kibo mamba ny efoda izy;
6 Weka kilemba kichwani mwake na kuweka taji takatifu ishikamane na hicho kilemba.
ary ny hamama dia ataovy eo amin’ ny lohany, ary ny diadema masìna dia ataovy eo amin’ ny hamama.
7 Chukua yale mafuta ya upako umimine juu ya kichwa chake.
Ary alao ny diloilo fanosorana, ka aidino amin’ ny lohany, dia manosora azy.
8 Walete wanawe na uwavike makoti,
Ary ny zanany dia ento koa, ka ampiakanjoy akanjo lava.
9 pia uwavike zile tepe za kichwani. Ndipo uwafunge Aroni na wanawe mishipi. Ukuhani ni wao kwa agizo la kudumu. Kwa njia hii utamweka wakfu Aroni na wanawe.
Ary fehezo amin’ ny fehin-kibo izy, dia Arona sy ny zanany, ary fehezo aminy ny satroka boribory; ary ho azy ny fisoronana ho lalàna mandrakizay. Dia toy izany no hanokananao an’ i Arona sy ny zanany.
10 “Mlete yule fahali mbele ya Hema la Kukutania, naye Aroni na wanawe wataweka mikono yao juu ya kichwa chake.
Ary asaovy entina ho eo anoloan’ ny trano-lay fihaonana ny vantotr’ ombilahy; ary aoka Arona sy ny zanany hametraka ny tànany amin’ ny lohan’ ny vantotr’ ombilahy;
11 Mchinje huyo fahali mbele za Bwana kwenye mlango wa Hema la Kukutania.
dia vonoy eo anatrehan’ i Jehovah ny vantotr’ ombilahy, eo anoloan’ ny varavaran’ ny trano-lay fihaonana;
12 Chukua sehemu ya damu ya huyo fahali na kuipaka kwenye pembe za hayo madhabahu kwa kidole chako, na damu iliyobaki uimwage sehemu ya chini ya madhabahu.
ary analao ny ran’ ny vantotr’ ombilahy, dia atenteno eo amin’ ny tandroky ny alitara amin’ ny fanandranao, ary ny rà sisa rehetra dia aidino eo am-bodin’ ny alitara;
13 Kisha chukua mafuta yote ya huyo mnyama ya sehemu za ndani, yale yanayofunika ini, figo zote mbili pamoja na mafuta yake, uviteketeze juu ya madhabahu.
ary alao ny safo-drorohany rehetra sy ny ila-atiny lehibe ary ny voany roa mbamin’ ny fonom-boany, ka dory ho fofona eo ambonin’ ny alitara;
14 Lakini nyama ya huyo fahali na ngozi yake na matumbo yake utavichoma nje ya kambi. Hii ni sadaka ya dhambi.
fa ny henan’ ny vantotr’ ombilahy sy ny hodiny ary ny tain-drorohany dia dory amin’ ny afo eny ivelan’ ny toby; fanatitra noho ny ota izany.
15 “Chukua mmoja wa wale kondoo dume, naye Aroni na wanawe wataweka mikono yao juu ya kichwa chake.
Ary alao ny ondrilahy iray; ary aoka Arona sy ny zanany hametraka ny tànany amin’ ny lohan’ ny ondrilahy;
16 Mchinje huyo kondoo dume, chukua damu yake na uinyunyize pande zote za hayo madhabahu.
dia vonoy ny ondrilahy, ka tantazo ny ràny, dia atopazy manodidina amin’ ny lafin’ ny alitara;
17 Mkate huyo kondoo dume vipande vipande na usafishe sehemu za ndani pamoja na miguu, ukiviweka pamoja na kichwa na vipande vingine.
ary rasao tsara ny ondrilahy, dia sasao ny taovany sy ny tongony, ka ataovy eo ambonin’ ny voarasa sy ny lohany;
18 Kisha mteketeze huyo kondoo dume mzima juu ya madhabahu. Hii ni sadaka ya kuteketezwa kwa Bwana, harufu ya kupendeza, sadaka iliyotolewa kwa Bwana kwa moto.
ary dory ho fofona eo ambonin’ ny alitara ny tenan’ ny ondrilahy; ho fanatitra dorana ho an’ i Jehovah izany, dia hanitra ankasitrahana, fanatitra atao amin’ ny afo ho an’ i Jehovah.
19 “Mchukue yule kondoo dume mwingine, naye Aroni na wanawe waweke mikono yao juu ya kichwa chake.
Ary alao ny ondrilahy iray koa; ary aoka Arona sy ny zanany hametraka ny tànany amin’ ny lohan’ ny ondrilahy;
20 Mchinje, uchukue sehemu ya damu yake na kuipaka kwenye masikio ya Aroni na wanawe, kwenye vidole gumba vya mikono yao ya kuume, pia kwenye vidole gumba vya miguu yao ya kuume. Kisha nyunyiza hiyo damu pande zote za madhabahu.
dia vonoy ny ondrilahy ka analao ny ràny, dia atenteno amin’ ny tendron’ ny ravin-tsofina ankavanan’ i Arona sy amin’ ny tendron’ ny ravin-tsofina ankavanan’ ny zanany, ary amin’ ny ankihiben-tànany ankavanana sy amin’ ny ankihiben-tongony ankavanana; ary ny rà sisa dia atopazy manodidina amin’ ny lafin’ ny alitara
21 Pia chukua sehemu ya damu iliyo juu ya madhabahu na sehemu ya mafuta ya upako, umnyunyizie Aroni na mavazi yake, pia wanawe na mavazi yao. Ndipo Aroni na wanawe pamoja na mavazi yao watakuwa wamewekwa wakfu.
Ary analao ny rà, izay eo ambonin’ ny alitara, sy ny diloilo fanosorana, ka afafazo amin’ i Arona sy amin’ ny fitafiany, ary amin’ ny zanany sy amin’ ny fitafian’ ny zanany koa; dia ho masìna izy sy ny fitafiany ary ny zanany sy ny fitafian’ ny zanany koa.
22 “Chukua mafuta ya huyu kondoo dume, mafuta ya mkia, mafuta ya sehemu za ndani yale yanayofunika ini, figo zote mbili na mafuta yake, pamoja na paja la kulia. (Huyo ndiye kondoo dume kwa ajili ya kuwaweka wakfu.)
Ary alao ny saboran’ ny ondrilahy sy ny hofany sy ny safo-drorohany sy ny ila-atiny lehibe sy ny voany roa mbamin’ ny fonom-boany ary ny soroka ankavanana; fa ondrilahy fanakanana izy;
23 Kutoka kwenye kile kikapu chenye mikate iliyotengenezwa bila chachu, kilichoko mbele za Bwana, chukua mkate, andazi lililokandwa kwa mafuta na mkate mdogo mwembamba.
ary manala iray amin’ ny mofo sy iray amin’ ny mofo voaisy diloilo ary iray amin’ ny mofo manify izay eo amin’ ny harona misy ny mofo tsy misy masirasira, izay eo anatrehan’ i Jehovah;
24 Viweke vitu hivi vyote mikononi mwa Aroni na wanawe na uviinue mbele za Bwana kuwa sadaka ya kuinuliwa.
ary ataovy eo an-tànan’ i Arona sy eo an-tànan’ ny zanany izy rehetra, ka ahevahevao izy hofanatitra ahevaheva eo anatrehan’ i Jehovah.
25 Kisha vichukue vitu hivyo kutoka mikononi mwao, uviteketeze juu ya madhabahu pamoja na sadaka ya kuteketezwa kuwa harufu nzuri ya kupendeza kwa Bwana, sadaka iliyotolewa kwa Bwana kwa moto.
Dia raiso amin’ ny tànany izany, ka dory ho fofona eo ambonin’ ny alitara, miaraka amin’ ny fanatitra dorana ho hanitra ankasitrahana eo anatrehan’ i Jehovah, dia fanatitra atao amin’ ny afo, ho an’ i Jehovah.
26 Baada ya kuchukua kidari cha huyo kondoo dume wa kuwekwa wakfu kwa Aroni, kiinue mbele za Bwana kuwa sadaka ya kuinuliwa, nayo itakuwa fungu lako.
Ary alao ny tratran’ ny ondrilahy fanokanana an’ i Arona, ka ahevahevao ho fanatitra ahevaheva eo anatrehan’ i Jehovah; dia ho anjaranao izany.
27 “Weka wakfu zile sehemu za kondoo dume aliyetumika kwa kumweka wakfu Aroni na wanawe: kidari kile kilichoinuliwa na lile paja lililotolewa.
Ary hamasino ny tratran’ ny fanatitra ahevaheva sy ny soroky ny fanatitra asandratra, izay ahevaheva sy izay asandratra avy amin’ ny ondrilahy fanokanana, dia izay ho an’ i Arona sy izay ho an’ ny zanany.
28 Siku zote hili litakuwa fungu la kawaida kutoka kwa Waisraeli kwa ajili ya Aroni na wanawe. Hili ni toleo la Waisraeli watakalotoa kwa Bwana kutoka sadaka zao za amani.
Ary ho anjara mandrakizay ho an’ i Arona sy ho an’ ny taranany avy amin’ ny Zanak’ Isiraely izany, fa fanatitra asandratra izany; ary hisy fanatitra asandratra haterin’ ny Zanak’ Isiraely avy amin’ ny fanati-pihavanany rehetra ho fanatitra asandratra ho an’ i Jehovah.
29 “Mavazi matakatifu ya Aroni yatakuwa ya wazao wake ili kwamba waweze kutiwa mafuta na kuwekwa wakfu wakiwa wameyavaa.
Ary ny fitafiana masìna izay an’ i Arona dia ho an’ ny zanany mandimby azy koa hanosorana azy sy hanokanana azy.
30 Mwana atakayeingia mahali pake kuwa kuhani na kuja kwenye Hema la Kukutania kuhudumu katika Mahali Patakatifu atayavaa kwa siku saba.
Hiakanjo azy hafitoana izay anankiray amin’ ny zanany ho mpisarona handimby azy, dia izay miditra amin’ ny trano-lay fihaonana hanao fanompoam-pivavahana ao amin’ ny fitoerana masìna.
31 “Chukua nyama ya huyo kondoo dume wa kuwaweka wakfu uipike katika Mahali Patakatifu.
Ary alao ny ondrilahy fanokanana ka andrahoy eo amin’ izay fitoerana masìna ny henany
32 Aroni na wanawe wataila ile nyama ya huyo kondoo dume pamoja na ile mikate iliyo kwenye hicho kikapu wakiwa hapo ingilio la Hema la Kukutania.
Ary hohanin’ i Arona sy ny zanany eo anoloan’ ny varavaran’ ny trano-lay fihaonana ny henan’ ny ondrilahy sy ny mofo izay eo anatin’ ny harona.
33 Watakula sadaka hizi ambazo upatanisho ulifanywa kwazo kwa ajili ya kuwaweka wakfu na kuwatakasa. Lakini hakuna mtu mwingine yeyote anayeruhusiwa kuvila, kwa sababu ni vitakatifu.
Ary izy na hihinana izany zavatra izany, izay nanaovana fanavotana ho azy, mba hanokanana sy hanamasinana azy; fa ny vahiny tsy mba hihinana, satria masìna izany.
34 Ikiwa nyama yoyote ya huyo kondoo dume iliyotumika kwa kuwaweka wakfu au mkate wowote umebaki mpaka asubuhi, vichomwe. Kamwe visiliwe, kwa sababu ni vitakatifu.
Ary raha misy sisa tsy lany amin’ ny henan’ ny fanatitra fanokanana, na amin’ ny mofo, ka tra-maraina, dia hodoranao amin’ ny afo ny sisa tsy lany: tsy hohanina izany, satria masìna.
35 “Hivyo utamfanyia Aroni na wanawe kila kitu kama vile nilivyokuamuru: Utachukua muda wa siku saba kuwaweka wakfu.
Dia manaova izany amin’ i Arona sy ny zanany, araka izay rehetra nandidiako anao; hafitoana no hanokananao azy.
36 Utatoa dhabihu ya fahali kila siku kuwa sadaka ya dhambi ili kufanya upatanisho. Takasa madhabahu kwa kufanya upatanisho kwa ajili yake, nayo uitie mafuta na kuiweka wakfu.
Ary vantotr’ ombilahy iray no haterinao isan’ andro ho fanatitra noho ny ota, hanaovana fanavotana; ary diovy ny alitara, raha manao fanavotana azy ianao; ary hosory izy hanamasina azy.
37 Kwa muda wa siku saba fanya upatanisho kwa ajili ya madhabahu na kuiweka wakfu. Ndipo madhabahu itakuwa takatifu sana na chochote kitakachoigusa kitakuwa kitakatifu.
Hafitoana no hanaovanao fanavotana ho an’ ny alitara sy hanamasinanao azy; dia ho masìna indrindra ny alitara, ary ho masìna izay rehetra manendry azy.
38 “Kwa kawaida hiki ndicho utakachotoa juu ya madhabahu kila siku: wana-kondoo wawili wenye umri wa mwaka mmoja.
Ary izao no haterinao eo ambonin’ ny alitara: zanak’ ondry roa izay iray taona isan’ andro isan’ andro
39 Utamtoa mmoja asubuhi na huyo mwingine jioni.
(ny zanak’ ondry iray haterinao nony maraina, ary ny zanak’ ondry iray koa haterinao nony hariva),
40 Pamoja na mwana-kondoo wa kwanza utatoa efa moja ya unga wa ngano laini uliochanganywa na robo ya hini ya mafuta yaliyokamuliwa, pamoja na robo ya hini ya divai kuwa sadaka ya kinywaji.
ary koba tsara toto ampahafolon’ ny efaha voaharoharo diloilo voavely ampahefatry ny hina sy divay ampahefatry ny hina, ho fanatitra aidina amin’ ny isan-janak’ ondry iray.
41 Huyo mwana-kondoo mwingine mtoe dhabihu wakati wa machweo pamoja na sadaka za unga na za kinywaji kama vile ulivyofanya asubuhi, kuwa harufu ya kupendeza, sadaka iliyotolewa kwa Bwana kwa moto.
Ary ny zanak’ ondry iray koa haterinao nony hariva; ary fanatitra hohanina sy fanatitra aidina tahaka ny natao tamin’ ny fanatitra maraina no hampombainao azy, ho hanitra ankasitrahana, dia fanatitra atao amin’ ny afo ho an’ i Jehovah.
42 “Kwa vizazi vijavyo itakuwa kawaida kutoa sadaka hii ya kuteketezwa kila mara kwenye ingilio la Hema la Kukutania mbele za Bwana. Hapo ndipo nitakapokutana na ninyi na kusema nanyi,
Ho fanatitra dorana mandrakariva izany hatramin’ ny taranakareo fara mandimby, eo anoloan’ ny varavaran’ ny trano-lay fihaonana eo anatrehan’ i Jehovah, dia ao amin’ izay hihaonako aminareo hiteny aminao
43 Huko ndipo nitakapokutana na Waisraeli, nalo Hema la Kukutania litatakaswa na utukufu wangu.
Ary hihaona amin’ ny Zanak’ Isiraely ao Aho, ka hohamasinin’ ny voninahitro izy.
44 “Kwa hiyo nitaliweka wakfu Hema la Kukutania pamoja na madhabahu, nami nitamweka wakfu Aroni na wanawe ili wanitumikie mimi katika kazi ya ukuhani.
Ary hohamasiniko ny trano-lay fihaonana sy ny alitara; ary hohamasiniko koa Arona sy ny zanany mba ho mpisorona ho Ahy.
45 Ndipo nitakapofanya makao miongoni mwa Waisraeli na kuwa Mungu wao.
Ary honina eo amin’ ny Zanak’ Isiraely Aho ka ho Andriamaniny.
46 Nao watajua kuwa Mimi Ndimi Bwana Mungu wao, aliyewatoa Misri ili nipate kufanya makao miongoni mwao. Mimi Ndimi Bwana Mungu wao.
Ary ho fantany fa Izaho no Jehovah Andriamaniny, Izay nitondra azy nivoaka avy tany amin’ ny tany Egypta, mba honina eo aminy Aho; Izaho no Jehovah Andriamaniny.

< Kutoka 29 >