< Kutoka 25 >

1 Bwana akamwambia Mose,
Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe:
2 “Waambie Waisraeli waniletee sadaka. Utapokea sadaka kwa niaba yangu kutoka kwa kila mtu ambaye moyo wake wapenda kutoa.
Mitenena amin’ ny Zanak’ Isiraely mba hitondra fanatitra ho Ahy izy; dia avy amin’ ny olona rehetra izay amporisihin’ ny fony no handraisanareo ny fanatitra ho Ahy.
3 Hizi ndizo sadaka utakazozipokea kutoka kwao: dhahabu, fedha na shaba;
Ary izao no fanatitra izay horaisinareo aminy: volamena sy volafotsy sy varahina,
4 nyuzi za rangi ya buluu, za zambarau, za rangi nyekundu, pamoja na kitani safi; singa za mbuzi;
sy manga sy volomparasy sy mena sy rongony fotsy madinika sy volon’ osy,
5 ngozi za kondoo dume zilizopakwa rangi nyekundu, na ngozi za pomboo; mbao za mshita;
sy hoditr’ ondrilahy efa nomen’ aina sy hodi-takasy sy hazo akasia,
6 mafuta ya zeituni kwa ajili ya taa; vikolezi kwa ajili ya mafuta ya upako, pamoja na uvumba wa harufu nzuri;
sy diloilo hatao fanazavana sy zava-manitra ho amin’ ny diloilo fanosorana sy ho ditin-kazo mani-pofona,
7 na vito vya shohamu na vito vingine vya thamani vya kuweka kwenye kisibau na kile kifuko cha kifuani.
sy vato beryla sy vato halatsaka an-tranontranony amin’ ny efoda sy amin’ ny saron-tratra.
8 “Kisha uwaamuru wanitengenezee mahali patakatifu, nami nitakaa miongoni mwao.
Ary asaovy manao fitoerana masìna ho Ahy izy, dia honina eo aminy Aho.
9 Tengeneza hema hili na vyombo vyake vyote sawasawa na kielelezo nitakachokuonyesha.
Araka izay rehetra asehoko aminao, dia ny endriky ny tabernakely sy ny endriky ny fanaka rehetra momba azy, dia araka izany no hanaovanao azy.
10 “Nao watatengeneza Sanduku la mbao za mshita, lenye urefu wa dhiraa mbili na nusu, upana wa dhiraa moja na nusu, na kimo cha dhiraa moja na nusu.
Ary asaovy manao fiara hazo akasia izy: roa hakiho sy sasany ny lavany; ary iray hakiho sy sasany ny sakany, ary iray hakiho sy sasany ny hahavony.
11 Utalifunika hilo Sanduku kwa dhahabu safi ndani na nje, na kulifanyia ukingo wa dhahabu juu yake kulizunguka.
Ary petaho takela-bolamena tsara izy: ny atiny sy ny ivelany dia samy hopetahanao takela-bolamena avokoa; ary asio koronosy volamena manodidina eo amboniny.
12 Utalisubu kwa pete nne za dhahabu na kuzifungia kwenye miguu yake minne, pete mbili kwa upande mmoja na pete mbili kwa upande mwingine.
Ary mandrendreha vava volamena efatra hatao aminy, ka ataovy eo amin’ ny tongony efatra; dia vava volamena roa eo amin’ ny lafiny iray, ary vava volamena roa eo amin’ ny lafiny iray koa.
13 Kisha utatengeneza mipiko ya mti wa mshita na kuzifunika kwa dhahabu.
Ary manaova bao hazo akasia, ka petaho takela-bolamena.
14 Utaiingiza hiyo mipiko kwenye zile pete katika pande mbili za Sanduku ili kulibeba.
Ary ampidiro ny bao ho eo amin’ ny vava volamena, izay eo amin’ ny lafin’ ny fiara, hilanjana azy.
15 Hiyo mipiko itabakia daima katika hizo pete za hilo Sanduku; haitaondolewa.
Eo amin’ ny vava volan’ ny fiara no hitoeran’ ny bao, ka tsy hesorina eo izy.
16 Kisha weka ndani ya hilo Sanduku ule Ushuhuda nitakaokupa.
Ary ataovy ao anatin’ ny fiara ny Vavolombelona izay homeko anao.
17 “Tengeneza kifuniko cha upatanisho cha dhahabu safi, chenye urefu wa dhiraa mbili na nusu, na upana wa dhiraa moja na nusu.
Ary manaova rakotra fanaovam-panavotana amin’ ny volamena tsara: roa hakiho sy sasany ny lavany, ary iray hakiho sy sasany ny sakany.
18 Tengeneza makerubi wawili wa dhahabu iliyofuliwa katika miisho ya hicho kifuniko.
Ary manaova kerobima volamena roa; voasana no hanaovanao azy roa ho eo amin’ ny sakany roa amin’ ny rakotra fanaovam-panavotana
19 Tengeneza kerubi mmoja kwenye mwisho mmoja, na kerubi mwingine kwenye mwisho mwingine; watengeneze makerubi hao wawe kitu kimoja na hicho kifuniko katika miisho hiyo miwili.
Ny kerobima iray ataovy indray mivofy amin’ ny sakany anankiray, ary ny kerobima iray kosa amin’ ny sakany anankiray: indray mivofy amin’ ny rakotra fanaovam-panavotana no hanaovanareo ny kerobima roa, dia amin’ ny sakany roa.
20 Makerubi hao watakuwa wametandaza mabawa kuelekea juu, yakitia kivuli hicho kifuniko. Makerubi hao wataelekeana, wakitazama hicho kifuniko.
Ary aoka hivelatra eo ambony ny elatry ny kerobima, mba hanalofan’ ny elany ny rakotra fanaovam-panavotana; ary ny tavany hifanatrika, sady hanatrika ny rakotra fanaovam-panavotana koa izy.
21 Weka huo Ushuhuda nitakaokupa ndani ya hilo Sanduku la Agano, na uweke hicho kifuniko juu ya hilo Sanduku.
Ary apetraho eo ambonin’ ny fiara ny rakotra fanaovam-panavotana; ary ao anatin’ ny fiara no asio ny Vavolombelona izay homeko anao.
22 Hapo juu ya hicho kifuniko, kati ya hao makerubi wawili walioko juu ya hilo Sanduku la Ushuhuda, hapo ndipo nitakapokutana nawe na kukupa maagizo yangu kwa ajili ya Waisraeli.
Ary ao no hihaona aminao Aho, ka ao ambonin’ ny rakotra fanaovam-panavotana no hitenenako aminao, dia ao anelanelan’ ny kerobima roa, izay eo ambonin’ ny fiaran’ ny Vavolombelona, ka holazaiko izay rehetra handidiako anao holazainao amin’ ny Zanak’ Isiraely.
23 “Tengeneza meza ya mbao za mshita yenye urefu wa dhiraa mbili, upana wa dhiraa moja, na kimo cha dhiraa moja na nusu.
Ary manaova latabatra hazo akasia: roa hakiho ny lavany, ary iray hakiho ny sakany, ary iray hakiho sy sasany ny hahavony.
24 Ifunike kwa dhahabu safi, na kuitengenezea ukingo wa dhahabu kuizunguka pande zote.
Ary petaho takela-bolamena tsara izy, sady asio koronosy volamena manodidina azy.
25 Kisha tengeneza upapi wenye upana wa nyanda nne, na ufanyie ule upapi ukingo wa dhahabu kuuzunguka pande zote.
Ary asio sisiny vodivoam-pelatanana manodidina azy, ary asio koronosy volamena ny sisiny manodidina.
26 Tengeneza pete nne za dhahabu kwa ajili ya meza hiyo, na uzifungie kwenye pembe nne, pale penye miguu yake minne.
Ary manaova vava volamena efatra hatao aminy, ka ataovy eo amin’ ny zorony efatra izay eo amin’ ny tongony efatra ireo:
27 Pete hizo zitakuwa karibu na ukingo ule ili kuishikilia ile mipiko itakayotumika kuibebea hiyo meza.
eo akaikin’ ny sisiny no hasiana ny vava volamena ho fitoeran’ ny bao hilanjana ny latabatra.
28 Tengeneza mipiko hiyo kwa mbao za mshita, uifunike na dhahabu, uitumie kubeba hiyo meza.
Ary hazo akasia no anaovy ny bao, ka petaho takela-bolamena; ary amin’ ireo no hilanjana ny latabatra.
29 Tengeneza sahani zake na masinia yake kwa dhahabu safi, pamoja na bilauri na bakuli zake kwa ajili ya kumiminia sadaka.
Ary manaova ny loviany sy ny lovia keliny ary ny fitoeran-divainy sy ny kapoakany ho fanidinam-panatitra; volamena tsara no hanaovanao ireo.
30 Utaweka mikate ya Wonyesho juu ya meza hii iwe mbele yangu daima.
Ary asio mofo aseho eo ambonin’ ny latabatra ho eo anatrehako mandrakariva.
31 “Tengeneza kinara cha taa cha dhahabu safi iliyofuliwa vizuri katika kitako chake na ufito wake; vikombe vyake vinavyofanana na ua, matovu yake na maua yake viwe kitu kimoja.
Ary manaova ny fanaovan-jiro volamena tsara; voasana no hanaovanao ny fanaovan-jiro, hatao indray mivofy ihany ny faladiany sy ny tahony sy ny vodi-voniny sy ny kiboriny ary ny voniny.
32 Matawi sita yatatokeza kuanzia ule ufito wa katikati wa kinara cha taa: matawi matatu upande mmoja na matatu upande mwingine.
Ary hisy sampany enina amin’ ny ankilany roa: dia sampany telo amin’ ny fanaovan-jiro eo amin’ ny ankilany iray, ary sampany telo amin’ ny fanaovan-jiro eo amin’ ny ankilany iray koa,
33 Vikombe vitatu vya mfano wa maua ya mlozi yenye matovu na maua vitakuwa katika tawi moja, vikombe vitatu katika tawi jingine, na vivyo hivyo kwa matawi yote sita yanayotokeza kwenye kile kinara cha taa.
dia vodi-voniny telo atao tahaka ny vonin’ ny amygdala, mbamin’ ny kiboriny sy ny voniny, eo amin’ ny sampany anankiray; ary vodi-voniny telo koa atao tahaka ny vonin’ ny amygdala, mbamin’ ny kiboriny sy ny voniny, eo amin’ ny sampany anankiray koa; dia toy izany avokoa amin’ ny sampany enina izay amin’ ny fanaovan-jiro.
34 Juu ya kinara chenyewe vitakuwepo vikombe vinne vya mfano wa maua ya mlozi yakiwa na matovu yake na maua yake.
Ary eo amin’ ny fanaovan-jiro dia hisy vodi-voniny efatra atao tahaka ny vonin’ ny amygdala, mbamin’ ny kiboriny sy ny voniny,
35 Tovu moja litakuwa chini ya jozi ya kwanza ya matawi yaliyotokeza kwenye kinara cha taa, tovu la pili chini ya jozi ya pili, nalo tovu la tatu chini ya jozi ya tatu, yaani matawi sita kwa jumla.
dia kiboriny iray eo ambanin’ ny sampany roa sady miray aminy, ary kiboriny iray koa eo ambanin’ ny sampany roa sady miray aminy, ary kiboriny iray koa eo ambanin’ ny sampany roa sady miray aminy; dia amin’ ny sampany enina izay miray amin’ ny fanaovan-jiro.
36 Matovu na matawi yote yatakuwa kitu kimoja na kile kinara cha taa, yakifuliwa kwa dhahabu safi.
Ny kiboriny sy ny sampany dia hiray avokoa; hatao indray mivofy aminy amin’ ny volamena tsara izy rehetra.
37 “Kisha tengeneza taa zake saba na uziweke juu ya kinara hicho ili ziangaze mbele yake.
Ary manaova lela fanaovan-jirony fito, ka ampireheto eo aminy ireo mba hanazava ny anoloany.
38 Mikasi ya kusawazishia tambi, pamoja na masinia, zote zitakuwa za dhahabu safi.
Ary ny hetin-jirony Sy ny fitoeran-davenon-jirony dia ataovy volamena tsara.
39 Utatumia talanta moja ya dhahabu safi kutengeneza hicho kinara na vifaa vyake vyote.
Volamena tsara talenta iray no hanaovana azy mbamin’ ireny fanaka rehetra ireny.
40 Hakikisha kuwa umevitengeneza sawasawa na ule mfano ulioonyeshwa kule mlimani.
Ary tandremo mba hataonao araka ny endriny izay naseho taminao tao an-tendrombohitra izy.

< Kutoka 25 >