< Kutoka 11 >
1 Basi Bwana alikuwa amemwambia Mose, “Nitaleta pigo moja zaidi kwa Farao na katika nchi ya Misri. Baada ya hilo, atawaacha mwondoke hapa na atakapofanya hivyo, atawafukuza mtoke kabisa.
Fa Jehovah nilaza tamin’ i Mosesy, hoe: Mbola hahatonga loza iray koa amin’ i Farao sy Egypta Aho; ary rehefa afaka izany, dia handefa anareo hiala atỳ izy; ary rehefa handefa anareo rehetra izy, dia handroaka anareo fatratra hiala atỳ.
2 Waambie watu wote waume kwa wake wawaombe majirani zao vitu vya fedha na vya dhahabu.”
Koa mitenena amin’ ny olona, ary aoka ny lehilahy samy hangataka firavaka volafotsy sy firavaka volamena amin’ ny namany avy, ary ny vehivavy amin’ ny namany avy koa.
3 (Bwana akawafanya Wamisri wawe na moyo wa ukarimu kwa Waisraeli, naye Mose mwenyewe akaheshimiwa sana na maafisa wa Farao na watu wote katika nchi ya Misri.)
Dia nataon’ i Jehovah nahita fitia teo imason’ ny Egyptiana ny olona. Ary Mosesy dia lehilahy malaza indrindra teo amin’ ny tany Egypta, dia teo imason’ ny mpanompon’ i Farao sy teo imason’ ny vahoaka.
4 Kwa hiyo Mose akasema, “Hili ndilo Bwana asemalo: ‘Panapo usiku wa manane Mimi nitapita katika nchi yote ya Misri.
Ary hoy Mosesy: Izao no lazain’ i Jehovah: Rehefa tokony ho mamatonalina Izaho hivoaka hankeo afovoan’ i Egypta,
5 Kila mwanaume kifungua mimba katika Misri atakufa, kuanzia mzaliwa wa kwanza wa kiume wa Farao, aketiye penye kiti cha ufalme, hadi mzaliwa wa kwanza wa kiume wa mtumwa wa kike, anayesaga nafaka kwa jiwe, pamoja na kila mzaliwa wa kwanza wa mifugo.
dia ho faty ny lahimatoa rehetra eto amin’ ny tany Egypta, hatramin’ ny matoan’ i Farao izay mipetraka eo ambonin’ ny seza fiandrianany ka hatramin’ ny matoan’ ny ankizivaviny izay eo anilan’ ny fikosoham-bary, ary ny voalohan-teraky ny biby fiompy rehetra.
6 Patakuwepo kilio kikubwa katika nchi yote ya Misri, kilio kibaya ambacho hakijakuwepo wala kamwe hakitakuwepo tena.
Ary hisy fidradradradrana mafy eran’ ny tany Egypta rehetra, izay tsy mbola nisy tahaka izany, sady tsy hisy tahaka izany intsony.
7 Lakini miongoni mwa Waisraeli hakuna hata mbwa atakayembwekea mwanadamu wala mnyama yeyote.’ Ndipo mtakapojua kuwa Bwana huweka tofauti kati ya Misri na Israeli.
Kanefa tsy hisy na dia alika aza hanetsika ny lela ny amin’ ny Zanak’ Isiraely rehetra, na amin’ ny olona, na amin’ ny biby, mba ho fantatrareo ny tsi-fampitovian’ i Jehovah ny Egyptiana sy ny Isiraely.
8 Maafisa hawa wako wote watanijia, wakisujudu mbele yangu, wakisema, ‘Ondoka, wewe pamoja na watu wako wote wanaokufuata!’ Baada ya haya nitaondoka.” Kisha Mose, huku akiwa amewaka hasira, akamwacha Farao.
Ary hidina ho ao amiko ireo mpanomponao rehetra ireo dia hiankohoka eo anatrehako ka hanao hoe: Mandehana ianao sy ny olona rehetra izay manaraka anao; ary rehefa afaka izany, dia vao handeha aho. Dia niala teo amin’ i Farao tamin’ ny fahatezerana mirehitra Mosesy.
9 Bwana alikuwa amemwambia Mose, “Farao atakataa kukusikiliza, ili maajabu yangu yapate kuongezeka katika nchi ya Misri.”
Ary hoy Jehovah tamin’ i Mosesy: Tsy hihaino anareo Farao, mba hitomboan’ ny fahagagana izay hataoko eto amin’ ny tany Egypta.
10 Mose na Aroni wakafanya maajabu haya yote mbele ya Farao, lakini Bwana akaufanya moyo wa Farao kuwa mgumu, wala hakuwaachia Waisraeli waondoke katika nchi yake.
Ary Mosesy sy Arona nanao ireo fahagagana rehetra ireo teo amin’ i Farao; nefa Jehovah nanamafy ny fon’ i Farao, ka tsy nandefa ny Zanak’ Isiraely hiala tamin’ ny taniny izy.