< Mhubiri 9 >

1 Kwa hiyo niliyatafakari yote haya nikafikia uamuzi kwamba waadilifu na wenye hekima na yale wanayoyafanya yako mikononi mwa Mungu, lakini hakuna mtu ajuaye kama anangojewa na upendo au chuki.
Fa ireto dia nalatsako tato am-poko sady nodinihiko avokoa: ny marina sy ny hendry mbamin’ ny asany dia samy eo an-tànan’ Andriamanitra avokoa; ary koa, na ho fitiavana, na ho fankahalana, dia samy tsy fantatry ny olombelona; fa zavatra mbola ho avy aminy avokoa izany rehetra izany.
2 Wote wanayo hatima inayofanana, mwadilifu na mwovu, mwema na mbaya, aliye safi na aliye najisi, wale wanaotoa dhabihu na wale wasiotoa. Kama ilivyo kwa mtu mwema, ndivyo ilivyo kwa mtu mwenye dhambi; kama ilivyo kwa wale wanaoapa, ndivyo ilivyo kwa wale wasioapa.
Mitovy avokoa ny manjo ny olombelona rehetra; eny, zavatra iray ihany no manjo ny marina sy ny meloka, ny tsara fanahy sy ny madio ary ny tsy madio, ny mamono zavatra hatao fanatitra sy ny tsy mamono zavatra hatao fanatitra; mitovy ihany ny amin’ ny tsara fanahy sy ny amin’ ny mpanota, ary ny amin’ ny mianiana sy ny amin’ izay tsy sahy hianiana.
3 Huu ni ubaya ulio katika kila kitu kinachotendeka chini ya jua: Mwisho unaofanana huwapata wote. Zaidi ya hayo, mioyo ya watu, imejaa ubaya na kuna wazimu mioyoni mwao wangali hai, hatimaye huungana na waliokufa.
Izao no fahoriana amin’ izay rehetra atao atỳ ambanin’ ny masoandro: Zavatra iray ihany no manjo ny olombelona rehetra, sady feno ratsy ny fon’ ny zanak’ olombelona, ka fahadalana no ao am-pony amin’ ny andro iainany, ary nony afaka izany, dia ho any amin’ ny maty izy.
4 Yeyote aliye miongoni mwa walio hai analo tumaini, hata mbwa hai ni bora kuliko simba aliyekufa!
Fa izay rehetra isan’ ny velona dia mbola hantenaina; fa ny amboa velona no tsara noho ny liona maty.
5 Kwa maana walio hai wanajua kwamba watakufa, lakini wafu hawajui chochote, hawana tuzo zaidi, hata kumbukumbu yao imesahaulika.
Fa fantatry ny velona fa ho faty izy; fa ny maty kosa tsy mba mahalala na inona na inona, ary tsy manana valim-pitia intsony izy; fa hadino ny fahatsiarovana azy.
6 Upendo wao, chuki yao na wivu wao vimetoweka tangu kitambo, kamwe hawatakuwa tena na sehemu katika lolote linalotendeka chini ya jua.
Na ny fitiavany, na ny fankahalany, na ny fialonany, dia samy efa levona ela sady tsy manana anjara intsony mandrakizay amin’ izay atao atỳ ambanin’ ny masoandro izy.
7 Nenda, kula chakula chako kwa furaha, unywe divai yako kwa moyo wa shangwe, kwa maana sasa Mungu anakubali unachofanya.
Mandehana, hano amin’ ny fifaliana ny haninao, ary sotroy amin’ ny fo falifaly ny divainao, fa efa nankasitrahan’ Andriamanitra ela ny asanao.
8 Daima uvae nguo nyeupe na daima upake kichwa chako mafuta.
Aoka ho fotsy mandrakariva ny fitafianao, ary aoka tsy ho diso menaka ny lohanao.
9 Furahia maisha na mke wako, umpendaye, siku zote za maisha ya ubatili uliyopewa na Mungu chini ya jua, siku zote za ubatili. Kwa maana hili ndilo fungu lako katika maisha na katika kazi yako ya taabu chini ya jua.
Miravoravoa amin’ ny vady malalanao amin’ ny andronao rehetra mandalo foana, izay efa nomeny anao atỳ ambanin’ ny masoandro, dia ny andronao rehetra mandalo foana; fa izany no anjaranao amin’ ny andro iainanao sy amin’ ny fisasarana izay isasaranao atỳ ambanin’ ny masoandro.
10 Lolote mkono wako upatalo kufanya, fanya kwa nguvu zako zote, kwa kuwa huko kuzimu, unakokwenda, hakuna kufanya kazi wala mipango wala maarifa wala hekima. (Sheol h7585)
Izay rehetra azon’ ny tananao atao dia ataovy amin’ ny herinao; fa tsy misy asa, na hevitra, na fahalalana, na fahendrena, any amin’ ny fiainan-tsi-hita izay alehanao. (Sheol h7585)
11 Nimeona kitu kingine tena chini ya jua: Si wenye mbio washindao mashindano au wenye nguvu washindao vita, wala si wenye hekima wapatao chakula au wenye akili nyingi wapatao mali, wala wenye elimu wapatao upendeleo, lakini fursa huwapata wote.
Ary hitako atỳ ambanin’ ny masoandro indray fa tsy ho an’ ny haingan-tongotra ny fihoarana, ary tsy ho an’ ny mahery ny ady, ary tsy ho an’ ny hendry ny hanina, ary tsy ho an’ ny mazava saina ny harena, ary tsy ho an’ ny manam-pahalalana ny fitia; fa ny fotoana sy ny sampona dia samy mahazo azy rehetra.
12 Zaidi ya hayo, hakuna mwanadamu ajuaye wakati saa yake itakapokuja: Kama vile samaki wavuliwavyo katika wavu mkatili, au ndege wanaswavyo kwenye mtego, vivyo hivyo wanadamu hunaswa na nyakati mbaya zinazowaangukia bila kutazamia.
Fa tsy fantatry ny olona ny androny; fa toy ny hazandrano azon’ ny harato fahitan-doza izy, ary toy ny voron-kely izay voan’ ny fandrika, dia voafandrika toy izany ny zanak’ olombelona amin’ ny andro mahory, raha mahavoa azy tampoka izany.
13 Pia niliona chini ya jua mfano huu wa hekima ambao ulinivutia sana:
Izao koa no fahendrena efa hitako tatỳ ambanin’ ny masoandro, ka dia nataoko ho lehibe izany:
14 Palikuwa na mji mdogo uliokuwa na watu wachache ndani yake. Mfalme mwenye nguvu akainuka dhidi yake, akauzunguka akaweka jeshi kubwa dhidi yake.
Nisy vohitra kely sady vitsy olona, dia avy ny mpanjaka lehibe anankiray ka namely sy nanao fahirano azy ary nanao manda lehibe hamelezany azy.
15 Katika mji huo kulikuwepo mtu mmoja maskini lakini mwenye hekima, naye akauokoa ule mji kwa hekima yake. Lakini hakuna aliyemkumbuka yule maskini.
Ary nisy lehilahy malahelo hendry hita teo, koa nahavonjy ny tanàna tamin’ ny fahendreny ralehilahy, nefa tsy nisy olona mba nahatsiahy ilay malahelo.
16 Kwa hiyo, nikasema, “Hekima ni bora kuliko nguvu.” Lakini hekima ya maskini imedharauliwa, wala hakuna anayesikiliza maneno yake.
Koa hoy izaho: Aleo fahendrena toy izay hery; kanjo hamavoina ny fahendren’ ny malahelo, ary ny teniny tsy mba henoina.
17 Maneno ya utulivu ya mwenye hekima husikiwa kuliko makelele ya mtawala wa wapumbavu.
Ny tenin’ ny hendry izay re amin’ ny mangingina dia mahery noho ny fitreron’ izay mpanapaka adala.
18 Hekima ni bora kuliko silaha za vita, lakini mwenye dhambi mmoja huharibu mema mengi.
Aleo fahendrena toy izay fiadiana; ary ny mpanota iray mahasimba ny soa be.

< Mhubiri 9 >