< Mhubiri 6 >

1 Nimeona ubaya mwingine chini ya jua, nao unalemea sana wanadamu:
Misy ratsy efa hitako atỳ ambanin’ ny masoandro, ary mitambesatra amin’ ny olona izany:
2 Mungu humpa mwanadamu utajiri, mali na heshima, hivyo hakukosa chochote moyo wake unachokitamani. Lakini Mungu hamwezeshi kuvifurahia, badala yake mgeni ndiye anayevifurahia. Hili ni ubatili, ni ubaya unaosikitisha.
dia olona izay omen’ Andriamanitra vola aman-karena sy voninahitra, ka tsy misy tsy ananany na inona na inona iriny, nefa tsy omen’ Andriamanitra fahefana hihinana amin’ izany izy, fa olon-kafa no homana azy; zava-poana sy ratsy mahory koa izany.
3 Mtu anaweza kuwa na watoto mia moja naye akaishi miaka mingi, lakini haidhuru kuwa ataishi muda mrefu kiasi gani, kama hawezi kufurahia mafanikio yake na kwamba hapati mazishi ya heshima, ninasema afadhali mtoto aliyezaliwa akiwa amekufa kuliko yeye.
Na dia misy miteraka zaza zato aza sady tratrantitra, ka efa maro ny andro niainany, nefa tsy mba voky soa ny fanahiny, sady tsy mba alevina akory ny fatiny, dia hoy izaho: Ny tsy tonga volana dia tsara kokoa noho izy.
4 Kuzaliwa kwake hakuna maana, huondokea gizani na gizani jina lake hufunikwa.
Fa toa zava-poana no nihavian’ io, ary mandeha ao amin’ ny maizina izy, sady ho voasaron’ ny aizina ny anarany,
5 Ingawa hakuwahi kuliona jua wala kujua kitu chochote, yeye ana pumziko zaidi kuliko mtu huyo,
ary koa, tsy nahita na nahalala ny masoandro akory izy, mahita fitsaharana bebe kokoa noho ilay teo izy.
6 Hata kama huyo mtu ataishi miaka elfu mara mbili na zaidi, lakini akashindwa kufurahia mafanikio yake, je, wote hawaendi sehemu moja?
Eny, na dia tratra arivo taona indroa aza izy, nefa tsy nahita soa, tsy ho any amin’ ny fitoerana iray ihany va no alehan’ izy rehetra?
7 Juhudi zote za binadamu ni kwa ajili ya kinywa chake, hata hivyo hamu yake kamwe haitoshelezwi.
Ny fisasarana rehetra ataon’ ny olona dia ho an’ ny vavany ihany, nefa tsy mety afa-po ny faniriany.
8 Mtu mwenye hekima ana faida gani zaidi ya mpumbavu? Mtu maskini anapata faida gani kwa kujua jinsi ya kujistahi mbele ya watu wengine?
Fa inona no soa azon’ ny hendry noho ny adala? Inona no azon’ ny malahelo izay mahay mitondra tena eo imason’ ny velona?
9 Ni bora kile ambacho jicho linakiona kuliko hamu isiyotoshelezwa. Hili nalo ni ubatili, ni kukimbiza upepo.
Ny fahitan’ ny maso dia mahafinaritra noho ny firenirenin’ ny faniriana. Zava-poana sy misambo-drivotra foana koa izany.
10 Lolote lililopo limekwisha kupewa jina, naye mwanadamu alivyo ameshajulikana; hakuna mtu awezaye kushindana na mwenye nguvu kuliko yeye.
Izay efa teo dia voalaza anarana hatry ny fony ela, ary fantatra fa ny olona dia tsy mahazo mifandahatra amin’ izay mahery noho izy.
11 Maneno yanavyokuwa mengi, ndivyo yanavyokosa maana, Je, hilo linamfaidia vipi yeyote?
Fa maro ny zavatra mahabe ny zava-poana, koa inona no soa azon’ ny olona?
12 Kwa maana ni nani anayejua lililo jema kwa ajili ya maisha ya mwanadamu, katika siku chache na za ubatili anazopita kama kivuli? Ni nani awezaye kumwambia yatakayotokea chini ya jua baada ya yeye kuondoka?
Fa iza no mahalala izay mahasoa ny olona amin’ izao fiainana izao, dia ny andro vitsy mandalo foana izay laniny toy ny fihelin’ ny aloka? Fa iza no hahalaza amin’ ny olona izay zavatra ho avy any aoriany atỳ ambanin’ ny masoandro?

< Mhubiri 6 >