< Mhubiri 5 >
1 Linda hatua zako uendapo katika nyumba ya Mungu. Karibia usikilize kuliko kutoa dhabihu ya wapumbavu, ambao hawajui kuwa wanafanya kosa.
Tandremo ny tongotrao, raha mankao an-tranon’ Andriamanitra ianao; fa ny manatona hihaino no tsara noho ny fanateran’ ny adala fanatitra; fa tsy fantatr’ ireny ho manao ratsy izy.
2 Usiwe mwepesi kuzungumza, usiwe na haraka katika moyo wako kuzungumza lolote mbele za Mungu. Mungu yuko mbinguni nawe uko duniani, kwa hiyo maneno yako na yawe machache.
Aza haingam-bava, ary aza malaky manonona teny eo anatrehan’ Andriamanitra ny fonao; fa Andriamanitra dia any an-danitra ary ianao etỳ an-tany, koa aoka ho vitsy ny teninao.
3 Kama vile ndoto huja wakati kuna shughuli nyingi, ndivyo yalivyo mazungumzo ya mpumbavu wakati kuna maneno mengi.
Fa ny haben’ ny fisasarana no mahatonga ny nofy; ary ny haben’ ny teny no isehoan’ ny rediredin’ ny adala.
4 Wakati unapomwekea Mungu nadhiri, usikawie kuitimiza. Yeye hafurahii wapumbavu; timiza nadhiri yako.
Raha mivoady amin’ Andriamanitra ianao, aza manao ampitso lava: fa tsy ankasitrahany ny adala; koa efao ny voadinao.
5 Ni afadhali usiweke nadhiri kuliko kuiweka na usiitimize.
Aleo tsy mivoady toy izay mivoady ka tsy mahefa.
6 Usiruhusu kinywa chako kukuingiza dhambini. Tena usijitetee mbele ya huyo mjumbe wa hekaluni, ukisema, “Niliweka nadhiri kwa makosa.” Kwa nini Mungu akasirike kwa ajili ya yale unayosema na kuiharibu kazi ya mikono yako?
Aza avela hahatonga heloka amin’ ny tenanao ny vavanao; ary aza manao eo imason’ ny anjely hoe: Niteny tsy nahy aho; nahoana no ho tezitra amin’ ny teninao Andriamanitra ka hanimba ny asan’ ny tananao?
7 Kuota ndoto kwingi na maneno mengi ni ubatili. Kwa hiyo simama katika kicho cha Mungu.
Fa amin’ ny haben’ ny nofy dia misy zava-poana; ary toy izany koa ny haben’ ny teny, fa Andriamanitra no atahory.
8 Kama ukiona maskini wanaonewa katika nchi, hukumu na haki vikipotoshwa, usishangazwe na mambo hayo, kwa maana afisa mmoja anaangaliwa na aliye juu yake zaidi na juu ya hao wawili kuna wengine walio juu zaidi yao.
Raha hitanao ny fampahoriana ny malahelo sy ny famadihana ny fitsarana sy ny rariny amin’ ny tany, dia aza gaga amin’ izany; fa misy ambony kokoa mibanjina ny ambony, ary mbola misy ambony noho ireo indray aza.
9 Mafanikio ya nchi ni kwa ajili ya wote, hata mfalme mwenyewe hufaidi kutoka mashambani.
Fa na dia izany rehetra izany aza, dia mahasoa ny tany ny fisian’ ny mpanjaka amin’ izay tany volena.
10 Yeyote apendaye fedha kamwe hatosheki na fedha; yeyote apendaye utajiri kamwe hatosheki na kipato chake. Hili nalo pia ni ubatili.
Izay tia vola tsy hety ho voky vola; ary izay fatra-pitia harena be tsy hety ho vokin’ ny fitomboan-karena; fa zava-poana koa izany.
11 Mali ikiongezeka, ndivyo walaji wanavyoongezeka. Hii nayo inamfaidia nini mwenye mali isipokuwa ni kushibisha macho yake?
Raha mitombo ny fananana, dia mitombo koa ny mpihinana azy; ary inona no soa azon’ ny tompony, afa-tsy ny mijery maso azy fotsiny ihany?
12 Usingizi wa kibarua ni mtamu, awe amekula kidogo au kingi, lakini wingi wa mali humnyima tajiri usingizi.
Mamy ny torimason’ ny mpiasa, na homan-kely na homam-be izy; fa ny haben’ ny ananan’ ny manan-karena kosa no tsy ahitany tory.
13 Nimeshaona uovu mzito chini ya jua: Utajiri uliolimbikizwa kwa kujinyima na kuleta madhara kwa mwenye mali,
Misy ratsy mahory efa hitako atỳ ambanin’ ny masoandro, dia harena tehirizin’ ny tompony, nefa mampidi-doza amin’ ny tenany;
14 au utajiri uliopotea kwa bahati mbaya, hivyo kwamba wakati akiwa na mwana hakuna chochote kilichobaki kwa ajili yake.
sady levona izany harena izany noho ny loza manjo; ary miteraka zazalahy ralehilahy nefa tsy misy na inona na inona eny an-tànany,
15 Mtu hutoka tumboni mwa mama yake uchi, naye jinsi alivyokuja vivyo hivyo huondoka. Hachukui chochote kutokana na kazi yake ambacho anaweza kukibeba mkononi mwake.
Toy ny nivoahany mitanjaka avy tany an-kibon-dreniny, dia toy izay nihaviany ihany no hiverenany; ary tsy hisy na inona na inona ho entin’ ny tànany ho valin’ ny fisasarany.
16 Hili nalo ni baya la kusikitisha: Kama vile mtu ajavyo, vivyo hivyo huondoka, naye anapata faida gani, maadamu hutaabika kwa ajili ya upepo?
Dia ratsy mahory koa izany, fa toy izay nihaviany indrindra no handehanany; ary inona no soa azony noho ny nisasarany ho an’ ny rivotra?
17 Siku zake zote hula gizani, pamoja na fadhaa kubwa, mateso na hasira.
Ary koa, homa-maizina amin’ ny androny rehetra izy sady manana alahelo be sy fahoriana ary fahasosorana.
18 Ndipo nikatambua kwamba ni vyema na sahihi kwa mtu kula na kunywa na kutosheka katika kazi yake ngumu chini ya jua katika siku chache za maisha yake Mungu alizompa, kwa maana hili ndilo fungu lake.
Indro, efa hitako izay soa sy izay tsara, dia ny mihinana sy misotro ary mifaly amin’ ny fisasarana rehetra izay isasaran’ ny olona atỳ ambanin’ ny masoandro amin’ izay andro vitsy iainany omen’ Andriamanitra azy; fa izany no anjarany.
19 Zaidi ya yote, Mungu anapompa mtu yeyote utajiri na milki, humwezesha kuvifurahia, kukubali fungu lake na kuwa na furaha katika kazi yake, hii ni karama ya Mungu.
Ary koa, ny olona rehetra izay omen’ Andriamanitra vola aman-karena sady omeny fahefana hihinanany azy sy hahazoany ny anjarany sy hifaliany amin’ ny fisasarana, dia fanomezan’ Andriamanitra izany.
20 Mara chache mtu huzifikiri siku za maisha yake, kwa sababu Mungu humfanya ashikwe na furaha ya moyoni.
Fa tsy hahatsiaro loatra ny andro niainany izy, satria ny fahafinaretan’ ny fony no avalin’ Andriamanitra azy.