< Torati 30 >

1 Wakati baraka hizi zote pamoja na laana nilizoziweka mbele yako zitakapokujia, nawe ukazitafakari moyoni popote Bwana Mungu wako atakapokutawanya miongoni mwa mataifa,
Ary rehefa tonga aminao izany zavatra rehetra izany, dia ny fitahiana sy ny fanozonana izay nataoko teo anoloanao, ary mahatsiaro izany ao am-ponao any amin’ ny firenena rehetra izay androahan’ i Jehovah Andriamanitrao anao ianao,
2 hapo wewe na watoto wako mtakapomrudia Bwana Mungu wako, na kumtii kwa moyo wako wote na kwa roho yako yote kulingana na kila kitu ninachokuamuru leo,
ka miverina amin’ i Jehovah Andriamanitrao sy mihaino ny feony amin’ ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra, araka izay rehetra andidiako anao sy ny zanakao anio,
3 ndipo Bwana Mungu wako atakapokurudisha kutoka utumwani na kukuhurumia, naye atakukusanya tena kutoka mataifa yote kule alikutawanya.
dia hampodin’ i Jehovah Andriamanitrao avy amin’ ny fahababoanao ianao, ary hamindra fo aminao Izy ka hanangona anao indray avy any amin’ ny firenena rehetra izay nampielezan’ i Jehovah Andriamanitrao anao.
4 Hata kama umefukuziwa katika nchi ya mbali kiasi gani chini ya mbingu, kutoka huko Bwana Mungu wako atakukusanya na kukurudisha.
Raha misy aminao voaroaka any amin’ ny faravodilanitra, dia avy any no hanangonan’ i Jehovah Andriamanitrao anao, ary avy any indray no hanalany anao.
5 Yeye Bwana atakurudisha katika nchi iliyokuwa mali ya baba zako, nawe utaimiliki. Naye atakufanya ufanikiwe sana na kukuzidisha kwa idadi kuliko baba zako.
Dia hampidirin’ i Jehovah Andriamanitrao ao amin’ ny tany izay nolovan’ ny razanao ianao, ka holovanao izany; ary hanisy soa anao Izy sy hahamaro anao mihoatra noho ny razanao.
6 Bwana Mungu wako ataitahiri mioyo yenu na mioyo ya wazao wenu ili mweze kumpenda kwa moyo wako wote na kwa roho yako yote ukaishi.
Dia hoforan’ i Jehovah Andriamanitrao ny fonao sy ny fon’ ny taranakao hitiavanao an’ i Jehovah Andriamanitrao amin’ ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra, mba ho velona ianao.
7 Bwana Mungu wako ataweka laana hizi zote juu ya adui zako ambao wanakuchukia na kukutesa.
Ary hataon’ i Jehovah Andriamanitrao amin’ ny fahavalonao sy ny mankahala anao izay nanenjika anao ireny fanozonana rehetra ireny.
8 Utamtii tena Bwana na kuzishika amri zake zote ninazokupa leo.
Dia hihaino ny feon’ i Jehovah indray ianao ka hanaraka ny didiny rehetra, izay andidiako anao anio.
9 Ndipo Bwana Mungu wako atakapokufanikisha sana katika kazi zote za mikono yako na katika uzao wa tumbo lako, wadogo wa mifugo yako na mazao ya nchi yako. Bwana atakufurahia tena na kukufanikisha, kama alivyowafurahia baba zako,
Ary hataon’ i Jehovah Andriamanitrao manana amby ampy ianao amin’ izay hahasoa anao, dia amin’ ny asan’ ny tananao sy ny ateraky ny kibonao sy ny ateraky ny biby fiompinao ary ny vokatry ny taninao; fa ho faly aminao indray Jehovah ka hahasoa anao, araka izay nahafaliany tamin’ ny razanao,
10 kama ukimtii Bwana Mungu wako, na kuzishika amri zake na maagizo yake ambayo yameandikwa katika Kitabu hiki cha Sheria, na kumgeukia Bwana Mungu wako kwa moyo wako wote na kwa roho yako yote.
raha mihaino ny feon’ i Jehovah Andriamanitrao ianao, hitandremanao ny didiny sy ny lalàny, izay voasoratra amin’ ity bokin’ ny lalàna ity, ka miverina amin’ i Jehovah Andriamanitrao amin’ ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra.
11 Ninachokuagiza leo sio kigumu sana kwako au usichokiweza.
Fa izao lalàna izao, izay andidiako anao anio, tsy dia saro-pantarina aminao, ary tsy lavitra.
12 Hakiko juu mbinguni, ili uulize, “Ni nani atakayepanda mbinguni kukileta na kututangazia ili tuweze kutii?”
Tsy any an-danitra izany ka hanaovanao hoe: Iza no hiakatra any an-danitra haka azy ho antsika, mba hohenointsika ka harahintsika?
13 Wala hakiko ngʼambo ya bahari, ili uulize, “Ni nani atakayevuka bahari kwenda kukichukua na kututangazia ili tupate kutii?”
Ary tsy any an-dafin’ ny ranomasina izany ka hanaovanao hoe: Iza no hankany an-dafin’ ny ranomasina haka azy ho antsika mba hohenointsika ka harahintsika?
14 La hasha! Lile neno liko karibu sana nawe; liko kinywani mwako na ndani ya moyo wako ili uweze kulitii.
Fa eo akaikinao indrindra ny teny, dia eo am-bavanao sy ao am-ponao, mba harahinao.
15 Tazama, naweka mbele yako leo uzima na mafanikio, mauti na maangamizo.
Indro efa nataoko teo anoloanao androany ny fiainana sy ny soa ary ny fahafatesana sy ny loza,
16 Ninakuamuru leo kwamba umpende Bwana Mungu wako, utembee katika njia zake, na kutunza maagizo yake, amri na sheria zake; ndipo utakapoishi na kuongezeka, naye Bwana Mungu wako atakubariki katika nchi unayoingia kuimiliki.
tamin’ ny nandidiako anao androany ho tia an’ i Jehovah Andriamanitrao ka handeha amin’ ny lalany ary hitandrina ny didiny sy ny lalàny ary ny fitsipiny, mba ho velona ianao ka hihamaro, ary mba hitahian’ i Jehovah Andriamanitrao anao any amin’ ny tany izay efa hidiranao holovana.
17 Lakini kama moyo wako ukigeukia mbali ukawa huna utii, kama umevutwa kuisujudia miungu mingine na kuiabudu,
Fa raha mivily kosa ny fonao, ka tsy mihaino ianao, fa voataona hiankokoha eo anatrehan’ izay andriamani-kafa sy hanompo azy,
18 nakutangazia leo hii kwamba hakika utaangamizwa. Hutaishi maisha marefu katika nchi unayovuka Yordani kuiingia na kuimiliki.
dia lazaiko aminareo anio fa ho ringana tokoa ianareo, ary tsy ho maro andro eo amin’ ny tany izay efa hidiranao holovana, rehefa tafita an’ i Jordana ianareo.
19 Leo ninaziita mbingu na nchi kama mashahidi dhidi yako kwamba nimeweka mbele yako uzima na mauti, baraka na laana. Basi sasa chagueni uzima, ili wewe na watoto wako mpate kuishi,
Miantso ny lanitra sy ny tany aho anio ho vavolombelona aminareo fa efa nataoko teo anoloanao ny fiainana sy ny fahafatesana ary ny fitahiana sy ny fanozonana; koa mifidiana ny fiainana, mba ho velona ianao sy ny taranakao,
20 na ili upate kumpenda Bwana Mungu wako, uisikilize sauti yake na kuambatana naye. Kwa kuwa Bwana ndiye uzima wako, na atakupa wingi wa siku ili upate kuishi katika nchi aliyoapa kuwapa baba zako Abrahamu, Isaki na Yakobo.
dia ny ho tia an’ i Jehovah Andriamanitrao ianao ka hihaino ny feony sy hifikitra aminy; fa izany no fiainanao sy fahamaroan’ ny andronao, mba honenanao eo amin’ ny tany izay nianianan’ i Jehovah tamin’ i Abrahama sy Isaka ary Jakoba razanao, homena azy.

< Torati 30 >