< Torati 11 >
1 Mpende Bwana Mungu wako na kushika masharti yake, amri zake, sheria zake na maagizo yake siku zote.
Ary tiava an’ i Jehovah Andriamanitrao, ka tandremo mandrakariva Izay asainy hotandremana, dia ny lalàny sy ny fitsipiny ary ny didiny.
2 Kumbuka hivi leo kwamba sio watoto wako walioona na kujua adhabu ya Bwana Mungu wako: utukufu wake, mkono wake wenye nguvu, mkono wake ulionyooshwa;
Ary aoka ho fantatrao anio, fa izaho tsy miteny amin’ ny zanakareo izay tsy nahalala na nahita ny famaizan’ i Jehovah Andriamanitrareo sy ny fahalehibiazany sy ny tànany mahery sy ny sandriny nahinjitra
3 ishara alizozifanya na mambo aliyoyafanya katikati ya Misri, kwa Farao mfalme wa Misri na kwa nchi yake yote;
sy ny famantarany sy ny asany, izay nataony tany Egypta tamin’ i Farao, mpanjakan’ i Egypta, sy ny taniny rehetra,
4 lile alilolifanyia jeshi la Wamisri, farasi na magari yake, jinsi alivyowafurikisha na maji ya Bahari ya Shamu walipokuwa wakiwafuatilia ninyi, na jinsi Bwana alivyowaletea angamizo la kudumu juu yao.
sy izay nataony tamin’ ny miaramilan’ ny Egyptiana sy ny soavaliny ary ny kalesiny, dia ny nanasaforany azy tao amin’ ny Ranomasina Mena, raha nanenjika anareo Izy, dia voaringan’ i Jehovah mandraka androany,
5 Sio watoto wenu walioyaona yale Mungu aliyowafanyia huko jangwani mpaka mkafika mahali hapa,
ary izay nataony taminareo tany an-efitra, hatramin’ ny nahatongavanareo teto amin’ ity tany ity,
6 wala lile Mungu alilowafanyia Dathani na Abiramu, wana wa Eliabu wa kabila la Reubeni, wakati ardhi ilipofungua kinywa chake katikati ya Israeli yote, ikawameza pamoja na walio nyumbani mwao, hema zao na kila kitu kilichokuwa hai ambacho kilikuwa mali yao.
ary izay nataony tamin’ i Datana sy Abìrama, zanak’ i Eliaba, zanak’ i Robena, teo amin’ ny Isiraely rehetra, dia izay nisokafan’ ny tany sy nitelemany azy mbamin’ ny ankohonany sy ny lainy ary ny zava-manan’ aina izay nomba azy;
7 Bali ilikuwa ni macho yenu wenyewe ambayo yaliyaona mambo haya yote makuu Bwana aliyoyatenda.
fa ny masonareo efa nahita ny asa lehibe rehetra izay nataon’ i Jehovah.
8 Kwa hiyo fuateni maagizo yote ninayowapa leo, ili mpate kuwa na nguvu za kuingia na kuiteka nchi ile ambayo mnavuka Yordani kuimiliki,
Koa tandremo ny lalàna rehetra izay andidiako anareo anio, mba hahery ianareo, dia hiditra handova ny tany izay efa halehanareo holovana;
9 ili mpate kuishi siku nyingi katika nchi ile ambayo Bwana aliapa kuwapa baba zenu na wazao wao, nchi itiririkayo maziwa na asali.
ary, mba ho maro andro ianareo amin’ ny tany izay nianianan’ i Jehovah tamin’ ny razanareo homena azy sy ny taranany, dia tany izay tondra-dronono sy tantely.
10 Nchi mnayoiingia kuimiliki haifanani na nchi ya Misri mlikotoka ambako mlipanda mbegu yenu na kuinywesha, kama bustani ya mboga.
Fa ny tany izay efa hidiranao holovana dia tsy mba tahaka ny tany Egypta, izay nivoahanareo, izay namafazanao ny voan-javatrao sy nandeman’ ny tongotrao rano azy tahaka ny fambolen’ anana.
11 Lakini nchi mnayovuka Yordani kuimiliki ni nchi ya milima na mabonde inywayo mvua kutoka mbinguni.
Fa ny tany izay efa halehanareo holovana dia tany be tendrombohitra sy lohasaha sady mifoka rano avy amin’ ny ranonoran-danitra,
12 Ni nchi ambayo Bwana Mungu wenu anaitunza; macho ya Bwana Mungu wenu yanaitazama daima kutoka mwanzo wa mwaka hadi mwisho wa mwaka.
dia tany izay tandreman’ i Jehovah Andriamanitrao; ny mason’ i Jehovah Andriamanitrao mitsinjo azy mandrakariva hatramin’ ny fiandohan’ ny taona ka hatramin’ ny fiafarany.
13 Hivyo kama mkiyatii maagizo yangu ninayowapa leo kwa uaminifu, yaani kwa kumpenda Bwana Mungu wenu, na kumtumikia kwa moyo wako wote na kwa roho yenu yote,
Ary raha hihaino tsara ny didiko izay andidiako anareo anio ianareo ka ho tia an’ i Jehovah Andriamanitrareo sy hanompo Azy amin’ ny fonareo rehetra sy ny fanahinareo rehetra,
14 ndipo atawanyweshea mvua katika nchi yenu kwa majira yake, mvua ya masika na ya vuli, ili mpate kuvuna nafaka zenu, divai mpya na mafuta.
dia halatsako eo amin’ ny taninareo ny ranonorana amin’ ny fotoany, dia ny loha-orana sy ny fara-orana, mba hanangonanao ny varinao sy ny ranom-boalobokao ary ny diloilonao;
15 Nitawapa majani kwa ajili ya ngʼombe wenu, nanyi mtakula na kushiba.
ary hampaniriko ahitra ny sahanao ho an’ ny biby fiompinao, ary hihinan-kanina ianao ka ho voky.
16 Jihadharini, la sivyo mtashawishika kugeuka na kuabudu miungu mingine na kuisujudia.
Kanefa mitandrema ianareo, fandrao ho voafitaka ny fonareo, ka hivily hanompo andriamani-kafa sy hiankohoka eo anatrehany ianareo;
17 Ndipo hasira ya Bwana itawaka dhidi yenu, naye atafunga mbingu ili mvua isinyeshe nayo ardhi haitatoa mazao, nanyi mtaangamia mara katika nchi nzuri ambayo Bwana anawapa.
ary dia hirehitra aminareo ny fahatezeran’ i Jehovah, dia hanampina ny lanitra Izy, ka tsy hisy ranonorana, ary tsy hahavokatra ny tany; dia ho lany ringana faingana ianareo tsy ho eo amin’ ny tany soa izay omen’ i Jehovah anareo.
18 Yawekeni haya maneno yangu katika mioyo yenu na akili zenu, yafungeni kama alama juu ya mikono yenu na kwenye paji za nyuso zenu.
Koa alatsaho ao amin’ ny fonareo sy ao amin’ ny fanahinareo izao teniko izao, ary fehezo ho famantarana eo amin’ ny tananareo izy, ka aoka ho fehy fampahatsiarovana eo ambonin’ ny handrinareo;
19 Wafundisheni watoto wenu, yazungumzeni wakati mketipo nyumbani na wakati mtembeapo njiani, wakati mlalapo na wakati mwamkapo.
ary ampianaro ny zanakareo izany, ka resaho, na mipetraka ao an-tranonao ianao, na mandeha an-dalana, na mandry, na mifoha;
20 Yaandikeni juu ya miimo ya nyumba zenu na juu ya malango yenu,
ary soraty eo amin’ ny tolam-baravaran’ ny tranonao sy eo amin’ ny vavahadinao izy;
21 ili kwamba siku zenu na siku za watoto wenu zipate kuwa nyingi katika nchi ile Bwana aliyoapa kuwapa baba zenu, kama zilivyo nyingi siku za mbingu juu ya nchi.
mba ho maro ny andronareo sy ny andron’ ny taranakareo eo amin’ ny tany izay nianianan’ i Jehovah tamin’ ny razanareo homena azy, toy ny faharetan’ ny lanitra ambonin’ ny tany.
22 Kama mkishika kwa makini maagizo haya yote ninayowapa kuyafuata, ya kumpenda Bwana Mungu wenu, kuenenda katika njia zake zote na kushikamana naye kwa uthabiti,
Fa raha hitandrina tsara izao lalàna rehetra izao izay andidiako anareo ianareo ka manaraka azy ary ho tia an’ i Jehovah Andriamanitrareo sy handeha eo amin’ ny lalany rehetra sy hifikitra aminy,
23 ndipo Bwana atawafukuza mataifa haya yote mbele yako, nawe utawafukuza mataifa yaliyo makubwa na yenye nguvu kukuliko wewe.
dia horoahin’ i Jehovah eo anoloanareo ireo firenena rehetra ireo, ary ianareo haharesy firenena maro, izay lehibe sy mahery noho ianareo.
24 Kila mahali mtakapoweka mguu wenu patakuwa penu: Nchi yenu itaenea kutoka jangwa la Lebanoni, na kutoka mto wa Frati hadi bahari ya magharibi
Ny tany rehetra izay hodiavin’ ny faladian’ ny tongotrareo dia ho anareo: hatramin’ ny efitra sy Libanona ary hatramin’ ny ony Eofrata ka hatramin’ ny ranomasina andrefana no ho fari-taninareo.
25 Hapatakuwa na mtu atakayeweza kusimama dhidi yenu. Bwana Mungu wenu, kama alivyoahidi, ataweka juu ya nchi yote utisho na hofu kwa ajili yenu popote mwendako.
Tsy hisy olona hahajanona eo anoloanareo, fa hataon’ i Jehovah Andriamanitrareo ho azon’ ny tahotra sy horohoro anareo ny tany rehetra izay hodiavinareo, araka izay nolazainy taminareo.
26 Tazama, leo ninaweka mbele yenu baraka na laana:
Indro, Izaho mametraka fitahiana sy ozona eo anoloanareo anio:
27 baraka kama mtatii maagizo ya Bwana Mungu wenu, ambayo ninawapa leo;
fitahiana, raha hohenoinareo ny didin’ i Jehovah Andriamanitrareo, izay andidiako anareo anio;
28 laana kama hamtatii maagizo ya Bwana Mungu wenu na kuacha njia ambayo ninawaamuru leo kwa kufuata miungu mingine, ambayo hamkuijua.
ary ozona kosa, raha tsy hohenoinareo ny didin’ i Jehovah Andriamanitrareo, fa hivily hiala amin’ ny lalana izay andidiako anareo anio mba haleha ianareo ka hanaraka andriamani-kafa izay tsy fantatrareo.
29 Wakati Bwana Mungu wenu atakapokuwa amewaleta katika nchi mnayoiingia kuimiliki, mtatangaza baraka kutoka Mlima Gerizimu, na kutangaza laana kutoka Mlima Ebali.
Ary rehefa entin’ i Jehovah Andriamanitrao ianao ka tafiditra any amin’ ny tany izay alehanao holovana, dia ny fitahiana no hotononinao eo an-tendrombohitra Gerizinia, ary ny fanozonana kosa eo an-tendrombohitra Ebala.
30 Kama mnavyofahamu, milima hii ipo ngʼambo ya Yordani, magharibi ya barabara, kuelekea machweo ya jua, karibu na miti mikubwa ya More, katika nchi ya wale Wakanaani wanaoishi Araba, jirani na Gilgali.
Tsy any an-dafin’ i Jordana va izy roa, any ankoatry ny lalana andrefana, amin’ ny tanin’ ny Kananita, izay monina eo amin’ ny tani-hay tandrifin’ i Gilgaly, eo anilan’ ny hazo terebintan’ i More?
31 Karibu mvuke ngʼambo ya Yordani kuingia na kuimiliki nchi ambayo Bwana Mungu wenu anawapa. Wakati mtakapokuwa mmeichukua na mnaishi humo,
Fa ianareo efa handeha hita an’ i Jordana ka hiditra sy handova ny tany izay omen’ i Jehovah Andriamanitrareo anareo, ary handova azy ianareo ka honina eo;
32 hakikisheni kwamba mnatii amri na sheria zote ninazoziweka mbele yenu leo.
koa tandremo mba harahinareo ny didy rehetra sy ny fitsipika izay ataoko eo anoloanareo anio.