< Danieli 1 >

1 Katika mwaka wa tatu wa utawala wa Yehoyakimu mfalme wa Yuda, Nebukadneza mfalme wa Babeli alikuja akazingira Yerusalemu kwa jeshi.
Tamin’ ny taona fahatelo nanjakan’ i Joiakima, mpanjakan’ ny Joda, no nankanesan’ i Nebokadnezara, mpanjakan’ i Babylona, tany Jerosalema sy nanaovany fahirano azy.
2 Bwana akamtia Yehoyakimu mfalme wa Yuda mkononi mwa Nebukadneza, pamoja na baadhi ya vyombo kutoka Hekalu la Mungu. Hivi akavichukua hadi kwenye hekalu la mungu wake huko Shinari, naye akaviweka nyumbani ya hazina ya mungu wake.
Ary ny Tompo nanolotra an’ i Joiakima, mpanjakan’ ny Joda, mbamin’ ny fanaka sasany tao an-tranon’ Andriamanitra ho eo an-tànany, ka nentiny ho any amin’ ny tany Sinara ireny, ho ao an-tranon’ andriamaniny; koa ny fanaka dia nampidiriny tao amin’ ny trano firaketan’ andriamaniny.
3 Kisha mfalme akamwagiza Ashpenazi, mkuu wa maafisa wa mfalme, kumletea baadhi ya Waisraeli kutoka jamaa ya mfalme na kutoka jamaa kuu,
Ary ny mpanjaka nandidy an’ i Aspenaza, lehiben’ ny tandapany, hitondra ny sasany amin’ ny Zanak’ Isiraely, dia amin’ ny zanak’ andriana na amin’ ny ambony firazanana,
4 vijana wanaume wasio na dosari mwilini, wenye sura nzuri, wanaoonyesha kipaji katika kila aina ya elimu, wenye ufahamu mzuri, wepesi kuelewa, na waliofuzu kuhudumu katika jumba la kifalme. Alikuwa awafundishe lugha na maandiko ya Wakaldayo.
dia zatovo izay tsy nisy kilema, fa tsara tarehy sady kanto amin’ ny fahendrena rehetra sy manam-pahalalana ary mazava saina ka miendrika hitoetra ao an-dapan’ ny mpanjaka sady nasainy nampianarina ny taratasy sy ny tenin’ ny Kaldeana.
5 Mfalme akawaagizia kiasi cha chakula na divai ya kila siku kutoka meza ya mfalme. Walikuwa wafundishwe kwa miaka mitatu, na hatimaye waingie kwenye utumishi wa mfalme.
Ary ny mpanjaka nampanokana hanina ho an’ ireo isan’ andro avy tamin’ ny haniny sy avy tamin’ ny divay izay fisotrony mba hamelomana azy telo taona, ary rehefa afaka izany, dia hitoetra eo anatrehan’ ny mpanjaka izy.
6 Baadhi ya hawa vijana walitoka Yuda: nao ni Danieli, Hanania, Mishaeli na Azaria.
Ary tamin’ ireo dia nisy avy amin’ ny taranak’ i Joda, dia Daniela sy Hanania sy Misaela ary Azaria.
7 Mkuu wa maafisa akawapa majina mapya: Danieli akamwita Belteshaza, Hanania akamwita Shadraki, Mishaeli akamwita Meshaki, na Azaria akamwita Abednego.
Ary izy ireo nomen’ ny lehiben’ ny tandapa anarana, ka Daniela nataony hoe Beltesazara, ary Hanania nataony hoe Sadraka, ary Misaela nataony hoe Mesaka, ary Azaria nataony hoe Abednego.
8 Lakini Danieli alikusudia kuwa hatajitia unajisi kwa chakula cha mfalme na divai, naye akamwomba mkuu wa maafisa ruhusa ili asijinajisi kwa njia hii.
Ary Daniela ninia tao am-pony tsy handoto ny tenany tamin’ ny anjara-hanina avy tamin’ ny hanin’ ny mpanjaka, na tamin’ ny divay izay fisotrony; ka dia nangataka tamin’ ny lehiben’ ny tandapa izy mba havelany tsy handoto ny tenany.
9 Basi Mungu alikuwa amemfanya huyo mkuu wa maafisa kuonyesha upendeleo na huruma kwa Danieli,
Dia nataon’ Andriamanitra nahita fitia sy famindram-po tamin’ ilay lehiben’ ny tandapa Daniela.
10 lakini huyo mkuu wa maafisa akamwambia Danieli, “Ninamwogopa bwana wangu mfalme, aliyeagizia chakula na kinywaji chenu. Kwa nini aone nyuso zenu zikiwa mbaya kuliko za vijana wengine wa rika lenu? Mfalme atakata kichwa changu kwa sababu yenu.”
Ary hoy ilay lehiben’ ny tandapa tamin’ i Daniela: Matahotra ny mpanjaka tompoko izay nampanokana ny hohaninareo sy ny hosotroinareo aho; fa hanao ahoana raha mahita ny tarehinareo mahia noho ny an’ ny zatovo namanareo izy, moa tsy hahameloka ahy amin’ ny mpanjaka va ianareo, ka hotapahiny ny lohako?
11 Ndipo Danieli akamwambia mlinzi aliyeteuliwa na huyo mkuu wa maafisa kuwasimamia Danieli, Hanania, Mishaeli na Azaria,
Dia hoy Daniela tamin’ ny mpiadidy, izay notendren’ ny lehiben’ ny tandapa ho mpiadidy an’ i Daniela sy Hanania sy Misaela ary Azaria:
12 “Tafadhali wajaribu watumishi wako kwa siku kumi. Usitupe chochote ila nafaka na mboga za majani tule, na maji ya kunywa.
Masìna ianao, izahao toetra hafoloana izahay mpanomponao, ary aoka homena hanin-kotrana hohaninay sy rano hosotroinay.
13 Baadaye ulinganishe sura zetu na vijana wanaokula chakula cha mfalme, ukawatendee watumishi wako kulingana na unachoona.”
Dia aoka hizahana eo anatrehanao ny tarehinay sy ny tarehin’ ny zatovo izay mihinana ny anjara avy amin’ ny hanin’ ny mpanjaka, ary araka izay hitanao no ataovy amin’ ny mpanomponao.
14 Basi akakubali jambo hili, akawajaribu kwa siku kumi.
Ary nanaiky izany teny izany izy ka nizaha toetra azy hafoloana.
15 Mwisho wa zile siku kumi, walionekana kuwa na afya na kunawiri zaidi kuliko yeyote kati ya wale vijana waliokula chakula cha mfalme.
Ary nony tapitra ny hafoloana, dia hita fa mandimandina sy matavy aza ny tarehiny noho ny an’ ny zatovo rehetra izay nihinana anjara avy tamin’ ny hanin’ ny mpanjaka.
16 Hivyo mlinzi wao akaondoa chakula chao na divai yao waliopangiwa kula na kunywa, akawapa nafaka na mboga za majani badala yake.
Dia najanon’ ilay mpiadidy ny anjara-haniny sy ny divay hosotroiny, ka hanin-kotrana no nomeny azy.
17 Mungu akawapa hawa vijana wanne maarifa na ufahamu wa kila aina ya maandiko na elimu. Naye Danieli aliweza kufahamu maono na aina zote za ndoto.
Ary ireo zatovo efa-dahy ireo dia nomen’ Andriamanitra fahalalana sy saina ny amin’ ny taratasy sy ny fahendrena rehetra; ary Daniela nahafantatra ny amin’ ny fahitana sy ny nofy rehetra.
18 Mwisho wa muda uliowekwa na mfalme kuwaingiza kwake, mkuu wa maafisa akawaleta mbele ya Mfalme Nebukadneza.
Ary nony tonga ny andro nasain’ ny mpanjaka hampidirana azy, dia nentin’ ilay lehiben’ ny tandapa niditra teo anatrehan’ i Nebokadnezara izy.
19 Mfalme akazungumza nao, akaona hakuna aliyelingana na Danieli, Hanania, Mishaeli na Azaria. Hivyo wakaingia katika utumishi wa mfalme.
Ary ny mpanjaka niresaka taminy, ka tsy nisy hita izay tahaka an’ i Daniela sy Hanania sy Misaela ary Azaria tamin’ izy rehetra, ka dia nitoetra teo anatrehan’ ny mpanjaka izy ireo.
20 Katika kila jambo la hekima na ufahamu kuhusu kile mfalme alichowauliza, aliwaona bora mara kumi zaidi kuliko waganga na wasihiri wote katika ufalme wake wote.
Ary ny amin’ ny fahendrena sy ny fahalalana rehetra izay nanontanian’ ny mpanjaka azy, dia hitany fa nanan-tombo im-polo heny noho ny ombiasy rehetra sy ny mpisikidy izay teo amin’ ny fanjakany rehetra aza izy.
21 Naye Danieli akabaki huko mpaka mwaka wa kwanza wa utawala wa Mfalme Koreshi.
Ary Daniela nahatratra ny taona voalohany nanjakan’ i Kyrosy mpanjaka.

< Danieli 1 >