< Danieli 5 >

1 Mfalme Belshaza alifanya karamu kubwa kwa ajili ya maelfu ya wakuu wake na akanywa mvinyo pamoja nao.
Belsazara mpanjaka nanao fanasana lehibe ho an’ ny mpanolo-tsainy arivo lahy, ary teo anatrehan’ ireny no nisotroany divay.
2 Wakati Belshaza alipokuwa akinywa mvinyo wake, aliamuru viletwe vile vikombe vya dhahabu na fedha ambavyo Nebukadneza baba yake alikuwa amevichukua kutoka hekaluni huko Yerusalemu, ili mfalme na wakuu wake, wake zake na masuria wake waweze kuvinywea.
Nony efa nisotro divay Belsazara, dia nasainy nalaina ny fanaka volamena sy volafotsy izay nalain’ i Nebokadnezara rainy avy tao amin’ ny tempoly tany Jerosalema, mba hisotroan’ ny mpanjaka sy ny mpanolotsainy sy ny vadiny mbamin’ ny vaditsindranony.
3 Kwa hiyo wakavileta vile vikombe vya dhahabu ambavyo vilikuwa vimechukuliwa kutoka Hekalu la Mungu huko Yerusalemu, naye mfalme na wakuu wake, wake zake na masuria wake wakavinywea.
Dia nentiny ny fanaka volamena izay nalaina avy teo amin’ ny tempolin’ ny tranon’ Andriamanitra tany Jerosalema, ary ny mpanjaka sy ny mpanolo-tsainy sy ny vadiny mbamin’ ny vaditsindranony nisotro taminy.
4 Walipokuwa wakinywa mvinyo, wakaisifu miungu ya dhahabu na fedha, ya shaba, chuma, miti na mawe.
Eny, nisotro divay izy sady nankalaza ny andriamanitra volamena sy volafotsy sy varahina sy vy sy hazo ary vato.
5 Ghafula vidole vya mkono wa mwanadamu vilitokea na kuandika juu ya ukuta, karibu na kinara cha taa ndani ya jumba la mfalme. Mfalme akatazama kitanga kilivyokuwa kikiandika.
Tamin’ izay dia nisy rantsan-tànan’ olona niseho ka nanoratra tandrifin’ ny jiro tamin’ ny lalotra sokay teo amin’ ny rindrin’ ny lapan’ ny mpanjaka; ary ny mpanjaka nahita ilay rantsan-tanana nanoratra.
6 Uso wa mfalme ukageuka rangi, naye akaogopa sana, kiasi kwamba magoti yake yaligongana na miguu yake ikalegea.
Dia nivaloarika ny tarehin’ ny mpanjaka, ary naharaiki-tahotra azy ny eritreriny, ka dia nivahavaha ny valahany, sady niady ny lohaliny.
7 Mfalme akawaita wasihiri, wanajimu na waganga waletwe, naye akawaambia hawa wenye hekima wa Babeli, “Yeyote asomaye maandishi haya na kuniambia maana yake atavikwa nguo za zambarau, na kuvikwa mkufu wa dhahabu shingoni mwake, naye atafanywa mtawala wa cheo cha tatu katika ufalme.”
Dia niantso mafy ny mpanjaka hampiditra ny mpisikidy sy ny Kaldeana ary ny mpanandro. Ary ny mpanjaka niteny ka nanao tamin’ ny olon-kendrin’ i Babylona hoe: Na zovy na zovy no mahavaky io soratra io sady milaza ny heviny amiko dia hampiakanjoina volomparasy, sy hasiana rojo volamena ny vozony, ary ho isan’ ny mpanapaka telo lahy amin’ ny fanjakana izy.
8 Ndipo watu wote wa mfalme wenye hekima wakaingia, lakini hawakuweza kusoma yale maandishi wala kumwambia mfalme maana yake.
Dia niditra avokoa ny olon-kendrin’ ny mpanjaka, nefa tsy nisy nahavaky ny soratra na nampahalala ny mpanjaka ny heviny.
9 Basi Mfalme Belshaza akazidi kujawa na hofu, na uso wake ukageuka rangi zaidi. Wakuu wake wakapigwa na bumbuazi.
Dia natahotra indrindra Belsazara mpanjaka, ka nivaloarika ny tarehiny, ary vaka terỳ ny mpanolo-tsainy.
10 Malkia aliposikia sauti za mfalme na wakuu wake, alikuja katika ukumbi wa karamu. Akasema, “Ee mfalme, uishi milele! Usishtuke! Usibadilike rangi kiasi hicho!
Ary ny renin’ ny mpanjaka niditra tao amin’ ny trano fanasana noho ny tenin’ ny mpanjaka sy ny mpanolo-tsainy; dia niteny ny renin’ ny mpanjaka ka nanao hoe: Ry mpanjaka ô, ho velona mandrakizay anie ianao, aoka tsy haharaiki-tahotra anao ny eritreritrao, na hivaloarika ny tarehinao.
11 Yuko mtu katika ufalme wako ambaye ana roho ya miungu mitakatifu ndani yake. Wakati wa baba yako, mtu huyo alionekana kuwa na ufahamu, akili na hekima kama ile ya miungu. Mfalme Nebukadneza baba yako, yaani nasema mfalme baba yako, alimweka kuwa mkuu wa waganga, wasihiri, wanajimu na waaguzi.
Misy lehilahy ato amin’ ny fanjakanao izay manana fanahin’ ireo andriamanitra masìna ao anatiny; ary fony fahavelon-drainao dia hita fa nisy fahazavan-tsaina sy fahalalana ary fahendrena tao aminy tahaka ny fahendren’ ireo andriamanitra; ka nataon’ i Nebokadnezara mpanjaka rainao, dia ny mpanjaka rainao, hoy izaho, ho lehiben’ ny ombiasy sy ny mpisikidy sy ny Kaldeana ary ny mpanandro izy;
12 Mtu huyu Danieli, ambaye mfalme alimwita Belteshaza, alionekana kuwa na akili nyepesi, maarifa na ufahamu, pia uwezo wa kufasiri ndoto, kueleza mafumbo na kutatua matatizo magumu. Mwite Danieli, naye atakuambia maana ya haya maandishi.”
fa fanahy hendry sy fahalalana sy saina ary fahaiza-milaza nofy sy fanambarana teny sarotra sy fampisehoana hevitra miafina no hita tao amin’ izany Daniela izany, izay nomen’ ny mpanjaka anarana hoe Beltesazara, koa aoka hantsoina Daniela, fa holazainy ny hevitry ny teny.
13 Hivyo Danieli akaletwa mbele ya mfalme, naye mfalme akamuuliza, “Je, wewe ndiwe Danieli, mmoja wa watu wa uhamisho walioletwa na mfalme baba yangu kutoka Yuda?
Dia nampidirina teo anatrehan’ ny mpanjaka Daniela. Ary ny mpanjaka niteny ka nanao tamin’ i Daniela hoe: Hianao mantsy no Daniela, ilay isan’ ny babo avy amin’ ny taranak’ i Joda, izay nentin’ ny mpanjaka raiko avy tany Joda.
14 Nimesikia kwamba roho ya miungu iko ndani yako, na kwamba una ufahamu, akili na hekima ya pekee.
Efa reko ny aminao, fa ianao manana fanahin’ ireo andriamanitra sady misy fahazavan-tsaina sy fahalalana ary fahendrena tsara hita ao aminao.
15 Watu wenye hekima na wasihiri waliletwa mbele yangu ili kusoma maandishi haya na kuniambia maana yake, lakini hawakuweza kunifafanulia.
Ary vao teo dia efa nampidirina teto anatrehako ny olon-kendry sy ny mpisikidy hamaky io soratra io sy hampahafantatra ahy ny heviny; fa tsy nahalaza ny hevitry ny teny izy;
16 Basi nimesikia kwamba unaweza kutoa tafsiri na kutatua matatizo magumu. Ikiwa unaweza kusoma maandishi haya na kuniambia maana yake, utavikwa nguo za zambarau na mkufu wa dhahabu shingoni mwako, nawe utafanywa mtawala wa tatu katika ufalme.”
ary efa reko ny aminao, fa ianao no mahalaza hevitra sy mahay mampiseho hevitra miafina; koa raha mahavaky ny soratra sy mampahafantatra ahy ny heviny ianao, dia hampiakanjoina volomparasy, sy hasiana rofo volamena ny vozonao, ary ho isan’ ny mpanapaka telo lahy amin’ ny fanjakana ianao.
17 Ndipo Danieli akamjibu mfalme, “Waweza kubaki na zawadi zako mwenyewe na kumpa mtu mwingine zawadi zako. Hata hivyo, nitasoma maandishi kwa mfalme na kumwambia maana yake.
Dia namaly Daniela ka nanao teo anatrehan’ ny mpanjaka hoe: Aoka ihany ho anao ny fanomezanao, ary ny valim-pitianao omeo ny hafa; nefa hovakiko amin’ ny mpanjaka ihany ny soratra, ary hampahafantariko azy ny heviny.
18 “Ee mfalme, Mungu Aliye Juu Sana alimpa baba yako Nebukadneza utawala, ukuu, utukufu na fahari.
Ny aminao, ry mpanjaka ô, Andriamanitra Avo Indrindra efa nanome fanjakana sy fahalehibiazana sy voninahitra ary laza an’ i Nebokadnezara rainao;
19 Kwa sababu ya nafasi ya juu aliyompa baba yako, kabila zote za watu, mataifa na watu wa kila lugha walimhofu na kumwogopa. Wale ambao mfalme alitaka kuwaua, aliwaua; wale aliotaka kuwaacha hai, aliwaacha hai; wale aliotaka kuwapandisha cheo, aliwapandisha; aliotaka kuwashusha, aliwashusha.
ary noho ny fahalehibiazana izay nomeny azy, ny fokom-pirenena sy ny firenena ary ny samy hafa fiteny rehetra dia nangovitra sy natahotra teo anatrehany; izay tiany hovonoina dia novonoiny; ary izay tiany hovelomina dia novelominy; ary izay tiany hasandratra dia nasandrany; ary izay tiany haetry dia naetriny.
20 Lakini moyo wake ulipokuwa na majivuno na kuwa mgumu kwa kiburi, aliondolewa kutoka kwa kiti chake cha ufalme na kuvuliwa utukufu wake.
Fa nony niavonavona kosa ny fony, ary nikikitra tamin’ ny fireharehana ny fanahiny, dia naetry niala tamin’ ny seza fiandrianan’ ny fanjakany izy, ary ny voninahiny nesorina taminy;
21 Akafukuzwa mbali na wanadamu na kupewa akili ya mnyama, akaishi pamoja na punda-mwitu, akala majani kama ngʼombe, nao mwili wake ukaloweshwa kwa umande wa mbingu, mpaka alipotambua kwamba Mungu Aliye Juu Sana ndiye mtawala juu ya falme za wanadamu na kwamba humtawaza juu yao yeyote amtakaye.
dia noroahina niala tamin’ ny zanak’ olombelona izy; ary ny fony natao tahaka ny an’ ny biby, ary ny fonenany tany amin’ ny boriki-dia, dia nampihinanina ahitra toy ny omby izy, ary kotsan’ ny andon’ ny lanitra ny tenany, ambara-pahafantany fa Andriamanitra Avo Indrindra no manapaka amin’ ny fanjakan’ ny olona, ary izay tiany no tendreny ho mpanjakany.
22 “Lakini wewe mwanawe, ee Belshaza, hukujinyenyekeza, ingawa ulifahamu haya yote.
Ary ianao, ry Belsazara zanany, dia tsy mba nampietry ny fonao, na dia fantatrao aza izany rehetra izany;
23 Badala yake, umejiinua dhidi ya Bwana wa mbingu. Uliletewa vikombe vya Hekalu lake, nawe na wakuu wako, wake zako na masuria wako mlivitumia kwa kunywea mvinyo. Ukaisifu miungu ya fedha na dhahabu, ya shaba, chuma, miti na mawe, miungu ambayo haiwezi kuona, au kusikia wala kufahamu. Lakini hukumheshimu Mungu ambaye anaushikilia uhai wako na njia zako zote mkononi mwake.
fa niavonavona tamin’ ny Tompon’ ny lanitra ianao; ary ny fanaky ny tranon’ Andriamanitra dia nentina eto anatrehanao, ary ianao sy ny mpanolo-tsainao sy ny vadinao mbamin’ ny vaditsindranonao nisotro divay taminy; ary ianao nankalaza ny andriamanitra volafotsy sy volamena sy varahina sy vy sy hazo ary vato, izay tsy mahita, na mandre, na mahalala; fa Andriamanitra Izay mitana ny ainao sady Tompon’ ny alehanao rehetra dia tsy mba nankalazainao.
24 Kwa hiyo ameutuma mkono ule ulioandika maneno.
Ary noho izany dia Izy no nihavian’ ilay rantsan-tanana, ka voasoratra ireo teny ireo.
25 “Haya ndiyo maneno yaliyoandikwa: mene, mene, tekeli na peresi
Ary ny teny voasoratra dia izao: Mene, Mene, Tekela, Oparesina.
26 “Hii ndiyo maana ya maneno haya: “Mene: Mungu amezihesabu siku za utawala wako na kuukomesha.
Izao no hevitry ny teny: Mene, voaisan’ Andriamanitra ny nanjakanao ka taperiny amin’ izao;
27 Tekeli: Wewe umepimwa katika mizani na umeonekana umepungua.
Tekela, efa voalanja tamin’ ny mizana ianao ka, indro, latsa-danja;
28 Peresi: Ufalme wako umegawanywa na kupewa Wamedi na Waajemi.”
Paresa, zarazaraina ny fanjakanao ka omena ho an’ ny Mediana sy ny Persiana.
29 Ndipo kwa amri ya Belshaza, Danieli akavikwa nguo za zambarau na mkufu wa dhahabu shingoni, tena akatangazwa kuwa mtawala wa tatu katika ufalme.
Ary Belsazara dia nanome teny, ka dia nampiakanjoina volomparasy Daniela, sady nasiana rojo volamena ny vozony, ary nisy niantso azy ho isan’ ny mpanapaka telo lahy amin’ ny fanjakana.
30 Usiku ule ule, Belshaza mfalme wa Wakaldayo akauawa,
Ary tamin’ io alina io ihany dia novonoina Belsazara, mpanjakan’ ny Kaldeana.
31 naye Dario Mmedi akashika ufalme akiwa na miaka sitini na miwili.
Ary Dariosa Mediana no nandray ny fanjakana, rehefa tokony ho roa amby enim-polo taona no andro niainany.

< Danieli 5 >