< Amosi 9 >
1 Nilimwona Bwana akiwa amesimama kando ya madhabahu, naye akasema: “Piga vichwa vya nguzo ili vizingiti vitikisike. Viangushe juu ya vichwa vya watu wote; na wale watakaosalia nitawaua kwa upanga. Hakuna awaye yote atakayekimbia, hakuna atakayetoroka.
Nahita ny Tompo nitsangana teo anilan’ ny alitara aho, ka hoy Izy: Asio ny kapitaly hihetsiketsehan’ ny tokonana, ary torotoroy hianjera amin’ ny lohan’ izy rehetra, ka izay sisa aminy dia hovonoiko amin’ ny sabatra; Ary tsy hisy afa-mandositra izy, sady tsy hisy izay sisa ho afaka akory.
2 Wajapojichimbia chini mpaka kwenye vina vya kuzimu, kutoka huko mkono wangu utawatoa. Wajapopanda juu hadi kwenye mbingu, kutoka huko nitawashusha. (Sheol )
Na dia mibosesika ho any amin’ ny fiainan-tsi-hita aza izy, dia any no hanalan’ ny tanako azy; Ary na dia miakatra ho any an-danitra aza izy, dia avy any no hampidinako azy. (Sheol )
3 Wajapojificha juu ya kilele cha Karmeli, huko nitawawinda na kuwakamata. Wajapojificha kutoka kwenye uso wangu katika vilindi vya bahari, huko nako nitaamuru joka kuwauma.
Ary na dia miery any an-tampon’ i Karmela aza izy, dia any no hitadiavako sy hangalako azy; Ary na dia manafin-tena any ambanin’ ny ranomasina aza izy, mba tsy ho hitan’ ny masoko, dia any no handidiako ny menarana, ka hanaikitra azy.
4 Wajapopelekwa uhamishoni na adui zao, huko nako nitaamuru upanga uwaue. Nitawakazia macho yangu kwa mabaya wala si kwa mazuri.”
Ary na dia lasan-ko babo eo anoloan’ ny fahavalony aza izy, dia any no handidiako ny sabatra, ka hamono azy; Ary hampanandriniko azy ny masoko hahatonga ny loza aminy, fa tsy ny soa.
5 Bwana, Bwana Mwenye Nguvu Zote, yeye agusaye dunia nayo ikayeyuka, na wote wakaao ndani mwake wakaomboleza: nayo nchi yote huinuka kama Naili, kisha hushuka kama mto wa Misri;
Ary Jehovah, Tompon’ ny maro, no manendry ny tany, ka dia miempo izany, ka misaona ny mponina rehetra ao aminy; Ary dia hihatondraka tahaka an’ i Neily avokoa Izany, ary hihena indray izy toy ny Neilin’ i Egypta,
6 yeye ambaye hujenga jumba lake la kifalme katika mbingu na kuisimika misingi yake juu ya dunia, yeye aitaye maji ya bahari na kuyamwaga juu ya uso wa nchi: Bwana ndilo jina lake.
Ary manao ny tranony ambony any an-danitra Izy, sady manorina ny andohalambony eny ambonin’ ny tany; Ary miantso ny rano eny an-dranomasina ka mampilatsaka azy eny amin’ ny tany, Jehovah no anarany.
7 “Je, Waisraeli, ninyi si sawa kwangu kama Wakushi?” asema Bwana. “Je, sikuleta Israeli kutoka Misri, Wafilisti kutoka Kaftori, na Washamu kutoka Kiri?
Moa tsy toy ny taranaky ny Etiopiana va ianareo raha amiko, ry Zanak’ Isiraely? hoy Jehovah. Tsy ny Isiraely va no nentiko nivoaka avy tany amin’ ny tany Egypta. Ary ny Filistina avy tany Kaftora, Ary ny Syriana avy tany Kira?
8 “Hakika macho ya Bwana Mwenyezi yako juu ya ufalme wenye dhambi. Nami nitauangamiza kutoka kwenye uso wa dunia: hata hivyo sitaiangamiza kabisa nyumba ya Yakobo,” asema Bwana.
Indro, ny mason’ i Jehovah Tompo no manandrina ity fanjakana feno ota ity, ka dia hofongorako tsy ho eo ambonin’ ny tany izy; Kanefa tsy dia hofongorako avokoa ny taranak’ i Jakoba, hoy Jehovah.
9 “Kwa kuwa nitatoa amri, na nitaipepeta nyumba ya Israeli miongoni mwa mataifa yote, kama vile nafaka ipepetwavyo katika ungo, na hakuna hata punje moja itakayoanguka chini.
Fa, indro, Izaho no handidy, ka hosivaniko any amin’ ny firenena rehetra ny taranak’ Isiraely, tahaka ny fanasivana vary amin’ ny sivana; Nefa tsy hisy voam-bary ho latsaka amin’ ny tany na dia iray akory aza.
10 Watenda dhambi wote miongoni mwa watu wangu watauawa kwa upanga, wale wote wasemao, ‘Maafa hayatatupata wala kutukuta.’
Sabatra no hamonoana ny mpanota rehetra amin’ ny oloko, dia ireo izay manao hoe: Ny loza tsy hanakaiky na hahatratra anay.
11 “Katika siku ile nitaisimamisha hema ya Daudi iliyoanguka. Nitakarabati mahali palipobomoka na kujenga upya magofu yake, na kuijenga kama ilivyokuwa awali,
Amin’ izany andro izany dia hatsangako indray ny trano-bongon’ i Davida izay efa nianjera, ary hotampenako ny efa banga ao; Ary hamboariko izay efa rava aminy, ka hataoko tahaka ny taloha izy,
12 ili wapate kuyamiliki mabaki ya Edomu, na mataifa yote yale yanayobeba Jina langu,” asema Bwana ambaye atafanya mambo haya.
Mba hananany izay sisa amin’ i Edoma sy amin’ ny jentilisa rehetra, izay hantsoina amin’ ny anarako, hoy Jehovah, Izay manao izany.
13 “Siku zinakuja,” asema Bwana, “wakati mvunaji atatanguliwa na mkulima, naye mpanzi atatanguliwa na yeye akamuaye zabibu. Divai mpya itadondoka kutoka milimani, na kutiririka kutoka vilima vyote.
Indro, avy ny andro, hoy Jehovah, Izay hahatraran’ ny mpiasa tany ny mpijinja, ary ny mpanosihosy voaloboka hahatratra ny mpamafy; Ny tendrombohitra hipoipoitra ranom-boaloboka, ary ny havoana rehetra hiempo.
14 Nitawarejesha tena watu wangu Israeli waliohamishwa; wataijenga tena miji iliyoachwa magofu, nao wataishi ndani mwake. Watapanda mizabibu na kunywa divai yake; watalima bustani na kula matunda yake.
Ary hampodiko ny Isiraely avy amin’ ny fahababoana, dia hanangana ny tanàna efa rava izy ka honina ao, ary hanao tanim-boaloboka izy ka hisotro ny divay avy aminy; Hanao saha koa izy ka hihinana ny vokatra.
15 Nitaipanda Israeli katika nchi yao wenyewe, hawatangʼolewa tena kutoka nchi ambayo nimewapa,” asema Bwana Mungu wenu.
Eny, hamboleko ao amin’ ny taniny izy, ka tsy hongotana amin’ ny taniny izay nomeko azy intsony izy, Hoy Jehovah Andriamanitrao.