< 2 Samweli 19 >

1 Yoabu akaambiwa, “Mfalme analia na kumwombolezea Absalomu.”
Ary nambara tamin’ i Joaba hoe: Indro, mitomany sy misaona an’ i Absaloma ny mpanjaka.
2 Kwa jeshi lote, ushindi wa siku ile ukageuka kuwa maombolezo, kwa sababu siku ile vikosi vilisikia ikisemwa, “Mfalme anahuzunika kwa ajili ya mwanawe.”
Ary ny famonjena dia tonga fisaonana tamin’ ny vahoaka rehetra androtrizay, satria ren’ ny vahoaka tamin’ izany andro izany hoe: Malahelo ny zanany ny mpanjaka.
3 Siku ile watu wakaingia mjini kimya kama vile waingiavyo kwa aibu watu waliokimbia kutoka vitani.
Ka dia niakatra nisokosoko tao an-tanàna ny olona tamin’ izany andro izany, toy ny fisokosokon’ ny olona menatra raha mandositra amin’ ny ady.
4 Mfalme akafunika uso wake akalia kwa sauti, akisema, “Ee mwanangu Absalomu! Ee Absalomu, mwanangu, mwanangu!”
Fa ny mpanjaka nanarona ny tavany sady nidradradradra tamin’ ny feo mafy hoe: Ry Absaloma, zanako, ry Absaloma, zanako, zanako ô!
5 Kisha Yoabu akaingia ndani ya nyumba ya mfalme na kusema, “Leo umewaaibisha watu wako wote, waliookoa maisha yako, maisha ya wanao na binti zako, maisha ya wake zako na masuria wako.
Ary niditra tao amin’ ny mpanjaka tao an-trano Joaba ka nanao hoe: Efa nomenarinao androany ny mpanomponao rehetra izay namonjy ny ainao androany sy ny ain’ ny zanakao-lahy sy ny zanakao-vavy ary ny ain’ ny vadinao sy ny vaditsindranonao;
6 Unawapenda wale wanaokuchukia, na unawachukia wale wanaokupenda. Leo umeonyesha wazi kwamba majemadari wako na watu wao hawana maana kwako. Naona kwamba ungefurahi kama Absalomu angekuwa hai leo na sisi sote tuwe tumekufa.
fa ny mankahala anao no tianao, ary ny tia anao kosa no halanao, ka nasehonao androany fa tsinontsinona aminao ny manamboninahitra sy ny miaramila; ary hitako izao fa raha velona Absaloma, ka izahay rehetra no maty androany, dia izany no sitrakao.
7 Sasa utoke nje ukawatie moyo watu wako. Naapa kwa Bwana kwamba ikiwa hutatoka nje, hakuna mtu atakayesalia pamoja nawe ifikapo leo jioni. Hii itakuwa mbaya zaidi kwako kuliko maafa yote yaliyokupata tangu ujana wako hadi sasa.”
Koa mitsangàna ankehitriny, ka mivoaha, ary manaova teny soa amin’ ny mpanomponao; fa mianiana amin’ i Jehovah aho fa raha tsy mivoaka ianao, dia tsy hisy na dia iray akory aza hitoetra eto aminao anio alina; ka dia izany no ho mafy lavitra aminao noho ny fahoriana rehetra izay nanjo anao hatry ny fony ianao vao zaza ka ambaraka ankehitriny.
8 Kwa hiyo mfalme akaondoka akaketi kitini pake penye lango. Watu walipoambiwa, “Mfalme ameketi langoni,” watu wote wakamjia. Wakati huo, Waisraeli walikuwa wamekimbilia nyumbani kwao.
Dia nivoaka ny mpanjaka ka nijanona teo am-bavahady; ary nolazaina tamin’ ny vahoaka rehetra hoe: Indro, ny mpanjaka mijanona eo am-bavahady. Ary ny vahoaka rehetra dia nankeo anatrehan’ ny mpanjaka. Ary ny Isiraely dia samy efa lasa nandositra ho any amin’ ny lainy avy.
9 Katika makabila yote ya Israeli, watu walikuwa wanabishana wao kwa wao, wakisema, “Mfalme alituokoa kutoka mikononi mwa adui zetu; ndiye alituokoa kutoka mikononi mwa Wafilisti. Lakini sasa mfalme ameikimbia nchi kwa sababu ya Absalomu,
Ary ny vahoaka rehetra tamin’ ny firenen’ Isiraely nifanditra hoe: Ny mpanjaka no namonjy antsika tamin’ ny tanan’ ny fahavalontsika, indrindra fa tamin’ ny tanan’ ny Filistina; nefa ankehitriny dia efa nandositra niala tamin’ ny tany izy noho ny amin’ i Absaloma.
10 naye Absalomu, tuliyemtia mafuta atutawale, amekufa vitani. Basi mbona hamsemi lolote kuhusu kumrudisha mfalme?”
Ary Absaloma, izay nohosorantsika hanjaka amintsika, dia efa maty tamin’ ny ady. Koa nahoana ianareo no tsy miteny akory ny amin’ ny hampodiana ny mpanjaka?
11 Mfalme Daudi akapeleka ujumbe huu kwa makuhani Sadoki na Abiathari, kusema: “Waulizeni wazee wa Yuda, ‘Kwa nini mwe wa mwisho kumrudisha mfalme katika jumba lake la kifalme, maadamu kile kinachosemwa katika Israeli yote kimemfikia mfalme katika makao yake?
Ary Davida mpanjaka naniraka tany amin’ i Zadoka sy Abiatara mpisorona ka nanao hoe: Ataovy amin’ ny loholon’ ny Joda hoe: Nahoana no dia ianareo indray no ho farany amin’ ny fampodiana ny mpanjaka ho any an-tranony? fa ny tenin’ ny Isiraely rehetra efa tonga tao amin’ ny mpanjaka tao an-tranony
12 Ninyi ni ndugu zangu, nyama yangu na damu yangu mwenyewe. Kwa hiyo kwa nini mwe wa mwisho kumrudisha mfalme?’
rahalahiko ianareo, ary taolako sy nofoko ianareo; koa nahoana no dia ianareo Indray no ho farany amin’ ny fampodiana ny mpanjaka?
13 Nanyi mwambieni Amasa, ‘Je, wewe si nyama yangu mwenyewe na damu yangu? Mungu na anishughulikie, tena kwa ukali, kama kuanzia sasa na kuendelea wewe si jemadari wa jeshi langu mahali pa Yoabu.’”
Ary ataovy amin’ i Amasa koa hoe: Tsy taolako sy nofoko va ianao? Hataon’ Andriamanitra amiko anie izany, eny, mihoatra noho izany aza, raha tsy komandin’ ny miaramila eo anatrehako mandrakariva ho solon’ i Joaba ianao.
14 Aliipata mioyo ya watu wote wa Yuda kama vile walikuwa mtu mmoja. Wakapeleka ujumbe kwa mfalme, kusema, “Rudi, wewe na watu wako wote.”
Ary dia nampitodika ny fon’ ny lehilahy rehetra amin’ ny Joda ho toy ny olona iray izy; ka dia naniraka tany amin’ ny mpanjaka izy ka nanao hoe: Modia ianao sy ny mpanomponao rehetra.
15 Ndipo mfalme akarudi, akaenda hadi kufikia Mto Yordani. Basi watu wa Yuda walikuwa wamekuja mpaka Gilgali ili kutoka kwenda kumlaki mfalme na kumvusha Mto Yordani.
Ary dia nody ny mpanjaka ka tonga tao Jordana; ary ny Joda tonga tao Gilgala hitsena ny mpanjaka hitondra azy hita an’ i Jordana.
16 Shimei mwana wa Gera, wa kabila la Benyamini kutoka Bahurimu, akaharakisha kuteremka pamoja na watu wa Yuda ili kumlaki Mfalme Daudi.
Ary Simey, zanak’ i Gera, Benjamita avy any Bahorina, dia nidodododo nidina araka tamin’ ny lehilahy amin’ ny Joda tsena an’ i Davida mpanjaka.
17 Pamoja naye walikuwepo Wabenyamini elfu moja wakiwa wamefuatana na Siba, msimamizi wa nyumba ya Sauli, pia wanawe kumi na watano, na watumishi ishirini. Wakaharakisha kwenda Yordani, mahali mfalme alipokuwa.
Ary nisy benjamita arivo lahy koa nanaraka azy, ary Ziba, mpanompon’ ny taranak’ i Saoly, mbamin’ ny zananilahy dimy ambin’ ny folo sy mpanompony roa-polo lahy izay nanaraka azy; ary dia nita an’ i Jordana teo alohan’ ny mpanjaka izy ireo.
18 Wakavuka kivuko ili kuwachukua watu wa nyumbani mwa mfalme ili kuwavusha na kufanya kila kitu alichotaka. Shimei mwana wa Gera alipovuka Yordani, akaanguka kifudifudi mbele ya mfalme,
Ary navoivoy teo ny lakana hampitana ny ankohonan’ ny mpanjaka sy hanaovany izay sitrany. Ary nony efa hita an’ i Jordana ny mpanjaka, dia indro Simey, zanak’ i Gera, niankohoka teo anatrehany.
19 na kumwambia, “Bwana wangu na asinihesabie hatia. Usikumbuke jinsi mtumishi wako alivyofanya kosa siku ile bwana wangu mfalme alipoondoka Yerusalemu. Mfalme aliondoe moyoni mwake.
Ary hoy izy tamin’ ny mpanjaka: Aoka tsy hisain’ ny tompoko heloka aho, ary aoka tsy hotsarovanao ny ratsy nataon’ ny mpanomponao tamin’ ny andro nivoahan’ ny mpanjaka tompoko niala tany Jerosalema, ary aoka tsy ho eritreretin’ ny mpanjaka izany;
20 Kwa maana mimi mtumishi wako najua nimefanya dhambi, lakini leo nimekuja hapa kama wa kwanza wa nyumba yote ya Yosefu kushuka na kumlaki bwana wangu mfalme.”
fa fantatro, izaho mpanomponao, fa nanota aho; ka he! izaho no avy voalohany androany amin’ ny taranak’ i Josefa rehetra ka nidina hitsena ny mpanjaka tompoko.
21 Ndipo Abishai mwana wa Seruya akasema, “Je, Shimei hapaswi kuuawa kwa ajili ya hili? Alimlaani mpakwa mafuta wa Bwana.”
Fa namaly Abisay, zanak’ i Zeroia, ka nanao hoe: Tsy hovonoina va Simey noho izany, satria efa nanozona ny voahosotr’ i Jehovah izy?
22 Daudi akajibu, “Mimi nina nini nanyi, enyi wana wa Seruya? Leo hii mmekuwa adui zangu! Je, leo kuna yeyote atakayeuawa katika Israeli? Je, mimi sijui kuwa leo ndimi mfalme katika Israeli yote?”
Dia hoy Davida: Moa mifaninona akory izaho sy ianareo, ry zanak’ i Zeroia, no tonga mpanohitra ahy ianareo anio? Tokony hisy olona hatao maty va eto amin’ ny Isiraely izao? Fa moa tsy fantatra va fa izaho no mpanjakan’ ny Isiraely anio?
23 Basi mfalme akamwambia Shimei, “Hutakufa.” Naye mfalme akamwahidi kwa kiapo.
Ary dia hoy ny mpanjaka tamin’ i simey: Tsy ho faty ianao. Ary ny mpanjaka dia nianiana taminy.
24 Pia Mefiboshethi mwana wa Sauli akashuka kwenda kumlaki mfalme. Hakuwa amenawa miguu wala kunyoa ndevu zake wala kufua nguo zake tangu siku mfalme alipoondoka Yerusalemu mpaka siku aliporudi ile salama.
Ary Mefiboseta, zanakalahin’ i Saoly, nidina hitsena ny mpanjaka, ary tsy nanasa tongotra na namboatra volom-bava na nanasa lamba izy hatramin’ ny andro nialan’ ny mpanjaka ka hatramin’ ny andro nahatongavany soa aman-tsara.
25 Wakati alipotoka Yerusalemu kuja kumlaki mfalme, mfalme akamuuliza, “Mefiboshethi, kwa nini hukufuatana nami?”
Ary nony efa tonga hitsena ny mpanjaka ny avy any Jerosalema, dia hoy ny mpanjaka taminy: Nahoana no tsy mba nandeha niaraka tamiko ianao, ry Mefiboseta?
26 Akasema, “Bwana wangu mfalme, maadamu mimi mtumishi wako ni kiwete, nilisema, ‘Nitandikiwe punda wangu, nimpande, ili niweze kwenda pamoja na mfalme.’ Lakini Siba mtumishi wangu akanisaliti.
Fa hoy izy: Ry mpanjaka tompoko, nofitahin’ ny mpanompoko aho: Hanisy lasely ny boriky aho hitaingenako ka hankany amin’ ny mpanjaka; fa malemy tongotra ny mpanomponao.
27 Naye amemchongea mtumishi wako kwa bwana wangu mfalme. Bwana wangu mfalme ni kama malaika wa Mungu, kwa hiyo fanya lolote linalokupendeza.
Nefa nendrikendrehiny tamin’ ny mpanjaka tompoko izaho mpanomponao; fa ny mpanjaka tompoko dia hoy Ilay Anjelin’ Andriamanitra; koa ataovy izay sitrakao.
28 Wazao wote wa baba yangu hawastahili kitu kingine isipokuwa kifo kutoka kwa bwana wangu mfalme, lakini ulimpa mtumishi wako nafasi miongoni mwa wale waliokula mezani pako. Je, ninayo haki gani kumwomba mfalme zaidi ya hayo?”
Fa ny taranaky ny raiko rehetra dia samy olona tokony ho faty teo anatrehan’ ny mpanjaka tompoko; nefa ianao nampitoetra ahy mpanomponao ho isan’ izay mihinana amin’ ny latabatrao. Koa inona intsony no rariny ho ahy, ary inona no mbola hitarainako amin’ ny mpanjaka?
29 Mfalme akamwambia, “Kwa nini useme zaidi? Naamuru wewe na Siba mgawanye mashamba.”
Ary hoy ny mpanjaka taminy: Nahoana no lazainao indray ny raharahanao? Nefa izaho efa nilaza hoe: Hianao sy Ziba no hizara ny tany.
30 Mefiboshethi akamwambia mfalme, “Mruhusu achukue kila kitu, kwa kuwa sasa bwana wangu mfalme amerudi nyumbani salama.”
Ary hoy Mefiboseta tamin’ ny mpanjaka: Aoka dia ho azy avokoa izy rehetra, fa ianao mpanjaka tompoko efa tonga soa aman-tsara ao amin’ ny tranonao indray.
31 Barzilai, Mgileadi, pia akashuka kutoka Rogelimu ili kuvuka Yordani pamoja na mfalme na kumsindikiza kutoka huko.
Ary Barzilay Gileadita nidina avy tany Rogelima, dia niara-nita an’ i Jordana tamin’ ny mpanjaka izy mba hanatitra azy hita an’ i Jordana.
32 Basi Barzilai alikuwa mzee sana mwenye umri wa miaka themanini. Alikuwa amempatia mfalme mahitaji wakati alipokuwa anaishi huko Mahanaimu, kwa kuwa alikuwa mtu tajiri sana.
Ary Barzilay dia lehilahy antitra, efa valo-polo taona; ary izy efa nanome hanina ny mpanjaka, raha nitoetra tany Mahanaima izy; fa mpanjatobe indrindra izy.
33 Mfalme akamwambia Barzilai, “Vuka pamoja nami na ukae nami huko Yerusalemu, nami nitakupatia mahitaji yako.”
Ary hoy ny mpanjaka tamin’ i Barzilay: Andeha hiara-mita amiko ianao hovelomiko any amiko any Jerosalema.
34 Lakini Barzilai akamjibu mfalme, “Je, nitaishi miaka mingine mingapi, hata nipande kwenda Yerusalemu pamoja na mfalme?
Fa hoy Barzilay tamin’ ny mpanjaka: Hoatrinona intsony moa no andro hahavelomako, no hiara-miakatra amin’ ny mpanjaka hankany Jerosalema aho?
35 Sasa nina miaka themanini. Je, naweza kutofautisha kati ya lililo jema na lililo baya? Je, mtumishi wako anaweza kujua ladha ya kile anachokula au anachokunywa? Je, bado naweza kusikiliza sauti za waimbaji wa kiume na za wanawake? Kwa nini mtumishi wako aongeze mzigo kwa bwana wangu mfalme?
Valo-polo taona izay ny andro nahavelomako, ka mahalala izay soa sy ratsy intsony va aho? Mahatsiaro ny tsiron-javatra haniko sy sotroiko intsony va aho mpanomponao? Mahare izay feon’ ny mpihiralahy sy ny mpihiravavy intsony va aho? Koa nahoana ny mpanomponao no mbola ho enta-mavesatra amin’ ny mpanjaka tompoko?
36 Mtumishi wako atavuka Yordani pamoja na mfalme kwa umbali mfupi tu, lakini kwa nini mfalme anizawadie kwa namna hii?
Kely foana no handehanan’ ny mpanomponao eo an-dafin’ i Jordana hiaraka amin’ ny mpanjaka; koa nahoana ny mpanjaka no dia hamaly fitia ahy loatra toy izany?
37 Mruhusu mtumishi wako arudi, ili mimi nikafie katika mji wangu mwenyewe karibu na kaburi la baba yangu na mama yangu. Lakini yupo hapa mtumishi wako Kimhamu. Mruhusu avuke pamoja na bwana wangu mfalme. Mtendee lolote linalokupendeza.”
Trarantitra ianao, aoka aho mpanomponao hody ihany ka ho fety any amin’ ny vohitro ao akaikin’ ny fasan’ ikaky sy ineny. Fa indro Kimama mpanomponao; aoka izy no hiaraka amin’ ny mpanjaka tompoko, ary ataovy aminy izay sitrakao.
38 Mfalme akamwambia Barzilai, “Kimhamu atavuka Yordani pamoja nami, nami nitamtendea lolote litakalokupendeza. Nawe kitu chochote unachotaka kutoka kwangu nitakutendea.”
Dia hoy ny mpanjaka: Handeha hiaraka amiko tokoa Kimama, ka hataoko aminy izay sitrakao, ary izay angatahinao dia hataoko ho anao.
39 Kwa hiyo watu wote wakavuka Yordani, kisha mfalme akavuka. Mfalme akambusu Barzilai na kumbariki; Barzilai akarudi nyumbani kwake.
Ary ny vahoaka rehetra nita an’ i Jordana. Ary nony tafita ny mpanjaka, dia norohan’ ny mpanjaka Barzilay sady notsofiny rano, ary dia lasa nody ho any amin’ ny fonenany izy.
40 Mfalme alipovuka kwenda Gilgali, Kimhamu akavuka pamoja naye. Vikosi vyote vya Yuda na nusu ya vikosi vya Israeli vilimvusha mfalme.
Dia nandroso nankany Gilgala mpanjaka, ary Kimama niaraka taminy; ny lehilahy rehetra amin’ ny Joda sy ny antsasaky ny lehilahy amin’ ny Isiraely koa nanatitra ny mpanjaka.
41 Baada ya kitambo kidogo watu wote wa Israeli wakaja kwa mfalme na kumwambia, “Kwa nini ndugu zetu, watu wa Yuda, wamemrudisha mfalme kwa siri bila kutushirikisha, na kumvusha ngʼambo ya Yordani, yeye na nyumba yake, pamoja na watu wake wote?”
Ary, indreo, ny lehilahy rehetra amin’ Isiraely nankao amin’ ny mpanjaka ka nanao taminy hoe: Nahoana ny lehilahy amin’ ny Joda, rahalahinay, no nangalatra anao ka nitondra ny mpanjaka sy ny ankohonany ary ny olon’ i Davida rehetra teny aminy hita an’ i Jordana?
42 Watu wote wa Yuda wakawajibu watu wa Israeli, “Tulifanya hivi kwa sababu mfalme ni jamaa yetu wa karibu. Kwa nini mnakasirikia jambo hili? Je, tumekula kitu chochote cha mfalme? Je, tumejichukulia kitu chochote kwa ajili yetu wenyewe?”
Ary ny lehilahy rehetra amin’ ny Joda dia namaly ny lehilahy amin’ ny Isiraely hoe: Satria havanay akaiky ny mpanjaka; ka ahoana no mahatezitra anareo amin’ izany? Nadany ny mpanjaka va izahay? Na nanome zavatra anay akory va izy?
43 Ndipo watu wa Israeli wakawajibu watu wa Yuda, “Tunayo haki mara kumi kwa mfalme; sisi tunahusika zaidi na Daudi kuliko ninyi. Kwa nini basi mnatudharau? Je, hatukuwa wa kwanza kuzungumza kuhusu kumrudisha mfalme nyumbani?” Lakini watu wa Yuda wakajibu kwa ukali hata zaidi kuliko watu wa Israeli.
Ary ny lehilahy amin’ ny Isiraely kosa namaly ny lehilahy amin’ ny Joda hoe: Izahay manana anjaram-polo amin’ ny mpanjaka; eny, izahay manana an’ i Davida mihoatra noho ianareo; koa ahoana ianareo no nanao tsinontsinona anay? Tsy izahay va no niteny talohanareo nampody ny mpanjakanay? Ary ny tenin’ ny lehilahy amin’ ny Joda dia lozaloza kokoa noho ny tenin’ ny lehilahy amin’ ny Isiraely.

< 2 Samweli 19 >