< 2 Wafalme 3 >
1 Yehoramu mwana wa Ahabu akawa mfalme wa Israeli katika Samaria mwaka wa kumi na nane wa utawala wa Yehoshafati mfalme wa Yuda, naye akatawala kwa miaka kumi na miwili.
Ary Jorama, zanak’ i Ahaba, vao nanjaka tamin’ ny Isiraely tao Samaria tamin’ ny fahavalo ambin’ ny folo taona nanjakan’ i Josafata, mpanjakan’ ny Joda, ary nanjaka roa ambin’ ny folo taona izy.
2 Akafanya maovu machoni pa Bwana, lakini sio kama baba yake na mama yake walivyokuwa wamefanya. Akaondoa nguzo ya ibada ya Baali ambayo baba yake alikuwa ameitengeneza.
Ary nanao izay ratsy eo imason’ i Jehovah koa izy, nefa kosa tsy dia tahaka an-drainy, na tahaka an-dreniny; fa nanaisotra ilay tsangam-baton’ i Bala izay nataon’ drainy izy;
3 Hata hivyo akashikamana na dhambi za Yeroboamu mwana wa Nebati, ambazo alisababisha Israeli kuzitenda, wala hakuziacha.
nefa izy nikikitra tamin’ ny fahotan’ i Jeroboama, zanak’ i Nebata, izay nampanotany ny Isiraely, fa tsy niala tamin’ izany.
4 Basi Mesha mfalme wa Moabu akafuga kondoo, naye akawa ampatie mfalme wa Israeli wana-kondoo 100,000 pamoja na sufu ya kondoo dume 100,000.
Ary Mesa, mpanjakan’ i Moaba, nanana ondry betsaka; ary nandoa hetra ho an’ ny mpanjakan’ ny Isiraely izy, dia zanak’ ondry iray hetsy sy ny volon’ ondrilahy iray hetsy.
5 Lakini baada ya Ahabu kufa, mfalme wa Moabu aliasi dhidi ya mfalme wa Israeli.
Fa rehefa maty Ahaba, dia niodina tamin’ ny mpanjakan’ ny Isiraely ny mpanjakan’ i Moaba.
6 Kwa hiyo wakati ule Mfalme Yehoramu akaondoka kutoka Samaria na kukusanya Israeli yote tayari kwenda vitani.
Ary Jorama mpanjaka nivoaka avy tany Samaria tamin’ izany andro izany ka nandamina ny Isiraely rehetra.
7 Akapeleka pia ujumbe ufuatao kwa Yehoshafati mfalme wa Yuda: “Mfalme wa Moabu ameasi dhidi yangu. Je, utakwenda pamoja nami kupigana dhidi ya Moabu?” Akajibu, “Nitakwenda pamoja nawe. Mimi ni kama wewe, watu wangu ni kama watu wako, farasi wangu ni kama farasi wako.”
Ary nandeha izy, dia naniraka tany amin’ i Josafata, mpanjakan’ ny Joda, ka nanao hoe: Ny mpanjakan’ i Moaba efa niodina tamiko: koa mba hiaraka amiko va ianao hiady aminy? Ary hoy izy: Eny, handeha aho, fa tahaka ny tenanao ihany aho, ka ny oloko dia olonao, ary ny soavaliko dia soavalinao.
8 Akauliza, “Je, tutashambulia kupitia njia gani?” Akajibu, “Kupitia Jangwa la Edomu.”
Ary hoy izy: Aiza ary no lalana halehantsika? Ary izy namaly hoe: Ilay mamaky ny efitr’ i Edoma.
9 Hivyo mfalme wa Israeli akaondoka akiwa pamoja na mfalme wa Yuda na mfalme wa Edomu. Baada ya kuzunguka kwa siku saba, jeshi likawa limeishiwa maji kwa matumizi yao na kwa ajili ya wanyama waliokuwa nao.
Dia nandeha ny mpanjakan’ ny Isiraely sy ny mpanjakan’ ny Joda ary ny mpanjakan’ i Edoma; ary nandeha nanodidina lalan-kafitoana izy; ary tsy nisy rano ho an’ ny miaramila sy ny biby fiompy izay nentiny.
10 Mfalme wa Israeli akamaka, “Nini! Je, Bwana ametuita sisi wafalme watatu ili tu kututia mikononi mwa Moabu?”
Dia hoy ny mpanjakan’ ny Isiraely: Indrisy! Jehovah efa niantso ireto mpanjaka telo ireto mba hatolony eo an-tànan’ i Moaba.
11 Lakini Yehoshafati akauliza, “Je, hayuko nabii wa Bwana hapa, ili tuweze kumuuliza Bwana kupitia kwake?” Afisa mmoja wa mfalme wa Israeli akajibu, “Elisha mwana wa Shafati yuko hapa. Ndiye alikuwa akimimina maji juu ya mikono ya Eliya.”
Ary hoy Josafata: Tsy misy mpaminanin’ i Jehovah va eto hanontaniantsika amin’ i Jehovah? Ary nisy anankiray tamin’ ny mpanompon’ ny mpanjakan’ ny Isiraely namaly ka nanao hoe: Ato ihany Elisa, zanak’ i Safata, ilay mpanondra-drano ny tànan’ i Elia.
12 Yehoshafati akasema, “Neno la Bwana liko pamoja naye.” Kwa hiyo mfalme wa Israeli na Yehoshafati pamoja na mfalme wa Edomu wakamwendea.
Ary hoy Josafata: Ao amin’ izy io tokoa ny tenin’ i Jehovah. Dia nidina nankany amin’ i Elisa ny mpanjakan’ ny Isiraely sy Josafata ary ny mpanjakan’ i Edoma.
13 Elisha akamwambia mfalme wa Israeli, “Nina nini mimi nawe? Nenda kwa manabii wa baba yako na manabii wa mama yako.” Mfalme wa Israeli akajibu, “La hasha, kwa sababu ni Bwana ambaye ametuita pamoja sisi wafalme watatu ili atutie mikononi mwa Moabu.”
Ary hoy Elisa tamin’ ny mpanjakan’ ny Isiraely: Moa mifaninona akory izaho sy ianao? Mandehana any amin’ ny mpaminanin-drainao sy ny mpaminanin-dreninao ianao. Fa hoy ny mpanjakan’ ny Isiraely taminy: Tsia, fa Jehovah efa niantso ireto mpanjaka telo ireto mba hatolony eo an-tànan’ i Moaba.
14 Elisha akasema, “Hakika, kama Bwana Mwenye Nguvu Zote aishivyo ambaye ninamtumikia, kama si kuheshimu Yehoshafati mfalme wa Yuda, nisingekutazama wala hata kukutupia jicho.
Dia hoy Elisa: Raha velona koa Jehovah, Tompon’ ny maro, Izay itsanganako eo anatrehany, raha tsy noho ny fanajako an’ i Josafata, mpanjakan’ ny Joda, dia tsy hanatrika anao na hijery anao akory aho.
15 Lakini sasa, nileteeni mpiga kinubi.” Mpiga kinubi alipokuwa akipiga, mkono wa Bwana ukaja juu ya Elisha,
Nefa itondray mpitendry lokanga aho. Ary rehefa nitendry ilay mpitendry lokanga, dia nanindry an’ i Elisa ny tànan’ i Jehovah.
16 naye akasema, “Hivi ndivyo asemavyo Bwana, ‘Chimbeni bonde hili lijae mahandaki.’
Ary hoy Elisa: Izao no lazain’ i Jehovah: Ataovy feno lavaka ity lohasahan-driaka ity.
17 Kwa kuwa hivi ndivyo asemavyo Bwana: Hamtaona upepo wala mvua, lakini bonde hili litajaa maji, nanyi pamoja na ngʼombe wenu na wanyama wenu wengine mtakunywa.
Fa hoy Jehovah: Tsy hahita rivotra na ranonorana akory ianareo; nefa ho feno rano io lohasahan-driaka io, mba hosotroinareo, dia ianareo sy ny ombinareo ary ny biby fiompinareo.
18 Hili ni jambo rahisi machoni pa Bwana. Pia ataitia Moabu mikononi mwenu.
Ary ho zavatra kely ihany eo imason’ i Jehovah izany; fa hanolotra ny Moabita eo an-tananareo koa Izy.
19 Mtaushinda kila mji wenye ngome na kila mji mkubwa. Mtakata kila mti ulio mzuri, mtaziba chemchemi zote, na kuharibu kila shamba zuri kwa mawe.”
Ary handrava ny tanàna mimanda rehetra sy ny tanàna soa rehetra ianareo sady hikapa ny hazo tsara rehetra sy hanampina ny loharano rehetra ary hanipy vato amin’ ny tany soa rehetra ho fanimbana azy.
20 Kesho yake asubuhi, karibu na wakati wa kutoa dhabihu ya asubuhi, tazama, maji yakawa yanatiririka kutoka upande wa Edomu! Nayo nchi ikajaa maji.
Ary nony maraina, tokony ho tamin’ ny fotoana fanaterana ny fanatitra, dia, indro, nisy rano tokoa tonga avy tamin’ ny lalana mankany Edoma, ka feno rano ny tany.
21 Basi Wamoabu wote walikuwa wamesikia kuwa wale wafalme wamekuja kupigana dhidi yao. Hivyo kila mtu, kijana na mzee, ambaye angeweza kushika silaha akaitwa na kuwekwa mpakani.
Ary rehefa ren’ ny Moabita rehetra fa avy miakatra hiady aminy ireo mpanjaka ireo, dia nivory izy hatramin’ izay rehetra nahatam-piadiana no ho miakatra, ka dia niandry teo amin’ ny sisin-taniny.
22 Walipoamka asubuhi na mapema, jua likawa linamulika juu ya maji. Wamoabu waliokuwa upande wa pili wakaona maji ni mekundu, kama damu.
Ary nony nifoha maraina koa ny Moabita, sady efa niposaka ny masoandro ka nitaratra tamin’ ny rano, dia hitany ny rano tandrifiny fa mena tahaka ny rà.
23 Wamoabu wakasema, “Ile ni damu! Lazima hao wafalme wamepigana na kuchinjana wao kwa wao. Sasa Moabu, twendeni tukateke nyara!”
Dia hoy izy: Rà io! efa nifandringana tokoa ireo mpanjaka ireo, ary efa nifamely izy rehetra; koa mamaboa amin’ izao, ry Moaba!
24 Lakini Wamoabu walipofika kwenye kambi ya Israeli, Waisraeli wakainuka na kuwapiga mpaka wakakimbia. Nao Waisraeli wakaivamia nchi na kuwachinja Wamoabu.
Kanjo nony efa tonga teo an-tobin’ ny Isiraely izy, dia nitsangana ny Isiraely ka namely ny Moabita, dia nandositra teo anoloany ireo; fa ny Isiraely niditra hatrany amin’ ny tanin’ ny Moabita ka mbola namely azy ihany.
25 Wakaiharibu miji, kila mtu akatupa jiwe juu ya kila shamba zuri mpaka likafunikwa. Wakaziba chemchemi zote na kukata kila mti mzuri. Kir-Haresethi peke yake ndio uliobaki na mawe yake yakiwa mahali pake. Lakini hata hivyo watu waliokuwa na makombeo wakauzunguka na kuushambulia vilevile.
Dia nandrava ny tanàna izy ary samy nanipy vato tamin’ ny tany soa rehetra ka nahafeno azy, ary nanampina ny loharano rehetra koa izy sady nikapa ny hazo tsara rehetra mandra-paha-tsy nisy vato intsony afa-tsy ny tao Kira-haresa ihany; ary na dia io aza dia nohodidinin’ ny mpandefa antsamotady ka nasiany.
26 Mfalme wa Moabu alipoona kuwa vita vimekuwa vikali dhidi yake, akachukua watu 700 wenye panga ili kuingia kwa mfalme wa Edomu, lakini wakashindwa.
Ary rehefa hitan’ ny mpanjakan’ i Moaba fa tsy tohany ny ady, dia nitondra fiton-jato lahy nahay sabatra nomba azy izy mba hanivakivaka hitsin’ ny mpanjakan’ i Edoma; nefa tsy afaka izy.
27 Ndipo akamchukua mwanawe mzaliwa wake wa kwanza, ambaye angekuwa mfalme baada yake, akamtoa kama dhabihu ya kuteketezwa juu ya ukuta wa mji. Ghadhabu ikawa kubwa dhidi ya Israeli; wakajiondoa kwake na kurudi katika nchi yao wenyewe.
Ary nalainy ny zanany lahimatoa, izay natao hanjaka handimby azy, ka nateriny ho fanatitra dorana teo ambonin’ ny manda. Dia niharan’ ny fahatezerana mafy ny Isiraely, dia niala taminy ary niverina ho any amin’ ny taniny izy.