< 2 Nyakati 28 >

1 Ahazi alikuwa na miaka ishirini alipoanza kutawala. Akatawala huko Yerusalemu kwa miaka kumi na sita. Tofauti na Daudi baba yake, hakufanya yaliyo mema machoni pa Bwana.
Roa-polo taona Ahaza, fony izy vao nanjaka, ary enina ambin’ ny folo taona no nanjakany tany Jerosalema; ary tsy mba nanao izay mahitsy eo imason’ i Jehovah tahaka an’ i Davida rainy izy,
2 Akaenenda katika njia za wafalme wa Israeli, na pia akasubu sanamu kwa ajili ya kuabudu Mabaali.
fa nandeha tamin’ ny lalan’ ny mpanjakan’ ny Isiraely izy sady nanao sarin-javatra an-idina ho an’ ireo Bala koa.
3 Akatoa sadaka za kuteketezwa katika Bonde la Ben-Hinomu, na kuwatoa wanawe kafara kwa kuwateketeza kwa moto, akifuata njia za machukizo za yale mataifa Bwana aliyoyafukuza humo mbele ya Waisraeli.
Ary nandoro ditin-kazo manitra tao amin’ ny lohasahan’ ny taranak’ i Hinoma koa izy, ary ny zanany dia nodorany tamin’ ny afo, araka ny fahavetavetan’ ny jentilisa izay noroahin’ i Jehovah tsy ho eo anoloan’ ny Zanak’ isiraely.
4 Akatoa sadaka na kufukiza uvumba katika mahali pa juu pa kuabudia miungu, juu ya vilima, na chini ya kila mti uliotanda.
Ary namono zavatra hatao fanatitra izy sady nandoro ditin-kazo manitra teny amin’ ny fitoerana avo koa sy teny an-tampon’ ny havoana ary teny ambanin’ ny hazo maitso rehetra.
5 Kwa hiyo Bwana Mungu wake akamtia mikononi mwa mfalme wa Aramu. Waaramu wakamshinda, wakachukua watu wake wengi mateka na kuwaleta mpaka Dameski. Tena alitiwa mikononi mwa mfalme wa Israeli, ambaye aliwaua watu wake wengi.
Koa dia natolotr’ i Jehovah Andriamaniny ho eo an-tànan’ ny mpanjakan’ i Syria izy; dia namely azy ireo, ka betsaka no lasany ho babo ka nentiny tany Damaskosy. Ary natolony ho eo an-tànan’ ny mpanjakan’ ny Isiraely koa izy, dia namely mafy ka naharesy azy koa ireo.
6 Kwa siku moja Peka mwana wa Remalia aliwaua askari 120,000 katika Yuda, kwa kuwa Yuda walikuwa wamemwacha Bwana, Mungu wa baba zao.
Fa Peka, zanak’ i Remalia, nahafaty olona roa alina sy iray hetsy indray andro tamin’ ny Joda, dia lehilahy mahery avokoa, noho ny nahafoizan’ ireny an’ i Jehovah, Andriamanitry ny razany.
7 Zikri, askari shujaa Mwefraimu, akamuua Maaseya mwana wa mfalme, Azrikamu mkuu wa jumba la kifalme na Elikana aliyekuwa wa pili kwa mfalme.
Ary Zikry, lehilahy mahery tamin’ ny Efraima, namono an’ i Mahaseia, zanaky ny mpanjaka, sy Azrikama, mpanapaka ny trano, ary Elkana, izay nanarakaraka ny mpanjaka.
8 Waisraeli wakawachukua mateka kutoka ndugu zao, watu wapatao 200,000 hawa wakiwa ni wanawake, watoto wa kiume na wa kike. Wakachukua pia kiasi kikubwa cha nyara, ambazo walirudi nazo Samaria.
Ary ny Zanak’ isiraely nahazo sambo-belona roa hetsy tamin’ ireo havany, dia vehivavy sy zazalahy sy zazavavy, ary nahazo babo betsaka taminy koa izy, dia nentiny tany Samaria ireny.
9 Lakini kulikuwako huko nabii wa Bwana aliyeitwa Odedi, akaondoka ili kukutana na jeshi liliporejea Samaria. Akawaambia, “Kwa kuwa Bwana, Mungu wa baba zenu, aliwakasirikia Yuda, aliwatia mikononi mwenu. Lakini mmewachinja kwa hasira ambayo imefika hadi mbinguni.
Ary nisy mpaminanin’ i Jehovah tao, Odeda no anarany, izay nivoaka hitsena ny miaramila, raha nankany Samaria, izy ka nanao taminy hoe: He! ny nahatezeran’ i Jehovah, Andriamanitry ny razanareo, tamin’ ny Joda no nanolorany azy ho eo an-tananareo, dia novonoinareo ireny tamin’ ny fahatezerana manakatra ny lanitra.
10 Nanyi sasa mnakusudia kuwafanya wanaume na wanawake wa Yuda na Yerusalemu watumwa wenu. Lakini ninyi je, hamna pia hatia ya dhambi mliyotenda dhidi ya Bwana Mungu wenu?
Ary ankehitriny ny taranak’ i Joda sy Jerosalema dia kasainareo handevozina ho andevolahinareo sy ho andevovanivareo; ka moa ianareo ireo va tsy mba manan-keloka amin’ i Jehovah Andriamanitrareo koa?
11 Basi nisikilizeni! Mkawarudishe mateka mliowachukua kutoka kwa ndugu zenu, kwa kuwa hasira kali ya Bwana iko juu yenu.”
Ary ankehitriny mihainoa ahy, koa alefaso ny babo izay efa nentinareo avy tamin’ ny rahalahinareo; fa mirehitra aminareo ny fahatezeran’ i Jehovah.
12 Ndipo baadhi ya viongozi katika Efraimu, yaani, Azaria mwana wa Yehohanani, Berekia mwana wa Meshilemothi, Yehizkia mwana wa Shalumu na Amasa mwana wa Hadlai, wakakubaliana na huyo nabii, hivyo wakawapinga wale waliokuwa wanawasili kutoka vitani.
Dia nitsangana ny loholona sasany avy amin’ ny taranak’ i Efraima, dia Azaria, zanak’ i Johanana, sy Berekia, zanak’ i Mesilemota, sy Jehizkia, zanak’ i Saloma, ary Amasa, zanak’ i Hadlay, ka nanohitra izay vao avy tany an-tafika
13 Wakamwambia, “Hamna ruhusa kuwaleta hao wafungwa hapa, ama sivyo tutakuwa na hatia mbele za Bwana. Je, mnataka kuongezea dhambi yetu na hatia yetu? Kwa sababu hatia yetu tayari ni kubwa, nayo hasira kali ya Bwana iko juu ya Israeli.”
nanao taminy hoe: Tsy mahazo mampiditra ny babo eto ianareo; fa mikasa hanampy ny fahotantsika sy ny fahadisoantsika ianareo mba hahameloka antsika amin’ i Jehovah; fa efa be ny fahadisoantsika, ka iharan’ ny fahatezerana mirehitra ny Isiraely.
14 Hivyo wale askari wakawaacha wale mateka pamoja na nyara mbele ya hao maafisa na kusanyiko lote.
Dia nalefan’ ny miaramila teo anatrehan’ ny mpanapaka sy ny fiangonana rehetra izay sambo-belona sy babo azony,
15 Kisha watu waliotajwa kwa majina wakawachukua wale mateka na kutoka zile nyara, wakachukua mavazi wakawavika wale wafungwa wote waliokuwa uchi. Wakawapatia nguo na viatu, chakula na cha kunywa, wakawapa matibabu, wote waliokuwa dhaifu miongoni mwao wakawapandisha juu ya punda, wakawaleta ndugu zao mpaka Yeriko, ndio Mji wa Mitende, kisha wakarudi Samaria.
ka ireo olona voalaza anarana ireo dia nitsangana ka naka ny sambo-belona, ary izay rehetra tsy nitafy no nampiakanjoiny tamin’ ny zavatra nentiny; eny, nampiakanjoiny sy nokiraroiny izy ary nampihinaniny sy nampisotroiny ary nohosorany, sady nampitaingeniny boriky izay rehetra osaosa, ka nentiny tany Jeriko, tanàna be rofia, ho any amin’ ny rahalahiny; dia niverina tany Samaria izy.
16 Wakati ule, Mfalme Ahazi akatuma wajumbe kwa mfalme wa Ashuru kuomba msaada.
famin’ izany andro izany Ahaza mpanjaka naniraka tany amin’ ny mpanjakan’ i Asyria nangataka ny any hanampy azy.
17 Waedomu walikuwa wamekuja tena na kuwashambulia Yuda na kuchukua mateka.
Fa ny Edomita dia tonga indray ka namely ny Joda ary namabo azy.
18 Pia Wafilisti walikuwa wameshambulia miji iliyokuwa chini ya vilima na katika miji ya Negebu ya Yuda. Nao wakawa wametwaa Beth-Shemeshi, Aiyaloni, Gederothi, Soko pamoja na vijiji vyake, Timna pamoja na vijiji vyake, Gimzo pia pamoja na vijiji vyake na kuishi humo.
Ary ny Filistina koa nanafika ny tanàna eny amin’ ny tany lemaka amoron-tsiraka sy eny amin’ ny tany atsimo momba an’ i Joda, dia nahafaka an’ i Beti-semesy sy Aialona sy Gederota sy Soko mbamin’ ny zana-bohiny ary Timna sy ny zana-bohiny ary Gimzo koa sy ny zana-bohiny; ary nonina tao izy.
19 Bwana aliishusha Yuda kwa sababu ya Ahazi mfalme wa Israeli, kwa kuwa alikuwa ameongeza uovu katika Yuda na kumkosea Bwana mno.
Fa Jehovah nampietry ny Joda noho Ahaza, mpanjakan’ ny Isiraely, satria Ahaza efa nanaram-po nanao ratsy teo amin’ ny Joda ka nivadika tamin’ i Jehovah.
20 Hivyo Tiglath-Pileseri mfalme wa Ashuru akaja kumtesa badala ya kumsaidia.
Ary Tiglato-pilesera, mpanjakan’ i Asyria, tonga tao aminy, nefa nampahory azy fa tsy nampahery azy.
21 Ahazi akachukua baadhi ya vitu kutoka Hekalu la Bwana, jumba la kifalme na kutoka kwa wakuu wake na kumpa mfalme wa Ashuru kama ushuru, lakini hilo halikumsaidia.
Fa efa nalain’ i Ahaza ny zavatra tao an-tranon’ i Jehovah sy tao an-tranon’ ny mpanjaka sy ny an’ ny mpanapaka, ary efa nomeny ny mpanjakan’ i Asyria, nefa tsy nahasoa azy akory izany.
22 Katika wakati wake wa mateso Mfalme Ahazi akazidi kukosa uaminifu kwa Bwana.
Ary tamin’ ny andro nampahoriana azy dia mbola nanao izay nahadiso amin’ i Jehovah ihany io Ahaza mpanjaka io.
23 Akatoa kafara kwa miungu ya Dameski, waliokuwa wamemshinda, kwa kuwa aliwaza, “Kwa kuwa miungu ya mfalme wa Aramu imewasaidia wao, nitaitolea dhabihu ili inisaidie na mimi.” Lakini haya ndiyo yaliyokuwa maangamizi yake na Israeli wote.
Ary namono zavatra hatao fanatitra ho an’ ireo andriamanitr’ i Damaskosy, izay namely azy, izy ka nanao hoe: Ireo andriamanitry ny mpanjakan’ i Asyria, izay nanampy azy, no hamonoako zavatra hatao fanatitra mba hanampiany ahy. Kanjo tonga fandravana azy sy ny Isiraely rehetra ireo.
24 Ahazi akakusanya pamoja vyombo vya nyumba ya Mungu na kuvivunja vipande vipande. Akafunga milango ya Hekalu la Bwana na kusimamisha madhabahu katika kila njia panda ya barabara za Yerusalemu.
Ary Ahaza nanangona ny fanaky ny tranon’ Andriamanitra ka namakivaky azy ary nandrindrina ny varavaran’ ny tranon’ i Jehovah sady nanao alitara teny amin’ ny zoron-dalana rehetra tany Jerosalema.
25 Katika kila mji wa Yuda akajenga mahali pa juu pa kuabudia miungu ili kutolea miungu mingine kafara za kuteketezwa na kuchochea hasira ya Bwana, Mungu wa baba zake.
Ary teny amin’ ny tanànan’ ny Joda rehetra dia nanaovany fitoerana avo handoroana ditin-kazo manitra ho an’ ny andriamani-kafa, ka dia nahatezitra an’ i Jehovah, Andriamanitry ny razany, izy.
26 Matukio mengine ya utawala wake na njia zake nyingine zote, tangu mwanzo hadi mwisho, zimeandikwa katika kitabu cha wafalme wa Yuda na Israeli.
Ary ny tantarany sisa sy ny fanaony rehetra, na ny voalohany na ny farany, indreo, efa voasoratra ao amin’ ny bokin’ ny mpanjakan’ ny Joda sy ny Isiraely izany.
27 Ahazi akalala na baba zake na akazikwa katika Mji wa Yerusalemu, lakini hawakumleta kwenye makaburi ya wafalme wa Israeli. Naye Hezekia mwanawe akawa mfalme baada yake.
Ary Ahaza lasa nodi-mandry any amin’ ny razany, dia nalevina tao an-tanàna Jerosalema izy, fa tsy mba natao tao amin’ ny fasan’ ny mpanjakan’ ny Isiraely. Ary Hezekia zanany no nanjaka nandimby azy.

< 2 Nyakati 28 >