< 2 Nyakati 16 >

1 Katika mwaka wa thelathini na sita wa utawala wa Asa, Mfalme Baasha wa Israeli akashambulia Yuda na kuweka ngome mji wa Rama ili kumzuia yeyote asitoke wala kuingia nchi ya Mfalme Asa wa Yuda.
Tamin’ ny taona fahenina amby telo-polo nanjakan’ i Asa dia niakatra Basa, mpanjakan’ ny Isiraely, hamely ny Joda, ka nanamboatra an’ i Rama izy mba tsy hisy hahazo hivoaka na hiditra ho an’ i Asa, mpanjakan’ ny Joda.
2 Ndipo Asa akachukua fedha na dhahabu kutoka hazina ya Hekalu la Bwana na kutoka jumba lake mwenyewe la kifalme na kumpelekea Ben-Hadadi mfalme wa Aramu, ambaye alikuwa anatawala huko Dameski.
Ary Asa namoaka volafotsy sy volamena avy tamin’ ny rakitry ny tranon’ i Jehovah sy ny tranon’ ny mpanjaka, dia nampitondra azy tany amin’ i Beni-hadada, mpanjakan’ i Syria, izay nitoetra tany Damaskosy, ka nanao hoe:
3 Akasema, “Pawepo na mkataba kati yangu na wewe, kama ulivyokuwepo kati ya baba yangu na baba yako. Tazama, nimekuletea fedha na dhahabu. Sasa vunja mkataba wako na Baasha mfalme wa Israeli ili aniondokee mimi.”
Misy fanekena amiko sy aminao, dia ilay tamin’ ny raiko sy ny rainao; koa, indro, mampanatitra volafotsy sy volamena ho anao aho, ka andeha, tsoahy ny fanekenao amin’ i Basa, mpanjakan’ ny Isiraely, mba hialany amiko.
4 Ben-Hadadi akakubaliana na Mfalme Asa na kutuma majemadari wa majeshi yake dhidi ya miji ya Israeli. Wakashinda Iyoni, Dani, Abel-Maimu na miji yote ya hazina ya Naftali.
Ary Beni-hadada nanaiky ny tenin’ i Asa mpanjaka ka naniraka ireo komandin’ ny miaramilany hamely ny tanànan’ ny Isiraely; dia nandrava an’ Iona sy Dana sy Abela-maima ary ny trano fitehirizana rehetra izay teny amin’ ny tanànan’ ny Naftaly izy.
5 Baasha aliposikia jambo hili, akasimamisha kujenga Rama na kuacha kazi yake.
Ary nony ren’ i Basa izany, dia nitsahatra tsy nanamboatra an’ i Rama intsony izy, fa natsahany ny asany.
6 Ndipo Mfalme Asa akawaleta watu wote wa Yuda, nao wakachukua mawe na miti ambayo Baasha alikuwa anavitumia huko Rama. Kwa vitu hivyo akajenga Geba na Mispa.
Ary Asa mpanjaka namory ny Joda rehetra; ary dia nesorin’ ny olona ny vato sy ny hazo tao Rama, izay naorin’ i Basa, ka nentiny nanamboatra an’ i Geba sy Mizpa.
7 Ikawa wakati huo mwonaji Hanani akamjia Mfalme Asa wa Yuda na kumwambia: “Kwa sababu ulimtegemea mfalme wa Aramu nawe hukumtegemea Bwana Mungu wako, jeshi la mfalme wa Aramu limeponyoka mkononi mwako.
Ary tamin’ izany andro izany dia nankeo amin’ i Asa, mpanjakan’ ny Joda, Hanany mpahita ka nanao taminy hoe: Noho ny niankinanao tamin’ ny mpanjakan’ i Syria fa tsy niankina tamin’ i Jehovah Andriamanitrao ianao, dia afa-nandositra ny tananao ny miaramilan’ ny mpanjakan’ i Syria.
8 Je, hukumbuki lililotendeka kwa Wakushi na Walibia, hawakuwa jeshi lenye nguvu na magari mengi ya vita na wapanda farasi? Hata hivyo, ulipomtegemea Bwana yeye aliwatia mkononi mwako.
Tsy maro be va ny Etiopiana sy ny Lobita, ary tsy maro be koa va ny kalesiny sy ny mpitaingin-tsoavaliny? Nefa noho ny niankinanao tamin’ i Jehovah, dia natolony teo an-tananao ireo.
9 Kwa kuwa macho ya Bwana hukimbiakimbia duniani kote ili kujionyesha mwenye nguvu kwa ajili ya wale ambao mioyo yao inamtegemea kwa ukamilifu. Umefanya jambo la upumbavu na kuanzia sasa na kuendelea utakuwa na vita.”
Fa ny mason’ i Jehovah mijery eny tontolo eny eran’ ny tany rehetra, mba hisehoany aman-kery hamonjy izay manana fo mahitsy aminy. Adala ianao tamin’ izany, ka dia hisy ady hahazo anao hatramin’ izao.
10 Asa akamkasirikia mwonaji kwa sababu ya jambo hili. Alikuwa ameghadhibika sana hata akamweka gerezani. Wakati huo huo Asa akaanza kuwatesa na kuwaonea baadhi ya watu kwa ukatili.
Dia tezitra tamin’ ilay mpahita Asa ka nanao azy tao an-trano-maizina; fa nisafoaka aminy indrindra izy noho izany. Ary ny olona sasany koa dia nampahorin’ i Asa tamin’ izay.
11 Matukio ya utawala wa Asa, kuanzia mwanzo mpaka mwisho, yameandikwa katika kitabu cha wafalme wa Yuda na Israeli.
Ary, indro, ny tantaran’ i Asa, na ny voalohany na ny farany, dia efa voasoratra ao amin’ ny bokin’ ny mpanjakan’ ny Joda sy ny Isiraely.
12 Katika mwaka wa thelathini na tisa wa utawala wake, Asa alipatwa na ugonjwa kwenye miguu yake. Ingawa ugonjwa wake ulimzidia sana, hata katika kuugua kwake hakutafuta msaada kutoka kwa Bwana bali kwa matabibu tu.
Tamin’ ny taona fahasivy amby telo-polo nanjakan’ i Asa dia narary tamin’ ny tongony izy, ka nihamafy indrindra ny aretiny; nefa na dia narary aza izy, dia tsy nitady an’ i Jehovah, fa ny mpanao fanafody ihany.
13 Katika mwaka wa arobaini na moja wa utawala wa Asa, alikufa na kulala na baba zake.
Ary Asa lasa nodi-mandry any amin’ ny razany; maty izy tamin’ ny taona fahiraika amby efa-polo nanjakany.
14 Nao wakamzika katika kaburi lile alilokuwa amejichongea mwenyewe katika Mji wa Daudi. Wakamzika kwa jeneza lililowekwa vikolezi na mchanganyiko wa manukato ya aina mbalimbali yaliyotengenezwa kwa utaalamu wa mtengeneza marashi, nao wakawasha moto mkubwa kwa heshima yake.
Dia nalevina tao amin’ ny fasany ihany izy, izay nolavahany tao an-Tanànan’ i Davida, ka nampandrina teo amin’ ny fandriana efa nofenoina zava-manitra samy hafa voaharoharo araka ny fanaon’ ny mpangaroharo zava-manitra, ary nandoroany zavatra betsaka ho fisaonana azy.

< 2 Nyakati 16 >