< 1 Samweli 10 >

1 Ndipo Samweli akachukua chupa ndogo ya mafuta na kuyamimina juu ya kichwa cha Sauli, akambusu, akisema, “Je, Bwana hakukutia mafuta uwe kiongozi juu ya watu wake Israeli?
Ary Samoela nitondra tavoara feno diloilo ka nanidina ny diloilo teo an-dohan’ i Saoly, dia nanoroka azy ka nanao hoe: Tsy nanosotra anao va Jehovah mba ho mpanapaka ny lovany?
2 Utakapoondoka kwangu leo, utakutana na watu wawili karibu na kaburi la Raheli, huko Selsa kwenye mpaka wa Benyamini. Watakuambia, ‘Punda wale uliotoka kwenda kuwatafuta, wamekwisha kupatikana. Sasa baba yako ameacha kufikiri kuhusu punda na sasa ana hofu kukuhusu wewe. Anauliza, “Nitafanyaje kuhusu mwanangu?”’
Rehefa misaraka amiko ianao anio, dia hahita olona roa lahy eo anilan’ ny fasan-dRahely, ao amin’ ny fari-tanin’ ny Benjamina, ao Zelza, ary izy ireo hilaza aminao hoe: Efa hita ny boriky izay notadiavinao; ary, indro, tsy ny boriky intsony no heverin’ ny rainao, fa ianareo kosa indray no ahiny, ka hoy izy: Ahoana re no hataoko ny amin’ ny zanako?
3 “Kisha utakwenda mbele kutoka hapa mpaka uufikie mwaloni wa Tabori. Watu watatu wanaopanda kwa Mungu huko Betheli watakutana nawe hapo. Mmoja atakuwa amechukua wana-mbuzi watatu, mwingine mikate mitatu, na mwingine kiriba cha divai.
Dia handroso hiala ao ianao ka ho tonga ao amin’ ny hazo terebinta any Tabara, dia hifanena amin’ ny olona telo lahy miakatra ho any amin’ Andriamanitra any Betela, ny anankiray mitondra zanak’ osy telo, ny anankiray mitondra mofo telo, ary ny anankiray mitondra divay iray tavoara;
4 Watakusalimu na kukupa mikate miwili, ambayo utaipokea kutoka kwao.
ary hiarahaba anao ireo sy hanome anao mofo roa, dia horaisinao amin’ ny tànany izany.
5 “Baada ya hayo utakwenda Gibea ya Mungu, ambapo hapo kuna kambi ya Wafilisti. Unapokaribia mji utakutana na kundi la manabii wakiteremka kutoka mahali pa juu wakiwa na vinubi, matari, filimbi na zeze vikipigwa mbele yao, nao watakuwa wakitoa unabii.
Rehefa afaka izany, dia ho tonga any Gibean’ Andriamanitra ianao, izay misy miaramilan’ ny Filistina; ary rehefa tonga ao an-tanàna ianao, dia hifanena amin’ ny mpaminany maro irai-dia midìna avy ao amin’ ny fitoerana avo mitondra lokanga sy ampongatapaka sy sodina ary valiha eo alohany, dia haminany ireo.
6 Roho wa Bwana atakuja juu yako kwa nguvu, nawe utatoa unabii pamoja nao; nawe utageuzwa kuwa mtu wa tofauti.
Ary hilatsaka aminao ny Fanahin’ i Jehovah, ka hiara-maminany aminy ianao, dia ho voaova ho olom-baovao.
7 Mara ishara hizi zitakapotimizwa, fanya lolote mkono wako upasao kufanya, kwa kuwa Mungu yu pamoja nawe.
Ary rehefa tonga aminao ireo famantarana ireo, dia ataovy izay azon’ ny tananao atao, fa Andriamanitra no momba anao.
8 “Tangulia kushuka mbele yangu mpaka Gilgali. Hakika nami nitateremka nikujie ili kutoa dhabihu za sadaka za kuteketezwa na dhabihu za amani, lakini lazima ungoje kwa siku saba hata nitakapokujia na kukuambia likupasalo kufanya.”
Ary ianao hidina eo alohako ho any Gilgala, ary indro aho hidina ho any aminao mba hanatitra fanatitra dorana sy fanati-pihavanana; ka hafitoana no hitoeranao mandra-pahatongako aminao, dia holazaiko aminao izay hataonao.
9 Ikawa Sauli alipogeuka kumwacha Samweli, Mungu aliubadilisha moyo wa Sauli, na ishara hizi zote zikatimizwa siku ile.
Ary raha vao nihodina niala tamin’ i Samoela izy, dia nomen’ Andriamanitra fo vaovao; ary tonga avokoa androtrizay ihany ireo famantarana rehetra ireo.
10 Walipofika Gibea, akakutana na kundi la manabii. Roho wa Mungu akaja juu yake kwa nguvu, naye akajiunga nao katika kutoa unabii kwao.
Ary rehefa tonga tany Gibea, izy indro, ny mpaminany maro irai-dia nifanena taminy; dia nilatsaka tamin’ i Saoly ny Fanahin’ Andriamanitra, ka naminany teo aminy izy.
11 Ikawa wale wote waliomfahamu hapo mwanzo walipomwona akitoa unabii pamoja na manabii, wakaulizana, “Ni nini hiki kilichomtokea mwana wa Kishi? Je, Sauli naye pia yumo miongoni mwa manabii?”
Ary nony hitan’ izay rehetra nahalala azy hatramin’ ny taloha fa, indro, maminany eo amin’ ny mpaminany izy, dia nifampilaza ny olona ka nanao hoe: Inona izao tonga amin’ ny zanak’ i Kisy izao? Saoly koa va mba isan’ ny mpaminany?
12 Mtu mmoja ambaye aliishi huko akajibu, “Je, naye baba yao ni nani?” Basi ikawa mithali, kusema, “Je, Sauli pia yumo miongoni mwa manabii?”
Ary ny anankiray teo namaly hoe: Fa iza moa no rain’ ireny? Ary izany no nisehoan’ ny fitenenana hoe: Saoly koa va mba isan’ ny mpaminany?
13 Baada ya Sauli kumaliza kutoa unabii, alikwenda mahali pa juu.
Ary rehefa nitsahatra naminany Saoly, dia nankeo amin’ ny fitoerana avo.
14 Basi babaye mdogo akamuuliza Sauli na mtumishi wake, “Je, mlikuwa wapi?” Akajibu, “Tulikuwa tukiwatafuta punda. Lakini tulipoona hawapatikani, tulikwenda kwa Samweli.”
Ary hoy ny rahalahin-drain’ i Saoly taminy sy tamin’ ny mpanompony: Taiza no alehanareo? Ary hoy izy: Nitady ny boriky izahay; ka nony tsy hitanay izy, dia nankany amin’ i Samoela izahay.
15 Babaye mdogo Sauli akasema, “Niambie Samweli amekuambia nini.”
Ary hoy ny rahalahin-drain’ i Saoly: Masìna ianao, lazao amiko izay nolazain’ i Samoela taminao.
16 Sauli akajibu, “Alituhakikishia kwamba punda wamepatikana.” Lakini hakumwambia babaye mdogo kila kitu Samweli alichomwambia kuhusu ufalme.
Dia hoy Saoly tamin’ ny rahalahin-drainy: Nolazainy marimarina taminay fa efa hita ny boriky. Fa ilay nolazain’ i Samoela ny amin’ ny fanjakana tsy mba nambarany taminy.
17 Samweli akawaita watu wa Israeli kuja kwa Bwana huko Mispa,
Ary Samoela namory ny vahoaka ho any Mizpa ho any amin’ i Jehovah
18 naye akawaambia, “Hili ndilo asemalo Bwana, Mungu wa Israeli: ‘Niliwatoa Israeli kutoka Misri, nami niliwaokoa toka nguvu za Misri na falme zote zilizowaonea.’
ka nanao tamin’ ny Zanak’ Isiraely hoe: Izao no lazain’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Izaho nitondra ny Isiraely niakatra avy tany Egypta ka namonjy anareo tamin’ ny tanan’ ny Egyptiana sy tamin’ ny tanan’ ny fanjakana rehetra izay nampahory anareo.
19 Lakini sasa mmemkataa Mungu wenu, ambaye anawaokoa toka katika maafa yenu yote na taabu zenu zote. Nanyi mmesema, ‘Hapana, tuteulie mfalme atutawale.’ Sasa basi, jihudhurisheni wenyewe mbele za Bwana kwa kabila zenu na kwa koo zenu.”
Nefa ianareo kosa efa nandà an’ Andriamanitrareo androany, Izay mamonjy anareo amin’ ny zavatra manjo anareo sy ny fahorianareo rehetra; fa hoy ianareo taminy: Tsia, fa manendre mpanjaka ho anay. Koa ankehitriny, mijanòna eo anatrehan’ i Jehovah araka ny firenenareo sy ny arivonareo avy.
20 Samweli alipoyasogeza makabila yote ya Israeli, kabila la Benyamini likachaguliwa.
Dia nampanatona ny firenen’ Isiraely rehetra Samoela, ka ny firenen’ i Benjamina no voafidy.
21 Kisha akalisogeza mbele kabila la Benyamini, ukoo kwa ukoo, nao ukoo wa Matri ukachaguliwa. Mwishoni Sauli mwana wa Kishi akachaguliwa. Lakini walipomtafuta, hakuonekana.
Dia nampanatona ny firenen’ i Benjamina araka ny fokony avy izy, ary ny fokon’ ny Matrita no voafidy. Dia voafidy Saoly, zanak’ i Kisy; ary raha nitady azy ny olona, dia tsy nahita azy.
22 Wakazidi kuuliza kwa Bwana, “Je, huyo mtu amekwisha kufika hapa?” Naye Bwana akasema, “Ndiyo, amejificha katikati ya mizigo.”
Dia nanontany tamin’ i Jehovah indray ny olona, na mba efa tonga ao ralehilahy, na tsia. Ary hoy Jehovah: Indro, miery ao amin’ ny entana izy.
23 Wakakimbia na kumleta kutoka huko, naye aliposimama katikati ya watu, alikuwa mrefu kuliko watu wengine wote.
Dia nihazakazaka ny olona ka naka azy tao; ary rehefa nitsangana teo afovoan’ ny olona izy, dia nanan-tombo noho ny olona rehetra hatramin’ ny sorony no ho miakatra ny halavany.
24 Samweli akawaambia watu wote, “Je, mnamwona mtu ambaye Bwana amemchagua? Hayupo aliye kama yeye miongoni mwa watu wote.” Ndipo watu wakapiga kelele, wakasema, “Mfalme na aishi maisha marefu.”
Ary hoy Samoela tamin’ ny vahoaka rehetra: Hitanareo va izay nofidin’ i Jehovah, fa tsy misy tahaka azy eo amin’ ny vahoaka rehetra? Dia nihoby ny vahoaka rehetra ka nanao hoe: Ho ela velona anie ny mpanjaka.
25 Samweli akawaeleza watu madaraka ya ufalme. Akayaandika kwenye kitabu na kuweka mbele za Bwana. Kisha Samweli akawaruhusu watu, kila mmoja aende nyumbani kwake.
Ary Samoela nilaza tamin’ ny olona izay mety ho fitondrana ny fanjakana, dia nosoratany tamin’ ny taratasy izany ka napetrany teo anatrehan’ i Jehovah. Ary ny vahoaka rehetra samy nampodin’ i Samoela ho any an-tranony avy.
26 Sauli pia akaenda nyumbani kwake huko Gibea, akisindikizwa na watu hodari ambao Mungu alikuwa amegusa mioyo yao.
Fa Saoly kosa nandeha nody tany Gibea, ary nomba azy ny olona maro, izay voatendrin’ ny tànan’ Andriamanitra ny fony.
27 Lakini baadhi ya watu wakorofi walisema, “Huyu mtu atawezaje kutuokoa?” Wakamdharau na wala hawakumletea zawadi. Lakini Sauli akanyamaza kimya.
Fa nisy kosa olona tena ratsy fanahy nanao hoe: Hataon’ io lehilahy io ahoana no famonjy antsika? Dia nanazimba an’ i Saoly ireo ka tsy nitondra fanomezana ho azy. Nefa Saoly dia tahaka ny marenina.

< 1 Samweli 10 >