< 1 Nyakati 4 >
1 Wana wa Yuda walikuwa: Peresi, Hesroni, Karmi, Huri na Shobali.
Ny zanakalahin’ i Joda dia Fareza sy Hezrona sy Karmy sy Hora ary Sobala.
2 Reaya mwana wa Shobali akamzaa Yahathi, Yahathi akawazaa Ahumai na Lahadi. Hizi ndizo zilizokuwa koo za Wasorathi.
Ary Reaia, zanakalahin’ i Sobala, niteraka an’ i Jahata; ary Jahata niteraka an’ i Ahomay sy Lahada. Ireo no fokon’ ny Zoraïta.
3 Hawa ndio waliokuwa wana wa Etamu: Yezreeli, Ishma na Idbashi. Dada yao aliitwa Haselelponi.
Ary izao no avy amin’ ny rain’ i Etama: Jezirela sy Jisma ary Jidbasy, ary Hazelelpony no anaran’ ny anabaviny,
4 Penueli akamzaa Gedori, naye Ezeri akamzaa Husha. Hawa walikuwa wazao wa Huri, mzaliwa wa kwanza wa Efrathi, na baba yake Bethlehemu.
ary Penoela, rain’ i Gedora, sy Ezera, rain’ i Hosa. Ireo no zanak’ i Hora, lahimatoan’ i Efrata, razamben’ ny any Betlehema.
5 Ashuri baba yake Tekoa alikuwa na wake wawili, Hela na Naara.
Ary Asora, razamben’ ny any Tekoa, namporafy, dia Hela sy Nara.
6 Hawa walikuwa wazao wa Naara: Ahuzamu, Heferi, Temeni na Haahashtari.
Ary Nara niteraka an’ i Ahozama sy Hafera sy Temeny ary Hahastary. Ireo no zanakalahin’ i Nara.
7 Wana wa Hela walikuwa: Serethi, Sohari, Ethnani,
Ary ny zanakalahin’ i Hela dia Zareta sy Jizara ary Etnana.
8 na Kosi ambaye aliwazaa Anubi, Sobeba na jamaa zote za Aharheli mwana wa Harumu.
Ary Hakoza niteraka an’ i Anoba sy Zobeba ary ny fokon’ i Aharela, zanakalahin’ i Haroma.
9 Yabesi aliheshimiwa kuliko ndugu zake. Mama yake alimwita Yabesi, akisema, “Nilimzaa kwa huzuni.”
Ary Jabeza dia nalaza noho ny rahalahiny; ary ny reniny nanao ny anarany hoe Jabeza, fa hoy izy: Ory aho, raha niteraka azy.
10 Yabesi akamlilia Mungu wa Israeli akisema, “Ee Mungu, laiti ungenibariki kweli kweli na kuipanua mipaka yangu! Mkono wako na uwe pamoja nami, uniepushe na uovu ili nisidhurike!” Naye Mungu akamjalia hayo aliyoyaomba.
Ary Jabeza niantso an’ Andriamanitry ny Isiraely hoe: Enga anie ka hotahinao tokoa aho, ka hohalalahinao ny fari-taniko, ary ho amiko ny tananao, ka harovanao amin’ ny ratsy aho, mba tsy hampahory ahy izany. Ary dia nomen’ Andriamanitra azy ny nangatahiny.
11 Kelubu, nduguye Shuha, akamzaa Mehiri, naye Mehiri akamzaa Eshtoni.
Ary Keloba, rahalahin’ i Soha, niteraka an’ i Mehira, rain’ i Estona;
12 Eshtoni akawazaa Beth-Rafa, Pasea na Tehina. Tehina alikuwa baba wa Iri-Nahashi. Hawa ndio waliokuwa wazao wa Reka.
ary Estona niteraka an’ i Betirafa sy Pasea ary Tehina, rain’ Ir-nahasa. Ireo dia mponina tao Reka.
13 Wana wa Kenazi walikuwa: Othnieli na Seraya. Wana wa Othnieli walikuwa: Hathathi na Meonathai.
Ary ny zanakalahin’ i Kenaza dia Otniela sy Seraia; ary ny zanakalahin’ i Otniela dia Hatata.
14 Meonathai akamzaa Ofra. Seraya akamzaa Yoabu, baba wa Ge-Harashimu. Liliitwa hivyo kwa sababu watu walioishi humo walikuwa mafundi.
Ary Meonotahy niteraka an’ i Ofra; ary Seraia niteraka an’ i Joaba, razamben’ ny ao an-dohasahan’ ny mpiasa; fa mpiasa ireo.
15 Kalebu mwana wa Yefune alikuwa na wana watatu: Iru, Ela na Naamu. Naye mwana wa Ela alikuwa: Kenazi.
Ary ny zanakalahin’ i Kaleba, zanakalahin’ i Jefone, dia Iro sy Elaha sy Nama; ary ny zanakalahin’ i Elaha dia Kenaza.
16 Wana wa Yahaleleli walikuwa: Zifu, Zifa, Tiria na Asareli.
Ary ny zanakalahin’ i Jehalalila dia Zifa sy Zifaha sy Tiria ary Asarela.
17 Wana wa Ezra walikuwa: Yetheri, Meredi, Eferi na Yaloni. Mmojawapo wa wake zake Meredi aliwazaa: Miriamu, Shamai na Ishba aliyekuwa baba yake Eshtemoa.
Ary ny zanakalahin’ i Ezra dia Jatera sy Mareda sy Efera ary Jalona; ary izy niteraka an’ i Miriama sy Samay ary Jisba, razamben’ ny any Estemoa.
18 Meredi alikuwa na mke mwingine Myahudi ambaye aliwazaa: Yeredi baba wa Gedori, Heberi baba wa Soko na Yekuthieli baba wa Zanoa. Hawa walikuwa watoto wa Bithia binti Farao, ambaye Meredi alikuwa amemwoa.
Ary Jehodia vadiny niteraka an’ i Jareda, razamben’ ny any Gedora, sy Hebera, razamben’ ny any Soko, ary Jakotiela, razamben’ ny any Zanoa. Ireo no zanakalahin’ i Bitia, zanakavavin’ i Farao, izay novadin’ i Mareda.
19 Wana wa mke wa Hodia aliyekuwa dada yake Nahamu walikuwa: baba yake Keila, Mgarmi na Eshtemoa, Mmaakathi.
Ary ny zanakalahin’ i Hodia vadiny, izay anabavin’ i Nahama, dia ny razamben’ ny an’ i Keila Garmita sy Estemoa Makatita.
20 Wana wa Shimoni walikuwa: Amnoni, Rina, Ben-Hanani na Tiloni. Wazao wa Ishi walikuwa: Zohethi na Ben-Zohethi.
Ary ny zanakalahin’ i Simona dia Amnona sy Rina sy Ben-hanana ary Tilona. Ary ny zanakalahin’ i Jisy dia Zoheta sy Ben-zoheta.
21 Wana wa Shela, mwana wa Yuda, walikuwa: Eri baba yake Leka, Laada baba yake Maresha na jamaa za wafumaji nguo za kitani safi waliokuwa wakiishi huko Beth-Ashbea,
Ary ny zanakalahin’ i Sela, zanak’ i Joda, dia Era, rain’ i Leka, sy Lada, rain’ i Maresa, sy ny fokon’ ny mpanao rongony fotsy madinika amin’ ny ankohonan’ i Asbea;
22 Yokimu, watu walioishi Kozeba, Yoashi na Sarafi waliotawala huko Moabu na Yashubi-Lehemu. (Taarifa hizi ni za zamani sana.)
ary Jokima sy ny mponina tao Kozeba ary Joasy sy Sarafa, izay samy nanapaka tany Moaba, ary Jasobi-lehema. Ary efa ela izany zavatra izany.
23 Hawa walikuwa wafinyanzi walioishi Netaimu na Gedera; waliishi huko wakimtumikia mfalme.
Ireo no mpanefy vilany sy mponina tany Netaima sy Gadera; tany no nitoerany tamin’ ny mpanjaka hanao ny asany.
24 Wazao wa Simeoni walikuwa: Nemueli, Yamini, Yaribu, Zera na Shauli.
Ny zanakalahin’ i Simeona dia Nemoela sy Jamina sy Jariba sy Zera ary Saoly,
25 Mwana wa Shauli alikuwa Shalumu, Shalumu akamzaa Mibsamu, na Mibsamu akamzaa Mishma.
dia Saloma no zanakalahin’ i Saoly, Mibsama no zanakalahin’ i Saloma, Misma no zanakalahin’ i Mibsama.
26 Wazao wa Mishma walikuwa: Hamueli aliyemzaa Zakuri, Zakuri akamzaa Shimei.
Ary ny zanakalahin’ i Misma dia Hamoela, ary Zakora no zanakalahin’ i Hamoela, Simey no zanakalahin’ i Zakora.
27 Shimei alikuwa na wana kumi na sita, na binti sita, lakini ndugu zake hawakuwa na watoto wengi, hivyo ukoo wao wote haukuwa na watu wengi kama ukoo wa Yuda.
Ary Simey nanan-janaka enina ambin’ ny folo lahy sy enim-bavy; fa ny rahalahiny tsy nanan-janaka maro, sady tsy nihamaro tahaka ny taranak’ i Joda ny fokony rehetra.
28 Waliishi Beer-Sheba, Molada, Hasar-Shuali,
Ary izy nonina tao Beri-sheba sy Molada sy Hazara-soala
sy Bila sy Ezema sy Tolada
30 Bethueli, Horma, Siklagi,
sy Betoela sy Horma sy Ziklaga
31 Beth-Markabothi, Hasar-Susimu, Beth-Biri na Shaaraimu. Hii ilikuwa miji yao mpaka wakati wa utawala wa Daudi.
sy Beti-markabota sy Hazora-sosima sy Beti-biry ary Saraima. Ireo no tanàna nonenany mandra-panjakan’ i Davida.
32 Vijiji vilivyoizunguka vilikuwa Etamu, Aini, Rimoni, Tokeni na Ashani; jumla miji mitano:
Ary ny zana-bohiny dia Etama sy Aina sy Rimona sy Tokena ary Asana, tanana dimy ireo,
33 pamoja na vijiji vyote kuizunguka hii miji hadi huko Baali. Haya yalikuwa makao yao, nao waliweka kumbukumbu ya ukoo wao.
ary ny zana-bohiny rehetra koa izay manodina izany tanàna izany hatrany Bala. Ireo no fonenany sady nanana fitantaram-pirazanana manokana izy.
34 Meshobabu, Yamleki, Yosha mwana wa Amazia,
Ary Mesobaba sy Jamleka sy Josa, zanak’ i Amazia,
35 Yoeli, Yehu mwana wa Yoshibia, mwana wa Seraya, mwana wa Asieli.
ary Joela sy Jeho, zanak’ i Josibia, zanak’ i Seraia, zanak’ i Asiela,
36 Pia Elioenai, Yaakoba, Yeshohaya, Asaya, Adieli, Yesimieli, Benaya,
ary Elioenay sy Jakoba sy Jesohaia sy Asaia sy Adiela sy Jesimiela sy Benaia
37 Ziza mwana wa Shifi, mwana wa Aloni, mwana wa Yedaya, mwana wa Shimri, mwana wa Shemaya.
sy Ziza, zanak’ i Sify, zanak’ i Alona, zanak’ i Jedaia, zanak’ i Simry, zanak’ i Semaia;
38 Watu hawa walioorodheshwa hapa juu kwa majina walikuwa viongozi wa koo zao. Jamaa zao ziliongezeka sana,
ireo voalaza anarana ireo dia samy lohany tamin’ ny fotony avy; ary efa nihamaro indrindra ny fianakaviany.
39 wakaenea mpaka kwenye viunga vya Gedori kuelekea mashariki mwa bonde wakitafuta malisho kwa ajili ya mifugo yao.
Ary nankany amin’ ny fidirana ho any Gedora izy, dia hatramin’ ny ilany atsinanana amin’ ny lohasaha, hitady ahitra ho an’ ny ondriny aman’ osiny.
40 Huko walipata malisho mengi mazuri, nayo nchi ilikuwa na nafasi kubwa, yenye amani na utulivu. Baadhi ya Wahamu waliishi huko zamani.
Ary nahita ahitra maitso sady tsara izy, ary malalaka ny tany sady nandry fahizay; nefa ny taranak’ i Hama no nonina tany taloha.
41 Watu walioorodheshwa majina walikuja katika nchi hiyo wakati wa Hezekia mfalme wa Yuda. Akawashambulia Wahamu katika makao yao pamoja na Wameuni ambao walikuwako huko nao wakawaangamiza kabisa, kama ilivyo dhahiri hadi leo. Kisha wakafanya makazi yao huko kwa sababu kulikuwa na malisho mazuri kwa ajili ya mifugo yao.
Ary ireo voasoratra anarana ireo dia tonga tao tamin’ ny andron’ i Hezekia, mpanjakan’ ny Joda, ka namely ny lay sy ny fonenana hitany tao sy nandringana azy rehetra mandraka ankehitriny, dia nonina nisolo azy; fa nisy ahitra ho an’ ny ondriny aman’ osiny tany.
42 Watu wa kabila la wa Simeoni wapatao mia tano, wakiongozwa na Pelatia, Nearia, Refaya na Uzieli wana wa Ishi, wakavamia nchi ya vilima ya Seiri.
Ary nisy lehilahy dimam-jato tamin’ ny taranak’ i Simeona nankany amin’ ny tendrombohitra Seïra ka nanana an’ i Peletia sy Nearia sy Refaia ary Oziela, zanakalahin’ i Jisy, ho mpifehy azy.
43 Wakawaua Waamaleki waliobaki, waliokuwa wamenusurika, nao wanaishi huko hadi leo.
Ary namely ny sisa afaka tamin’ ny Amalekita izy, ka dia monina ao mandraka androany.