< 1 Nyakati 18 >

1 Baada ya muda, Daudi akawashinda Wafilisti na kuwatiisha, naye akautwaa Gathi pamoja na vijiji vinavyouzunguka kutoka utawala wa Wafilisti.
Ary nony afaka izany, dia nandresy ny Filistina Davida ka nampietry azy, ary Gata sy ny zana-bohiny dia nesoriny tamin’ ny tanan’ ny Filistina.
2 Pia Daudi akawashinda Wamoabu, wakawa watumishi wake, nao wakawa wanamletea ushuru.
Ary nandresy ny Moabita koa izy, ka dia tonga mpanompon’ i Davida nandoa hetra ireo.
3 Zaidi ya hayo, Daudi akapigana na Hadadezeri mfalme wa Soba, hadi Hamathi, wakati alikwenda kuimarisha utawala wake katika Mto Frati.
Dia resin’ i Davida koa Hadarezera, mpanjakan’ i Zoba akaikin’ i Hamata, tamin’ izy lasa nampiorina ny fanjakany teo amoron’ ny ony Eofrata.
4 Daudi akateka magari ya vita 1,000 miongoni mwa magari yake, waendesha hayo magari ya kukokotwa na farasi 7,000 na askari wa miguu 20,000. Daudi akakata mishipa ya miguu ya nyuma ya farasi wote wakokotao magari, ila akabakiza 100.
Ary Davida nahazo babo kalesy arivo taminy sy mpitaingin-tsoavaly fito arivo ary miaramila an-tongotra roa alina; ary notraingotraingoin’ i Davida avokoa ny soavalin-kalesy rehetra, fa ny tokony ho amin’ ny kalesy zato ihany no navelany.
5 Waaramu wa Dameski, walipokuja kumsaidia Hadadezeri mfalme wa Soba, Daudi akawashambulia na kuwaua 22,000 miongoni mwao.
Ary nony tonga ny Syriana avy any Damaskosy hanampy an’ i Hadarezera, mpanjakan’ i Zoba, dia nahafatesan’ i Davida olona roa arivo sy roa alina ny Syriana.
6 Daudi akaweka askari walinzi katika ufalme wa Waaramu huko Dameski. Basi Waaramu wakawa watumwa wa Daudi, na kumlipa ushuru. Bwana akampa Daudi ushindi kote alipokwenda.
Ary nisy namponenin’ i Davida tany Syria any Damaskosy; dia tonga mpanompon’ i Davida ny Syriana ka nandoa hetra. Fa Jehovah nampahery an’ i Davida teny amin’ izay rehetra nalehany.
7 Daudi akazitwaa ngao za dhahabu zilizokuwa za maafisa wa Hadadezeri na kuzileta Yerusalemu.
Ary nalain’ i Davida ny ampinga volamena teny amin’ ny mpanompon’ i Hadarezera ka nentiny nankany Jerosalema.
8 Kutoka miji ya Tibhathi na Kuni, iliyokuwa miji ya Hadadezeri, Daudi akatwaa shaba nyingi sana, ambayo Solomoni aliitumia kutengenezea ile Bahari ya shaba, zile nguzo na vifaa mbalimbali vya shaba.
Ary tao Tibata sy Kona, tanànan’ i Hadarezera, no nahazoan’ i Davida babo varahina be dia be, ary izany no nanaovan’ i Solomona ilay tavin-drano varahina lehibe sy ny andry ary ny fanaka varahina.
9 Tou mfalme wa Hamathi aliposikia kwamba Daudi amelishinda jeshi lote la Hadadezeri mfalme wa Soba,
Ary nony ren’ i Toy, mpanjakan’ i Hamata, fa Davida efa naharesy ny miaramila rehetra an’ i Hadarezera, mpanjakan’ i Zoba,
10 akamtuma mwanawe, Hadoramu kwa Mfalme Daudi ili kumsalimu na kumpongeza kwa ushindi wake katika vita dhidi ya Mfalme Hadadezeri, kwa kuwa alikuwa amepigana vita mara nyingi na Tou. Hadoramu akamletea Daudi vifaa mbalimbali vya dhahabu, fedha na shaba.
dia naniraka an’ i Hadorama zanany hankany amin’ i Davida mpanjaka izy hiarahaba sy hisaotra azy noho ny niadiany tamin’ i Hadarezera sy ny nahareseny azy (fa Hadarezera dia fahavalon’ i Toy), sady nampitondrainy fanaka volamena sy volafotsy ary varahina izay samy maro karazana izy.
11 Mfalme Daudi akaviweka vifaa hivi wakfu kwa Bwana kama vile alivyokuwa amefanya kwa fedha na dhahabu aliyokuwa ameitwaa katika mataifa yote haya: Edomu na Moabu, Waamoni, Wafilisti na Waamaleki.
Dia nohamasinin’ i Davida mpanjaka ho an’ i Jehovah koa izany mbamin’ ny volafotsy sy ny volamena nentiny avy tamin’ ny firenena rehetra, dia tany Edoma sy Moaba sy ny taranak’ i Amona sy ny Filistina ary ny Amalekita
12 Abishai mwana wa Seruya akawaua Waedomu 18,000 katika Bonde la Chumvi.
Ary Abisay, zanak’ i Zeroia, naharesy ny Edomita teo amin’ ny Lohasahan-tsira, dia lehilahy valo arivo sy iray alina.
13 Akaweka kambi za askari walinzi huko Edomu, nao Waedomu wote wakawa watumishi wa Daudi. Bwana akampa Daudi ushindi kila alipokwenda.
Ary nametraka miaramila tany Edoma izy; dia tonga mpanompon’ i Davida ny Edomita rehetra. Fa Jehovah nampahery an’ i Davida teny amin’ izay rehetra nalehany.
14 Daudi akatawala Israeli yote, akitenda lililo haki na sawa kwa watu wake wote.
Ary Davida nanjaka tamin’ ny Isiraely rehetra ka nitsara sy nitondra ny vahoakany rehetra tamin’ ny fahamarinana.
15 Yoabu mwana wa Seruya alikuwa jemadari wa jeshi; Yehoshafati mwana wa Ahiludi alikuwa mweka kumbukumbu;
Ary Joaba, zanak’ i Zeroia, no komandin’ ny miaramila; ary Josafata, zanak’ i Ahiloda, no mpitadidy ny raharaham-panjakana.
16 Sadoki mwana wa Ahitubu na Ahimeleki mwana wa Abiathari walikuwa makuhani; Shausha alikuwa mwandishi;
Ary Zadoka, zanak’ i Ahitoba, sy Abimeleka, zanak’ i Abiatara, no mpisorona; ary Saosa no mpanoratra.
17 naye Benaya mwana wa Yehoyada alikuwa msimamizi wa Wakerethi na Wapelethi; nao wana wa Daudi walikuwa maafisa wakuu katika utumishi wa mfalme.
Ary Benaia, zanak’ i Joiada, no mpifehy ny miaramila mpiambina andriana; ary ny zanak’ i Davida no lehibe tamin’ izay nanolotra ny mpanjaka.

< 1 Nyakati 18 >