< 1 Nyakati 11 >
1 Israeli yote walimjia Daudi kwa pamoja huko Hebroni wakamwambia, “Sisi ni nyama yako na damu yako.
Ary dia nivory teo amin’ i Davida tao Hebrona ny Isiraely rehetra ka nanao hoe: Indreto izahay, fa taolanao sy nonao.
2 Zamani, wakati Sauli alikuwa mfalme, wewe ndiwe uliyeiongoza Israeli vitani, naye Bwana Mungu wako alikuambia, ‘Wewe utawachunga watu wangu Israeli, na utakuwa mtawala wao.’”
Hatry ny fahiny ihany koa, fony Saoly mbola nanjaka aza, dia ianao ihany no mpitarika ny Isiraely nivoaka sy niditra; ary hoy Jehovah Andriamanitrao taminao; Hianao no ho mpiandry ny Isiraely oloko, ary ianao no ho mpanapaka azy.
3 Wazee wote wa Israeli walipokuwa wamewasili kwa Mfalme Daudi huko Hebroni, alifanya mapatano nao huko Hebroni mbele za Bwana, nao wakamtia Daudi mafuta awe mfalme wa Israeli, sawasawa na Bwana alivyoahidi kupitia kwa Samweli.
Eny, tonga tao amin’ ny mpanjaka tao Hebrona ny loholon’ ny Isiraely rehetra; ary Davida nanao fanekena taminy tao Hebrona teo anatrehan’ i Jehovah; ary dia nanosotra an’ i Davida ho mpanjakan’ ny Isiraely izy araka ny tenin’ i Jehovah izay nampilazainy an’ i Samoela.
4 Daudi na Waisraeli wote wakaenda Yerusalemu (ndio Yebusi). Nao Wayebusi walioishi humo
Ary Davida sy ny Isiraely rehetra nankany Jerosalema (Jebosa izany); ary tao ny Jebosita tompon-tany.
5 wakamwambia Daudi, “Wewe hutaingia humu.” Hata hivyo, Daudi akaiteka ngome ya Sayuni, Mji wa Daudi.
Ary hoy ny mponina tao Jebosa tamin’ i Davida: Tsy ho tafiditra eto ianao. Kanjo afak’ i Davida ihany ny batery fiarovana, dia Ziona (Tanànan’ i Davida izany).
6 Daudi alikuwa amesema, “Yeyote aongozaye mashambulizi dhidi ya Wayebusi, atakuwa jemadari mkuu.” Yoabu mwana wa Seruya akawa wa kwanza kukwea, naye akawa mkuu.
Ary hoy Davida: Na iza na iza no hamely voalohany ny Jebosita, dia izy no ho lohany sy ho komandy. Ary Joaba, zanak’ i Zeroia, no niakatra voalohany, ka dia izy no lohany.
7 Daudi akafanya makao yake kwenye ngome, hivyo ukaitwa Mji wa Daudi.
Dia nitoetra tao anatin’ ny batery fiarotana Davida, ka izany no nanaovana ny anarany hoe Tanànan’ i Davida
8 Akajenga mji pande zote, kuanzia kwenye mito hadi kwenye ukuta kuzunguka, wakati huo huo Yoabu akajenga sehemu zingine zilizobaki za Yerusalemu.
Ary nandrafitra ny manodidina ny tanàna hatrany Milo izy; ary Joaba nampamboatra ny sisa tamin’ ny tanàna.
9 Daudi akazidi kuwa na nguvu zaidi na zaidi, kwa sababu Bwana Mwenye Nguvu Zote alikuwa pamoja naye.
Koa dia nandroso nihalehibe Davida; fa Jehovah, Tompon’ ny maro, no nomba azy.
10 Hawa ndio waliokuwa wakuu wa mashujaa wa Daudi: wao pamoja na Israeli wote wakauimarisha ufalme wake ili kuenea katika nchi yote, kama Bwana alivyoahidi.
Ary izao no lohan’ ny lehilahy maherin’ i Davida izay nifikitra mafy taminy tamin’ ny fanjakany, mbamin’ ny Isiraely rehetra hampanjaka azy araka ny tenin’ i Jehovah ny amin’ ny Isiraely.
11 Hii ndio orodha ya mashujaa wa Daudi: Yashobeamu, Mhakmoni, alikuwa mkuu wa maafisa; yeye aliinua mkuki wake dhidi ya watu 300, ambao aliwaua katika pambano moja.
Dia izao no isan’ ny lehilahy maherin’ i Davida: Jasobeama, zanak’ i Hakmony, lehiben’ ny mpanafika malaza; izy no namely telon-jato lahy tamin’ ny lefona ka naharingana azy tamin’ ny ady indray mandeha monja.
12 Aliyefuata alikuwa Eleazari, mwana wa Dodai, Mwahohi, mmojawapo wa wale mashujaa watatu.
Ary ny manarakaraka azy dia Eleazara, zanak’ i Dodo Ahohita, anankiray amin’ izy telo lahy mahery.
13 Huyo alikuwa pamoja na Daudi huko Pas-Damimu, wakati Wafilisti walikusanyika huko kwa ajili ya vita. Huko ambapo kulikuwa na shamba lililokuwa limejaa shayiri, vikosi vya Israeli vikawakimbia Wafilisti.
Izy dia teo amin’ i Davida tao Efesa-damima, raha vory teo ny Filistina hiady, ary ny tany nisy vary hordea maniry, ary ny olona nandositra ny Filistina.
14 Lakini Eleazari na Daudi wakasimama imara katikati ya lile shamba, nao wakalishindania na wakawaua Wafilisti. Naye Bwana akawapa ushindi mkubwa.
Fa nijanona teo afovoan’ io tany io kosa Eleazara ka nahazo io ary namono ny Filistina, ka dia nanao famonjena lehibe Jehovah.
15 Wakuu watatu miongoni mwa wale thelathini, walimwendea Daudi katika mwamba huko kwenye pango la Adulamu, wakati kikundi cha Wafilisti kilikuwa kimepiga kambi katika Bonde la Warefai.
Ary nisy telo lahy malaza tamin’ ny telo-polo nidina nankeo amin’ ny vatolampy ho any amin’ i Davida tamin’ ny zohin’ i Adolama; ary ny miaramilan’ ny Filistina nitoby tao amin’ ny Lohasahan’ ny Refaïta.
16 Wakati huo Daudi alikuwa katika ngome, na kambi ya Wafilisti ilikuwa huko Bethlehemu.
Ary Davida dia tao amin’ ny batery fiarovana tamin’ izay, ary ny miaramilan’ ny Filistina kosa dia tao Betlehema.
17 Daudi akatamani maji, akasema, “Laiti mtu angenipatia maji ya kunywa kutoka kisima kilichoko karibu na lango la Bethlehemu!”
Ary Davida naniry ka nanao hoe: Enga anie ka hisy hampisotro rano ahy avy amin’ ny fantsakana ao Betlehema, ilay ao akaikin’ ny vavahady.
18 Kwa hivyo wale watatu, wakapita katikati ya safu za Wafilisti, wakachota maji kutoka kwa kisima kilicho karibu na lango la Bethlehemu, wakamletea Daudi. Lakini yeye akakataa kuyanywa. Badala yake, aliyamimina mbele za Bwana.
Ary izy telo lahy ireo namaky teo amin’ ny miaramilan’ ny Filistina ka nanovo rano tao amin’ ny fantsakana tao Betlehema, ilay tao akaikin’ ny vavahady, dia nentiny ho any amin’ i Davida. Kanjo tsy nety nisotro izy, fa naidiny ho an’ i Jehovah.
19 Akasema, “Mungu apishie mbali kwamba nifanye hivi! Je kweli, niinywe damu ya watu hawa waliohatarisha maisha yao?” Kwa sababu walihatarisha maisha yao kuyaleta yale maji, Daudi hakukubali kuyanywa. Huo ndio uliokuwa ujasiri wa wale mashujaa watatu.
Fa hoy izy: Sanatria amiko eo anatrehan’ Andriamanitra raha hanao izany; hisotro ny ran’ ireto olona nanao vi-very ny ainy ireto va aho? fa nanao vi-very ny ainy izy ireo tamin’ ny nakany ity. Ka dia tsy nety nisotro izy. Izany zavatra izany no nataon’ ireo telo lahy mahery ireo.
20 Abishai, ndugu yake Yoabu ndiye alikuwa kiongozi wa hao Watatu. Aliinua mkuki wake dhidi ya watu 300, ambao aliwaua, kwa hiyo naye akawa na sifa kama hao Watatu.
Ary Abisay, rahalahin’ i Joaba, no lehibe tamin’ izy telo lahy; fa izy koa namely telonjato lahy tamin’ ny lefona ka nahafaty azy, ka dia izy no nalaza tamin’ izy telo lahy.
21 Alitunukiwa heshima maradufu ya wale Watatu, akawa jemadari wao, ingawa hakuhesabiwa miongoni mwao.
Eny, tamin’ izy telo lahy dia izy no nanana voninahitra mihoatra noho ny azy roa lahy, fa izy no lehibeny; nefa tsy nahomby azy telo lahy teo izy.
22 Benaya, mwana wa Yehoyada alikuwa mpiganaji hodari kutoka Kabseeli ambaye alifanya mambo makubwa ya ujasiri. Aliwaua mashujaa wawili waliokuwa hodari kuliko wote wa Moabu. Pia alishuka shimoni kulipokuwa na theluji na kumuua simba.
Ary Benaia, zanak’ i Joiada, zanaky ny lehilahy mahay tany Kabzela, izay nahavita asa be, izy no nahafaty ny roa lahy mahery tany Moaba; ary izy koa no nidina namono ny liona tao anatin’ ny lavaka fantsakana tamin’ ilay andro nisy oram-panala iny.
23 Alimuua Mmisri aliyekuwa na urefu kama dhiraa tano. Ingawa Mmisri alikuwa na mkuki kama mti wa mfumaji mkononi mwake, Benaya alimwendea na rungu. Akamnyangʼanya Mmisri mkuki wake na kumuua nao.
Ary izy koa no namono ilay Egyptiana makadiry, izay dimy hakiho ny halavany, nefa teny an-tànan’ ilay Egyptiana nisy lefona tahaka ny vodi-tenon’ ny mpanenona; nefa namorotsahan’ i Benaia tamin’ ny tehiny ihany izy, dia nosarihany ny lefona teny an-tànan’ ilay Egyptiana, ka iny lefony iny ihany no namonoany azy.
24 Haya yalikuwa mambo ya ushujaa ya Benaya mwana wa Yehoyada; naye pia alikuwa maarufu kama wale mashujaa watatu.
Izany zavatra izany no nataon’ i Benaia, zanak’ i Joiada, ary tamin’ izy telo lahy mahery dia izy no nalaza.
25 Yeye aliheshimiwa zaidi ya wale Thelathini, lakini hakujumuishwa miongoni mwa wale Watatu: Daudi akamweka kuwa kiongozi wa walinzi wake.
Indro fa be voninahitra tamin’ ny telo-polo lahy izy, nefa tsy nahomby azy telo lahy teo; ary Davida nanao azy ho isan’ ny mpanolo-tsaina azy.
26 Wale watu mashujaa walikuwa: Asaheli nduguye Yoabu, Elhanani mwana wa Dodo kutoka Bethlehemu,
Ary ny lehilahy mahery dia Asahela, rahalahin’ i Joaba, sy Elanana, zanak’ i Dodo, avy any Betlehema,
27 Shamothi Mharori, Helesi Mpeloni,
sy Samota Harorita sy Haleza Pelonita
28 Ira mwana wa Ikeshi kutoka Tekoa, Abiezeri kutoka Anathothi,
sy Ira, zanak’ Ikesy Tekoïta, sy Abiezera Anatotita
29 Sibekai Mhushathi, Ilai Mwahohi,
sy Sibekay Hosatita sy Ely Ahohita
30 Maharai Mnetofathi, Heledi mwana wa Baana, Mnetofathi,
sy Maharay Netofatita sy Heleda, zanak’ i Bana Netofatita,
31 Itai mwana wa Ribai kutoka Gibea ya Benyamini, Benaya Mpirathoni,
sy Itahy, zanak’ i Ribay avy any Gibean’ ny taranak’ i Benjamina, sy Benaia Piratonita
32 Hurai kutoka mabonde ya Gaashi, Abieli Mwaribathi,
sy Horay, any amin’ ny lohasahan-driak’ i Gasy, sy Abiela Arbatita
33 Azmawethi Mbaharumi, Eliaba Mshaalboni,
sy Azmaveta Baharomita sy Eliaba Salbonita
34 wana wa Hashemu Mgiloni, Yonathani mwana wa Shagee Mharari,
sy ny zanak’ i Hasema Gizonita sy Jonatana, zanak’ i Sage Hararita,
35 Ahiamu mwana wa Sakari Mharari, Elifale mwana wa Uru,
sy Ahiama, zanak’ i Sakara Hararita, sy Elifala, zanak’ i Ora,
36 Heferi Mmekerathi, Ahiya Mpeloni,
sy Hefera Mekeratita sy Ahia Pelonita
37 Hezro Mkarmeli, Naarai mwana wa Ezbai,
sy Hezro Karmelita sy Naray, zanak’ i Ezbay,
38 Yoeli nduguye Nathani, Mibhari mwana wa Hagri,
sy Joela, rahalahin’ i Natana, sy Mibara, zanak’ i Hagry.
39 Seleki Mwamoni, Naharai Mbeerothi, mbeba silaha wa Yoabu mwana wa Seruya,
sy Zaleta Amonita sy Naharay Berotita, mpitondra ny fiadian’ i Joaba, zanak’ i Zeroia,
40 Ira Mwithiri, Garebu Mwithiri,
sy Ira Jitrita sy Gareba Jitrita
41 Uria Mhiti, Zabadi mwana wa Alai,
sy Oria Hetita sy Zabada, zanak’ i Ahelay,
42 Adina mwana wa Shiza Mreubeni, ambaye alikuwa mkuu wa Wareubeni, akiwa pamoja na watu thelathini,
sy Adina, zanak’ i Siza Robenita, mpifehy ny Robenita, ary ny namany telo-polo lahy koa,
43 Hanani mwana wa Maaka, Yoshafati Mmithni,
sy Hanana, zanak’ i Maka, sy Josafata Mitnita
44 Uzia Mwashterathi, Shama na Yeieli wana wa Hothamu Mwaroeri,
sy Ozia Astartita ary Sama sy Jeiela, zanak’ i Hotama Aroerita,
45 Yediaeli mwana wa Shimri, nduguye Yoha Mtizi,
sy Jediaela, zanak’ i Simry, sy Joha Tizita rahalahiny
46 Elieli Mmahawi, Yeribai na Yoshavia wana wa Elnaamu, Ithma Mmoabu,
sy Eliala Mahavita sy Jeribay sy Josavia, zanak’ i Elnama, sy Jitma Moabita
47 Elieli, na Obedi na Yaasieli Mmesobai.
sy Eliala sy Obeda ary Jasiela Mezobaïta.