< Apocalipsis 19 >
1 Después de estas cosas, llegó a mis oídos un sonido como de una gran multitud de gente en el cielo, que decía: ¡Aleluya! la salvación, honra y gloria y el poder sean para nuestro Dios.
Rehefa afaka izany, dia nahare hoatra ny feon’ ny vahoaka betsaka tany an-danitra aho nanao hoe: Haleloia! Ny famonjena sy ny voninahitra ary ny hery dia an’ Andriamanitsika;
2 Porque sus juicios son verdaderos y justos; porque por él fue juzgada a la gran ramera, que hizo inmunda a la tierra con los pecados de su cuerpo; y él ha vengado la sangre de sus siervos de la mano de ella.
Fa marina sy mahitsy ny fitsarana ataony; Fa nitsara ilay vehivavy janga lehibe Izy ― Dia ilay nandoto ny tany tamin’ ny fijangajangany ― Ary namaly ary noho ny ran’ ny mpanompony izay nalatsaky ny tànany.
3 Y otra vez dijeron: Aleluya! Y su humo subió por los siglos de los siglos. (aiōn )
Dia niteny fanindroany ireo hoe: Halelola! Ary ny setroky ny tanàna dia miakatra mandrakizay mandrakizay. (aiōn )
4 Y los veinticuatro ancianos y las cuatro bestias se postraron sobre sus rostros, y adoraron a Dios, que estaba sentado en el trono, y decían: Amén!, Aleluya!
Ary ny loholona elatra amby roa-polo sy ny zava-manan’ aina efatra dia niankohoka nivavaka tamin’ Andriamanitra. Izay mipetraka eo ambonin’ ny seza fiandrianana, ka nanao hoe: Amena; Haleloia!
5 Y salió una voz del trono, que decía: Alaben a nuestro Dios, todos sus siervos, pequeños y grandes, y los que le temen.
Ary nisy feo koa nivoaka avy teo amin’ ny seza fiandrianana ka nanao hoe: Miderà an’ Andriamanitsika ianareo mpanompony rehetra, dia ianareo izay matahotra Azy, na ny kely na ny lehibe.
6 Y vino a mis oídos la voz de una gran multitud, como el sonido de las aguas, y el sonido de fuertes truenos, que decían: Aleluya, porque el Señor nuestro Dios, Todopoderoso reina!
Dia nahare feo tahaka ny an’ ny vahoaka betsaka aho, sy tahaka ny firohondrohon’ ny rano be, ary tahaka ny fikotroky ny kotrokorana mafy, nanao hoe: Haleloila! Fa ny Tompo Andriamanitsika, dia ny Tsitoha, no Mpanjaka.
7 Gocémonos y alegrémonos, y démosle gloria; porque ha llegado el momento de las bodas del Cordero han llegado y su esposa se ha preparado.
Aoka isika hifaly sy ho ravoravo ka hanome voninahitra Ary; fa tonga ny fampakaram-badin’ ny Zanak’ ondry. Ka efa niomana ny vadiny.
8 Y a ella se le dio de vestir de lino fino, limpio y resplandeciente, porque el lino limpio es la justicia de los santos.
Ary nasaina nitafy rongony fotsy madinika sady madio no mangatsakatsaka izy; fa izany rongony fotsy madinika izany dia ny asa marina ataon’ ny olona masìna.
9 Y el ángel me dijo: Escribe: , Bienaventurados los que son invitados a la fiesta de la boda del Cordero. Y él me dijo: Estas son las palabras verdaderas de Dios.
Ary hoy koa izy tamiko Soraty: Sambatra izay nantsoina ho amin’ ny fanasana fampakaram-badin’ ny Zanak’ ondry. Fa hoy izy tamiko: Ireo dia teny marin’ Andriamanitra.
10 Y me puse de cara delante de sus pies para darle culto. Y él me dijo: “Mira que no lo hagas: yo soy un siervo contigo y con tus hermanos que guardan el testimonio de Jesús: Adora a Dios; porque el testimonio de Jesús. es el espíritu de la palabra de profecía.
Dia niankohoka teo amin’ ny tongony aho mba hivavaka aminy. Ary hoy izy tamiko: Tandremo, aza manao izao; fa mpanompo namanao ihany aho sady naman’ ireo rahalahinao izay mitana ny filazana an’ i Jesosy; Andriamanitra ihany no ivavaho; fa ny filazana an’ i Jesosy no fanahin’ ny faminaniana.
11 Y el cielo estaba abierto; y vi un caballo blanco, y el que estaba sentado en él se llamaba Cierto y Verdadero; y él está juzgando y haciendo guerra en justicia.
Ary nahita ny lanitra voasokatra aho, ka, indro, nisy soavaly fotsy; ary Izay nitaingina azy dia atao hoe Mahatoky sy Marina, ary amin’ ny fahamarinana no itsarany sy iadiany.
12 Y sus ojos son llama de fuego, y coronas sobre su cabeza; y tiene un nombre por escrito, del cual ningún hombre tiene conocimiento más que él mismo.
Ary ny masony dia lelafo, ary tamin’ ny lohany nisy diadema maro; ary Izy manana anarana voasoratra, izay tsy misy mahalala akory afa-tsy ny tenany ihany.
13 Y él está vestido con una túnica lavada con sangre; y su nombre es El Verbo de Dios.
Ary miakanjo akanjo voafafy rà Izy; ary ny anarany atso hoe Ny Tenin’ Andriamanitra.
14 Y los ejércitos que están en los cielos fueron tras él en caballos blancos, vestidos de lino fino, blanco y limpio.
Ary ny antokon’ ny miaramila any an-danitra dia nanaraka Ary, samy nitaingina soavaly fotsy sy niakanjo rongony madinika sady fotsy no madio.
15 Y de su boca sale una espada aguda, con la cual hiere a las naciones; y él las regirá con vara de hierro; y él aplasta con sus pies las uvas de la ira de Dios, Todopoderoso.
Ary misy sabatra maranitra mivoaka avy amin’ ny vavany mba hamelenany ny firenena; ary Izy hanapaka azy amin’ ny tehim-by; ary Izy no manitsaka ny famiazana ny divain’ ny firehetan’ ny fahatezeran’ Andriamanitra Tsitoha.
16 Y en su manto y en su pierna hay un nombre, REY DE REYES, Y SEÑOR DE SEÑORES.
Ary manana anarana voasoratra amin’ ny lambany sy ny feny Izy nanao hoe: MPANJAKAN’ NY MPANJAKA SY TOMPON’ NY TOMPO.
17 Y vi un ángel que tomaba su lugar en el sol; y él estaba clamando a gran voz, diciendo a todas las aves que volaban en los cielos: Vengan juntos a la gran fiesta de Dios;
Ary hitako fa, indro, nisy anjely anankiray koa nitsangana teo amin’ ny masoandro, ary niantso tamin’ ny feo mahery izy ka nanao tamin’ ny voro-manidina rehetra teo afovoan’ ny habakabaka hoe: Avia, ka miangòna ho amin’ ny fanasana lehiben’ Andriamanitra,
18 Para que coman carne de reyes, y de capitanes, y de hombres fuertes, y de caballos y de aquellos que están sentados sobre ellos, y la carne de todos los hombres, libres y esclavos, pequeños y grandes.
mba hihinananareo ny nofon’ ny mpanjaka sy ny nofon’ ny mpifehy arivo sy ny nofon’ ny mahery sy ny nofon’ ny soavaly mbamin’ izay mitaingina azy ary ny nofon’ ny olona rehetra, na andevo na tsy andevo, na kely na lehibe.
19 Y vi la bestia, y los reyes de la tierra, y sus ejércitos, unirse para hacer guerra contra el que estaba sentado sobre el caballo y contra su ejército.
Ary hitako ilay bibi-dia sy ny mpanjakan’ ny tany mbamin’ ny miaramilany tafangona mba hiady amin’ ilay mitaingina ny soavaly sy amin’ ny miaramilany.
20 Y la bestia fue apresada, y con ella el falso profeta que había hecho las señales delante de él, por el cual habían sido apartados del camino verdadero los que tenían la marca de la bestia, y que había adorado a su imagen; estos dos fueron lanzados. en el mar de fuego que arde con azufre. (Limnē Pyr )
Ary nosamborina ilay bibi-dia mbamin’ ny mpaminany sandoka, dia ilay nanao ny famantarana teo anatrehany, izay nentiny namitaka ny efa nandray ny mariky ny bibi-dia sady miankohoka eo anoloan’ ny sariny; ary dia natsipy velona ho any amin’ ny farihy afo mirehitra solifara izy roroa. (Limnē Pyr )
21 Y los demás fueron muertos con la espada que salía de su boca; del que montaba el caballo y todas las aves se saciaron de las carnes de ellos.
Ary ny olona sisa dia matin’ ny sabatra mivoaka avy amin’ ny vavan’ ilay mitaingina ny soavaly; ary ny vorona rehetra dia voky ny nofony.