< Job 28 >

1 Ciertamente la plata tiene su oculto nacimiento, y el oro lugar de donde lo sacan.
Fa misy tany fihadiana volafotsy, ary misy tany fahazoana volamena, izay diovina.
2 El hierro es tomado del polvo, y de la piedra es fundido el metal.
Ny vy dia alaina avy amin’ ny tany, ary ny varahina arendrika avy amin’ ny vato.
3 A las tinieblas puso término, y a toda obra perfecta que él hizo puso piedra de oscuridad y de sombra de muerte.
Ny mpihady vola mampisava ny maizina ka mizaha hatramin’ ny faran’ ny zavatra rehetra ao, dia ny vaton’ ny aizim-pito sy ny aloky ny fahafatesana;
4 Sale el río junto al morador; y las aguas sin pie, más altas que el hombre, se fueron.
Mihady lavaka mihalavitra amin’ izay itoeran’ olona izy ka tsy ampoizin’ ny tongotra akory, ary mihantona sy mitsingevaheva any ambany lavitra ny olona izy.
5 Tierra de la cual saldrá pan, y debajo de ella estará como convertida en fuego.
Ny tany no ihavian’ ny hanina; Ary ny ao ambaniny dia avadika tahaka ny afo.
6 Lugar que sus piedras serán zafiros, y tendrá polvos de oro.
Fitoeran’ ny safira ny vatony, ary misy akoram-bolamena ao aminy
7 Senda que nunca la conoció ave, ni ojo de buitre la vio.
Làlana tsy fantatry ny vorona mpihaza ary tsy hitan’ ny mason’ ny voromahery,
8 Nunca la pisaron animales fieros, ni pasó por ella león.
Sady tsy nodiavin’ ny zanaky ny bibi-dia ary tsy mba nalehan’ ny liona masiaka.
9 En el pedernal puso su mano, y trastornó los montes de raíz.
Maninjitra ny tànany amin’ ny vatokaranana ireo ary mamadika ny tendrombohitra hatramin’ ny fotony;
10 De los peñascos cortó ríos, y todo lo precioso vio su ojo.
Ny vatolampy tatahany hatao lalan-drano, ary izay zava-tsoa rehetra dia hitan’ ny masony avokoa.
11 Los ríos detuvo en su nacimiento, y lo escondido hizo salir a luz.
Tampenany ny lalan-drano mba tsy hisy mitete. Ary izay zava-miafina dia avoakany ho amin’ ny mazava.
12 ¿Mas la sabiduría, donde se hallará? ¿y el lugar de la prudencia, donde está?
Fa aiza kosa no hahitana ny fahendrena? ary aiza no fitoeran’ ny fahalalana?
13 Nunca el hombre supo su valor, ni se halla en la tierra de los vivientes.
Tsy misy zanak’ olombelona mahalala ny vidiny, ary tsy hita eo amin’ ny tanin’ ny velona izy.
14 El abismo dice: No está en mí: y la mar dijo: Ni conmigo.
Hoy ny lalina: Tsy ato anatiko izy; Ary, tsy ato amiko izy, hoy ny ranomasina.
15 No se dará por oro, ni su precio será a peso de plata.
Ny volamena tsara tsy mahatakalo azy, ary ny volafotsy tsy azo lanjaina ho vidiny;
16 No es apreciada con oro de Ofir, ni con ónix precioso, ni con zafiro.
Ny volamena avy any Ofira tsy ampy ho tombany, na ny beryla saro-bidy sy ny safira aza.
17 El oro no se le igualará, ni el diamante; ni se trocará por vaso de oro fino.
Ny volamena sy ny fitaratra tsy azo ampitahaina aminy, ary tsy azo takalozana firavaka tena volamena izy.
18 De coral, ni de gabis, no se hará mención: la sabiduría es mejor que piedras preciosas.
Tsy tokony hotsaroana akory ny voahangy sy ny vato krystaly, fa ny fahazoana fahendrena dia mihoatra noho ny voahangy.
19 No se igualará con ella esmeralda de Etiopía: no se podrá apreciar con oro fino.
Ny topaza avy any Etiopia dia tsy azo ampitahaina aminy, ary tsy mahatakalo azy ny tena volamena tsara
20 ¿De dónde, pues, vendrá la sabiduría? ¿y dónde está el lugar de la inteligencia?
Dia avy aiza ary ny fahendrena? Ary aiza no fitoeran’ ny fahalalana?
21 Pues es encubierta a los ojos de todo viviente, y a toda ave del cielo es oculta.
Miafina amin’ ny mason’ ny velona rehetra izany ary takona amin’ ny voro-manidina.
22 La perdición y la muerte dijeron: Su fama hemos escuchado con nuestros oídos.
Hoy Abadona sy Ifahafatesana: Ny sofinay ihany no nandrenesany ny filazana azy.
23 Dios entendió su camino, y él solo conoció su lugar.
Andriamanitra ihany no mahalala ny lalana ho any aminy, ary Izy no mahafantatra ny itoerany;
24 Porque él mira hasta los fines de la tierra, y ve debajo de todo el cielo:
Fa Izy no mitsinjo hatramin’ ny faran’ ny tany ary mahatazana manerana izao ambanin’ ny lanitra rehetra izao,
25 Haciendo peso al viento, y poniendo las aguas por medida.
Ka manendry ny lanjan’ ny rivotra ary mamatra ny rano amin’ ny famarana.
26 Cuando él hizo ley a la lluvia, y camino al relámpago de los truenos:
Raha nanao lalana ho an’ ny ranonorana Izy sy lalana halehan’ ny helatry ny kotrokorana,
27 Entonces la vio él, y la manifestó; la preparó, y también la inquirió.
Dia nahita ka nanambara azy Izy; Eny, nanorina azy Izy sady namantatra azy;
28 Y dijo al hombre: He aquí, que el temor del Señor es la sabiduría; y la inteligencia el apartarse del mal.
Dia hoy Izy tamin’ ny olona: Indro, ny fahatahorana ny Tompo no fahendrena. Ary ny fialàna amin’ ny ratsy no fahalalana.

< Job 28 >